PHPWord

 

رِسَالَةٌ فِي الدِّمَاءِ الطَّبِيعِيَّةِ لِلنِّسَاءِ

 

HAFATRA MOMBA NY RA VOAJANAHARY EO AMIN'NY VEHIVAVY

 

بِقَلَمِ فَضِيلَةِ الشَّيْخِ العَلَّامَةِ

مُحَمَّدِ بْنِ صَالِحٍ العُثَيْمِينِ

غَفَرَ اللَّهُ لَهُ وَلِوَالِدَيْهِ وَلِلمُسْلِمِينَ

 

Nosoratan'ny Manam-pahaizana hajaina manambonahitra

Cheikh Mouhammad Bin Swaleh Al-Outhaimine.

Tompo Allah anie hamela heloka Azy sy ny Ray amand-Reniny ary ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islamo rehetra

 

بِسْمِ اللهِ الرَّحمَنِ الرَّحِيمِ

HAFATRA MOMBA NY RA VOAJANAHARY EO AMIN'NY VEHIVAVY.

 

Amin’ny anaran’i Tompo Allah, ilay be Fiantrana, ilay be Indrafo

Dera sy voninahaitra ary fisoarana feno fankasitrahana ho an'i Tompo Allah, any Aminy tokoa no hitadiavantsika vonjy sy famelan-keloka ary any Aminy ihany koa no hibebahantsika. Ary mitady fiarovana amin'i Tompo Allah Isika, amin'ny haratsian'ny Tenantsika sy ny asa Ratsintsika. Izay notarihin'i Tompo Allah amin'ny lalany fahitsiana dia tsy misy afaka hamily na hamery Azy, amin'ny lalan'ny fahaverezana ary izay novereziny amin'ny lalany fahaverezana kosa dia tsy misy afaka hitarika Azy amin'ny lalan'ny fahitsiana intsony. Ary mijoro vavolombelona ny Tenako fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah irery ihany, ary Izy irery ihany, no tsy misy mpikambana Aminy, Ary mijoro vavolombelona ny Tenako fa i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah no sady Irany, Indrafon'i Tompo Allah anie ho eo Aminy sy ho eo amin'ireo fianakaviany ihany koa sy ho eo amin'ireo mpanaradia Azy, ary ny indrafony dia mbola hiantefa ihany koa eo amin'ireo mpanaraka ny sori-dàlany mandra-pahatongavan'ny Andro farany ary ho eo Aminy anie ny fiadanana tanteraka.

Manarak'izany dia ny hoe : Tena marina fa ny Rà izay mivoaka amin'ny vehivavy, dia Ra antsoina hoe : Fadimbolana (Regle) sy ny Isty-hadha, izany hoe : fivoahany Ra sy fandehanan'izany Rà izany amin'ny fomba maharitra tsy ara-potoana, ary misy koa ny fandehanan'ny Rà ny vehivavy aorian'ny fiterahana, ka izany rehetra izany dia anisan'ny zava-dehibe tena ilana ny fanazavana sy fahalalana ireo antsipirian-dalana mifehy ireo fivoahany ireo Ra amin'ny endrika mari isan-karazany izany, ary ny fahaizana manavaka tsara ny diso amin'ny marina mahakasika an'ireo ny teny rehetra nolazain'ireo Manam-pahaizana momba azy ireo. Ary ny Boky masina Koroany sy ny Sounna izay fomba amampanaon'ny Mpaminany (s.w.a) no fototra lehibe izay tokony hianteherana eo amin'ny lafiny rehetra na koa eo amin'ny fiandaniana na fitsipahana ny amin'ny momba izany rehetra izany.

1-Satria izy Roa ireo no loharano fototra lehibe izay hiorenan’ny lalànan’i Tompo Allah,ka izay manompo amin'ny alàlan'izany dia ireo no mpanompony, ary mbola nodidiany ihany koa izy ireo ny amin'izany.

2-Satria ny fianteherana amin'ilay Boky masina Koroany sy ny Sounna izay fomba amampanaon'ny Mpaminany (s.w.a) dia anisany zavatra tena mampitony ny Fo, ary manamaivana sy mampisokatra ny tratra sy ny saina ary manome ny fiadanam-panahy no sady manadio ny finoana.

3-Satria ny ankoatanr'ireo Roa izay voalaza ireo, dia entina hoporofoina fa tsy hanaporofoana.

Satria tsy misy mihitsy ny porofo afa-tsy ny Tenin’i Tompo Allah irery ihany sy ny Tenin’ilay Irany (s.w.a), ary toy izany ihany koa ny teny sy resaka marina avy amin'ireo Manam-pahaizana teo amin’ireo Soahaba Mpanaradia an'i Mpaminany (s.w.a) ka raisina avokoa sy hiverenana izany Teny izany raha toa ka tsy misy mifanohitra ny ao amin’ilay Boky masina Koroany sy ny Sounna, Raha toa ka tsy misy fanambarana hafa mifanohitra amin'izany nataon'iray tamin'ireo Mpanaradian'i Mpaminany (s.w,a) fa raha misy Teny kosa mifanohitra amin'izay voalaza ao amin'ny Boky masina Koroany sy ny Sounna dia tsy maintsy ny ao amin'ilay Boky masina Koroany sy ny Sounna no raisina sy arahina fa ny rehetra dia avela, Ary raha misy tenin'ny mpanaradia iray manohitra ny tenin'ny iray hafa amin'izy ireo, dia tsy maintsy takina avy hatrany ny fomba ahafantarana ny tena marina kokoa amin'izy roa, ary tsy maintsy jerena ny fomba fakana ny marina amin'azy roa ireo.

﴿...فَإِن تَنَٰزَعۡتُمۡ فِي شَيۡءٖ فَرُدُّوهُ إِلَى ٱللَّهِ وَٱلرَّسُولِ إِن كُنتُمۡ تُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٞ وَأَحۡسَنُ تَأۡوِيلًا﴾

Araky ny Tenin'i Tompo Allah niteny manao hoe: ( Ka raha misy ny mampifanolana Anareo, dia avereno amin'i Tompo Allah sy ny any amin'ilay Iraka izany fifanolanana izany, raha toa ka mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany tokoa ianareo. Izany no tsara sy fanazavana mendrika indrindra).(An-nissa'i : 59).

Ity dia hafatra kely no sady fohy, ka ny zava-misy no mitaky ireo fanazavana momba an'ireo Rà sy ny lalàna mamehy Azy. Izay hita amin'ny fizarana maromaro manaraka ireto :

Ny fizarana voalohany : Ny dikan'ny fadim-bolana sy ny fahendrena izay fonosiny.

Ny fizarana faha-roa : Ny fotoanan'ny fadim-bolana sy ny faharetany.

Ny fizarana faha-telo : Mahakasika ny hamehana eo aminin'ny fadimbolana

Ny fizarana faha-efatra : Ireo lalàna sy fitsipika mamehy ny momba ny fadim-bolana.

Ny fizarana faha-dimy dia ny : Mahakasika ny fivoahan'ny Rà izay maharitra tsy ara-potoana (isty-hadha) sy ireo lalàna ary fitsipika mamehy Azy.

Ny fizarana faha-enina dia ny : Mahakasika ny Rà izay mivoaka aorian'ny fiterahana (Nifasy) sy ny lalàna ary fitsipika mamehy Azy.

Ny fizarana faha-fito dia ny : Ny fampiasana ireo zavatra izay mety manakana ny fadimbolana na ny mety mahatonga Azy ihany koa, sy ny zavatra izay mety misakana ny vohoka na manala Azy ihany koa.

 

Ny fizarana voalohany : Ny dikan'ny fadim-bolana sy ny fahendrena izay fonosiny :

Ny dikan'ny fadimbolana ara-bakinteny: Fikorianan'ny zavatra iray sy fandehanany.

Famaritana araka ny lalàna ny hoe: Ny Rà voajanahary, tonga ara-potoana eo amin'ny vehivavy, dia tsy misy antony manokana ny nahatongavany izany. Izy io dia Rà voajanahary fotsiny, fa tsy noho ny aretina akory na ratra na fahafahan-jaza ny fahatongavany na koa tsy noho ny fiterahana ihany koa. Araka ny maha Rà voajanahary azy io, dia misy fahasamihafany arakaraky ny vehivavy sy ny tontolo ary ny rivotra izay iainany ka noho izany dia samy manana ny azy avokoa ireo vehivavy, ka tena misy tsy mitovy tanteraka.

Ny fahendrena misy izay fonosiny izany dia: Satria ny Zazakely ao an-kibon-dreniny dia tsy afaka mihinana ny sakafo izay hoanin'ny Olona tsy ao anaty kibo, ary tsy misy sakafo afaka ho tonga mihitsy any Aminy ka noho izany dia nataon’i Tompo Allah ao amin'ny vehivavy ny fikorian-drà izay mba hiveloman’ny zaza ao ankibon-dreniny, tsy mila sakafo sy fandevonan-kanina. Miditra ao amin’ny vatany avy eo amin’ny foitra, ka ny Rà manenika ny làlan-drany no mamelona azy, ka dera sy laza manokana ho an'ilay Mpamorona tena tsara indraindra.

Ka izany no fahendrena ao ambadik’io fadimbolana io ka noho izany, raha bevohoka ny vehivavy dia mitsahatra ny fadim-bolana eo Aminy, tsy tonga fotoana intsony Izy afa-tsy mahalana ihany. Tahaka izany koa ny vehivavy mampinono, vitsy amin'izy ireo no mandeha fotoana, indrindra fa amin’ny fiandohan’ny fampinonoana.

 

Fizarana faha-roa : Ny fotoanan'ny fadim-bolana sy ny faharetany.

Zavatra roa no ho resahana momba ity fizarana ity :

Ny toerana sy ny resaka voalohany dia : Ny mahakasika ny Taona izay hahatongavan'ny fadim-bolana.

Ny toerana sy resaka faha-roa dia : Ny mahakasika ny Faharetan'ny fadim-bolana.

Fa raha ny resaka voalohany dia : Eo anelanelan’ny roa ambin’ny folo taona ka hatramin’ny dimampolo taona ny vehivavy dia mety mbola ho tonga fotoana fa mety mialohan'izany ihany koa na aoriany izany, arakarakan'ny toe-pahasalamany, ny tontolo iainany ary ny atmosfera misy Azy.

Tsy mitovy hevitra ireo manampahaizana (R.h) fa nifanolana ka nilaza hoe : Moa ve misy fempotoana voafetra manokana ny taona izay mety ahatongavan’ny fadim-bolana, ka tsy hisy fadim-bolana mialoha na aorian’izany ilay vehivavy. ary ny Rà izay tonga mialoha na aorian’izany taona izany dia rà ratsy fotsiny (aretina) fa tsy fadimbolana ?

Nifanolana ka tsy nitovy hevitra tamin’izany mihitsy ireo Manam-pahaizana ka hoy i Al-Darimi (R.h) - rehefa avy nitanisa ny hevitra maro samihafa Izy : ka izany rehetra izany dia Diso avokoa Amiko ! Satria ny fototra izay hiverenana, dia ny fisiana ihany, ka izay Rà miseho na hatraiza ny fetrany na amin'ny toe-javatra manahoana sy taona rehetra aza dia tsy maintsy raisina ho fadim-bolana avokoa. ary i Tompo Allah no mahalala be be kokoa.

Ary izay teny nolazain’i al-Darimi (R.h) izay no teny marina, ary mbola izay ihany koa no teny izay nosafidin’i Sheikh al-Islam Ibn Taymiyya (R.h) ka rehefa ny Vehivavy no mahatazana ny Ràn'ny fadim-bolana dia efa ao anatin'ny fadimbolana Izy amin'izay fotoana izay, na dia mbola tsy ampy sivy taona aza Izy, na koa efa mihoatra ny dimampolo taona. Satria ny lalàna mamehy ny fadim-bolana dia nankin’i Tompo Allah sy ny Irany amin'ny fahatongavan'ny Rà, ary tsy namaritan’i Tompo Allah sy ny Irany taona manokana ny amin’izany. Koa takina ny hiverenana amin'ny fahatongavan'ny Rà izay miankina Aminy ny lalàna momba izany. ary ny famerana taona manokana momba izany dia mitaky porofo avy amin’ilay Boky masina Koroany na Sounna, nefa tsy misy porofo momba izany.

Fa ny resaka faha-roa kosa dia : ny faharetan’ny fadim-bolana, izany hoe : Ny fahalavan’ny fotoanany.

Tena marina fa efa nifanolana avokoa ireo Manampahaizana ka tsy nitovy hevitra ihany koa izy ireo momban'ny zavatra maromaro ka dia misy hevitra eo amin’ny Enina na Fito eo Hoy ilay Manampahaizana i Ibn Al-Mundhir (R.h) ka nanao hoe : Nilaza ny vondrona iray nanao hoe : Tsy voafetra ny fe-potoana izay mety andehanan'ny fadimbolana na ny betsaka na ny vitsy amin'izany.

Niteny Aho ka manao hoe : Ity teny ity dia mitovy tahakan'ny amin'ilay Tenin'i Al-Darimi teo aloha, ary nosafidin'i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyyah ihany koa izany teny izany, ary izany tokoa no marina. Satria izany no voalazan'ny Boky masina sy ny Sounna ary azo raisina sy ekena.

Ny porofo voalohany :

﴿وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡمَحِيضِۖ قُلۡ هُوَ أَذٗى فَٱعۡتَزِلُواْ ٱلنِّسَآءَ فِي ٱلۡمَحِيضِ وَلَا تَقۡرَبُوهُنَّ حَتَّىٰ يَطۡهُرۡنَۖ...﴾

Ny tenin'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha manao hoe: ( Ary manontany Anao ny amin'ny fadimbolan'ny vehivavy izy ireo ka teneno sy lazao ny hoe: “ Izany, dia loto. ka noho izany, dia aoka Ianareo hihataka azy ireny mandritra ny fadim-bolana ary aza miray Aminy raha tsy efa madio izy ireo ). (Al Baqarah 2/222) Ka nataon’i Tompo Allah fa ilay fahadiovana no fetra farany amin'ny fanakanana, fa tsy nataony ho fandalovana Andro aman’alina, na telo Andro, na dimy ambin’ny folo Andro, ka izany dia milaza fa ny anton’ny fandidiana dia ny fisian'ny fadim-bolana na tsia. Ka na oviana na oviana fa rehefa tonga ny fadim-bolana dia tafipetraka sy tafaorina ny lalàna mamehy ny momba an'izany, ary rehefa madio kosa noho izany dia afaka ny fanakanan'ny lalàna Azy.

Ny porofo faha-roa :

مَا ثَبَتَ فِي صَحِيحِ مُسْلِمٍ أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ لِعَائِشَةَ وَقَدْ حَاضَتْ وَهِيَ مُحْرِمَةٌ بِالْعُمْرَةِ: «افْعَلِي مَا يَفْعَلُ الْحَاجُّ، غَيْرَ أَنْ لَا تَطُوفِي بِالْبَيْتِ حَتَّى تَطْهُرِي». قَالَتْ: فَلَمَّا كَانَ يَوْمُ النَّحْرِ طَهُرْتُ. الْحَدِيثُ.

Voaporofo ao amin’ny Boky ny Soahih Muslim, fa nilaza tamin’i Aisha i Mpaminany (s.w.a), rehefa tao anaty Ihram hanatanteraka ny Oumra Izy, ka niteny nanao hoe : “ Ataovy izay ataon’ny mpanao Hadjy, afa-tsy ny tsy hihodidinanao ny trano (tawaf) mandra-pahadiovanao.» Dia hoy Izy : Rehefa tonga ny Andro fanapahana (sorona) dia nadio Izy. Ny Hadith.

Ao amin’ny Bokin'i Boukhari sy i Mouslim dia manamarina fa hoe : hoy i Mpaminany (s.w.a) Taminy nanao hoe : “ Andraso rehefa madio Ianao vao mandeha any amin’ny al-Tan’im ” ka ny fahadiovana no taon'i Mpaminany (s.w.a) fetra farany amin'ny fanakanana fa tsy misy fotoana voafaritra ny amin'izany ka izany dia midika fa ny fandidiana dia mifandray tsara amin'ny fahatongavana sy fahataperan'ny fadimbolana na tsia

Ny porofo faha-telo dia : Ireny tombatombana ara-potoana sy famelabelarana rehetra izay ataon'ireo mpahay lalàna miresaka ny momba azy ity ireny, dia tsy hita ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah sy Souna-n'Ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) fa na dia izany anefa dia ialina ary takina mihitsy aza ny hanazavana bebe kokoa azy ireny. Raha toa ka tsy maintsy takina tamin'ireo mpanompo ny hahaizan'izy ireo izany ary nilaina hanompo an’i Tompo Allah amin'ny alalan'izany, dia tena nazavain’i Tompo Allah sy ny Irany (s.w.a) tamin'ny Olona rehetra izany fanazavana izany. Noho ny maha zava-dehibe ny lalàna mifandraika amin'izany toy ny : fivavahana, ny fifehezana, ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana, ny lova ary ny didy hafa ankoatra izany rehetra izany ihany koa. Tahaka ny nanazavan’i Tompo Allah sy ny Irany ny isan’ny vavaka atao, sy ny fotoana fanaovana azy, ary fanazavana momba ny fihondrehana sy fiankohofana atao Aminy. Ary tahaka ny Zakat : Ny harenany, ny fatrany sy ny fatra avoaka avy ao Aminy, ny Olona sy vahoaka omena Azy ary ny fifehezana : Ny faharetany, ny fotoany. ary ny Hadj sy ny hafa ankoatra izany,. Eny fa na dia hatramin'ny fahalalam-pomba amin’ny fisakafoana ny fisotroana, ary ny fanatanterahana ny torimaso, sy ny firaisana ara-nofo ary ny fipetrahana, sy fidirana ary ny fivoahana avy ao an-trano dia efa nolazainy finoana Islam avokoa ka torak'izany ihany koa ny fahalalam-pomba eo am-pamoahana ireo loto eny fa na dia ny isan’ny fomba famafana rehefa midio sy ny hafa ankoatra izany ihany koa amin'ireo zavatra hita fa tena kely sy bilitika ary ny ngeza indrindra izay nataon’i Tompo Allah lavorary tamin’izany ny finoana ka nofenoany tamin'ny alàlan'izany ny fahasoavany avokoa tamin'ireo vahoaka mpino sy ireo izay manampinoana.

Araka ny Teny izay nolazain'ilay Tompo avo Tsitoha ka nanao hoe :

﴿...وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ تِبۡيَٰنٗا لِّكُلِّ شَيۡءٖ...

( Ary nampidininay Taminao ny Boky " Coran ", ho fanazavana ny zavatra rehetra). (An Nahl: 89).

Ary mbola miteny ilay Tompo avo Tsitoha ka nanao hoe :

﴿...مَا كَانَ حَدِيثًا يُفْتَرَى وَلَـكِن تَصْدِيقَ الَّذِي بَيْنَ يَدَيْهِ وَتَفْصِيلَ كُلَّ شَيْءٍ...

( Tsy tantara noforonina izany, fa fanamafisana izay efa nisy talohany, sy fanazavana amin'ny antsipirihany ny zavatra rehetra ). (Yousouf: 111).

Fa rehefa tsy hita ao amin’ny Bokin’i Tompo Allah na ao amin’ny Sounna-n’ny Iraka mahafatokin'i Allah izany tombatombana ara-potoana sy famelabelarana rehetra izany, dia mazava hoazy fa tsy azo atao ny manao dika vilana Aminy fa ny andikana azy kosa dia ny anarana fadim-bolana izay efa nifandraika aminy ny fisian'ny didy na tsia. Ka Ity porofo ity - ny Tiako holazaina - : Ny tsy fitenenana ilay didy ao amin'ny Boky masina Koroany sy ny Sounna dia porofo tsy fahampian'ny fiheverana momba azy- ampy hitondra soa ho Anao amin'ity resaka ity sy ireo Olana hafa ny fahalalana. Satria ny didy ara-dalàna dia tsy miorina afa-tsy amin'ny porofo avy amin'ny lalàna islamika - avy amin'ny Bokin'i Tompo Allah, na ny Sounna-n'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) na ny marimaritra iraisana fantatra na ny fanoharana marina. Niteny i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyyah (R.h) tamin’ny fitsipika izay napetrany ka nanao hoe : “ Ary isan'izany ny anarana fadim-bolana, izay misy lalàna betsaka nampifandraisin’i Tompo Allah Aminy ao amin’ny Boky masina Koroany sy ny Sounna, nefa tsy nasiany tombana ara-potoana, na ny vitsy na ny maro indrindra amin'izany. Na koa ny fahadiovana eo anelanelan'ny fadimbolana Roa, na dia eo anefa ny olana maro mianjady amin’ny vahoaka momba izany sy ny filany azy. ary ny voambolana dia tsy manavaka ny fetra amin'ny fetra ka izay manombana fetra amin'izany dia nanohitra sahady ny Boky masina Koroany sy ny Sounna ". Vita sy tapitra hatreo ny teniny.

Ny porofo faha-fatra dia : Ny fiheverana ny hoe : fa ny fanoharana marina sy mitohy, ary izany no nanazavan’i Tompo Allah ny fadim-bolana amin’ny maha loto azy, ka rehefa tonga ny fadim-bolana dia misy ny loto, tsy misy mahasamihafa ny Andro faha-roa amin'ny voalohany, na ny Andro faha-fatra amin'ny faha-telo, Ary tsy misy ny mampiavaka ny Andro faha-enina ambin'ny folo amin'ny dimy ambin'ny folo, na ny faha-valo ambin'ny folo amin'ny fito ambin'ny folo. Ny fadim-bolana dia mijanona ho fadim-bolana ihany, ary ny loto dia mijanona ho loto ihany koa, koa ny antony dia samy manana ny azy avokoa ny Andro roa, izay hitovizany. Koa ahoana no maha-marina ny fanavahana ny lalàna amin'ny Andro roa nefa hitovizan'izy roa ny antony ? Tsy mifanohitra amin’ny fanoharana marina ve izany ? Moa ve tsy fanoharana marina ny hoe fampitoviana ny Andro roa amin'ny fanampahan-kevitra sy lalàna noho ny fitovizan'izy roa eo amin'ny antony ?

Ny porofo faha-dimy dia : Ny fahasamihafan’ny tenin’ireo mpametra ny fotoana sy ny fokorontanan'ny hevitr'izy ireo. Izany dia maneho fa tsy misy porofo izay manery ny tsy maintsy hiverenana any aminy momba ity raharaha ity. fa ny zava-misy dia lalàna navoaka noho ny ezaka no hita eo Aminy, izay mety iharan'ny fahadisoana sy ny fahamarinana ihany koa. Tsy misy ny maha lohalaharana ny fanarahana ny iray amin'ny hafa ary ny Boky masina Koroany sy ny Sounna no hiverenana rehefa misy ny disadisa sy ny fifandirana.

Rehefa mazava ny tanjaky ny fanambarana ny teny izay nataony : Izany hoe, tsy misy fetra farany ambany na ambony ny fe-potoan'ny fadimbolana ary io no teny mari-pototra indrindra, koa fantaro ary fa izay rehetra hitan-dravehivavy amin'ny Rà voajanahary, tsy nisy antony manokana toy ny ratra sy ny mitovy amin'izany, dia fadim-bolana. Izany dia tsy tombanana amin'ny fotoana na taonan'ilay tovovavy, raha tsy hoe mitohy amin'ny Vehivavy izany, ary tsy mijanona mihitsy, na mijanona Vetivety toy ny iray Andro na Roa ao anatin'ny iray volana, ka lasa Istihadha ilay izy. Ary mbola hisy ny fanazavana momba ny istihada sy ireo lalàna mifehy azy- raha sitrakan'i Tompo Allah.

Nilaza i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyya (R.h) ka nanao hoe : Ny fototra iaingana dia izay rehetra mivoaka avy ao amin'ny tranon-jaza dia fadimbolana avokoa, mandra-pisian'ny porofo milaza amin'ny maha istihadah Azy. Ary mbola nilaza ihany koa Izy ka nanao hoe : Na inona na inona ny Rà nivoaka dia fadim-bolana avokoa, raha tsy fantatra ny maha Rà avy amin’ny lalan-drà na ratra Azy. Tampitra teo ny Teniny. Ka Io teny io, no teny hiverenana noho ny maha marina indrindra azy araka ny porofo izay misy, satria dia mbola io ihany no manakaiky ihany koa ny fomba fahatakarany saina sy ny fomba fahazoany Azy, ary mora ny fomba fampiasana Azy sy fomba fanatanterahana Azy ary fampiharina Azy raha oharina amin'ny fomba iza voalazan'ireo mpametra fotoana ary ny tahaka izany no mendrika kokoa ho ekena, noho izy mifanaraka tsara amin'ny fampianaran'ny finoana Islamo sy ny fitsipi-dalanany, ary izany no mora sy tsotra indrindra.

Niteny i Tompo Allah ka nanao hoe:

﴿...وَمَا جَعَلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلدِّينِ مِنۡ حَرَجٖ...

(Ary tsy nametraka fasahiranana sy fahasarotana ho Anareo amin'ny finoana Izy).

(Al-hajj: 78).

Ary niteny i Mpaminany (s.w.a) ka nanao hoe :

«إِنَّ الدِّينَ يُسْرٌ وَلَنْ يُشَادَّ الدِّينَ أَحَدٌ إِلَّا غَلَبَهُ فَسَدِّدُوا وَقَارِبُوا وَأَبْشِرُوا».

“ Tena marina fa ny finoana dia mora sady tsotra ary tsy misy Olona manavesatra ny finoana afa-tsy hoe resiny. ka aoka mba hankamorainareo sy hampanakakaizinareo ary aoka mba hilazao vaovao mahafaly ny Olona ". Al-Bukhari.

Ary anisan'ireo toetran'ny Mpaminany (s.w.a) dia ny hoe :

«أَنَّهُ مَا خُيِّرَ بَيْنَ أَمْرَيْنِ إِلَّا اخْتَارَ أَيْسَرَهُمَا مَا لَمْ يَكُنْ إِثْمًا».

“Tena marina fa tsy mba nomena safidy tamin’ny zavatra roa Izy afa-tsy hoe nandray anjara nisafidy ny moramora kokoa tamin’izy roa, raha mbola tsy misy fahotana ”.

Fadim-bolan'ny bevohoka :

Matetika no sady betsaka tokoa fa ny vehivavy rehefa bevohoka dia tapaka sy mitsahatra ny fadimbolany ka Niteny i Imam Ahmad (R,h) nanao hoe : “ Ny vehivavy dia fantatra ny fitondrany vohoka amin’ny alàlan'ny fijanonan’ny fadim-bolana.” Ka raha ny bevohoka nahatazana Rà tao anatin'ny fotoana fohy, ohatra roa na telo Andro mialohan'ny hiterahana, raha mitosaka izany dia nifas ( ny Rà mivoaka noho ny fiterahana ). Fa raha toa ka fotoana ela talohan'ny niterahana, na fotoana fohy talohan'izany ihany koa no nivoahan'ilay Rà, nefa tsy nikoriana, dia tsy nifas izany fivoahany Ra izany ka moa ve ny fadim-bolana izany dia ho rakaitina amin'ireo lalànan'ny fadim-bolana, sa ny Rà ratsy ka tsy ho ampiharina amin'izany lalànan'ny fadim-bolana ?

Ny amin'ity kosa dia tsy mitovy hevitra ny ireo samy Manampahaizana manooana an'izany ary ny marina dia voasokajy ho fadim-bolana izany raha toa ka amin’ny endrika mahazatra eo amin'ny fadim-bolany. Satria araka ny tokony ho izy dia izay Rà mivoaka amin'ny vehivavy dia fadimbolanaN ny anarany raha tsy misy antony manokana manakana azy tsy ho fadimbolana ary tsy misy ao amin’ilay Boky masina Koroany sy Sounna no misakana ny vehivavy bevohoka tsy ho tonga fadimbolana.

Izany no hevitra nipoitra tao amin'ny sakoly ny Imamo Malik(R,h) sy Imamo Al-Shafi'i (R.h), ary izany ihany koa no safidin'i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyya (R.h) ka Nilaza Izy ao amin'ny Boky Al-ikhtiyarat (safidy) (p. 30) : Notantarain'i Imamo Al-Bayhaqi (R.h) ho toy ny fitantarana avy amin'i Imamo Ahmad (R.h) ary voalaza fa nanao famerenana izany izy. Tapitra hatreo ny Teniny.

Arak'izany rehetra izany dia voaporofo mazava tsara ny fadimbolanan'ny vehivavy bevohoka toy ny porofon'ny fadimbolana eo amin'ny vehivavy tsy bevohoka, afa-tsy amin'ny tranga Roa ihany :

Ny tranga voalohany dia : Ny fisaraham-panambadiana, ka voarara ny fisaraham-panambadiana ny amin'ny vehivavy izay takiana Aminy ny fitandremana ny fe-potoana fiandrasana, eo amin'ny vehivavy tsy bevohoka, ary tsy voarara kosa izany amin'ny vehivavy bevohoka; Satria ny fisaraham-panambadiana mandritra ny fadimbolana amin’ny vehivavy tsy bevohoka dia mifanohitra tanteraka amin’ny tenin'i Tompo Allah izay manao hoe :

﴿...فَطَلِّقُوهُنَّ لِعِدَّتِهِنَّ...

(Sarahinareo izy ireo mifanaraka amin'ny fotoana fiandrasany) (At-twalak : 1). Fa ny fisaraham-panambadiana kosa amin'ireo vehivavy bevohoka rehefa tonga fotoana ny fadim-bolana dia tsy mifanohitra amin’izany. Satria izay misaraka amin’ny vehivavy bevohoka dia efa nisaraka tamin’ny fe-potoana fiandrasana, na tonga fadim-bolana izy na madio. Satria ny vohoka no fe-potoana fiandrasany eto; Ka noho izany dia tsy voarara amin'ilay lehilahy mihitsy ny misaraka Aminy aorian’ny firaisana, raha mifanohitra amin'izany ny hafa.

Ny tranga faha-roa dia : Ny fadimbolana eo amin'ny vehivavy bevohoka dia tsy afaka manapitra ny fe-potoana fiandrasana, tsy toy ny fadimbolan'ny vehivavy hafa; Satria tsy tapitra ny fe-potoana fiandrasan'ny vehivavy bevohoka raha tsy efa amin'ny fotoanan'izy efa teraka, na tonga fotoana Izy na tsia;

Araka ny tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿...وَأُوْلَاتُ الأَحْمَالِ أَجَلُهُنَّ أَن يَضَعْنَ حَمْلَهُنَّ...

( Fa hoan'ireo mitoe-jaza kosa dia ny fiterahana no fe-potoana fiandrasan'izy ireo ). (at-talak: 4).

 

Fizarana Faha-telo dia : Ny mikasika ny larampamehana eo minin'ny fadim-bolana

Ny larampamehana eo amin'ny fadimbolana dia misy karazany maro :

Ny karazana voalohany : Mitombo na miampy na mihena. Ohatra mety eo amin'ny enina Andro ny mahazatra ny fadim-bolan'ny vehivavy iray, ka mety mitohy fito Andro ny fandehanan'ny rà na fito Andro ny mahazatra azy nefa amin'ny faha enina Andro Izy dia efa madio;

Ny karazana faha-roa dia : Ny firosoana na fihemorana. Ohatra araka ny mahazatra dia eo amin'ny fiafaran'ny volana izay ahatongavan'ny fadimbolany, nefa mety ho tonga amin'ny fiatombohan'ny volana ihany koa izany, na koa araka ny mahazatra eo amin'ny fiatombohan'ny volana nefa lasa tonga ihany koa izany any amin'ny fihafarany volana.

Ary efa nifanolana ireo Manampahaizana ka tsy nitovy hevitra izy ireo momban' ireo karazany Roa ireo, ary ny hevitra tena izy no sady marina dia ny hoe : rehefa mahita Rà Izy dia tonga fadim-bolana, ary rehefa madio amin’izany Izy dia madio, na mihoatra na latsaka noho ny fahazarany, ary na mandroso na tara ihany koa. Efa voalaza ao amin’ny fizarana teo aloha ireo porofo momba izany, satria ny mpanao lalàna dia nampifandray ny didy momba ny fadimbolana noho ny fisiany (Rà).

Ary izany no fampianarana azo avy amin'i Secoly (mazhab) ny Imamo Shafi-y (R.h) sy safidin'i Imamo Ashaykh al-Islam Ibn Taymiyya (R.h), ary nohamafisin'ilay tompon'ny al-Mughni ao Aminy izany fanambarana rehetra izany no sady notohanany, ary nilaza Izy ka nanao hoe : Raha toa ka azo raisina ny fahazarana araka ny voalaza ao amin'ny mazhab, dia ny Mpaminany (s.w.a) no nanazava izany tamin’ny vahoakany, ary tsy afaka nanemotra ny fanambarana momba izany Izy; Satria tsy azo atao ny manemotra na manatara ny fanambarana amin'ny fotoana izay tokony hanapitana Azy, ary ny vadiny sy ny vehivavy hafa dia mila fanazavana momba izany amin'ny fotoana rehetra ihany koa, ka tsy tokony hanao tsirambina ny fanambarana izany Izy, Ary ny izay rehetra azo avy tamin'i Mpaminany (s.w.a) dia filazana ny fahazarana fotsiny fa tsy ny fanazavana Azy, afa-tsy amin'ny resaka momba ny vehivavy voan'ny istihadHa ary tsy misy hafa ankoatr'izay. Tapitra hatreo ny Teniny.

Ny karazany faha-telo : M ety mavo na mivolontsôkôlà, ka hitanao fa mavo ny Rà toy ny ranoka avy amin’ny ratra na mivolontsôkôlà eo anelanelan’ny mavo sy ny mainty ka raha ao anatin’ny fadimbolana na mitohy Aminy, alohan’ny fahadiovana, dia fadimbolana no ilazana Azy, mihatra aminy ny lalàna momba ny fadim-bolana, ary raha aorian’ny fahadiovana kosa dia tsy fadim-bolana izany;

لِقَوْلِ أُمِّ عَطِيَّةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا: «كُنَّا لَا نَعُدُّ الصُّفْرَةَ وَالْكُدْرَةَ بَعْدَ الطُّهْرِ شَيْئًا». رَوَاهُ أَبُو دَاوُدَ بِسَنَدٍ صَحِيحٍ.

Araky ny nambaran'i Omm Atiyah (R.d) : " Tsy noheverinay ho zavatra ny fivoahana mavo na volontsôkôlà taorian'ny fadim-bolana " Notantarain'i Abou Daoda (R.h), amin'ny tatitrra marina izany rehetra izany, Ary notanterin'i Boukhari (R.h) ihany koa nefa tsy misy ny Teniny manao hoe : ( taorian'ny fahadiovana ), fa nadikany izany tamin'ny Teniny manao hoe : TOKO momba ny mavo sy ny volontsôkôlà amin'ny Andro hafa ankoatra ny fadimbolana. Nilaza izy amin'ny fanazavany ao amin'i Fath Al-Bari ka nanao hoe : " Ny tiany ho lazaina amin'izany dia ny fampitambarana ny Hadith-n'i Aisha (R.d) teo aloha, amin'ny filazany manao hoe : Mandram-pahitanareo ilay tsiranoka fotsy. Ary ny Hadith-n'i Omm Attia izay efa voalaza ao amin'ilay TOKO fa izany tokoa dia : Ny Hadith-n'i Aisha (R,d) - dia raisina amin'ny lafiny hoe : raha nahita ny mavo sy ny fivoahana volontsôkôlà nandritra ny fotoan'ny fadim-bolana Izy fa ny amin'ny ankoatr'izany kosa dia raisina amin'izay nolazain'i Omm Attia (R.d). Tapitra hatreo ny Teniny. Ary ny Haditan'i Aisha izay noresahina dia izany no nanehoan'i Boukhari (R.h) tamin'ny fomba voafaritra tsara tao alohan'ity TOKO ity, fa ireo vehivavy dia nandefa "dourja" any aminy (zavatra anaovan'ny vehivavy iray mba hahafantarany raha misy sisa tavela ny fandalovan'ny fadim-bolana amin'ny vatany) ao amin'izany "dourja" izany dia misy landihazo, ka nahitana loko mavo izany, dia nilaza izy manao hoe : “ Aza maimaika mandram-pahitanareo ny tsiranoka fotsy ". Ny atao hoe : " kissatoul-baidwa " dia tsiranoka fotsy mivoaka avy any amin'ny tranon-jaza amin'ny fotoana mahatapitra ny fadim-bolana.

Ny karazany faha-efatra dia ny : Tonga fotoana tsitapatapaka tsy akijanona, izany hoe : Ahitana Rà indray Andro avy eo fahadiovana indray Andro, sy tahatahaka izany. Izy io dia mety manana tranga Roa :

Ny tranga voalohany dia : Ny fahitana izany tsy misaraka amin'ny vehivavy mandritra ny fotoanany rehetra, izany dia Ràn'ny istihadha, mihatra ho amin'izay rehetra ahitanao izany ny lalàna momba ny istihaadha.

Ny tranga faha-roa dia : Ny tsy fitohizan'izany eo amin'ny vehivavy, fa tonga eo Aminy kosa amin'ny fotoana sasantsasany, ary misy fotoana koa dia tena mampadio tanteraka mihitsy aza Izy, ka samy manana ny heviny ireo Manampahaizana mahakasika izany fahadiovana izany ka fahadiovana ve izany sa ho ampiharina aminy ireo lalànan'ny fadim-bolana ?.

Ny hevitran'i Imamo Shafi'i (R.h), amin'izay tena marina kokoa manoloana an'ireo Teniny Roa izay nolazainy dia mihatra amin'izany avokoa ny lalana sy fepetra momba ny fadim-bolana, ka izany dia tena fadim-bolana, ary izany ihany koa no nosafidin'i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyya (R.h) sy ilay tompon'ny Al- Fa'iq, ary mbola izany ihany koa no hevitran'i Imamo Abou Hanifa (r.h). Ary izany dia satria ny tsiranoka fotsy dia tsy hita eo Aminy, ary raha raisina ho fahadiovana izany, dia lasa ho fadim-bolana ny teo alohany ary ny aoriany dia fadim-bolana ihany koa, ary tsy misy Olona miteny izany, raha tsy izany dia tapitra ny fe-potoana fiandrasana " idda " tamin'ny alàlan'ny fahadiovana tao anatin'ny dimy Andro; Ary raha raisina ho fahadiovana izany, dia mety lasa hahatonga fahasahiranana sy fahasarotana, amin'ny fandroana isaky Roa Andro sy ny hafa ankoatr'izany. Ary ny fahasarotana dia lavina amin'ity finoana ity, fisaorana anie ho an'i Tompo Allah.

Ny fomba fijery malaza ary tena fanta-daza ao amin'ny fampianarana ny Sekoly najorony Imamo Hanbali (R.h) dia milaza fa : Ny Rà dia midika ho fadimbolana, ary ny tsy fisian'ny Rà dia midika ho fahadiovana, afa-tsy hoe ny fitambaran'izy Roa ireo mihoatra ny fadim-bolana, ka ny Rà mihoatra noho izany dia istihadha.

Ary hoy Izy niteny sy nilaza tao amin'ny Boky ny Al-Moughni ka nanao hoe : " Raha latsaka ny iray Andro ny fitsaharan'ny Rà dia tsy azo lazaina ho fahadiovana, araka ny fanambarana izay nolazainay momba ny Rà taorian'ny fahaterahana, fa Izy dia tsy mijery ny hoe latsaky ny iray Andro, izany no marina -raha sitrakan'i Tompo Allah- satria ny Rà raha mikoriana dia avy eo mitsahatra indray aorian'izany, dia lasa takina Aminy anefa ny hisaika isaky ny hanao fahadiovana ka lasa ho fasahiranana ho Azy izany, ka izany dia lavina tanteraka.

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿...وَمَا جَعَلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلدِّينِ مِنۡ حَرَجٖ...

( Ary Izy dia tsy nametraka fahasarotana ho Anareo eo amin'ny finoana ) al-Haj: 78. Nilaza izy ka nanao hoe : Arak’izany dia tsy azo lazaina ho fahadiovana ny fahataperan'ny Rà latsakin'ny iray Andro afa-tsy hoe efa hitanao ny zavatra manaporofo ny fahadioana, Ohatra : Ny fotoana nahataperany dia tao anatin'ny Andro farany araka ny mahazatra, na koa tazana ilay tsiranoka fotsy.

Ka io tenin'ny mpanoratra ilay Moughni io, dia manelanelana ireo teny Roa ireo, ary i Tompo Allah no mahalala ny tena marina.

Ny karazany faha-dimy dia : Tsy fisian'ny Rà, dia hamandoana fotsiny no hitan’ny vehivavy raha ao anatin’ny fotoan'ny fadimbolana na mifampitohy Aminy ilay hamandoana mialohan’ny fahadiovana dia raisina ho fadim-bolana ihany, fa raha aorian'ny fahadiovana kosa dia tsy fadim-bolana intsony; Satria ny tanjona eto dia ny hahatrarany ny loko mavo sy ny volontsôkôlà, ary izany no lalàna sy fepetra mamehy Azy.

 

Ny fizarana faha-efatra dia : Ireo lalàna sy fepetra mamehy ny fadim-bolana.

Ny fadim-bolana dia manana ny lalànana sy fepetra maromaro, mihoatra ny roapolo, ary ho tanisaintsika ny tena ilaina amin'izany; ka anisan'izany ireto manaraka ireto :

Ny voalohany dia : Ny Soalat : Voarara amin'ny vehivavy tonga fotoana ny manao ny fanompom-pivavahana Soalat na Soalat dimy isan'andro izany na Soalat Sounna ary tsy takina Aminy ny hanao Soalat afa-tsy nahatratra fe-potoan'ny Rakant iray feno tao anatin'ny fahadiovana Izy ka amin'izay fotoana izay dia takina Aminy noho ny amin'ny lalana ny hanao Soalat na tratrany tany am-piandohan'ny fotoana ilay Soalat na taty amin'ny farany

Ohatra ny amin'izany eo am-piandohan'ny fotoana : Vehivavy iray tonga fotoana aorian'ny filentehan'ny masoandro eo amin'ny fe-potoana Rakant iray, ka rehefa madio Izy dia takina Aminy ny hanonitra izany Soalat Maghrib izany, satria efa tratran'ny fe-potoana Rakant iray tao anatin'ny fahadiovana Izy mialohan'ny hahatongavan'ny fadim-bolana.

Ohatra amin’izany eo amin’ny fiafaran'ny fotoana : Vehivavy iray nadio amin'ny fadimbolana talohan’ny fiposahan’ny masoandro teo amin’ny fe-potoana Rakant iray, ka takina Aminy rehefa madio Izy ny hanonitra ny Soalat Fadjiry Satria nahatratra ampahany tamin'ny fotoany Izy, izay ampy hanatanterahana Rakant iray.

Fa raha ny Vehivavy tonga fadimbolana kosa no nahatratra ampahany amin'ny fotoana izay tsy ampy hanatanterahana ny Rakant iray feno. Ohatra : Tonga fotoana Izy amin'ny fotoana fohy aorian'ny filentehan'ny masoandro araka ny ohatra voalohany. na madio Izy fotoana fohy mialohan'ny fiposahan'ny masoandro araka ny Ohatra faha-roa. Dia tsy takina Aminy ny hanatanteraka ny Soalat, araka ny tenin'ny Mpaminany (s.w.a).

«مَنْ أَدْرَكَ رَكْعَةً مِنَ الصَّلَاةِ فَقَدْ أَدْرَكَ الصَّلَاةَ».

( Izay nahatratra ny Rakaat iray izany hoe : ny fitsanganana tamin'ny Soalat, dia efa nahatratra ny Soalat). Hadith notaterin'i Imamo Boukhari sy Imamo Mouslim (r.h).

Ka ny fantatra amin'izany dia ny hoe : Izay nahatratra latsaka ny Rakaat iray teo amin'ny Soalat, dia tsy azo lazaina fa nahatratra Soalat izany Olona izany.

Ary raha tratrany ny Rakaat iray amin'ny Soalat Asory, ka moa ve tsy maintsy takina Aminy ny Soalat Zouhry miaraka amin'ny Asory, na koa nahatratra Rakaat iray tamin'ny Soalat Inshay farany, ka moa ve takina Aminy ny tsy maintsy hanatanterahany ny Soalat Maghriby miaraka amin'ny Inshay ?.

Amin'izany dia nifanolana ka tsy mitovy mihitsy ny hevitran'ireo Manampahaizana amin'ny finoana Islamo momba izany, ka ny marina anefa dia ny hoe : Tsy takina Aminy ny hanao ilay Soalat, afa-tsy izay tratrany amin'ny fotoanany ihany, dia ny Soalat Asory sy ny Soalat Inshay farany ihany.

Araka ny tenin'ny nolazainy Mpaminany (s.w.a) manao hoe:

«مَنْ أَدْرَكَ رَكْعَةً مِنَ الْعَصْرِ قَبْلَ أَنْ تَغْرُبَ الشَّمْسُ فَقَدْ أَدْرَكَ الْعَصْرَ».

"Izay nahatratra Rakaat iray amin'ny Asory mialohan'ny hilentehan'ny masoandro, dia efa nahatratra sahady ny Soalat Asory " (Notaterin'i Imamo Boukhariou sy Imamo Mouslim (R.h)).

Tsy niteny i Mpaminany (s.w.a) fa hoe : dia efa nahatratra sahady ny Zouhry sy ny Asory. Tsy nilaza ny tsy maintsy hanaovana Soalat Zouhry eo Aminy Izy. ary ny fototra iangana dia ny tsy fananan-tsiny eo amin’ny adidy, ary izany no fampianarana amin'ny Sekoly mazhab-n'i Imamo Abou Hanifa sy Imamo Malik (R.h) niteny izany momba Azy Roa izy tamin’ny fanazavana ny Boky Mouhazzab.

Raha ny amin’ny Zikry, sy ny Takbiry, ary ny Tasbihy ary ny fitenenana ihany koa ny hoe : “ Bismillah ” rehefa misakafo sy ny hafa ankoatran'izany ny famakiana Hadith, ny Fikh, ny Dou'a sy ny famaliana Azy, sy ny Fihainoana Koroany, dia tsy misy voarara amin'ny vehivavy tonga vadim-bolana.

«أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَتَّكِئُ فِي حِجْرِ عَائِشَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهَا وَهِيَ حَائِضٌ فَيَقْرَأُ الْقُرْآنَ».

Efa voarakitra ao amin'ny Bokin'i Imamo Boukhari sy Imamo Mouslim (R.h) sy ny hafa ankoatr'izy Roa fa i Mpaminany (s.w.a) niankina teo am-pofoan’i Aisha (R.d), raha mbola tonga fadimbolana Izy, ary namaky ny Koroany Izy tamin'izany.

Voalaza ao amin'ny Bokin'i Imamo Boukhari sy Imamo Mouslim ihany koa fa i Omm Atiyyah (R.d) dia naheno an'i Mpaminany (s.w.a) niteny ka nanao hoe :

«يَخْرُجُ الْعَوَاتِقُ وَذَوَاتُ الْخُدُورِ وَالْحُيَّضُ -يَعْنِي: إِلَى صَلَاةِ الْعِيدَيْنِ- وَلْيَشْهَدْنَ الْخَيْرَ، وَدَعْوَةَ الْمُؤْمِنِينَ، وَيَعْتَزِلُ الْحُيَّضُ الْمُصَلَّى».

“Ny Vehivavy afaka - Tsy andevo - sy ny Vehivavy tsy mpivoaka trano, ary ireo tonga fadimbolana dia tokony hivoaka - izany hoe : Ho any amin’ny fanatanterahana ny Soalat Yddy oa, ny mba hahazoan'izy ireo avokoa ny fahasoavana, sy valim-bavak'ireo vahoaka mpino, ary ny Vehivavy tonga fotoana dia tokony hisitaka amin’ny toeram-pivavahana amin'ny toerana fanaovana ny Soalat ”.

Fa ny famakian'ireo vehivavy izay tonga fadimbolana ny amin'ny Tenany manokana ny Boky masina Koroany dia midika hoe : fa raha toa ka amin'ny maso fotsiny na an'eritreritra ny fomba famakiany fa tsy tononina amin'ny vava, dia tsy maninona ny amin'izany, tahaka ny fametrahana ny Koroany eo amin'ny solaitra ka eo no lasa mijery an'ilay andininy soratra masina ary eo Aminy no mamaky izany ao an'eritreriny. Nilaza i Manampahaizana Imamo An-Nawawi (R.h) ao amin'ny Boky ny Mouhazzab ka nanao hoe : " Azo atao tsy misy fifandirana " Fa raha tononina am-bava kosa ny famakiana izany Boky masina Koroany izany dia ny ankamaroan'ireo Manampahaizana dia milaza azy ho voarara sy tsy azo atao izany fomba sy fihetsika izany. Ary niteny i Imamo Boukhari sy Ibn Jariri At-Tabari (R.h) ary Ibn Moundhir (R.h) fa nanao hoe : Azony atao izany. Ary voalazan'i Imamo Malik (R.h)sy i Imamo As-Shafi’i (R.h) tamin’ny Teniny tany taloha, notantarainy momba azy roa tao amin’ny Boky Fath Al-Bari ary nampatsiahiviny Imamo Boukhari (R.h) amin'ilay Teny milaza ny fanehoan-kevitra momba an'i Imamo Ibrahim Al-Nakha'i (R.h) ka nanao hoe : Tsy maninona Azy akory ny mamaky an'ireo andininy soratra masina.

Nilaza i Imamo Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyyah (R.h) tao amin'ny vondrona Fatwa-n'i Ibn Kasimo (R.h) : “ Tsy misy Sounnah misakana azy tsy hamaky ny Koroany fa ilay Teniny milaza manao hoe : “ Ny Vehivavy tonga fotoana na ny olona ao anatin’ny fahalotoana lehibe dia tsy tokony hamaky mihitsy ny andininy ao amin'ny Boky masina Koroany " dia Hadith tsy mari-pototra ny milaza izany araka ny fiombonan-kevitr'ireo Manampahaizana momba ny Hadith. Ny Vehivavy dia tonga fadimbolana tamin'ny andron'ny Mpaminany (s.w.a), fa raha toa ka voarara tamin'izy ireo ny famakina, tahaka ny maha voarara ny fanaovana Soalat dia ho tao anisan'ny zavatra nazavain'i Mpaminany (s,w.a) izany tamin'ireo vahoakany, ary ireo Renin’ny mpino dia nampianatra izany, ary izany dia ho anisan'ny zavatra nampitainy tamin’ny Olona rehetra. Ka rehefa tsy nisy nazahoana Teny na niteny Teny fandrarana avy amin’ny Mpaminany (s.w.a) momba izany dia tsy azo atao ny miteny izany zavatra izany ho zavatra voarara, noho ny fahafantarana fa Izy Mpaminany (s.w.a) tsy nanakana ny amin'izany fa raha tsy nanakana ny amin'izany anefa Izy (s.w.a), etsy andaniny anefa be dia be ny Vehivavy tonga fadimbolana teo amin'ny fotoana niainany, dia fantatra araka izany fa tsy voarara ilay izy.

Ny tokony ho atao, aorian’ny fahafantarantsika ny tsy fitovian-kevitr'ireo Manampahaizana, dia ny miteny manao hoe : Tsara kokoa ho an’ny Vehivavy tonga fadimbolana ny tsy mamaky ny Boky masina Koroany amin’ny vava, raha tsy amin'ny fotoana tsy maintsy ilana izany, toy ny : mpampianatra, ka ilaina Aminy ny famakiana mba hoarahin'ireo mpianany avy aoriana, na rehefa miatrika fanadinana ka mila mamaky ny mpianatra Vehivavy noho ny fanadinana izay atrehiny, sy ny mitovItovy amin'izany.

Ny faha-roa : Ny fifehezana dia zavatra Voarara fa tsy azo ataon'ireo vehivavy tonga fadimbolana na ireo fifehezana Obligatoara izay tsy maintsy atao izany na ireo fifehezana Sounna, ka tsy voaray ny fifehezany raha manao an'izany Izy fa tsy maintsy manonitra ny ampahany tsy vitany tamin'izany Izy araka ny Hadith- n'i Aisha (R.a),

"كَانَ يُصِيبُنَا ذَلِكَ -تَعْنِي: الْحَيْضَ- فَنُؤْمَرُ بِقَضَاءِ الصَّوْمِ وَلَا نُؤْمَرُ بِقَضَاءِ الصَّلَاةِ".

“ Izany no nahazo Anay taloha - izany hoe ny fadimbolana - koa nodidiana izahay hanefa ny fifehezana, fa tsy nasaina nanonitra na nanefa ny Soalat “ Boukhari sy Mouslim.

Raha tonga fadimbolana Izy nefa mifehy dia simba ny fifehezany, na dia fotoana fohy talohan’ny filentehan’ny masoandro aza izany, ary tsy maintsy manonitra sy manolo izany andro izany Izy raha toa ka fifehezana tsy maintsy nataony izany.

Fa raha tsapany ny fiandohan’ny fadimbolana mialohan’ny filentehan’ny masoandro, nefa tsy nivoaka izany raha tsy taorian’ny filentehan’ny masoandro, dia tanteraka ny fifehezany ary tsy tapaka izany, raha ny marina amin'ireo filazana maro samy hafa izay voalaza Satria ny Rà ao anaty kibo dia tsy misy lalàna mahakasika an'izany. Satria i Mpaminany (s.w.a) rehefa nanontaniana momba ny vehivavy mahita zavatra tahaka ny hitan'ny lehilahy amin'ny nofiny, moa ve terena tsy maintsy ho ahandro sy hisaika ve izy?

قَالَ: «نَعَمْ، إِذَا هِيَ رَأَتِ الْمَاءَ». فَعَلَّقَ الْحُكْمَ بِرُؤْيَةِ الْمَنِيِّ لَا بِانْتِقَالِهِ، فَكَذَلِكَ الْحَيْضُ لَا تَثْبُتُ أَحْكَامُهُ إِلَّا بِرُؤْيَتِهِ خَارِجًا، لَا بِانْتِقَالِهِ.

Namaly Izy ka nanao hoe : “ Eny, raha nahita rano (tsirinaina) Izy " Ka nampifandraisiny tamin’ny fahitana ny tsirinaina ny lalàna fa tsy tamin’ny fahatsapana eo amin'ny fivoahany ka dia tahaka izany koa ny fadimbolana, tsy mipetraka ny lalàna momba azy afa-tsy tazana ety ivelany ny Rà, fa tsy amin'ny alàlan'ny fahatsapana ilay fivoahany fotsiny.

Raha miposaka ny maraiana vao mangirandratsy nefa ilay vehivavy mbola ao anatin'ny fadimbolana, dia amin'izay fotoana izay dia mbola tsy mety Aminy ny mifehy amin'izany Andro izany, eny na dia fotoana fohy kely taorian'ny fiposahan'ny maraina vao mangirandratsy aza no nampadio Azy.

Raha manadio ny Tenany talohan’ny Fadjiry ka nanatanteraka ny fifehezana Izy dia manan-kery ny fifehezana izay nataony, eny fa na dia taorian'ny Fadjiry Izy no nanatanteraka ny fandroana izany dia mitovy tahaka ny Olona voan'ny loto lehibe -jounoub- ka rehefa Izy nametraka Nya ka ninia hifehy, nefa tsy nisaika tsy nandro raha tsy taty aorian'ny Fadjiry-maraina vao mangirandratsy- dia mety no sady manan-kery ny Fifehezany.

"كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُصْبِحُ جُنُبًا مِنْ جِمَاعٍ غَيْرِ احْتِلَامٍ ثُمَّ يَصُومُ فِي رَمَضَانَ".

Araka ny Hadith-n'i Aisha (R.a), nilaza Izy ka nanao hoe : " i Mpaminany (s.w.a) dia Djounoub taorian'ny firaisana ara-nofo, fa tsy noho ny nofy akory ka taorian'izany Izy nifehy Ramadany ". Boukhari sy Mouslim.

Ny lalàna faha-telo : Ny Tawaf ( fihodikodinana im-pito eo amin'ny Ka'aba ) : dia Voarara Aminy ny manao Tawaf eo amin'ny Trano Masina, na Tawaf tsy maintsy atao izany na Tawaf Sounna, dia samy tsy azony atao avokoa satria Izy mbola misy Djanaba.

«افْعَلِي مَا يَفْعَلُ الْحَاجُّ غَيْرَ أَلَّا تَطُوفِي بِالْبَيْتِ حَتَّى تَطْهُرِي».

Araka ny Tenin'i Mpaminany (s.w.a) tamin’i Aisha (R.d) rehefa izy tonga fadimbolana, “ Ataovy izay rehetra ataon'ny mpanao Hadjy ankoatra ny Tawaf mandra-pahadionao ".

Fa ny hetsika fanompoana hafa kosa dia azony atao avokoa toy ny : fivezivezena eo anelanelan'ny Soafa sy Marowa sy fijoroana eny amin'ny Arafa ary fatoriana ao Mozdalifa sy Mina, sy ny fanipazana vato eny amin'ny Jamaraty, sy ny hafa ankoatr'izany amin'ireo hetsika fanompoana amin'ny Hadjy sy Oumra, dia tsy voarara Aminy avokoa izany rehetra izany. Araka izany dia rehefa manao Tawaf ny vehivavy amin'ny fotoana mampadio Azy, avy eo tonga avy hatrany aorian'ny fahavitan'ny Tawaf anefa ny fadimbolany, na koa mandritra ny fotoana anaovany Sa'i, dia tsy maninona ny amin'izany.

Ny lalàna faha-efatra : Noesorina aminy ny Tawaf fanaovam-beloma : Rehefa nahavita ny fombafomba rehetra amin’ny Hadjy sy ny Uomrah ny vehivavy avy eo tonga aorian'izany anefa ny fadimbolany mialohan’ny halehany any amin’ny taniny, ary mitohy ny fadimbolany mandra-pialany, dia mivoaka tsy manao Tawaf fanaovam-beloma Izy amin'izay fotoana izay; Izany dia araka ny Hadith-n’i Ibn Abbas (R.a). Nilaza Izy ka nanao hoe : “ Nodidian'ny Mpaminany (s.w.a) ny Olona mba ho izany tawaf fanaovam-beloma izany no fe-potoana farany hijanonany eo amin'ilay Trano masina (Ka'aba), afa-tsy hoe namaivanina izany ho an’ny vehivavy tonga fotoana ”. Boukhari sy Mouslim.

Ary tena tsy mety ary tsy tsara ho an'ireo vehivavy izay tonga fadimbolana ny manatona ny varavaran’ny Masidjidy Masina amin’ny fotoana fanaovam-beloma sy amin'ny fotoana manao ny Douant; Satria izany tsy hita nataon'ny Mpaminany (s.w.a) ary ny fanompoam-pivavahana rehetra dia mifototra amin'izay notaterina avokoa. Saingy ny mifanohitra amin'izany no voaray avy tamin'ny Mpaminany (s.w.a).

فَفِي قِصَّةِ صَفِيَّةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا، حِينَ حَاضَتْ بَعْدَ طَوَافِ الْإِفَاضَةِ، أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ لَهَا: «فَلْتَنْفِرْ إِذًا». مُتَّفَقٌ عَلَيْهِ.

Ao amin'ny tantaran'i Safiyyah (R,d) rehefa Izy tonga fadim-bolana taorian'ny Tawaf Ifadhah, dia hoy i Mpaminany (s.w.a) taminy nanao hoe : " Raha izany dia mandehana Ianao " Boukhari sy Mouslim.

Tsy nandidy Azy ho tonga eny amin'ny varavaran'ilay Masidjidy i Mpaminany (s.w.a), raha toa ka ara-dalàna ny fanaovana izany dia nazavainy Taminy. Fa ny Tawaf-n'ny Hadjy sy ny Oumra kosa dia tsy Azony ajanona izany fa tsy maintsy tanterahiny izany rehefa madio Izy.

Ny lalàna faha-dimy dia : Ny fijanonana ao amin’ny Msidjidy dia Voarara amin’ny vehivavy tonga fadimbolana ny mijanona ao amin’ny Masidjidy na dia eny amin'ny toeram-pivavahana ny Soalat Yddy aza dia voarara ho Azy ihany koa ny mijanona ao Aminy.

لِحَدِيثِ أُمِّ عَطِيَّةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا: أَنَّهَا سَمِعَتِ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «يَخْرُجُ الْعَوَاتِقُ وَذَوَاتُ الْخُدُورِ وَالْحُيَّضُ». وَفِيهِ: «يَعْتَزِلُ الْحُيَّضُ الْمُصَلَّى». مُتَّفَقٌ عَلَيْهِ.

Araka ny Hadith-n'i Omm Attia (R,d) fa Izy dia naheno an'ny Mpaminany (s.w.a) niteny ka nanao hoe : “ Ny vehivavy afaka fa tsy andevo, sy ny vehivavy tsy mpivoaka trano, ary ireo tonga fadimbolana " ao anatin'izany dia ireo : "v ehivavy tonga fotoana dia tokony hiala amin’ny toeram-pivavahana ”. Boukhari sy Mouslim.

Ny lalàna faha-enina : Ny firaisana ara-nofo : voarara amin'ny vadiny ny manao firaisana ara-nofo Aminy, ary voarara Aminy ihany koa ny manome fahafahana Azy ny hanao an'izany Aminy;

﴿وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡمَحِيضِۖ قُلۡ هُوَ أَذٗى فَٱعۡتَزِلُواْ ٱلنِّسَآءَ فِي ٱلۡمَحِيضِ وَلَا تَقۡرَبُوهُنَّ حَتَّىٰ يَطۡهُرۡنَۖ...

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe : ( Ary manontany Anao ny amin'ny fadimbolana izy ireo ka dia lazao ny hoe : “ Izany dia loto ka tsy maintsy hiatahanareo ireo vehivavy mandritra izany fadimbolana izany, ary aza miray Aminy amin'ny alalany firaisana ara-nofo Ianareo raha tsy efa madio tanteraka izy ireo). (Al Baqarah: 222). Ny tia ho ambara etoana ny amin'ny hoe : " Fadimbolana " dia ny fotoanan'ny fadimbolana ary ny toerana misy Azy dia ny fivaviana;

وَلِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «اصْنَعُوا كُلَّ شَيْءٍ إِلَّا النِّكَاحَ». يَعْنِي: الْجِمَاعَ. رَوَاهُ مُسْلِمٌ.

Araka ny tenin'ny Mpaminany (s.w.a) manao hoe : " Ataovy ny zava-drehetra afa-tsy ny fanambadiana ". Izany hoe : Ny firaisana ara-nofo Notanterin'i Mouslim; Satria ny Mpino Islamo rehetra dia niombon-kevitra amin'ny maha voarara ny firaisana ara-nofo amin'ny vehivavy ao amin'ny fivaviany rehefa tonga fotoana Izy.

Ka tsy azo ataon'ny Olona manampinoana ka mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany ny hiroso amin'ny fanaovana zava-dratsy tahaka izany. Izay efa voaporofo ny fandrarana Azy ao amin'ny Boky masinan'i Tompo Allah sy ny fampianaran'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) ary ny fiombonan-kevitry ny vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam rehetra ka ny fanaovany izany dia hahatonga Azy ho anisan'ireo manana fisalasalana amin'i Tompo Allah sy ny Irany, ary hanaraka ny làlana hafa ankoatra ny an'ny mpino. Nilaza Izy ao amin’ny Boky " Al-majmuo " fanazavana ny Boky " Al-mouhazzab " ao amin'ny takelaka faha : 374, fizarana faha-2. Nilaza i Al-Shafi’i manao hoe : “ Izay manao izany dia nanao fahotana lehibe ”. Niteny ireo mpiara-dia Taminay sy ny hafa ihany koa ny hoe : “ Na iza na iza mihevitra fa azo atao ny manao firaisana amin’ny Vehivavy tonga fadimbolana, dia hihantra Aminy ny lalàna maha mpikomy Azy ”. Tenin'i al-Nawawi.

Ary efa nahazoany alàlana kosa izay hisaorana manokana an'i Tompo Allah ny amin'izany- ny haka fahafinaretana ankoatra ny firaisana ara-nofo, toy ny : oroka, famihinana, firaisana ankoatra ny amin'ny fivaviana, nefa ny mety koko dia ny tsy fiarahana mivantana Aminy eo anelanelan'ny foitra sy ny lohalika, afa-tsy elanelanina zavatra.

لِقَوْلِ عَائِشَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا: «كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَأْمُرُنِي فَأَتَّزِرُ، فَيُبَاشِرُنِي وَأَنَا حَائِضٌ». مُتَّفَقٌ عَلَيْهِ.

Araka ny tenin’i Aisha (R.d) nilaza nanao hoe : “ Nandidy Ahy hisikina lambahoany i Mpaminany (s.w.a) ka manao firaisana amin'ny endrika safosafo Amiko Izy rehefa Izaho mbola tonga fotoana ”. Boukhari sy Mouslim.

Ny lalàna faha-fito : Voarara amin'ny lehilahy ny misaraka amin'ny vadiny rehefa Izy tonga fadimbolana;

Araka ny tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿يَاأَيُّهَا النَّبِيُّ إِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاء فَطَلِّقُوهُنَّ لِعِدَّتِهِنَّ...

( Ry Mpaminany ! Rehefa hisarahanareo ireo vehivavy, dia saraho amin'ny fotoana fiandrasana voafetra ) (At-twalak :1). Izany hoe : Amin’ny fomba rehetra izay mety ahazoan’izy ireo miatrika ny fe-potoana fiandrasana izay fantatra rehefa misara-bady, tsy ho hatanteraka anefa izany raha tsy ao anatin'ny vohoka Izy no isaraha Aminy, na ko madio tsy misy firaisana ara-nofo; Satria raha hisarahana mandritra ny fadimbolana Izy dia tsy hahazo ny fe-potoana fiandrasana (idda), satria ny fadimbolana izay nisarahana Azy dia tsy isaina ho ao anatin’ny fotoam-piandrasana ary raha nisarahana tao anatin’ny fahadiovana Izy taorian’ny firaisana ara-nofo dia tsy ho fantatra ny fe-potoana fiandrasana manaraka, satria tsy fantatra na bevohoka tamin'io firaisana io Izy, ka lasa mitandrina ny fotoana fiandrasana mandritra ny fitondrana vohoka Izy, na raha tsy bevohoka Izy, dia ny fotoana fiandrasana ao amin'ny fadimbolana; Ka rehefa tsy azo antoka ny karazan'ireo fe-potoana fiandrasana, dia voarara Aminy ny hisara-panambadiana mandra-pahazavan’ilay raharaha rehetra.

Ka ny fisaraham-panambadiana amin'ny vehivavy mbola mandeha fadimbolana amin'ny fotoanan'ny fadimbolany dia voarara, araka ny andininy soratra masina voalaza teo aloha;

وَلِمَا ثَبَتَ فِي الصَّحِيحَيْنِ وَغَيْرِهِمَا مِنْ حَدِيثِ ابْنِ عُمَرَ: «أَنَّهُ طَلَّقَ امْرَأَتَهُ وَهِيَ حَائِضٌ، فَأَخْبَرَ عُمَرُ بِذَلِكَ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَتَغَيَّظَ فِيهِ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَقَالَ: مُرْهُ فَلْيُرَاجِعْهَا، ثُمَّ لِيُمْسِكْهَا حَتَّى تَطْهُرَ، ثُمَّ تَحِيضَ، ثُمَّ تَطْهُرَ، ثُمَّ إِنْ شَاءَ أَمْسَكَ بَعْدُ، وَإِنْ شَاءَ طَلَّقَ قَبْلَ أَنْ يَمَسَّ، فَتِلْكَ الْعِدَّةُ الَّتِي أَمَرَ اللَّهُ أَنْ تُطَلَّقَ لَهَا النِّسَاءُ».

Ary rehefa voaporofo tao amin’ireo Boky ny Soahih Roa Boukhari sy Mouslim sy ireo hafa ihany koa avy amin’ny Hadith-n'i Ibn Omar (R.d) " Fa nisaraka tamin’ny vadiny Izy tao anatin’ny fadimbolany, ka nambaran’i Omar an'ny Mpaminany (s.w.a) izany, ka tezitra Taminy Ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s,w.a) ka nanao hoe: “ Ilazao izy mba hamerina Azy, avy eo hitazona Azy mandra-pahadiony, avy eo tonga fadimbolana, avy eo madio, ary avy eo, raha tiany dia Tazoniny aorian'izany, ary raha tiany dia hisarahany, mialohan'ny hanaovany firaisana Aminy. Ka izany no fe-potoana fiandrasana izay nandidian’i Tompo Allah amin'ny fomba hisarahana ny Vehivavy. Raha misy lehilahy iray misaraka amin’ny vadiny ao anatin'ny fadimbolany, dia nanota Izy, ary tsy maintsy mibebaka amin’i Tompo Allah, ary tsy maintsy averiny ho eo ambany fahefany ilay vehivavy, mba hahafahany misaraka Aminy ara-dalàna araka ny didin’i Tompo Allah sy ny Irany ka ajanony ilay Vehivavy aorian'ny famerenany azy mandra-pidiony amin'ilay fadimbolana izay nisarahany Taminy, aorian'izany mandeha indray ny fadimbolana, avy eo rehefa mandio Izy, ka raha sitrany dia ajanony Izy ho vadiny, ary raha sitrany dia isarahany, mialohan'ny hanaovany firaisana ara-nofo Aminy. Olana telo no tsy tafiditra amin'ny fandrarana ny fisaraham-panambadiana mandritra ny fadimbolana ka ireto avy izany :

Ny voalohany : Raha ny fisaraham-panambadiana no nitranga talohan’ny nitokanany Taminy, na nikasihany Azy ( niarahany firaisana ara-nofo Aminy ), dia tsy maninona Azy ny hisaraka Aminy, amin'ny fotoana mbola maha ao anatin'ny fadimbolana Azy. Satria tsy misy fe-potoana fiandrasana ho Azy amin’io fotoana io, ka tsy mifanohitra amin’ny lalàna ny fisaraham-panambadiana izay ataony.

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿...فَطَلِّقُوهُنَّ لِعِدَّتِهِنَّ...

(Ka saraho Izy mifanaraka amin'ny fotoana fiandrasana efa voafetra ). (At-talak:1).

Ny faha-roa: Raha tonga mandritra ny fitondrana vohoka ny fadimbolana dia efa nohazavaina avokoa ny anton'izany.

Ny faha-telo : Raha toa ka takalo ny fisaraham-panambadiana, dia tsy maninona azy ny hisaraka Aminy, amin'ny fotoana mbola maha ao anatin'ny fadimbolana Azy.

Toy ny hoe misy fifandirana eo amin’ny mpivady Roa sy ratsy fifandraisana, ka ny lehilahy no mandray takalo (onitra) mba hisarahany Aminy, ka dia azo atao izany na dia mbola ao anatin'ny fadimbolana aza Izy;

لِحَدِيثِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا: أَنَّ امْرَأَةَ ثَابِتِ بْنِ قَيْسِ بْنِ شَمَّاسٍ جَاءَتْ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَتْ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنِّي مَا أَعْتِبُ عَلَيْهِ فِي خُلُقٍ وَلَا دِينٍ، وَلَكِنْ أَكْرَهُ الْكُفْرَ فِي الْإِسْلَامِ. فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَتَرُدِّينَ عَلَيْهِ حَدِيقَتَهُ؟» قَالَتْ: نَعَمْ. فَقَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «اقْبَلِ الْحَدِيقَةَ، وَطَلِّقْهَا تَطْلِيقَةً». [رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ].

Noho ny Hadith-n'i Ibn Abbas (R.d), fa ny vadin'i Thabit bin Kais bin Shammas (R.d) dia tonga tany amin'ny Mpaminany (s.w.a), ary nilaza manao hoe : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ô ! Tsy manome tsiny Azy Aho noho ny fitondran-tenany na ny finoany, fa ny fikomiana ato anatin'ny finoana Islamo kosa no halako no tsy ekeko ka hoy i Mpaminany (s.w.a) : " Haverinao Aminy ve ny tanimboliny ? " Namaly izy : Eny. Nilaza ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) ka nanao hoe : " Raiso ny saha ary saraho amin'ny fisarahana indray mandeha Izy " (Boukhari). Tsy nanontany i Mpaminany (s.w.a) ny hoe : Tonga fadimbolana ve Izy sa madio ? Ary satria io fisaraham-panambadiana io dia fanavotana avy amin'ilay vehivavy ho an'ny Tenany, ka dia azo atao izany rehefa amin'ny fotoana ilàna azy, na amin'ny ahoana na ahoana.

Nilaza Izy ao amin'ny Boky al-Mughni, izay manamarina ny fahazoana mangatam-pisarana mandritra ny fadimbolana, P: 52, V: 7, Natonta tao Ejipta. " Satria ny fandrarana sy ny fisakanana ny amin'ny fisaraham-panambadiana mandritra ny fadimbolana dia noho ny loza ateraky ny faharetan’ny fotoam- piandrasana (idda). Ary ny fangataham-pisarahana (khoul'ou) mba hanalana ny loza ateraky ny fifandraisana ratsy mahazo Azy (ilay vehivavy), sy ny fiarahany monina amin’izay tsy ankasitrahiny sy halany. Ary izany dia lehibe mihoatra ny loza ateraky ny faharetan'ny fotoana fiandrasana, ka noho izany dia azo atao ny miaro-tena amin'ny loza lehibe amin'ny alàlan'ny fanatanterahana ny kely aminy; Noho izany dia tsy nanontany ny toe-draharaha misy eo an'ilay vehivavy nangatam-pisarahana i Mpaminany (s.w.a) ".Tapitra hatreo ny Teniny.

Raha ny fifamatoram-panambadiana ho amin'ny Vehivavy tonga fadimbolana kosa, dia tsy maninona ny amin'izany. Satria azo atao no fototra, ary tsy misy ny porofo manakana ny amin'izany fa ny fampidiran-dralehilahy Azy ao Aminy kosa amin'izy mbola ao anatin'ny fadimbolana, dia jerena aloha ny Aminy; fa raha mahazo antoka ny tenany Izy fa tsy hanao firaisana ara-nofo Aminy, dia tsy maninona ny amin'izany fa raha tsy izany kosa dia tsy afaka miditra ao Aminy Izy mandra-pidiony, noho ny tahotra sao dia tafalatsaka amin'ny zavatra voarara.

Ny lalàna faha-valo : Ny fandraisana Azy (fadimbolana) ho fomba fanisany ny fe-potoana fiandrasana " Idda " rehefa misara-bady ka raha ny lehilahy nisaraka amin'ny vadiny na namela azy taorian'ny niarahany Aminy ara-nofo, dia tsy maintsy miandry fe-potoana fadimbolana telo feno tanteraka izy, raha toa ka mbola anisan'ireo mandeha fadimbolana, ary tsy bevohoka;

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿وَٱلۡمُطَلَّقَٰتُ يَتَرَبَّصۡنَ بِأَنفُسِهِنَّ ثَلَٰثَةَ قُرُوٓءٖ...

( Ary ireo vehivavy vao nisara-bady, dia tsy maintsy mifehy tena miandry mandritra ny fadim-bolana in-telo misesy). (al-bakara: 228). Izany hoe : Fadimbolana telo. Fa raha toa ka bevohoka Izy dia tsy maintsy miandry mandra-piterahany tanteraka, na lava na fohy ny fe-potoana;

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿...وَأُوْلَاتُ الأَحْمَالِ أَجَلُهُنَّ أَن يَضَعْنَ حَمْلَهُنَّ...

(Fa hoan'ireo mitoe-jaza kosa dia ny fiterahana ny fe-potoana fiandrasany). (at-talak: 4). Ary raha tsy anisan’ireo mandeha fotoana Izy toy ny tovovavy mbola tsy tonga fadimbolana, sy ny vehivavy tsy tonga fadim-bolana noho ny fahanterana, na vokatry ny fandidiana izay nanesorana ny tranon-jazany, na ny zavatra hafa izay tsy ananana fanantenana intsony amin'ny mbola hiverenan'ny fadimbolana, dia telo volana ny fe-potoana fiandrasany.

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe :

﴿وَاللَّائِي يَئِسْنَ مِنَ الْمَحِيضِ مِن نِّسَائِكُمْ إِنِ ارْتَبْتُمْ فَعِدَّتُهُنَّ ثَلَاثَةُ أَشْهُرٍ وَاللَّائِي لَمْ يَحِضْنَ...

(Raha misalasala Ianareo, mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadimbolana intsony dia telo volana ny fe-potoana, ka toy izany koa ho an'ireo mbola tsy mandeha fadimbolana).

(at-talak: 4).

Ary raha anisan'ireo mbola mandeha fadimbolana kosa izy, nefa nijanona ny fadimbolany noho ny antony fantatra, toy ny aretina sy ny fampinonoana, dia mijanona ao anatin'ny fotoam-piandrasana (idda) Izy na dia maharitra aza ny fe-potoana mandra-piverin'ny fadimbolana, ka amin'izay fiverenana izay no anombohany ny fiandrasana. Fa raha niala ilay antony, nefa tsy mety miverina ny fadimbolana, izany hoe : Sitrana Izy na tapitra ny fampinonoany, ary mbola mijanona tsy mandeha ny fandimbolany, dia iray taona miatomboka amin'ny fotoana nialan'ilay antony nijanonan'ny fadimbolana no fotoam-piandrasana (idda), Izany no teny marina, izay mihatra amin'ny fitsipika ara-dalàna, Satria rehefa niala ilay antony izay tsy nampandeha ny fadimbolana ary no sady tsy niverina indray ilay Izy ka dia Izy amin'izay fotoana izay dia lasa ho tahaka ny Olona izay tsy nandeha fadimbolana noho ny antony izay tsy fantatra, ary raha tsy tonga ny fadimbolany noho ny antony izay tsy fantatra, dia iray taona feno ny fe-potoana hiandrasany, sy sivy volana rezerva ho an'ny vohoka ; satria izany ny ankamaroan'ny vohoka misy, ary telo volana ny an'ny fiandrasana.

Fa raha ny fisarahana kosa taorian'ny fifanekena ara-panambadiana sy talohan'ny firaisana ara-nofo, dia tsy misy fiandrasana (idda) tanteraka, na fiandrasana noho ny fadim-bolana na zavatra hafa;

﴿يَاأَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا نَكَحْتُمُ الْمُؤْمِنَاتِ ثُمَّ طَلَّقْتُمُوهُنَّ مِن قَبْلِ أَن تَمَسُّوهُنَّ فَمَا لَكُمْ عَلَيْهِنَّ مِنْ عِدَّةٍ تَعْتَدُّونَهَا...

Araky ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe : " Ô Ianareo izay mino ! Raha manambady ireo vehivavy mpino Ianareo, avy eo nisarahanareo izy ireo alohan’ny niraisanareo tamin'izy ireo, dia tsy manana fe-potoana fiandrasana Ianareo). (Al-ahzab: 49).

Ny lalàna faha-sivy : ny didin-dalàna momba ny tsy fisian'ny vohoka, izany hoe : afaka amin’ny maha-bevohoka Azy, ary izany no ilaina isaky ny mila didy momba ny tsy fisian'ny vohoka ary tena misy sehon-javatra maro ny amin'izany :

Ao anisan’izany : Raha misy vehivavy maty vady, nefa mitondra vohoka, dia mahazo mandova Azy ilay zaza ao ankibony, ary raha manambady ilay vehivavy dia tsy azon'ny vadiny atao ny manao firaisana ara-nofo Aminy mandra-pahatongavan'ny fadimbolana, na mazava tsara ny fisehoan'ny vohokany, fa raha miseho tanteraka ny vohokany, dia namoahanay lalàna ny hahazoany mandova, noho izahay efa namoaka lalàna amin'ny fisiany tamin'ny fotoana nahafaty ilay lovainy ary raha mba tonga fadimbolana kosa Izy, dia namoaka lalàna izahay ny tsy ahazoany mandova, noho ny lalàna navoakanay amin'ny tsy maha bevohoka azy noho ny fadimbolana.

Ny lalàna faha-folo : Obligatoara fa tsy maintsy miseky sy mandro : Ny vehivavy tonga fadimbolana dia tsy maintsy mandro aorian'ny fahataperan'izany, amin'ny fandiovana ny vatana manontolo;

لِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِفَاطِمَةَ بِنْتِ أَبِي حُبَيْشٍ: «فَإِذَا أَقْبَلَتِ الْحَيْضَةُ فَدَعِي الصَّلَاةَ، وَإِذَا أَدْبَرَتْ فَاغْتَسِلِي وَصَلِّي» [رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ].

Noho ny Tenin’ny Mpaminany (sw.a) tamin'i Fatima zanaka vavin'i Abi Habish (R.d) ka nanao hoe : “ Rehefa tonga ny fadimbolana, dia atsaharo ny Soalat fa rehefa tapitra kosa izany, dia misekea ary mandroa ary avy eo manaova ny Soalat ” [Bukhari].

Ny fidiovana tsy maintsy atao faran’izay kely indrindra rehefa mandro dia ny fitopasana rano ny vatany manontolo, eny fa na dia eo ambanin’ny volony aza, ary tsara kokoa raha araka ny voalaza ao amin’ny Hadithe

«عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ حَيْثُ سَأَلَتْهُ أَسْمَاءُ بِنْتُ شَكَلٍ عَنْ غُسْلِ الْمَحِيضِ، فَقَالَ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «تَأْخُذُ إِحْدَاكُنَّ مَاءَهَا وَسِدْرَتَهَا فَتَطَهَّرُ فَتُحْسِنُ الطُّهُورَ، ثُمَّ تَصُبُّ عَلَى رَأْسِهَا فَتَدْلُكُهُ دَلْكًا شَدِيدًا، حَتَّى تَبْلُغَ شُؤُونَ رَأْسِهَا، ثُمَّ تَصُبُّ عَلَيْهَا الْمَاءَ، ثُمَّ تَأْخُذُ فُرْصَةً مُمَسَّكَةً - أَيْ: قِطْعَةَ قُمَاشٍ فِيهَا مِسْكٌ - فَتَطَهَّرُ بِهَا»، فَقَالَتْ أَسْمَاءُ: كَيْفَ تَطَهَّرُ بِهَا؟ فَقَالَ: «سُبْحَانَ اللَّهِ!»، فَقَالَتْ عَائِشَةُ لَهَا: تَتَبَّعِينَ أَثَرَ الدَّمِ». [رَوَاهُ مُسْلِمٌ].

“ Araka ny Tenin’ny Mpaminany (s.w.a) rehefa nanontanian’i Asmaa bint Shakl (R.d) Azy ny momba ny fandroan'ny Vehivavy tonga fadimbolana, dia hoy izy : “Ny iray Aminareo dia maka ny ranony, sy ravin'ny mokonazy ka manadio ny tenany amin'izany Izy, aorian'izany dia topasany amin'ny lohany, ary hosorany mafy mandra-pahatonga any amin'ny fakan-dohany, aorian'izany dia topasany rano, aorian'izany dia maka tapa-damba misy musk -ranomanitra-ka dioviny amin'izany ” Nilaza i Asmaa : Ahoana no hanadiovana tena amin’izany ? Niteny Izy (s.w.a): “ Voninahitra ho an'i Tompo Allah ! ” Dia hoy i Aisha Taminy manao hoe : “ Arahinao amin'izany ny faritra nivoahan'ny Rà.[Mouslim].

Tsy voatery ho vahana ny randrana, raha tsy hoe mifatotra mafy amin’ny fomba atahorana sao tsy ho tonga any amin’ny fakany ny rano;

لِمَا فِي صَحِيحِ مُسْلِمٍ مِنْ حَدِيثِ أُمِّ سَلَمَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّهَا سَأَلَتِ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَتْ: إِنِّي امْرَأَةٌ أَشُدُّ شَعْرَ رَأْسِي، أَفَأَنْقُضُهُ لِغُسْلِ الْجَنَابَةِ؟ وَفِي رِوَايَةٍ: لِلْحَيْضَةِ وَالْجَنَابَةِ؟ فَقَالَ: «لَا، إِنَّمَا يَكْفِيكِ أَنْ تَحْثِيَ عَلَى رَأْسِكِ ثَلَاثَ حَثَيَاتٍ، ثُمَّ تُفِيضِينَ عَلَيْكِ الْمَاءَ فَتَطْهُرِينَ».

Araka ny voalaza ao amin'ny Soahih Muslim (R,h) avy amin'ny Hadith-n'i Omm Salamah (R,h), rehefa Izy nanontany an'ny Mpaminany (s.w.a) ka nilaza nanao hoe : Izaho dia vehivavy matevim-bolo, ka moa ve ho vahako izany rehefa mandro Djanaba ( loto lehibe ) ny tenako ? amin'ny Hadithe hafa : Ho an'ny fadimbolana sy Djanaba ? Nilaza Izy: “ Tsia, fa ampy ho Anao ny mandraraka rano telo eran-tànana amin’ny lohanao, aorian'izany dia tondraho rano ny vatanao, ka dia hadio Ianao.”

Rehefa amin'ny fotoana ahatongavan'ny Soalat no mampadio ny Vehivavy tonga fadimbolana, dia tsy maintsy hafainganiny ny fisekena sy fandroana, mba hatratrarany manatanteraka ny Soalat amin'ny fotoanany, ka raha am-pandehanana Izy ka tsy manana rano, na misy ihany ny rano fa matahotra Izy ny loza mety ateraky ny fampiasana Azy, na marary, ka manahirana Azy ny fampiasana rano, dia manao ny Taymmoum Izy solon'ny mandro sy fisekena, mandra-pialan'ny sakana amin'ny fampiasana rano, aorian'izany Izy dia mandro sy misaika.

Ary ny vehivavy sasany dia madio ny Tenan'izy ireo mandritra ny oran'ny Soalat nefa Izy manemotra ny fandroany amin'ny fotoana hafa, milaza izy fa tsy ho afaka midio tanteraka amin'izany fotoana izany. Saingy tsy azo raisina porofo izany na fialan-tsiny; Satria afaka ataony ny midio amin’ny kely indrindra tsy maintsy atao eo amin'ny fandroana, ary manao ny Soalat ara-potoana Izy, ka rehefa manam-potoana be izy aty aoriana dia midio tanteraka.

 

Ny fizarana faha-dimy : Ny istihadha sy ny lalàna ary fepetra mamehy Azy.

Ny istihadha dia : Ny fitohizan’ny fandehanan-drà amin’ny vehivavy ka tsy mijanona mihitsy izany, na mijanona ao anatin’ny fotoana fohy, toy ny indray Andro sy roa Andro ao anatin’ny iray volana.

Ny porofon'ny tranga voalohany, izay tsy mitsahatra mihitsy ny Rà eo Aminy dia izay voarakitra ao amin'ny Soahih al-Bukhari (R.h) fa i Aisha (R,d) niteny ka nanao hoe :

«قَالَتْ فَاطِمَةُ بِنْتُ أَبِي حُبَيْشٍ لِرَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنِّي لَا أَطْهُرُ». وَفِي رِوَايَةٍ: «أُسْتَحَاضُ فَلَا أَطْهُرُ».

“ Niteny tamin’ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (s.w.a) i Fatima binti Abi Habish (R.d) ka nanao hoe : Ry Irakan’i Tompo Allah ô, tsy madio ny Tenako, ary amin'ny fitantarana hafa milaza toy izao : tratran'ny istihadha Aho, ka tsy madio ".

Ny porofon'ny tranga faha-roa, izay tsy mitsahatra mihitsy ny Rà afa-tsy amin'ny fotoana fohy kely fotsiny, dia ny Hadith-n'i Hamna binti Jahsh (R.d), izay tonga tamin'ny Mpaminany (s.w,a) ka nilaza Taminy manao hoe :

«يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنِّي أُسْتَحَاضُ حَيْضَةً كَثِيرَةً شَدِيدَةً». [الْحَدِيثُ.. رَوَاهُ أَحْمَدُ وَأَبُو دَاوُدَ وَالتِّرْمِذِيُّ وَصَحَّحَهُ، وَنُقِلَ عَنِ الْإِمَامِ أَحْمَدَ تَصْحِيحُهُ، وَعَنِ الْبُخَارِيِّ تَحْسِينُهُ].

“ Ry Iraka mahafatokin’i Tompo Allah ô, mandeha be ny fadimbolako.” [Hadith. Notantarain'i Ahmad sy Abou Daoud (R.h), ary Al-Tirmidhi (R,h), ary nohamarininy izany, ary voalaza fa Imam Ahmadi (R.h) dia nanitsy izany, ary i Boukhari nanatsara azy].

Ireo endrika fisehon'ny Istihadha :

Ireo vehivavy tratran'ny istihadha dia miseho amin'ny endrika telo :

Ny endrika voalohany : Mila fantatra ny fadimbolana mialohan'ny istihadha, ary izany dia miverina amin’ny vanim-potoana izay efa fantatra teo aloha momba ny fadimbolan'ilay vehivavy, ka voatery tsy maintsy mipetraka mandritra izany fotoana izany Izy, ary miainga arakan'izany ny lalàna momba ny fadimbolana ka ny sisa tavela rehetra dia istihadha, ary miorina aminy ireo lalàna momba ny vehivavy tratran'ny istihadha.

Ohatra amin'izany, misy vehivavy tonga Aminy ny fadimbolana enina Andro isakan'ny voalohan'ny volana, avy eo dia nanao istihadha Izy, ary lasa nandeha Aminy tsy an-kijanona ny Rà, ka ny enina Andro isakin'ny voalohan'ny volana no fadimbolanany, ary ny ankoatr'izany kosa dia lazaina fa istihadha;

لِحَدِيثِ عَائِشَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّ فَاطِمَةَ بِنْتَ أَبِي حُبَيْشٍ قَالَتْ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنِّي أُسْتَحَاضُ فَلَا أَطْهُرُ، أَفَأَدَعُ الصَّلَاةَ؟ قَالَ: «لَا، إِنَّ ذَلِكِ عِرْقٌ، وَلَكِنْ دَعِي الصَّلَاةَ قَدْرَ الْأَيَّامِ الَّتِي كُنْتِ تَحِيضِينَ فِيهَا، ثُمَّ اغْتَسِلِي وَصَلِّي». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ.

Araka ny Hadith-n'i Aisha (R.d) fa i Fatima binti Abi Habish (R.d) niteny ka nanao hoe : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ô,tena tsy mitsahatra mihitsy ny fadimbolanako ka lasa tsy madio Aho, ka tokony hijanona tsy hanao Soalat ve Nitenako ? dia namaly Izy ka nilaza hoe : “ Tsia, fa hatsembohana izany, fa atsaharo ny Soalat araka ny fetran'ny Andro mampandeha ny fadim-bolanao,avy eo aorian'izany dia misekea ary mandroa ary tanteraho ny Soalat ”.

وَفِي صَحِيحِ مُسْلِمٍ: أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ لِأُمِّ حَبِيبَةَ بِنْتِ جَحْشٍ: «امْكُثِي قَدْرَ مَا كَانَتْ تَحْبِسُكِ حَيْضَتُكِ، ثُمَّ اغْتَسِلِي وَصَلِّي».

Ary ao amin’ny Boky Soahih Muslim (R.h) : fa i Mpaminany (s.w.a) niteny tamin’i Omm Habiba binti Jahsh (R.d) ka nanao hoe : “ Andraso mandra-pahatapitrin'ny fe-potoanan'ny fadimbolanao, avy eo aorian'izany dia misekea ary mandroa ary manaova ny Soalat ”. Arakan'izany dia mitsahatra tsy manao Soalat ny vehivavy tratran'ny istihadha mandritra ny fotoanan'ny fadimbolany izay tena fantatra manoloana an'izany,avy eo aorian'izany dia miseky sy mandro Izy ary afaka manao Soalat, ary tsy raharahiny intsony izay Rà mivoaka aorian'izany.

Ny endrika faha-roa : Mety tsy fantatra ny fe-potoanan'ny fadimbolana nazy mialohan'ny istihadha, izany hoe : Mitohy eo Aminy ny istihadha manomboka Izy mahatazana ny Rà eny am-piandohana, ka ny manavaka ny Rà no ataony amin'izay fotoana izay, ka izay Rà mainty sy matanika na misy fofona dia raisina ho fadimbolana ary ny ankoatr'izay dia raisina ho eo amin'ny lalànan'ny istihadha.

Ohatra amin'izany : Vehivavy iray nahatazana Rà eo am-piandohana ary nitohy eo Aminy izany ka hitany sy tazany amin'ny endrika mainty izany Rà izany tao anatin'ny folo Andro, ary mena tao anatin'ny Andro sisa ao anatin'ny iray volana, na tazany matanika tao anatin'ny folo Andro ary maivankaivana tao anatin'ny fotoana sisa, na mety hitany sy tazany fa misy fofony ny fadimbolana tao anatin'ny folo Andro ary tao anatin'ny fotoana sisa tavela tao anatin'ny iray volana tsy nahenoana fofona. Dia ny Rà mainty no fadimbolany eo amin'ny ohatra voalohany, ary ny Rà matanika eo amin'ny ohatra faha-roa ary misy fofona no eo amin'ny ohatra faha-telo, Ary ny ankoatr'izany dia Istihadha.

لِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِفَاطِمَةَ بِنْتِ أَبِي حُبَيْشٍ: «إِذَا كَانَ دَمُ الْحَيْضَةِ فَإِنَّهُ أَسْوَدُ يُعْرَفُ، فَإِذَا كَانَ ذَلِكِ فَأَمْسِكِي عَنِ الصَّلَاةِ، فَإِذَا كَانَ الْآخَرُ فَتَوَضَّئِي وَصَلِّي؛ فَإِنَّمَا هُوَ عِرْقٌ». [رَوَاهُ أَبُو دَاوُدَ وَالنَّسَائِيُّ، وَصَحَّحَهُ ابْنُ حِبَّانَ وَالْحَاكِمُ].

Noho ny Teny nolazainy Mpaminany (s.w.a) tamin'i Fatima zanaka vavin'i Habish nanao hoe: " Raha toa ka Rà-n'ny fadimbolana dia fantatra amin'ny loko mainty, ka raha izany no tazana dia atsaharo ny Soalat fa raha mena kosa dia manaova woudou sy Soalat, satria tsy inona izany raha tsy hatsembohana ".(Notanterin'i Abou Daouda, sy An-nassai (R.h), ary nohamarininy Ibn Hibban sy Hakim). Ity Hadith ity, na dia misy resaka aza momba ny fomba fiampitapitany ny hafatra sy ny moba azy, dia nampiasa azy io ireo Manampahaizana, ka ny fomba fakana Azy no lohalahana noho ny famerenana Azy, araka ny mahazatra eo amin'ny ankamaroan’ny vehivavy.

Ny tranga faha-telo : Tsy manana fadimbolana fantatra Izy, ary tsy misy fanavahana mari-pototra fa ny Istihadha dia mitohy hatrany amin’ny fotoana voalohany nahitany ny Rà, ary ny Ràny dia toetoetra iray, na samy hafa toetoetra, izay tsy mety ho heverina ho fadimbolana. Izany Vehivavy izany dia manao tahaka ny mahazatra amin'ny ankamaroan’ireo Vehivavy, ka enina na fito Andro isam-bolana ny fadimbolany, manomboka amin’ny fotoana voalohany nahitany ny Rà, ary ny hafa ankoatr'izany dia Istihadha.

Ohatra amin’izany : Eo amin'ny Andro fahadimin'ny volana Izy no mahita ny Rà voalohany, ary mitohy tsy misy fanavahana ara-dalàna ny maha fadimbolana azy izany, na amin’ny lokony na amin’ny hafa, ka enina na fito Andro ny fadimbolany isam-bolana, manomboka amin’ny Andro faha-dimy isam-bolana;

لِحَدِيثِ حَمْنَةَ بِنْتِ جَحْشٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّهَا قَالَتْ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، إِنِّي أُسْتَحَاضُ حَيْضَةً كَبِيرَةً شَدِيدَةً، فَمَا تَرَى فِيهَا؟ قَدْ مَنَعَتْنِي الصَّلَاةَ وَالصِّيَامَ، فَقَالَ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَنْعَتُ لَكِ (أَصِفُ لَكِ اسْتِعْمَالَ) الْكُرْسُفَ (وَهُوَ الْقُطْنُ)، تَضَعِينَهُ عَلَى الْفَرْجِ، فَإِنَّهُ يُذْهِبُ الدَّمَ»، قَالَتْ: هُوَ أَكْثَرُ مِنْ ذَلِكَ. وَفِيهِ قَالَ: «إِنَّمَا هَذِهِ رَكْضَةٌ مِنْ رَكْضَاتِ الشَّيْطَانِ، فَتَحَيَّضِي سِتَّةَ أَيَّامٍ أَوْ سَبْعَةً فِي عِلْمِ اللَّهِ تَعَالَى، ثُمَّ اغْتَسِلِي حَتَّى إِذَا رَأَيْتِ أَنَّكِ قَدْ طَهُرْتِ وَاسْتَنْقَأْتِ، فَصَلِّي أَرْبَعًا وَعِشْرِينَ أَوْ ثَلَاثًا وَعِشْرِينَ لَيْلَةً وَأَيَّامَهَا، وَصُومِي». الْحَدِيثُ. [رَوَاهُ أَحْمَدُ وَأَبُو دَاوُدَ وَالتِّرْمِذِيُّ وَصَحَّحَهُ، وَنُقِلَ عَنْ أَحْمَدَ أَنَّهُ صَحَّحَهُ، وَعَنِ الْبُخَارِيِّ أَنَّهُ حَسَّنَهُ].

Araka ny Hadith-n'i Hamna binti Jahsh (R.d) nilaza Izy manao hoe : Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah ô ! Mandeha mafy sy maharitra ny fadimbolanako, ka inona no hevitrao amin’izany ? Nanakana Ahy tsy hanao Soalat sy fifehezana izany, ka nilaza ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (s.w.a) manao hoe : “ Ho lazalazaiko Anao (ho faritako ny fampiasanao) ny landihazo, ka ho apetrakao eo amin’ny fivaviana. Satria manala ny Rà izany ”. Nilaza Izy (ilay vehivavy) manao hoe : “ Mihoatra noho izany. Ary tamin’izany dia nilaza i Mpaminany (s.w.a) ny hoe : “ Fandosirana avy amin’ny devoly ihany ity, ka enina na fito Andro ny fadimbolanao eo anatrehan'i Tompo Allah, ka midiova Ianao mandra-pahitanao fa madio Ianao, dia manaova Soalat efatra amby roapolo na telo amby roapolo Andro, ary manaova fifehezana ". [Noraketin'i Ahmad, Abou Dawoud, ary Al-Tirmidhi (R.h), izay nanambara fa marina io. Ary voalaza fa i Imamo Ahmadi (R.h) dia nanamarina izany, ary voalaza fa nanatsara izany i Boukhari (R.h)).

Ny tenin'ny Mpaminany (s,w,a) manao hoe : " Enina Andro na fito " dia tsy midika ho fampisafidiana, fa ezaka fotsiny, ka mijery ny olona izay akaiky kokoa ny toe-javatra misy Aminy Izy, ireo izay mitovy toe-batana Aminy sy akaiky Azy amin'ny taona sy amin'ny fihavanana, ary izay akaiky kokoa ny Azy ny Ràn'ny fadimbolany sy ny fiheverana hafa mitovy amin'izany. Raha toa ka enina no ankaiky izany, dia enina no anaovany Azy, ary raha fito izany dia ataony fito.

Ny tranga toa ny istihadha miseho eo amin'ny Olona :

Mety misy antony iray hahatonga ny fivavian'ny vehivavy hivoahan'ny Rà betsaka, toy ny fandidiana eo amin'ny tranon-jaza, na ivelany, ary misy karazany roa izany :

Ny karazana voalohany : Fantatra fa tsy afaka ho tonga fotoana intsony Izy aorian’ny fandidiana, toy ny hoe fandindiana nanesorana tanteraka ny tranon-jaza na koa fanampenana azy, izany hoe tsy hisy Rà mivoaka avy ao Aminy, izany Vehivavy izany dia tsy ho ampiharina eo Aminy ny lalànan'ny Istihadha, fa ny lalàna mihatra Aminy dia toy ny Vehivav izay mahita ny tsiranoka mavo, ny volontsôkôlà na ny hamandoana aorian'ny fahadiovany, ka tsy azony atao ny mamela Soalat na ny Fifehezana ary tsy voarara eo Aminy ny hanao firaisana ara-nofo, ary tsy terena hoandro ny Vehivavy noho ny fivoahan'ny Rà amin'izany, nefa kosa tsy maintsy dioviny ny Ràny isaky ny hanao Soalat Izy, ary tapenany landihazo na zavatra mitovy amin'izany ny fivaviany mba hisorohana ny fivoahan'ny Rà, aorian'izany Izy dia manao Woudou hoan'ny Soalat ary tsy manao Woudou-ny Soalat Izy raha tsy efa tafiditra ny oran'ny Soalat toy ny Soalat dimy isanandro izay efa manana ny orany, raha tsy izany, dia rehefa manana faniriana hanao Soalat toy ireo Soalat Sounna maro isan-karazany.

Ny karazany faha-roa : Mety tsy fantatra ny fomba fitsaharan'ny fadimbolananazy taorian’ny fandidiana Azy, fa vao mainka lasa afaka tonga fotoana Izy, ka ny lalàna mihatra Aminy dia tahaka ny lalàna eo amin'ny vehivavy voan'ny istihadha, ary manaporofo amin'izany dia ny teny voalazan’ny Mpaminany (s.w.a) tamin'i Fatima binti Abi Habish (R.d) :

»إِنَّمَا ذَلِكِ عِرْقٌ وَلَيْسَ بِالْحَيْضَةِ، فَإِذَا أَقْبَلَتِ الْحَيْضَةُ فَاتْرُكِي الصَّلَاةَ

" Tena marina fa izany dia tsy inona akory raha tsy hatsembohana ihany fa tsy fadimbolana, fa raha tonga ny fadimbolana dia atsaharo ny Soalat ". Fa ny Teniny hoe : “ Rehefa tonga ny fadimbolana ” dia midika fa ny lalàna momba ny vehivavy voan'ny istihadHa izay mety mbola ho tonga fotoana, ka mety mandroso na mihemotra ny fadimbolany, fa ho an’ny vehivavy izay efa tsy tonga fotoana intsony kosa dia ny Rà avy amin'ny lalan-drà no mivoaka eo Aminy fa tsy misy ankoatran'izany.

Ireo lalàna sy fepetra mamehy ny Istihadha :

Haintsika no sady efa fantantsika avy tany ambolohany tany fa hoe : Raha oviana ny Rà no fadimbolana, ary raha oviana Izy no istihadha, fa rehefa fadimbolana ilay Izy dia mipetraka ao Aminy ny lalànan'ny fadimbolana, fa rehefa istihadha dia mipetraka ao Aminy ny lalànan'ny istihadHa.

Efa voalaza tany aloha ny tena zava-dehibe amin'ireo lalàna sy fepetran'ny fadimbolana.

Fa ny lalànan'ny istihadah kosa dia tsy misy ny mampiavaka Azy amin'ny lalànan'ny fahadiovana. Satria ny vehivavy voan'ny istihadha dia tahaka ny vehivavy madio, afa-tsy amin'ireto zavatra manaraka ireto :

Ny voalohany dia ny hoe : Tsy maintsy manao woudou Izy isakin'ny hanao ny Soalat,

لِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِفَاطِمَةَ بِنْتِ أَبِي حُبَيْشٍ: «ثُمَّ تَوَضَّئِي لِكُلِّ صَلَاةٍ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ فِي بَابِ غَسْلِ الدَّمِ.

Noho ny avy amin'ny tenin'ny Mpaminany (s.w.a) tamin'i Fatima zanaka vavin'i Abi Habish (R.d) nanao hoe : " Aorian'izany Ianao dia manaova woudou isakin'ny hanao ny Soalat " Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Imamo Boukhari (R.h), amin'ny toko : fandiovana ny Rà, Ka midika izany fa tsy azony atao ny manao woudou amin'ireo Soalat izay efa voafaritra ny fotoana fanaovana azy raha tsy efa tafiditra ny fotoanany sy ny orany izany Soalat izany. Fa raha tsy voafaritra kosa ny ora fanaovana an'ilay Soalat, dia tsy maintsy manao woudou Izy rehefa manam-pikasana fa hanao an'izany Soalat izany.

Ny faha-roa dia ny hoe : Rehefa mila hanao woudou Izy dia sasainy aloha ny faritra hivoahan'ny Rà, ary tapenany landihazo na lamba ny fivaviany mba hitazomana ny Rà tsy hivoaka;

لِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِحَمْنَةَ: «أَنْعَتُ لَكِ الْكُرْسُفَ فَإِنَّهُ يُذْهِبُ الدَّمَ». قَالَتْ: فَإِنَّهُ أَكْثَرُ مِنْ ذَلِكَ. قَالَ: «فَاتَّخِذِي ثَوْبًا». قَالَتْ: هُوَ أَكْثَرُ مِنْ ذَلِكَ. قَالَ: «فَتَلَجَّمِي». الْحَدِيثُ.

Satria hoy i Mpaminany (s.w.a) tamin’i Hamna (R.d) nanao hoe : “ Manomàna Ianao landihazo ho Anao, fa manala ny Rà izany ”. Nilaza Izy hoe : Ka ilay izy mihoatra noho izany. Niteny Izy (s.w.a) nanao hoe : “ makà lamba ”. Nilaza indray Izy hoe : Mihoatra noho izany. ka Niteny i Mpaminany (s.w.a) nanao hoe : “ Manaova hijama ventouse.” ny Hadithe. Tsy manahirana Azy intsony izay mivoaka aorian'izany, araka ny Tenin'ny Mpaminany (s.w.a) tamin'i Fatima zanaka vavin'i Abi Habish (R.d) nanao hoe :

«اجْتَنِبِي الصَّلَاةَ أَيَّامَ حَيْضِكِ، ثُمَّ اغْتَسِلِي وَتَوَضَّئِي لِكُلِّ صَلَاةٍ، ثُمَّ صَلِّي، وَإِنْ قَطَرَ الدَّمُ عَلَى الْحَصِيرِ». [رَوَاهُ أَحْمَدُ وَابْنُ مَاجَهْ].

“ Fadio ny manao Soalat amin’ny Andron'ny fadimbolanao, ka avy eo aorian'izany dia mandroa sy misekea ary manaova woudou isakin'ny hanao ny Soalat, avy eo aorian'izany dia manaova Soalat, na dia mitete amin’ny tsihy aza ny Rà ”. [ Notaterin'i Ahmad sy Ibn Majah ].

Ny faha-telo dia : Ny firaisana ara-nofo. nifanolana ireo Manampahaizana amin'ny finoana Islam ka tsy nitovy hevitra izy ireo ny amin’ny maha mety Azy, raha tsy atahorana ny ditra amin’ny alàlan’ny fanapetrahana Azy fa ny marina dia azo atao tanteraka izany Satria betsaka ireo vehivavy izay nahatratra folo na mihoatra no tratran'ny istihadha tamin’ny Andron’ny Mpaminany (s.w.a) nefa iTompo Allah na ny Irany dia samy tsy nanakana azy ireo tsy hanao ny firaisana. Tsy vitan'izany ihany koa fa ao dia misy ny Tenin’i Tompo Allah manao hoe : { Koa halavironareo ny vehivavy mandritra ny fadimbolana } [Al-Baqara: 222] porofo fa tsy voatery ho azy ireo ny misitaka tsy hanao firaisana amin'izy ireo ankoatran'ny fadimbolana ary Satria azony atao amin’ny fotoana izany ny manao Soalat, ka ny firaisana ara-nofo no tsotsotra kokoa, ary tsy mety ny fampitahana ny firaisana ara-nofo Aminy manoloana ny firaisana amin'ny vehivavy tonga fotoana. Satria tsy mitovy izy ireo, eny fa na dia amin'ireo izay milaza fa voarara aza, ary tsy mety ny fampitahana zavatra tsy mitovy.

 

Ny fizarana faha-enina dia ny : Mikasika ny Rà aorian'ny fiterahana sy ny lalàna mamehy ny momba Azy.

Filatsahan-drà aorian’ny fiterahana dia ny : Rà izay mivoaka avy ao amin’ny tranon-jaza noho ny fiterahana, na miaraka Aminy, na aorian’izany, na roa na telo Andro mialoha izany miaraka amin’ny fivoahana maro.

Nilaza i Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyyah (R.h) ka nanao hoe : " Ny zavatra izay hitanao rehefa mitosaka avy any amin'ny tranon-jaza dia " nifasy " ( ny Rà noho ny fiterahana ) ka dia tsy noferana ho roa na telo Andro izany, ary ny tiana holazaina dia ny hoe : Fitosahana arahana fiterahana, raha tsy izany dia tsy nifasy ny filazana Azy, ka mifanolana ireo Manampahaizana ary tsy nitovy hevitra izy ireo manoloana an'izany : Misy fetra farany ambany sy ambony indrindra ve izy io ? Nilaza i Sheikh Taqiy ad-Diny (R.h) tao amin'ny lahatsoratra izay nataony momba ny anarana izay nofankafakain'ireo mpanao lalàna ny lalàna momba Azy (p. 37): " Ny fandehanan-drà aorian'ny fiterahana dia tsy manana fetra farany ambany na ambony indrindra fa raha sendra nisy vehivavy nivoahan'ny Rà nihoatra ny efa-polo na enipolo na fitopolo Andro, avy eo nitsahatra dia Nifasy izany, fa raha tsy nitsahatra kosa dia Rà ratsy (aretina) ka amin'izay fotoana izay dia efa-polo Andro no fetra, satria izany no ankamaroan'ny fetra voalaza amin'ny lovan-tsofina ». Tapitra hatreo ny teniny ".

Niteny Aho ka nanao hoe : Araka izany, raha mihoatra ny efa-polo Andro ny fandehanan'ny Rà-ny, ary matetika izany no fe-potoana mampitsahatra ny Ràny, na koa misy famantarana miseho manambara fa efa akaiky ny fitsaharana dia miandry Izy mandra-pahataperany, raha tsy izany dia misaika, mandro Izy rehefa tapitra ny efa-polo andro; Satria izany no mateti-piseho, afa-tsy hoe nifanandrify amin'ny fotoan'ny fadimbolany, ka miandry Izy mandra-pitaperan'ny fadimbolany, ka raha tapitra aorian'izany ny Ràny, dia tokony ho izany manomboka hatreo no raisiny ho fotoana mahazatra ny Azy dia tahaka izay foana no hiainany amin'ny ho avy, ka raha mbola mitohy aorian'izany dia Istihadha, ka miverina amin'ny lalànan'ny Istihadha tany aloha ireny Izy, Ary raha tapitra kosa ny Ràny dia efa lazaina fa madio Izy izany, eny fa na dia talohan'ny efapolo Andro aza, ka tsy maintsy miseky sy mandro Izy ary afaka manao ny Soalat sy mifehy ary manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny, afa-tsy hoe latsaka ny iray Andro ny nahataperany, ka tsy misy lalàna mamehy ny momba izany. Izany no voalazany ao amin'ny Boky Al-Moughni.

Tsy mipetraka mihitsy ny maha nifasy ny lio iray raha tsy hita tanteraka ny maha endrika olombelona ilay zaza teraka, fa raha tsy hita eo amin'ilay zaza teraka ny maha olombelona Azy, dia tsy azo lazaina ho Rà noho ny fiterahana izany nivoaka izany, fa kosa Ràn'ny lalalan-drà ka noho izany dia ny lalàna mihatra amin'ny vehivavy dia lazaina fa tratran'ny istihadha no mihatra Aminy,ary ny fe-potoana faran'izay kely indrindra isehoan'ny endriky maha olona ny zaza ao an-kibo dia valopolo Andro, manomboka amin'ny fiandohan'ny fitondrana vohoka ny ankamaroany dia sivifolo Andro.

Niteny i Majd Ibn Taymiyya (R.h) manao hoe : IsakIN'ny mahita ny Rà mitosaka Izy, ka nefa talohan'izany Izy dia tsy nandinika Azy, ary taorian'izany hany koa Izy dia nitsahatra tsy nanao Soalat sy fifehezana avy eo dia niseho ny fandehan-draha taorian'ny fiterahana, ka hita fa nifanohitra amin'ny zava-misy, dia nanao famerenana Izy ka nazava Aminy ny fandehany zava-drehetra, fa raha tsy niseho kosa dia mitohy hatrany ny lalànan'ny endrika ivelany fa tsy averina intsony. Notateriny izany tany amin'ny Boky sharh al-ikna'i.

Lalàna sy fepetra mamehy ny momba ny Rà aorian'ny fiterahana (Nifasy) :

Ny lalàna sy fepetra momba ny Nifasy dia mitovy tantana amin’ny lalàna sy fepetra mamehy ny momba ny fadimbolana tanteraka, afa-tsy amin'ireto zavatra manaraka ireto :

Ny voalohany dia : Ny fe-potoana fiandrasana ( Indda), heverina ho fisaraham-panambadiana fa tsy Nifasy. Satria raha ny fisaraham-panambadiana no talohan'ny fiterahana dia tapitra tamin'ny fiterahana ny fe-potoana fiandrasana, fa tsy amin'ny alàlan'ny Nifasy, ary raha toa ka taorian'ny fiterahana ny fisaraham-panambadiana dia miandry ny fiverenan'ny fadimbolana Izy, tahaka ny voalaza tany aloha.

Faha-roa : Ny fe-potoanan’ny " ila'a " isaina amin’izany ny fe-potoanan'ny fadimbolana fa tsy isaina kosa ny Nifasy.

Ary ny atao hoe : " ila " dia : Ny fifantan'ny lehilahy iray tsy hanao firaisana amin'ny vadiny mandrakizay na mandritra ny fe-potoana mihoatra ny efa-bolana ka raha nanao fianiana nifanta Izy ary ny vadiny nangataka hanao firaisana Aminy dia homena fe-potoana efa-bolana Izy amin'ny fifantana nataony ka raha tapitra ny efa-bolana dia didina tsy maintsy manao firaisana amin'ny vadiny Izy na didina hisaraka raha izany no fangatahan'ilay vadiny ka raha sendra nandalo Nifasy ilay Vehivavy nandritra izany fe-potoana izany dia tsy ho tanisaina ho anisan'ny fotoan'ilay lehilahy izany ka ho ampiana ny efa-bolana ny fe-potoanan'ny Nifasy. Izany anefa dia hiavahany amin'ny fadimbolana fa ny fe-potoanany dia tanisaina ho anisan'ny fotoan'ilay lehilahy

Ny faha-telo : Ny fahampian-taona dia miseho amin’ny fadimbolana, fa tsy miseho amin’ny fiterahana. Satria ny Vehivavy dia tsy afaka ho bevohoka raha tsy efa mivoaka tsirin'aina, noho izany dia ny fivoahan'ny tsirin'aina, izay mialoha ny vohoka no hamatarana fa efa ampy taona ilay Olona.

Faha-efatra : Raha mitsahatra ny fadimbolana ka miverina, araka ny mahazatra dia tena fadimbolana tokoa izany, toy ny hoe : valo Andro ny fadimbolany araka ny mahazatra, nefa hitany tao anatin'ny efatra Andro izany, aorian'izany dia nitsahatra tao anatin'ny roa Andro, avy eo niverina tamin'ny Andro faha fito sy faha-valo, ka io Rà niverina io dia azo antoka tanteraka fa fadimbolana, ary mihatra Aminy ny lalàna momba ny fadimbolana. Fa ny amin’ny Rà aorian’ny fiterahana (Nifasy) kosa, raha nitsahatra talohan’ny efa-polo Andro izany ary niverina tamin’ny faha efa-polo, dia mampisalasala, ka tsy maintsy manao ny Soalat sy fifehezana izay tsy maintsy atao amin'ny fotoanany ireny Izy, ary voarara Aminy ny manao ireo zavatra voarara amin'ny Vehivavy tonga fotoana afa-tsy ireny zavatra tsy maintsy atao ireny ary tsy maintsy soloany avokoa aorian'ny fahadiovany ireo fanompoana rehetra nataony nandritra ny fotoana nampisy Rà Azy, izany dia ireo zavatra takina amin'ireo Vehivavy tonga fotoana ny fanoloana Azy. Izany no fomba fijery fanta-daza amin'ireo mpahay lalàna Hanbali.

Ny marina dia ny hoe : Raha niverina ao anatin’ny fe-potoana maha Nifasy Azy izany dia Nifasy, raha tsy izany kosa dia fadimbolana, afa-tsy hoe nitohy maharitra eo Aminy izany ka lasa ho Istihadha.

Izany dia manakaiky ny notateriny tao amin’ny Boky ny Mughni momba an’i Imam Malik ka nilaza Izy nanao hoe : Niteny i Imamo Malik (R.h) ka nanao hoe : " Raha mahita Rà izy afaka roa na telo Andro- izany hoe : Aorian'ny fitsaharana- dia Nifasy izany, raha tsy izany dia fadimbolana." Tapitra hatreo ny teniny. Izany dia mifanaraka amin'ny safidin’ny Sheikh Al-Islam Ibn Taymiyya (R.h).

Tsy misy na inona na inona ao amin’ny Rà no mampisalasala araka ny zava-misy sy zava-mitranga fa ny fisalasalana kosa dia zavatra kely fotsiny, izay mampifanolana ka tsy mampitovy hevitra ny Olona maro, araka ny fahalalany sy ny fahatakarany ary ny Boky masina Koroany sy ny Sounnah dia manazava tsara ny zava-drehetra. ary i Tompo Allah anefa dia tsy nitaky ny Olona hifehy indroa, na hanao Tawaf indroa, raha tsy hoe nisy fahadisoana ny amin'ny voalohany ka tsy azo ahitsy afa-tsy amin'ny fanefana azy fa raha nanatanteraka ny asa izay vitany araka ny tratrin'ny ainy kosa ny mpanompo, dia afaka izy zay.

Araka ny Tenin'i Tompo Allah nanao hoe:

﴿لَا يُكَلِّفُ ٱللَّهُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَا...

(i Tompo Allah dia tsy manery na iza na iza mihoatra ny amin'ny zavatra tsy zakany)

(Al-bakara: 286).

Ary miteny Izy ka manao hoe:

﴿فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُمۡ...

(Matahora an'i Tompo Allah Ianareo araka izay vitanareo). (At-taghabouni: 16).

Ny fahasamihafana faha-dimy eo amin’ny fadimbolana sy ny Nifasy : Amin’ny fadimbolana, raha madio mialohan’ny fe-potoana mahazatra izy, dia mahazo manao firaisana Aminy malalaka ny vadiny tsy misy ny maha ratsy izany fa amin'ny Nifasy kosa, raha nadio mialohan'ny faha efa-polo andron'ny niterahany Izy, dia tsy tsara ho an'ny vadiny ny manao firaisana Aminy, araka ny malaza eo amin'ilay mazhab. Raha ny marina dia tsy misy ny maha ratsy ny fanaovany firaisana amin'ny vadiny amin'izany fotoana izany, - Izany no Teny sy hevitry ny an-kamaroan’ireo Manampahaizana. Satria ny makrooh ny zavatra tsy tsara dia lalàna ao amin'ny finoana izay mila porofo ara-dalàna, Tsy misy na inona na inona amin'ity raharaha ity afa-tsy izay nolazain'i Imamo Ahmadi (R.h) momba an'i Othman bin Abi Al-'As fa tonga Taminy talohan'ny efapolo Andro ny vadiny, ka hoy Izy : Aza manakaiky Ahy. Tsy midika akory izany fa makrouh (tsy tsara). Satria mety ho fitandremana fotsiny no nahatonga Azy niteny izany, noho ny tahotrany sao dia mbola tsy azon'ny vadiny antoka tsara ny fahadiovany, na koa ny Rà hihetsika noho ny firaisana, na noho ny antony hafa ankoatr'izany. ary i Tompo Allah no mahafantatra sy mahalala.

 

Fizarana faha-fito : Ny amin’ny fampiasana zavatra ireo zavatra manakana ny fadimbolana na mahatonga izany. Ary izay manakana ny fitondrana vohoka na ny fanalana Azy.

Ny fampiasan'ny vehivavy zavatra manakana ny fadimbolany dia azo atao amin'ny fepetra roa :

Ny voalohany : Tsy misy tahotra ny amin'ny loza izay ateraky ny fampiasana azy, fa raha misy tahotra amin'ny loza noho ny fampiasana azy dia tsy azo atao izany.

Araka ny Tenin'i Tompo Allah manao hoe:

﴿...وَلَا تُلۡقُواْ بِأَيۡدِيكُمۡ إِلَى ٱلتَّهۡلُكَةِ...

(Ary aza mandefa ny Tananareo -tenanareo- any amin'ny fahapotehana). (Al-bakara : 195)

﴿...وَلَا تَقۡتُلُوٓاْ أَنفُسَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُمۡ رَحِيمٗا

(Ary aoka Ianareo tsy hamono velively mihitsy ny Tenanareo, ka dia hamafisina etoana Aminareo fa be Indrafo tokoa i Tompo Allah) (An-nissa'i: 29).

Ny faha-roa : Raha nahazo alàlana avy amin’ny vadiny, raha manana firaiketam-po Aminy Izy, toy ny hoe eo amin'ny fe-potoana fiandrasana (idda) Aminy Izy, amin'ny endrika izay tsy maintsy hamatsiany Azy, ka mampiasa ny zavatra misakana ny fadimbolana Izy, mba hahatonga ny fe-potoana ho lava, ary hitombo ny famatsiana azony avy amin'ny vadiny ka tsy azony atao ny mampiasa zavatra misakana ny fadimbolana amin'izay fotoana izay raha tsy nahazoana alàlana avy Aminy. Ka dia toy izany koa, raha voaporofo fa manakana ny fitondrana vohoka ny fisorohana ny fadimbolana, dia tsy maintsy ilaina ny fanomezan-dàlana avy amin’ny vady (lahy), ary rehefa voaporofo ny fanomezan-dàlana dia aleo tsy mampiasa izany, afa-tsy amin’ny filana ihany; Satria ny mamela ny natiora amin'ny maha izy azy no manakaiky kokoa ny antonony sy ny fahasalamana ary ny fiarovana.

Fa raha ny fampiasana ny zavatra mahatonga ny fadimbolana kosa dia azo atao ihany koa amin'ny fepetra anaki-roa :

Ny voalohany : Tsy natao ho hafetsifetsena amin’ny fandaozana adidy izany, toy ny fampiasana azy rehefa manakaiky ny Ramadany, mba hialana amin’ny fifehezana na mba tsy hanaovana ny Soalat sy ny toy hafa toy izany koa.

Ny faha-roa : Raha nahazoana alàlana avy amin’ny lehilahy (vady) izany; Satria ny fadimbolana dia manakana Azy amin'ny fahafinaretana tonga lafatra, ka tsy azo atao ny mampiasa zavatra izay manakana ny zony raha tsy nahazoana fankasitrahana avy Aminy, na dia efa nisaraka Aminy aza Izy. Satria manafaingana ny fanafoanana ny zon’ny lehilahy hiverina amin'ny vadiny izany, raha toa ka mbola manan-jo hiverina Aminy Izy.

Fa raha ny fampiasana ny fanabeazana aizana kosa dia misy roa karazana :

Ny voalohany : Ny fampiasana azy mitohy hatrany tsy misy fahataperany dia tsy azo atao izany. Satria izany dia manapaka ny fitondrana vohoka ka mampihena ny taranaka, ary izany dia mifanohitra amin'ny tanjon'ny finoana, amin'ny fampitomboana ny isany vahoaka Islamika ary satria tsy azo antoka fa tsy ho faty ny zanany rehetra efa misy, ka hijanona ho mpitondratena tsy manan-janaka Izy.

Ny faha-roa : Ao anatin'ny fotoana voafetra ny anaovany izany, Ohatra : Matetika bevohoka ilay Vehivavy, ary mandreraka Azy ny fitondrana vohoka, ka tiany ny mandrindra ny fitondrany vohoka, indray mandeha isaky ny roa taona, na tahatahaka izany. Izany dia azo atao tsara, fa kosa tsy maintsy nanome alàlana Azy ny vadiny ny amin'izany ary tsy mampidi-doza Azy ny fanaovany azy izany, Ny porofo amin’izany dia ireo mpanaradia an'ny Mpaminany (s.w.a) tamin'ny fahaveloman'ny Mpaminany (s.w.a) dia manao firaisana ara-nofo tamin'ny vadin'izy ireo ka avoakan'izy ireo ety ivelany avokoa ny tsirinainy, mba tsy ho bevohoka ny vadin'izy ireo, ka tsy nosakanana izy ireo tamin'izany fotoana izany. Ny atao hoe " Azli " dia : Manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny ilay lehilahy ka avoakany aty ivelany ny filahiany rehefa hilatsaka ny tsirin'ainy, ka latsaka ety ivelan'ny fivavian'ny vadiny.

Fa raha ny fanalan-jaza kosa no resahina dia misy roa karazana :

Ny voalohany: Ny hamono Azy no tanjona amin'ny fanalana Azy, raha taorian'ny nItsofana ny fanahy ao Aminy no nanesorana Azy dia voarara tsy isalasalana izany. Satria ny famonoana Olona amin'ny tsy rariny dia voarara. ary ny famonoana Olona tsy amin'ny rariny voararan'ilay Boky masina sy ny Sounnah ary ny fiombonan-kevitry ny Mpino silamo rehetra. Raha talohan’ny nisian’ny fanahy tao Aminy, dia nifanolana ireo Manampahaizana ka tsy nitovy hevitra izy ireo momba ny mahamety ny fanesorana Azy ka misy amin'izy ireo no milaza fa tsy azo atao izany, misy ny milaza fa tsy mety, ary misy ihany koa ny milaza fa mety raha mbola tsy vongan-drà, izany hoe : Raha mbola tsy nandalo ny efa-polo Andro, misy ny milaza fa azo atao izany raha mbola tsy mibaribary eo Aminy ny endrika maha Olombelona Azy.

Ho fitandremana dia voarara ny fanalana Azy raha tsy noho ny filana manokana, toy ny hoe marary ny Reniny ka tsy mahazaka ny fitondrana vohoka, na noho ny antony hafa toy izany, ka azo atao ny manala Azy amin’izay fotoana izay, afa-tsy hoe efa nandalo fotoana ela ka mibaribary ny maha Olona azy, dia voarara ny fanesorana Azy ary i Tompo Allah anie no mahalala tsara.

Ny faha-roa dia ny hoe : Tsy ny hamono Azy no tanjona amin'ny fanalana Azy fa Izany dia ny fikasana hanala Azy eo amin’ny fiafaran’ny vanim-potoanan’ny fitondrana vohoka sy manakaiky ny fotoam-piterahana azo atao izany, raha toa ka tsy mampidi-doza ny Reniny, na koa amin'ny Zaza, ary tsy mila fandidiana ilay raharaha fa raha mila fandidiana Izy dia misy tranga efa-tra :

Ny voalohany : Velona ny Reniny ary velona ny vohoka, ka tsy azo atao ny fandidiana afa-tsy hoe tsy maintsy atao izany, tahaka ny hoe sarotra ny fahaterahany ka mila fandidiana. Izany no izy satria ny vatana dia toky mipetraka eo amin’ny mpanompo, ka tsy azony atao ny manaonao foana eo Aminy, eo amin'ny zavatra atahorana mety hanimba Azy, afa-tsy noho ny anton'ny tombontsoa lehibe ary Satria mety heverina fa tsy hisy fahavoazana amin'ny fandidiana ka niseho anefa ny loza.

Ny faha-roa : Mety maty ny Reniny ary maty koa ny vohoka teo Aminy, ka lasa tsy azo atao ny fandidiana manala Azy satria tsy misy tombony ny amin'izany.

Ny faha-telo dia : Velona ny Reniny ary maty ny vohoka, ka azo atao ny manao fandidiana hanesorana Azy, afa-tsy ny tahotra amin'ny loza ho amin'ny Reniny; Satria raha ny fijery ety ivelany - i Tompo Allah no mahalala - fa raha maty ny vohoka, dia zara raha hivoaka raha tsy misy fandidiana, ka ny fitohizan'izany ao an-kibony dia manakana Azy tsy ho bevohoka intsony amin'ny ho avy, ary sarotra ho Azy izany, ary mety hitoetra Andro maromaro Izy miandry ny fe-potoana fiandrasana, raha toa ka vadin'ny Olona teo aloha.

Ny faha-efatra : Mety maty ny Reniny ary velona kosa ny vohoka, fa raha tsy ananana fanantenana intsony ny fahavelomany any aoriana any dia tsy azo atao ny fandidiana.

Ary raha antenaina fa ho velona Izy, dia raha efa nivoaka ny sasany amin'ny vatany, dia sokafana ny kibon’ny Reniny mba hanesorana ny ambiny fa raha tsy misy na inona na inona nivoaka eo Aminy, milaza ireo namanay manao hoe : Tsy azo atao ny manokatra ny kibon'ny Reniny hamoahana ilay vohoka, satria izany dia famotehana ary ny fijery marina dia ny hoe sokafana ilay kibo, raha toa ka tsy misy fomba hafa hamoahana Azy. Izany no safidin’I Ibn Houbaira, hoy Izy tao amin’ny Al-Insaf : Ary izany no mety kokoa.

Hoy Aho manao hoe : Indrindra amin’izao fotoantsika izao, ny fanaovana fandidiana dia tsy famotehana. Satria sokafana ny kibo ary avy eo dia zairina, ary ny hasin'ny velona dia lehibe noho ny hasin'ny maty; Satria ny famonjena ny tsy manan-tsiny amin'ny fahapotehana dia adidy tsy maintsy atao, ary ny vohoka dia Olombelona tsy manan-tsiny, ka tsy maintsy ho vonjena. Ary i Tompo Allah anie no tena mahalala sy mahafantatra.

Fanairana : Raha azo atao ny manafoana ny fitondrana vohoka amin'ireo tranga voalaza teo aloha, dia tsy maintsy ilaina ny mahazo alàlana amin’ilay tompon'ny vohoka amin’izany, toy ny avy amin'ny vady lehilahy.

Ary eto dia mifarana avokoa ny zavatra izay tianay hosoratana momba an'ity lohahevitra manan-danja ity, ary noferanay izany ho amin’ny fototran'ireo fanontaniana izay mila sy mitaky valiny sy ny lalàna izay mamehy azy ireo, fa raha tsy izany dia ny rantsany sy ny potiny sy ny zava-mitranga amin’ireo vehivavy amin’izany dia ranomasina tsy misy morontsiraka, Fa ny manan-tsaina kosa dia afaka mamerina ny sampana ho any amin'ny fototra izay niaviany sy ny antsipiriany ho any amin’ny ankapobeny sy ny lalàna mamehy Azy, ary afaka mandrefy ny zavatra amin’ny tandrify Azy ihany koa.

Aoka ho fantatran'ny MOUFTI (mpamoaka lalàna Islamika) fa Izy dia mpanelanelana eo amin’i Tompo Allah sy ny zavaboariny amin’ny fampitana izay nentin’ireo Irany, sy ny fanazavana izany amin’ny zavaboary rehetra izay nohariany, ary Izy no tompon’andraikitra amin’izay voalaza ao amin’ny Boky masina Koroany sy ny Sounnah, Satria izy roa ireo no loharanom-pahalalana izay nodidina ny mpanompo amin'ny hahazo azy roa sy amin'ny fampiharana azy. Ny zavatra rehetra izay mifanohitra amin’ny Boky masina Koroany sy ny Sounna dia lazaina fa diso avokoa, ary tsy maintsy holavina izay nilaza izany, ary tsy azo atao ny manatanteraka azy, eny na dia nahazo alàlana, afaka manao ezaka hamoaka lalàna ka mahazo valisoa avy amin'i Tompo Allah noho izany ezaka nataony izany ny mpiteny azy. Satria nisy Manampahaizana hafa ankoatrany nanadiso azy ka tsy azo raisina izay volazany.

Ny tsy maintsy takina amin'ny Moufti dia ny manao ny finiavany sy fikasany ho amin’i Tompo Allah irery ihany, ary mitady mandrakariva ny fanampiana Aminy amin’ny zava-mitranga rehetra manjo Azy, ary mangataka Aminy ilay avo Tsitoha ny fiorenana sy ny fahombiazana amin'ny fahamarinana.

Ary mipetraka adidy ho Azy ny mandinika izay ao amin’ny Boky masina sy ny Sounna, ka mijery sy mikaroka an’izany Izy, na koa izay afaka manampy Azy amin'ny fahazoana ny Boky masina sy ny Sounna amin'ireo tenin’ny nolazainy ireo Manampahaizana.

Ary tena marina fa matetika dia matetika misy fanontaniana mipoitra sy toe-javatra miseho, ka dia misy ny Olona iray mikaroka sy manao ny fikarohana ny mombamomban'ny zavatra maro araka izay fomba rehetra azony atao amin’ny tenin’ireo Manampahaizana, avy eo aorian'izany Izy dia tsy mahita ny fitoniana na ny azo antoka amin'ireo lalàna momba Azy, na koa ary angamba dia mety tsy misy nilaza Azy mihitsy amin'ny fomba ankapobeny. Ka rehefa miverina amin’ny Boky masina sy ny Sounnah Izy, dia hazava Aminy amin'ny fomba haingana sy mibaribary avokoa ny lalàna rehetra ao amin'izy roa, arakaraka ny fahadiovam-po sy ny fahalalana ary ny fahazahoan-javatra sy fahatakarana an'izany.

Tsy maintsy ataon'ny Moufti ny tsy mikoropaka eo amin’ny famoahana ny lalàna sy ny fanampahan-kevitra rehefa misy olana, ary tsy maika. firy sy firy moa amin'ireo lalàna navoakany haingana, avy eo tsapany aty aoriana fa diso Izy, taorian'ny fandinihana kely fotsiny, ka manenina noho izany Izy, ary mety tsy ho vitany intsony ny manitsy izay navoakany !

Ary raha hitan'izy ireo fa maimaika Izy, ary ny Olona maimaika dia matetika no manadiso, dia tsy hatoky ny lalàna avoakany intsony izy ireo ka noho ny fahamaizany sy ny fahadisoany izany dia nanaisotra ny tenany ary nanaisotra ny hafa tamin’ny fahalalana sy ny fahamarinana ananany Izy.

Mangataka amin’i Tompo Allah isika mba hitari-dàlana Atsika sy ireo rahalahintsika Islamo amin’ny làlana mahitsy ary hikarakara Antsika amin’ny fiahiany ary hiaro Antsika amin'ny fiahiany mba tsy ho solafaka. Ny tena marina dia malala-tànana sy fatra-panome Izy ary ny fitahian'i Tompo Allah sy ny fiadanana anie ho an'ny Mpaminany MouhammadI (s.w.a) sy ny fianakaviany ary ny Mpiara-dia Aminy rehetra. Dera ho an'i Tompo Allah, izay tontosa noho ny fahasoavany ireo hatsarana.

Tanteraka sy tontosa tamin'ny alalan'ny soratanan'ilay tsy mahaleo-tena eo anatrehan'i Tompo Allah.

Sheikh Mouhammad Bin Swaleh Al-Outhaimine.

Tamin'ny marainan'ny Andro Zoma.

14 Sha'aban taona 1392H

 

 

***

Fanoroam-pejy

 

Ny fizarana voalohany : Ny dikan'ny fadim-bolana sy ny fahendrena izay fonosiny : 6

Fizarana faha-roa : Ny fotoanan'ny fadim-bolana sy ny faharetany. 7

Fizarana Faha-telo dia : Ny mikasika ny larampamehana eo minin'ny fadim-bolana 20

Ny fizarana faha-efatra dia : Ireo lalàna sy fepetra mamehy ny fadim-bolana. 26

Ny fizarana faha-dimy : Ny istihadha sy ny lalàna ary fepetra mamehy Azy. 52

Ny fizarana faha-enina dia ny : Mikasika ny Rà aorian'ny fiterahana sy ny lalàna mamehy ny momba Azy. 63

Fizarana faha-fito : Ny amin’ny fampiasana zavatra ireo zavatra manakana ny fadimbolana na mahatonga izany. Ary izay manakana ny fitondrana vohoka na ny fanalana Azy. 70

***

 

 

mg130v1.0 - 21/06/2026