الدُّرُوسُ الْمُهِمَّةُ لِعَامَّةِ الْأُمَّةِ
Lesona manan-danja ho an’ny be sy nymaro
لِسَمَاحَةِ الشَّيْخِ العَلَّامَةِ
عَبْدِ العَزِيزِ بْنِ عَبْدِ اللهِ بْنِ بَازٍ
رَحِمَهُ اللهُ
Nisoratan'i Sheikh manan-kaja
Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz (R.A)
بِسْمِ اللهِ الرَّحمَنِ الرَّحِيمِ
Lesona manan-danja ho an’ny be sy nymaro
Nisoratan'i Sheikh manan-kaja
Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz (R.A)
Amin'ny anaran'I Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
SASIN-TENIN'NY MPANORATRA
Fisaorana anie ho an'I Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny fihafarana tsara indrindra dia ho an'ny olo-marina manam-pinoana. Ny vavaka sy ny fiadanana avy amin’I Allah anie ho amin’ny mpanompony sy ny irany, ny Mpaminany Mohammad (S.A.W) sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy rehetra.
Aorian'izany :
Ireto misy teny fohy manazava ny sasany amin'ireo zavatra tokony ho fantatry ny be sy ny maro momba ny finoana Silamo, izay nampitondrako ny lohateny hoe : (Lesona manan-danja ho an'ny be sy ny maro).
Mangataka amin’I Allah aho mba hanasoa ny mpino silamo amin’izany, ary hanaiky izany avy aty amiko, satria malala-tànana sy tsara fanahy tokoa Izy.
'Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz Lesona manan-danja ho an’ny be sy ny maro (1)1
Lesona voalohany : Sorat Al-Fatihah sy ireo Sorat fohy
Sourat Al-Fatihah sy izay sorat fohy azo vakina, manomboka amin’ny Sorat Al-Zalzalah ka hatramin’ny Sorat An-Nas, dia vakina, manitsy ny vakiteny, manao tsianjery ary manazava izay tokony ho fantatra rehetra.
Lesona Faharoa : Ny andrin'ny finoana Silamo
Fanambarana ny andry dimy amin'ny finoana silamo, ny voalohany sy ny lehibe indrindra amin'izany dia : Fijorona ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, miaraka amin'ny fanazavana ny heviny, ary fanambarana ny fepetran'ny tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary ny dikany dia : (Tsy misy tompo) manafoana izay rehetra ivavahana ankoatra an'I Allah, (afa-tsy Allah) manamafy ny fanompoana amin'I Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa Aminy. Raha ny fepetran’ny hoe “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, dia izao : fahalalana manala ny habadoana, fahatokiana manala ny fisalasalana, fahadiovam-po manala ny fanompoan-tsampy, fahamarinana manala ny lainga, fitiavana manala ny fankahalana, fanekena manda ny fandaozana, fanekena izay mandà ny fandavana, ary tsy finoana amin’izay rehetra ivavahana ankoatr'Allah. Nangonina tao amin’ireto andininy roa manaraka ireto izany :
Fahalalana, fahatsoram-po ary fahamarinana amin'ny ... fitiavana, fankatoavana ary fanekena azy Ary ny fahavalo dia ny tsy fankasitrahanao ny zavatra hafa ... ankoatra an’ny tompo.
Miaraka amin'ny fanazavana ny fijoroana ho vavolombelona fa i Mohammad dia irak'Allah sy ny fepetra takian'izany : Mino izay nolazainy, mankatò izay nandidiany, miala amin'ny zavatra norarany sy nampitandremany, ary tsy manompo an'I Allah afa-tsy amin'izay voalazan'I Allah- Ilay Tsitoha - sy ny irak'Allah - (S.A.W). Avy eo dia hazavainy amin’ilay mpianatra ny Andrin'ny finoana silamo dimy ambiny, dia ny soalat, ny zakat, ny fifadian-kanina amin'ny volana Ramadany, ary ny Hajj ho an’izay afaka manao izany.
Lesona Fahatelo : Ny Andrin'ny Finoana
Enina izy ireo : ny finoanao an’I Allah, ny anjeliny, ny bokiny, ny Irany, ny andro farany, ary ny finoana ny anjara, na tsara na ratsy, avy amin’I Allah ilay Tsitoha.
Lesona fahefatra : Fizaran'ny fanokanana an'I Allah sy ny Fizaran'ny fanompoan-tsampy
Fanazavana ny fizarazaran'ny fanokanana an'I Allah, izy io dia telo : ny Tawhid maha-tompon-tompo, ny Tawhid maha-Andriamanitra azy, ary ny Tawhid anarana sy ny toetra.
1-Tawhid ny maha-tompon-tompo Azy : Ny finoana fa Allah ilay Tsitoha no Mpamorona ny zava-drehetra ary Izy no mifehy ny zava-drehetra, ary tsy manana mpiara-miasa aminy Izy.
2- Tawhid ny maha-Andriamanitra Azy : Ny finoana fa Allah Tsitoha ihany no tena ivavahana, tsy misy mpiara-miasa amin’izany. Izany no dikan’ny hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, izany hoe : Tsy misy tompo tompoina marina afa-tsy Allah. Ny fanompoam-pivavahana rehetra, toy ny soalat, ny fifadian-kanina, sy ny zavatra hafa, dia tsy maintsy atao amin-kitsimpo ho an’I Allah irery ihany, ary tsy azo atao ny manokan-tena ho an’ny olon-kafa.
3-Tawhid amin'ny anarany sy ny toetrany : izany no finoana ny zavatra rehetra voalaza ao amin’ny CORAN na ireo Hadith marina momba ny anarana sy ny toetran’I Allah, ary manamafy izany ho an’I Allah irery ihany amin’ny fomba mendrika ho Azy, ny voninahitra ho Azy, tsy misy fanodinkodinana, fanafoanana, na fanaratsina, na fanoharana; araka ny tenin'I Allah manao hoe :
﴿قُلۡ هُوَ ٱللَّهُ أَحَدٌ 1 ٱللَّهُ ٱلصَّمَدُ 2 لَمۡ يَلِدۡ وَلَمۡ يُولَدۡ 3 وَلَمۡ يَكُن لَّهُۥ كُفُوًا أَحَدُۢ 4﴾
(Lazao hoe : Izy Tompo Allah no tokana (1)
Allah irery ihany no ilay ianteheran’ny rehetra (2)
Tsy niteraka Izy, ary tsy nateraka (3)
Ary tsy misy na iray mitovy Aminy(4)) [Al- Ikhlas : 1-4] Ary ny teniny manao hoe :
﴿...لَيۡسَ كَمِثۡلِهِۦ شَيۡءٞۖ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡبَصِيرُ﴾
(Tsy misy tahaka Azy, ary Izy no Mandre, Mahita) [As_shoraa : 11 ]. Nozarain’ny manam-pahaizana ho karazany roa izany, ary nampidirina tao anatin’ny Tawhid maha-tompon-tompo ny Tawhid maha-iray ny anarana sy ny toetrany, ary tsy misy iadian-kevitra momba izany, satria mazava ny hevitra tiana ho lazaina amin’ireo fizarana roa ireo.
Ary ny karazan'ny fanompoan-tsampy telo : Ny fanompoan-tsampy lehibe, ny fanompoan-tsampy kely ary ny fanompoan-tsampy miafina.
Ny fanompoan-tsampy lehibe : Izany dia manafoana ny asa sy ny mampiditra mandrakizay ao amin'ny Afobe ho an'izay maty eo am-panatanterahana izany, araka ny tenin'I Allah ilay tsitoha :
﴿...وَلَوۡ أَشۡرَكُواْ لَحَبِطَ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ﴾
(Ary raha nampifandray ny hafa tamin’I Allah izy ireo dia ho very maina izay rehetra nataony). [Al-An’am: 88]. Ary mbola niteny Allah ilay avo Tsitoha mandrakizay :
﴿مَا كَانَ لِلۡمُشۡرِكِينَ أَن يَعۡمُرُواْ مَسَٰجِدَ ٱللَّهِ شَٰهِدِينَ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِم بِٱلۡكُفۡرِۚ أُوْلَٰٓئِكَ حَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡ وَفِي ٱلنَّارِ هُمۡ خَٰلِدُونَ 17﴾
(Tsy anjaran’ireo mpanompo sampy no mameno sy mikarakara ireo masjidin’I Allah, noho izy ireo nitsangana ho vavolombelona amin’ny tsy finoana ny tenany. Ho foana ny asan’izy ireny ary ny afobe no hitoerany mandrakizay). [At-Tawbah: 17]. Ary izay maty amin’ny fanaovana izany dia tsy hahazo famelan-keloka, ary ho voarara aminy ny Paradisa, araka ny tenin’I Allah Tsitoha :
﴿إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُ...﴾
"Hamafisina, fa Allah dia tsy mamela heloka izay mampitambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary mamela heloka kosa Izy ankoatra izany ho an'izay sitrany ". [ AN-NISSA : 48 ]. Ary mbola niteny ilay avo Tsitoha mandrakizay :
﴿...إِنَّهُۥ مَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدۡ حَرَّمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ ٱلۡجَنَّةَ وَمَأۡوَىٰهُ ٱلنَّارُۖ وَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِنۡ أَنصَارٖ﴾
(Raha ny marina, izay mampifandray ny hafa amin’I Allah, dia noraran’I Allah aminy ny Paradisa, ary ny Afobe no fialofany. Ary tsy misy mpanampy ho an'ny mpanao ratsy). [ Al-Maidah: 72 ].
Anisan’ny karazany : Fitalahoana amin’ny maty, sampy, fitadiavana fanampiana amin’izy ireo, fanaovana voady, fanaovana sorona ho azy, sy ny toy izany.
Ny fanompoan-tsampy madinika : Izany dia voaporofo ao amin'ny soratra masina ao amin'ny CORAN na Sonnah ary antsoina hoe fanompoan-tsampy, saingy tsy mitovy amin'ny fanompoan-tsampy lehibe. Anisan’izany ny fisehosehosehoana amin’ny fihetsika sasany, ny fianianana amin’ny anaran’ny zavatra hafa ankoatr'I Allah, ny filazana hoe : “Izay sitrapon’I Allah sy izao sy izao”, sy ny toy izany. Izany dia mifototra amin'ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe :
«أَخْوَفُ مَا أَخَافُ عَلَيْكُمُ الشِّرْكُ الأَصْغَرُ»، فَسُئِلَ عَنْهُ، فَقَالَ: «الرِّيَاءُ».
"Ny tena atahorako aminareo dia ny fanompoan-tsampy madinika." Nanontaniana momba izany izy, dia namaly hoe : “Fihatsarambelatsihy”.2 Notantarain'i Imam Ahmad, Al-Tabarani ary Al-Bayhaqi, avy amin'i Mahmod bin Labid Al-Ansari - (R.A) - miaraka amin'ny rojo fitantarana tsara. Notantarain'i Al-Tabarani ihany koa izy io miaraka amin'ny rojom-pitantarana tsara, avy amin'i Mahmod bin Labid, amin'ny fahefan'i Rafi bin Khadij, amin'ny fahefan'ny Mpaminany - (S.A.W).
Ary tenin'ny Mpaminany (S.A.W) -
«مَنْ حَلَفَ بِشَيْءٍ دُونَ اللَّهِ فَقَدْ أَشْرَكَ».
(Izay mianiana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia efa nanao shirk)3 Notantarain'i Imam Ahmad miaraka amin'ny rojom-pandefasana marim-pototra, araka ny fahefan'i Omar ibn al-Khattab - R.A . Notantaraini Abo Dawod sy i Al-Tirmidhi miaraka amin'ny rojom-pifindrana marim-pototra, araka ny notantarain'i Ibn Omar (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) :
«مَنْ حَلَفَ بِغَيْرِ اللَّهِ فَقَدْ كَفَرَ أَوْ أَشْرَكَ».
"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'I Allah dia efa nikomy na nanompo sampy". (4)4 Ary tenin'ny Mpaminany (S.A.W) -
«لَا تَقُولُوا: مَا شَاءَ اللَّهُ وَشَاءَ فُلَانٌ، وَلَكِنْ قُولُوا: مَا شَاءَ اللَّهُ ثُمَّ شَاءَ فُلَانٌ».
Aza miteny ianareo hoe : Raha sitrak'I Allah sy sitrak'i ranona, fa mitenena hoe : Raha sitrak'I Allah avy eo raha sitrak'i ranona".5 Notantarain'i Abo Dawod miaraka amin'ny rojom-pifindran'ny tena marina, araka ny fahefan'i Hodhayfah ibn al-Yaman (R.A).
Io karazany io dia tsy mamoaka amin'ny finoana, ary tsy mampijanona mandrakizay any amin'ny helo, fa manafoana ny fahatanterahan'ny fanokanana an'I Allah izay tsy maintsy atao.
Ny karazana fahatelo : fanompoan-tsampy miafina. Ny porofon'izany dia ilay tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
«أَلَا أُخْبِرُكُمْ بِمَا هُوَ أَخْوَفُ عَلَيْكُمْ عِنْدِي مِنَ الْمَسِيحِ الدَّجَّالِ؟» قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللَّهِ. قَالَ: «الشِّرْكُ الْخَفِيُّ؛ يَقُومُ الرَّجُلُ فَيُصَلِّي، فَيُزَيِّنُ صَلَاتَهُ لِمَا يَرَى مِنْ نَظَرِ الرَّجُلِ إِلَيْهِ».
(Tsy ho lazaiko aminareo ve izay atahorako anareo mihoatra noho ny Antikristy?) Hoy izy ireo : Eny, ry irak'Allah. Dia hoy izy : (Fanompoan_tsampy miafina. Mitsangana hivavaka ny olona iray ary manaingo ny fivavahany ho tsara noho ilay olona mijery azy).6 Notantarain'i Imam Ahmad ao amin'ny Mosnad-ny, avy amin'i Abo Saeed Al-Khodri, (R.A).
Ny fanompoan-tsampy dia azo zaraina ho karazany roa ihany :
Lehibe sy kely, fa ny fanompoan-tsampy miafina dia ahitana ny izy roa; Tafiditra ao anatin’ny fahotana lehibe kokoa izany, toy ny fanompoan-tsampin'ireo mpihatsaravelatsihy, satria manafina ny finoany diso izy ireo ary mody mihatsaravelatsihy ho mpino silamo sy noho ny tahotra ho an’ny tenany.
Ary endriky ny fanompoan-tsampy madinidinika ihany koa, toy ny fisehosehoana, araka ny voalaza ao amin'ny hadith Mahmod bin Labid Al-Ansari voalaza etsy ambony, sy ny hadith-n'i Abo Saeed voalaza etsy ambony. Ary I Allah no Mpanome fahombiazana.
Lesona fahadimy : Ny Fahatsarana
Ny Andrin'ny hatsarana dia ny fanompoanao an’I Allah toy ny mahita Azy, ary raha tsy mahita Azy ianao dia Izy mahita anao.
Lesona fahaenina : fepetra ny Soalat
Sivy izy ireo :
Mpino Silamo, misaina, mahay manavaka, madio, manala ny loto, manarona ny vatana, ny fidiran'ny fotoana, mitodika amin'ny Qibla, ary ny fikasana.
Lesona fahafito : Andrin'ny Soalat
efatra ambin'ny folo izy ireo :
Mijoro mahitsy raha mahavita izany, manao Takbir fanokafana, mamaky ny Al-Fatihah, miondrika, mitsangana mahitsy rehefa avy miondrika, miankohoka eo amin'ny rantsana fito ary mitsangana avy eo, mipetraka eo anelanelan'ny fiankohofana roa, tony eo amin'ny fanatanterahana ny asa rehetra, ny filaharan'ireo Andry, ny Tashahud farany ary ny mipetraka eo amin'izany, mandefa ny tsodrano ho an'ny Mpaminany (S.A.W) ary ny fanaovana Salam roa.
Lesona Fahavalo : Ny tsy maintsy atao amin'ny vavaka
Valo izy ireo :
Ny Takbir rehetra afa-tsy ny Takbirat al-Ihram, ny fitenenana : "Samiallaho Liman Hamida" ho an'ny Imam sy ny izay mivavaka irery... ary ny fitenenana hoe : "(Rabbana Walakal-Hamdo) ho an'ny rehetra, ary ny fitenenana hoe : "Sobhana Rabbyal-Azim)" amin'ny fiankohofana, ary ny fitenenana hoe : "Sobhana Rabbiyal-A'ala) eo amin'ny fiankohofana", ary ny fitenenana hoe : "Rabbighfirli) eo anelanelan'ny fiankohofana roa, ary ny Tasahhoda voalohany sy ny fipetrahana teo aminy.
Lesona fahasivy : Fanazavana ny Tashahhoda
Izy io dia ny fitenenana hoe :
" Attahiato Lillahy was Soalato wat Toaybato, As salamo Anlaika Ayohan Nabyy wa Rahmatollahy wa Barakaatoh, As salam Anlaina wa Anlaa imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho ".
Avy eo izy dia nivavaka ho an'ny Mpaminany - S.A.W - ary n'y tso-drano azy ka miteny hoe : "Allahomma Soally anlaa Mohammad wa anlaa Aaly Mohammad kamaa Soallayta anlaa Ibrahim wa anlaa Aaly Ibrahim, innaka Hamidon madjid Allahomma Baarik anlaa Mohammadin wa anlaa Aaly Mohammad kama Baarakta anlaa Ibrahim wa anlaa aaly Ibrahim, innaka hamidon Madjid "
Avy eo izy dia mitady fialofana amin'I Allah amin'ny Tashahod farany manoloana ny sazy amin'ny helo, amin'ny sazy ao am-pasana, amin'ny fitsapana amin'ny fiainana sy ny fahafatesana, ary amin'ny fitsapana ny Antikristy. Avy eo dia misafidy izay fitalahoana tiany izy, indrindra fa ireo fitalahoana malaza, ao anatin'izany ny :
(Allahoumma Aainni Al-zikrika Wa shokrika Wa hosni Ibadatika, Allahomma Inni Zwalamto Nafsi Zolman Kathiran, Wala Yaghfiro zonoba Illa Anta, Faghfirli Maghfiratan Min indika Warhamni Innaka ghaforo Rahim).
Raha ny Tashahod voalohany rehefa avy nanonona ny fijoroana ho vavolombelona roa momba ny finoana ka hatramin’ny fahatelo amin’ny Swalat Zohri, Asri, Maghrib, ary Isha. Raha mivavaka ho an'ny Mpaminany izy, dia tsara kokoa izany, noho ny fahamaroan'ny hadith milaza izany. Avy eo izy dia mijoro ho an'ny Rakkat fahatelo.
Lesona fahafolo : Sonnah-ny Soalat
Ao anatin'izany :
1- Fanokafana.
2- Apetraka eo ambonin'ny tànana ankavia eo ambonin’ny tratra ny felatanana havanana rehefa mitsangana, alohan’ny hiondrika ary aorian’ny fiondrehana.
3-Manangana ny tànana miaraka amin’ny rantsantanana mitambatra ary avela hatreo amin’ny soroka na sofina rehefa manao takbir voalohany, rehefa miondrika sy mitsangana avy ao, ary rehefa mitsangana avy amin’ny Tashahod voalohany ka hatramin’ny fahatelo.
4-Tasbih mihoatra ny iray amin'ny fihondrehana sy fiankohofana.
5-Izay mihoatra ny teny hoe : “Samiallaho Liman hamida” rehefa nitsangana avy nihondrika, ary izay mihoatra ny iray amin’ireo fitalahoana famelan-keloka eo anelanelan’ny fiankohofana roa.
6-Mitazona ny loha mahitsy amin'ny lamosina rehefa miondrika.
7-Manasaraka ny sandry amin’ny sisiny, ny kibo amin’ny fe, ary ny fe amin’ny tongotra rehefa miankohoka.
8-Mampitsangana amin’ny tany ny tànana rehefa miankohoka.
9-Mipetraka eo ambonin’ny tongony havia ny mpivavaka, mivelatra ary manangana ny tongony havanana amin’ny Tashahod voalohany sy eo anelanelan’ny fiankohofana roa.
10-Mipetraka amin’ny Tashahod farany amin’ny vavaka Rakkat efatra sy telo, izany hoe : mipetraka eo amin’ny vodiny, mametraka ny tongotra havia eo ambanin’ny havanana, ary manangana ny havanana.
11-Manondro amin’ny fanondro mandritra ny Tashahod voalohany sy faharoa manomboka amin’ny fotoana ipetrahan’ny olona iray ka hatramin’ny fiafaran’ny Tashahod ary manetsika izany rehefa manao Doan.
12-Ny vavaka sy ny tso-drano ho an’i Mohammad, sy ny fianakavian’i Mohammad, ary ho an’i Ibrahim ary ny fianakavian’i Ibraham amin’ny Tashahod voalohany.
13-Fitalahoana amin'ny Tashahod farany.
14-Famakina mivoaka feo amin'ny Soalat Fajr, ny Zoma, ny Eid, ny Istisqa, ary ny roa rakaat voalohany amin'ny Magrib sy Isha.
15-Famakiana mangingina ny CORAN mandritra ny fotoam-bavaka Zohri sy Asri, ny rakaat fahatelo amin'ny Maghrib, ary ny rakaat roa farany amin'ny vavaka alina Ishaa.
16-Mamaky mihoatra noho ny Sorat Al-Fatihah avy ao amin’ny CORAN, sady mandinika ireo Sonna sisa voalaza ao anatin’ny vavaka ankoatra izay voalazantsika. Anisan'izany ny hoe : Izay mihoatra noho ny fitenenan'ny mpivavaka hoe : "Rabbana Walakal-Hamd", rehefa mitsangana avy niankohoka, ho an'ny Imam, sy izay tarihina amin'ny vavaka, ary ny olona mivavaka irery, fa izany dia Sonnah. Anisan’izany koa ny : Mametraka ny tànana eo amin’ny lohalika ka mivelatra ny rantsantanana rehefa miondrika.
Lesona faharaika ambin'ny folo : Zavatra manimba ny vavaka
Valo izy ireo :
1-Fitenenana fanahy iniana nefa mahatsiaro sy mahalala. Raha ny manadino sy tsy mahalala dia tsy manimba ny fivavahany izany.
2- Hehy.
3- Misakafo.
4- Fisotroana.
5- Famoahana ny henatra.
6- Fiviliana tafahoatra miala ny Qibla.
7-Mihetsika tsy an-kijanona mandritra ny vavaka.
8-Fahasimban'ny fahadiovana.
Lesona roa ambin'ny folo : Fepetra momba ny fanadiovana
Folo izy ireo :
Mpino silamo, ny saina, ny fahaiza-manavaka, ny fikasana, ary ny fanohizana ny fanapahany amin’ny tsy fikasany hampitsahatra izany mandra-pahavitan’ny fanadiovany, ary fahatapan’ny fidiovany, ary manadio tena amin’ny rano eo anoloany, ary ny fahadiovan’ny ranony sy ny famelàna azy, ary ny fanesorana izay misakana azy tsy ho tonga amin’ny hoditra, ary ny fidirana amin’ny fotoam-bavaka amin’ny fahalotoana.
Lesona fahatelo ambin'ny folo : Adidy amin'ny fanadiovana
Enina izy ireo :
Fanasana ny tarehy, anisan’izany ny fanotsanam-bava sy ny orona, ny fanasana tànana roa hatreny amin’ny kiho, ny fisafona ny loha manontolo, anisan’izany ny sofina roa, ny fanasana tongotra hatreo amin’ny kitrokely, araka ny filaharany sy ny fitohizana. Tsaratsara ny mamerina intelo fanasana ny tarehy sy ny tànana ary ny tongotra, ary toy izany koa ny fanotsanam-bava sy ny orona, fa ny tsy maintsy atao dia ny mamerina izany indray mandeha fotsiny. Raha ny amin’ny fisafona ny loha kosa dia tsy tsara loatra ny mamerina izany im-betsaka, araka ny voalazan’ny hadith marina.
Lesona faha-efatra ambin'ny folo : Ireo zavatra manapaka ny Ozo
Enina izy ireo :
Izay rehetra mivoaka avy amin’ireo làlana roa any ambany, izay mivoaka avy ao amin’ny vatana amin’ny fomba maloto sy ny loto, fahaverezan'ny saina noho ny torimaso na amin'ny fomba hafa, mikasika mivantana ny taovam-pananahana amin’ny tànana, na eo aloha na aoriana, mihinana henan-drameva, ary fialàna amin’ny finoana Silamo. Tompo Allah anie hiaro atsika mpino silamo amin'izany.
Fanamarihana lehibe : Raha momba ny fanasana faty, ny tena marina dia tsy manapaka ny Ozo, ary izany no hevitry ny ankamaroan'ny manam-pahaizana, noho ny tsy fahampian'ny porofo manamarina izany. Saingy raha mikasika mivantana ny taovam-pananahana ny tànan’ilay mpanasa faty dia tsy maintsy manao Ozo izy.
Fa ny tsy tokony ataony dia ny mikasika mivantana ny taovam-pananan'ny maty raha tsy ao ambadiky ny sakana. Toy izany koa, ny fikasihana vehivavy dia tsy mahatapaka ny Ozo mihitsy, na miaraka filan’ny nofo na tsia, araka ny porofo marina avy amin'ny hevitr'ireo manam-pahaizana, raha toa ka tsy misy zavatra mivoaka avy ao aminy, satria ny Mpaminany (S.A.W), dia nanoroka ny sasany tamin’ireo vadiny ary avy eo dia nivavaka nefa tsy namerina Ozo.
Fa momba ny tenin’I Allah ilay Tsitoha ao amin’ny andininy masina roa ao amin'ny Sourat An-Nisa sy Al-Ma’idah :
﴿...أَوۡ لَٰمَسۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ...﴾
(Na raha nikasika ny vehivavy) [Vehivavy: 43] [Al-Maidah: 6] Ny tiana ho lazaina amin'izany dia ny firaisana ara-nofo, araka ny marina indrindra tamin'ireo hevitry ny manam-pahaizana, dia ny hevitr'i Ibn Abbas (R.A), sy ireo ampahany amin'ireo olona teo aloha. Ary i Tompo Allah no mampalavorary ny zava-drehetra.
Lesona fahadimy ambin'ny folo : Mifikitra amin'ny fitondran-tena tsara ny mpino silamo tsirairay
Anisan’izany ny : ny fahamarinana, ny fahatokisana, ny fahadiovam-pitondran_tena, ny fahamaotinana, ny fahasahiana, ny fahalalahan-tànana, ny tsy fivadihana, ny fiatahana amin'izay rehetra noraran’I Allah, ny fanaovan-tsoa amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, ny fanampiana ireo sahirana araka ny fahafahan’ny tena, sy ny fitondrantena hafa izay nasehon’ny CORAN na ny Sonnah fa ara-dalàna.
Lesona faha-enina ambin'ny folo : Fanarahana ny fahalalam_pomba silamika
Anisan'izany ny : Fiarahabana, fitsikina, fihinanana sy fisotroana amin'ny tànana havanana, miteny Bismillah rehefa manomboka hisakafo, misaotra an'I Allah rehefa vita, midera an'I Allah rehefa mahita olona mievina ka miteny hoe : "Hamindra fo aminao anie I Allah", mamangy ny marary, manotrona ny fahorina ka mivavaka ho azy sy ny mandevina, ny fitondran-tena tsara rehefa miditra ny moske sy ny ao an-trano ary rehefa mivoaka ao, rehefa mandeha lavitra, ny ray aman-dreny sy ny havana ny mpifanolo-bodirindrina, manaja ny antitra sy ny tanora, miarahaba izay tera-bao, manolotra tso-drano ho an'ny mpanambady, manolotra fiaraha-miory amin'izay tra-doza, ary ireo fomba amam-panao Islamika hafa amin'ny fitafy, fanalana azy, ary ny fanaovana kiraro.
Lesona faha-fito ambin'ny folo : Fampitandremana amin'ny fanompoan-tsampy sy ny karazana fahotana
Anisan’izany ny : ny fahotana fito maharendrika (fahotana manimba), izy ireo dia : ny fanompoan-tsampy, ny mazia, mamono olona izay noraran’I Allah raha tsy amin’ny ara-drariny, ny fihinanana zana-bola, fihinanana ny haren’ny kamboty, fandosirana amin’ny andron’ny ady, miampanga vehivavy madio fitondran-tena fa mpijangajanga.
Anisan’izany ny : Tsy fankatoavana ny ray aman-dreny, fanapahana ny rohim-pianakaviana, fijorona vavolombelona tamin'ny tsy marina, mianiana amin'ny tsy marina, manao ratsy ny mpiara-belona, mampahory olona amin’ny fandatsahan-drà, vola sy voninahitra, fisotroana toaka, filokana, fifosana, tati-dresaka, sy ny zavatra hafa izay noraran’I Allah ilay Tsitoha sy ny irak’Allah.
Lesona fahavalo ambin'ny folo : Fikarakarana ny maty sy ny fivavahana aminy ary ny fandevenana azy
Ireto ny antsipiriany :
Voalohany : Azo atao ny mampatsiahy ny olona efa ho faty ny teny hoe : “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, araka ny tenin’ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
«لَقِّنُوا مَوْتَاكُمْ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ».
(Ampatsiahivo ny matinareo amin'ny fitenenana hoe : Tsy misy tompo afa-tsy Allah)7 Notarerin'i Moslimo ao amin'ny Swahih Moslim. Ny atao hoe maty ao amin'io hadith io dia izay miatrika ny fahafatesana, izany hoe ireo izay maneho famantarana ny fahafatesana.
Faharoa : Raha hita fa maty izy dia tokony hakatona ny masony ary ho fehezina ny volom_bavany, araka ny voalazan’ny Sonnah.
Fahatelo : Tsy maintsy sasana ny silamo rehefa maty, raha tsy hoe maritiora maty an'ady. Tsy tokony hosasana izy, ary tsy tokony hanaovana Soalat fa alevina miaraka amin’ny akanjony kosa izy, satria i Mpaminany (S.A.W) tsy nanasa ireo maty tamin’ny ady masina Ohod, ary tsy nivavaka ho azy ireo.
Fahaefatra: Fomba fanasana ny maty :
Sanaronana ny henatrany, dia atraka kely izy ary tsindrina moramora ny kibony, dia fonosin’ilay mpanasa lamba eo amin’ny tànany ny lamba na zavatra mitovitovy amin’izany ary dioviny amin’izany, avy eo dia mampanao azy Ozo toy ny amin'ny swalat, avy eo manasa ny lohany sy ny volom_bavany amin’ny rano sy ny mokonazy na zavatra mitovitovy amin’izany, avy eo manasa ny ilany havanana, avy eo ny ankavia, dia manasa azy in-droatoa na in-telo, ary mandalo eo amin'ny kibony, raha misy zavatra mivoaka dia sasany ary manakatona ny toerana nivoahany maloto amin'ny landihazo na zavatra mitovy aminy, Raha toa ka tsy mitazona izany, dia ampiasaina ny zavatra hafa, na amin'ny fomba fitsaboana moderina sns...
Averena indray ny fidiony, ary raha tsy nahadio azy ny in-telo, dia ampitomboiny ho dimy na fito izany, ary hamasininy amin’ny lamba izany, ary hasiany ditin-kazo manitra ny faritra fiankohofany, ary raha manitra avokoa izany, dia tena tsara izany, ary mandoro ditin-kazo manitra eo amin’ny lambany, ary raha lava ny volom_bavany sy ny hohony, tsy tokony anesorana, fa raha navelany izany dia tsy maninona. Tsy tokony bangona ny volony, tsy etezana ny volon-keliny, tsy forana izy, satria tsy misy porofo milaza izany. Ny volon'ny vehivavy dia tokony ho randrana telo ary avela mihantona eo aoriany.
Fahadimy : Fampiakanjona ny maty
Tsara kokoa ho an’ny lehilahy ny ampiakanjona akanjo fotsy anakitelo, tsy misy lobaka na satroka, toy ny natao tamin’ny Mpaminany. Tokony hofonosina amin’ireny izy, fa raha nampiakanjona tamin'ny lobaka sy ny lambahoany sns... dia tsy misy maharatsy izany.
Ny vehivavy dia ampiakanjoana amin'ny akanjo dimy : lobaka, voaly, fehin-kibo, ary lamba roa. Ny ankizilahy dia ampiakanjona amin'ny akanjo iray na telo, ary ny zazavavy kely dia amin'ny lobaka sy fehikibo roa.
Ny tsy maintsy atao amin'ny tsirairay dia akanjo iray manarona ny vatan'ny maty iray manontolo. Na izany aza, raha ao anatin’ny Ihram ny maty, dia tokony hosasana amin’ny rano sy ravin'ny mokonazy izy, ary hosaronana amin’ny akanjony ambany sy rida’ na zavatra hafa. Tsy tokony hosaronana ny lohany sy ny tarehiny, ary tsy tokony atao manitra, satria hitsangana amin’ny maty izy amin’ny andro farany ary manonina ny Talbiyah, araka ny voalaza marina ao amin’ny hadith-n’ny irak’Allah (S.A.W). Raha vehivavy ny manao Ihram dia tokony ho saronana tahaka ny hafa izy, fa tsy atao manitra, tsy tokony hosaronana niqab ny tarehiny, ary tsy tokony hosaronana fonon-tanana ny tànany. Ny tarehiny sy ny tànany kosa dia tokony ho saronan’ny lamba nanarona azy, araka ny no hazavaina teo aloha momba ny fomba fampiakanjona ny vehivavy.
Fahaenina : Ny olona mendrika indrindra hanasa sy hivavaka aminy ary mandevina azy
Izay olona nofidiny fony fahavelony, avy eo ny rainy, avy eo ny dadabe, avy eo ny akaiky azy indrindra ary avy eo ny akaiky indrindra amin'ireo lehilahy.
Ny voalohany manasa vehivavy dia : Izay nosafidiny fony fahavelony, avy eo ny reniny, avy eo ny renibeny, avy eo ny akaiky indrindra amin'ireo havany vehivavy. Afaka mifanasa ny mpivady, satria i Abo Bakri (R.A) dia nosasan'ny vadiny, ary i Ali (R.A) nanasa an'i Fatimah (R.A) vadiny.
Fahafito : Ny fomba fivavahana amin'ny maty :
In'efatra izy no manao takbir, ary aorian'ny Takbir voalohany dia mamaky ny Al-Fatihah. Raha mamaky sorat fohy na andininy iray na roa miaraka amin’izany izy dia vao mainka tsara, araka ny hadith marina azo avy tamin’i Ibn Abbas (R.A). Avy eo izy dia manao takbir fanindroany ary mandefa tsodrano ho an'ny Mpaminany (S.A.W), tahaka ny ataony ao amin'ny tashahod. Dia nanao takbir fanintelony izy ka miteny hoe : (Allahoummaghfir liahyina wa maityina, washahidina waghaibina, waswaghirina wakabirina, wazakarina waonthana, Allahomma man ahyaytaho minna fa'ah'yihi ala-islam, Waman tawafaitaho minna fatawaffaho alal-Imani, Allahomaghfirlaho Warhamho, waafih waafo anho, Wa'akrim nozolaho wawassyi Modkhalaho, waghsilho Bil-maai Wathalji Walbarad, Wanaquihi minal-Khataya Kama younakka Sawbal-Abyadh mina danasy, Wa'abdilhou daran khairan min darihi, Wa ahlan khayran min ahlihi, waakhilhoul-Jannat Wa'aizhou min azabil-quabri wazabinnary, wafsah lahou fi-quabrihi, wanawir lahou fihi, allahoumma Latharimna ajrahou wala Todhlilna baadaho). Avy eo dia manao takbir fahaefatra izy, ary manao Salam eo ankavanany.
Tsaratsara ny manangana tànana isaky ny takbir. Raha vehivavy no maty dia tokony hiteny hoe : “Allahomaghfirlaha warhamha ...” sns. Raha misy faty roa dia tokony hiteny hoe : “Allahomaghfirlahoma Warhamhoma...” sns. Raha misy faty mihoatra noho izany dia tokony ho lazaina hoe : “Allahumaghfirlahom Wa rhamhom...” sns... Raha mbola zaza kosa dia manova izany toy ny hoe : (Allahommajaalaho faratwan wazhokhran liawalidayhi, Washafiyan modjaban, Allahomma thaquil bihi mawazinihima, waazwim bihi Oujorahouma, Wa-alhiqho biswalih salafol-Mo'minina, Wajaal fikafalati Ibrahim Alaihy swalato wasalam, waquihi birahamatika azabal-jahim).
Ny Sunnah dia ny hijoroan'ny Imam eo amin'ny lohan'ny lehilahy iray ary eo afovoan'ny vehivavy. Ny lehilahy dia tokony ho eo akaikin'ny imam raha misy Janaza maromaro, ary ny vehivavy dia tokony ho eo akaikin'ny kiblah. Raha misy ankizy miaraka amin'izy ireo, dia tokony hatao alohan'ny vehivavy ny zazalahy, avy eo ny vehivavy, ary ny zazavavy kely. Tokony hitovy amin’ny lohan’ny lehilahy ny lohan’ilay zazalahy, ary hitovy amin’ny lohan’ny lehilahy ny antsasany amin’ny vehivavy. Toy izany koa, ny lohan'ilay zazavavy kely dia tokony hitovy amin'ny lohan'ny vehivavy ary ny afovoany dia tokony hitovy amin'ny lohan'ny lehilahy. Ny mpivavaka rehetra dia tokony ho aorian'ny imam, raha tsy misy olona tsy mahita toerana aorian'ny imam, amin'izay dia tokony hijoro eo ankavanany izy.
Fahavalo : Ny fomba fandevenana ny maty
Ny tena tsara dia atao lalina ny fasana ho eo afovoan'ny halavan'ny lehilahy, ary hisy sisin-tany eo amin'ny sisin'ny Qiblat, ary hapetraka ao amin'ny fasana eo amin'ny ilany havanana ny maty, ary ho vahany ny fehin'ny lamba fa tsy avela, ary tsy tokony haseho ny tavan'ny maty, na lahy na vavy, mandra-pametraka azy amin'ny biriky. raikitra ary ny loto no miaro azy. Raha tsy misy ny biriky. Ary rakofana tanimanga mandra-pahamafy sy voaro amin’ny loto. Raha tsy misy biriky, dia zavatra hafa toy ny hazo fisaka, vato, na hazo no ampiasaina mba hiarovana azy amin'ny loto. Avy eo dia arotsaka ny tany, ary asaina miteny amin'izany fotoana izany hoe : "Bismillahi Wa-alaa Millati-rasolollahi). Ary atsangana amin'ny haavana tanana iray ny fasana, apetraka eo amboniny ny fasana raha azo atao, ary afafy rano.
Azo atao ny mijoro eo am-pasana sy mivavaka ho an’ny maty ny havany, satria rehefa vita ny fandevenana ny maty, dia nijoro teo ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe :
«اسْتَغْفِرُوا لِأَخِيكُمْ، وَاسْأَلُوا لَهُ التَّثْبِيتَ، فَإِنَّهُ الْآنَ يُسْأَلُ».
(Mangataha famelan-keloka ho an’ny rahalahinao, ary angataho ny tsy fivadihany, fa anontaniana izy ankehitriny)8.
Fahasivy : Azo atao ny mivavaka ho azy aorian’ny fandevenana izay mbola tsy nivavahana.
Satria i Mpaminany (S.A.W) dia nanao izany, raha toa ka tao anatin'ny iray volana na latsaka. Fa raha lava kokoa noho izany ny fe-potoana dia tsy voasokajy ny mivavaka amin'ny maty, satria tsy voalaza fa nivavaka tany am-pasana iray volana taorian’ny nandevenana ny maty ny Mpaminany (S.A.W).
Fahafolo : Tsy azo atao ny mikarakara sakafo ho an’ny olona ny fianakavian’ny maty.
Araka ny tenin'i Jarir ibn Abdallah al-Bajali, ilay mpanara-dia mendri-kaja - (R.A) -
«كُنَّا نَعُدُّ الِاجْتِمَاعَ إِلَى أَهْلِ الْمَيِّتِ، وَصَنْعَةَ الطَّعَامِ بَعْدَ الدَّفْنِ، مِنَ النِّيَاحَةِ».
(Nihevitra ny fiarahana amin’ny fianakavian’ny maty sy ny fanomanana sakafo aorian’ny fandevenana ho endrika fisaonana izahay taloha)9 Notantarain'i Imam Ahmad miaraka amin'ny rojo fampitana tsara. Raha ny amin’ny fanaovana sakafo ho azy ireo, na ho an’ny vahiny, dia tsy misy maharatsy izany. Ny havany sy ny mpiara-belona aminy dia azo atao ny manao sakafo ho azy ireo, satria rehefa tonga taminy ny vaovao momba ny fahafatesan’i Ja’far ibn Abi Talib (R.A) tany SHAMI, dia nanome baiko ny fianakaviany hanao sakafo ho an’ny fianakavian’i Ja’far, dia hoy izy:
«إِنَّهُ أَتَاهُمْ مَا يَشْغَلُهُمْ».
(Tonga eo amin'izy ireo ny manahirana azy ireo)10.
Tsy misy tsiny amin'ny fianakavian’ny maty raha manasa ny mpiara-monina aminy na ny olon-kafa hisakafo amin’ny sakafo nomena azy. Tsy misy fotoana manokana amin'izany, araka ny fantatsika avy amin'ny lalàna Islamika.
Faharaika ambin'ny folo : ny vehivavy dia tsy mahazo misaona mihoatra ny telo andro noho ny faty, afa-tsy amin'ny vadiny.
Tsy maintsy misaona azy mandritra ny efa-bolana sy folo andro izy, raha tsy hoe bevohoka, fa raha bevohoka dia tsy maintsy misaona azy mandrapahaterahany; araka ny voaporofon’ny Sonnah tena izy azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo swahaba.
Raha ny amin’ilay lehilahy kosa dia tsy mahazo misaona ny havany na ny hafa.
Faharoa ambin'ny folo : Azo ataon'ny lehilahy ny mamangy fasana tsindraindray mba hivavaka sy hangataka famindram-po ho azy, ary hahatsiaro ny fahafatesana sy izay ho avy aorian'izany.
Araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«زُورُوا الْقُبُورَ، فَإِنَّهَا تُذَكِّرُكُمُ الْآخِرَةَ».
(Vanginareo ny fasana, satria mampahatsiahy anareo ny any ankoatra izy)11 Notaterin'i Imamo Moslimo ao amin'ny Boky ny Sahih Moslim. Izy Mpaminany (S.A.W) - dia nampianatra ny mpanaradiany, rehefa nitsidika fasana, miteny hoe :
«السَّلَامُ عَلَيْكُمْ أَهْلَ الدِّيَارِ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُسْلِمِينَ، وَإِنَّا إِنْ شَاءَ اللَّهُ بِكُمْ لَاحِقُونَ، نَسْأَلُ اللَّهَ لَنَا وَلَكُمُ الْعَافِيَةَ، يَرْحَمُ اللَّهُ الْمُتَقَدِّمِينَ مِنَّا وَالْمُسْتَأْخِرِينَ».
(Assalamo Alaikom Ahladiyari Minal-mominina Wal moslimina, Wa'inna Inchallaho Bikom Lahikona, Nas'alollaha Lana Wa laa komol-Aafiya, Yarhamollaho Al-motaqaddimina minna Wal-mosta'akhirina) 12.12 Fa ny vehivavy kosa dia tsy mahazo mamangy fasana, satria ny irak'Allah dia nanozona ny vehivavy mpamangy fasana ary noho ny tahotra sao hiteraka fakam-panahy sy tsy faharetana ny fitsidihany. Toy izany koa, tsy azony atao ny manaraka ny faty mankany amin’ny fasana, satria nandrara azy ireo tsy hanao izany ny irak’Allah. Fa ny mivavaka ho an'ny maty ao amin'ny moske na ao amin'ny trano fivavahana dia azo atao na lahy na vavy.
Ity no zavatra farany azoko nangonina. Ary ny fitahian’I Allah sy ny fiadanana anie ho an'ny Mpaminantsika Mohammad (S.A.W) sy ireo fianakaviany ary ireo mpanaradiany.
Fanoroam-pejy
Amin'ny anaran'I Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo. 2
SASIN-TENIN'NY MPANORATRA 2
Lesona voalohany : Sorat Al-Fatihah sy ireo Sorat fohy 3
Lesona Faharoa : Ny andrin'ny finoana Silamo 3
Lesona Fahatelo : Ny Andrin'ny Finoana 4
Lesona fahefatra : Fizaran'ny fanokanana an'I Allah sy ny Fizaran'ny fanompoan-tsampy 4
Lesona fahadimy : Ny Fahatsarana 11
Lesona fahaenina : fepetra ny Soalat 11
Lesona fahafito : Andrin'ny Soalat 11
Lesona Fahavalo : Ny tsy maintsy atao amin'ny vavaka 12
Lesona fahasivy : Fanazavana ny Tashahhoda 12
Lesona fahafolo : Sonnah-ny Soalat 13
Lesona faharaika ambin'ny folo : Zavatra manimba ny vavaka 16
Lesona roa ambin'ny folo : Fepetra momba ny fanadiovana 16
Lesona fahatelo ambin'ny folo : Adidy amin'ny fanadiovana 17
Lesona faha-efatra ambin'ny folo : Ireo zavatra manapaka ny Ozo 17
Lesona fahadimy ambin'ny folo : Mifikitra amin'ny fitondran-tena tsara ny mpino silamo tsirairay 19
Lesona faha-enina ambin'ny folo : Fanarahana ny fahalalam_pomba silamika 19
Lesona faha-fito ambin'ny folo : Fampitandremana amin'ny fanompoan-tsampy sy ny karazana fahotana 20
Lesona fahavalo ambin'ny folo : Fikarakarana ny maty sy ny fivavahana aminy ary ny fandevenana azy 20
Faharoa : Raha hita fa maty izy dia tokony hakatona ny masony ary ho fehezina ny volom_bavany, araka ny voalazan’ny Sonnah. 21
Fahatelo : Tsy maintsy sasana ny silamo rehefa maty, raha tsy hoe maritiora maty an'ady. Tsy tokony hosasana izy, ary tsy tokony hanaovana Soalat fa alevina miaraka amin’ny akanjony kosa izy, satria i Mpaminany (S.A.W) tsy nanasa ireo maty tamin’ny ady masina Ohod, ary tsy nivavaka ho azy ireo. 21
Fahaefatra: Fomba fanasana ny maty :
Fahadimy : Fampiakanjona ny maty 23
Fahaenina : Ny olona mendrika indrindra hanasa sy hivavaka aminy ary mandevina azy 24
Fahafito : Ny fomba fivavahana amin'ny maty : 24
Fahavalo : Ny fomba fandevenana ny maty 26
Fahasivy : Azo atao ny mivavaka ho azy aorian’ny fandevenana izay mbola tsy nivavahana. 27
Fahafolo : Tsy azo atao ny mikarakara sakafo ho an’ny olona ny fianakavian’ny maty. 28
Faharaika ambin'ny folo : ny vehivavy dia tsy mahazo misaona mihoatra ny telo andro noho ny faty, afa-tsy amin'ny vadiny. 29
Faharoa ambin'ny folo : Azo ataon'ny lehilahy ny mamangy fasana tsindraindray mba hivavaka sy hangataka famindram-po ho azy, ary hahatsiaro ny fahafatesana sy izay ho avy aorian'izany. 29
***
Notantarain'i Imam Ahmad (5/428), Al-Tabarani ao amin'ny Al-Kabeer (4/338), ary Al-Bayhaqi ao amin'ny Al-Sha'b (14/355). Hoy izy ao amin'ny Majma' Al-Zawa'id (1/121): Notantarain'i Ahmad ary ny olon'ny Sahih ny olony.
Notantarain'i Imam Ahmad (1/47)
Notantarain'i Abo Dawod, No. (3251) sy Al-Tirmidhi, No. (1535).
Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (4980), sy Ahmad (5/384).
Notantarain'i Ibn Majah, laharana (4204) sy Imam Ahmad (3/30).
Notantarain'i Moslim, Laharana (916-917).
Notantarain'i Abo Dawod, Laharana (3221), sy Al-Hakim (3/399).
Notantarain'i Ibn Majah, Laharana (1612), sy Imam Ahmad (2/204).
Fandevenana Silamo (976), Fandevenana an'i Al-Nasa'i (2034), Fandevenana Abo Dawod (3234), Ibn Majah Inona no voalaza momba ny fandevenana (1569), Ahmad (2/441).
Notantarain'i Ibn Majah, Laharana. (1569), ary nohamarinin'i Al-Albani.
Notantarain'i Moslim, Laharana (975).
Fanangonana Fatwa sy lahatsoratra isan-karazany (3/288-298).