نُبذَةٌ فِي العَقِيدَةِ الإِسْلَامِيَّة (شَرْحُ أُصُولِ الإِيمَانِ)
Hafatra tsotra mahakasika ny foto-pinoana Islamika
بِقَلَم فَضِيلَة الشَّيخ العَلَّامَة
مُحَمَّدِ بْنِ صَالِحٍ العُثَيمِين
غَفَرَ اللَّهُ لَهُ وَلِوَالِدَيْهِ وَلِلْمُسْلِمِين
Nosoratan'ny manampahaizana hajaina.
Cheikh Mouhammadi Bin Soaleh Al-Outhaimine.
Tompo Allah anie hamela heloka Azy sy ny Ray amand-Reniny ary ireo vahoaka mpino mpanaraka ny finoana Islam rehetra
بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ
Hafatra tsotra mahakasika ny foto-pinoana Islamika
Amin’ny anaran’i Allah, Ilay Be fiantrana, Ilay Be indrafo.
TENY FAMPIDIRANA
Dera sy ny vonahitra ho an'Allah irery ihany, Izy no deraina sy angatahana fanampiana ary famelan-keloka, ary any Aminy irery ihany koa no hibebahantsika. Ary mitady fiarovana amin'Allah isika, amin'ny haratsian'ny fanahintsika sy ny asa ratsintsika rehetra. Izay notarihin'Allah dia tsy misy afaka hamery azy intsony, ary izay novereziny kosa dia tsy misy afaka hanitsy sy hitarika azy intsony. Ary mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy misy mpikambana Aminy, Ary mijoro vavolombelona ihany koa aho fa i Mohammadi dia mpanompon'Allah no sady Irany, tso-dranon'Allah anie ho Aminy, sy ho amin'ireo rehetra mpanara-diany ary ho amin'ireo mpanaraka azy ireo ihany koa amin'ny tsara, ary ho Aminy anie ny fiadanana.
Aorian'izany: Ny fahalalana momba ny Tawhidi no fahalalana mendri-kaja indrindra, sy manana anjara-toerana ambony indrindra ihany koa no sady manana ny hasiny manokana, ary tena lasa adidy lehibe indrindra ny fitadiavana azy; Satria izy no fahalalana manokana mikirakira ny momba an'Allah ilay avo Tsitoha, sy ny Anarany, ny Toetrany, ary ny Zony amin'ireo mpanompony, ary Satria izy no fanalahidin'ny làlana mankany amin'i Allah ilay avo Tsitoha, sy fototry ny lalàny.
Ary noho izany: dia samy niray feo avokoa ireo Iraka tamin'ny fiantsoana ny olona rehetra ho any Aminy, ka nilaza i Allah, ilay Avo Indrindra, nanao hoe:
﴿وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رَّسُولٍ إِلَّا نُوحِيٓ إِلَيۡهِ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنَا۠ فَٱعۡبُدُونِ25﴾
Tsy nandefa iraka Izahay na dia iray aza talohanao (ry Mohammadi), ka tsy nambaranay Azy ny hoe: “ Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho irery ihany ; aoka hanompo Ahy irery ihany ianareo ! ”
[Sourate Al-Anbya: 25]
Ary nijoro vavolombelona amin'ny tenany Izy amin'ny fahatokanany, ary nijoro vavolombelona tamin'izany koa ireo anjeliny sy ireo manampahaizana. Ka hoy i Allah nanao hoe:
﴿شَهِدَ ٱللَّهُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَأُوْلُواْ ٱلۡعِلۡمِ قَآئِمَۢا بِٱلۡقِسۡطِۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ 18﴾
Nijoro vavolombelona Allah, fa tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo anjely sy ireo manampahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena. [Sourat al-ymrany: 18]
Koa satria izany no maha zava-dehibe ny Tawhidi, dia adidy amin'ny mpino silamo tsirairay avy ny miahy azy amin'ny alàlan'ny fianarana, ny fampianarana, ny fandinihana, ary ny finoana; mba hanorenany ny finoany eo ambonin'ny fototra marina, feno fitoniana sy fileferana; mba hisitrahany ny vokany sy ny valiny.
Ary i Allah no mahalavorary ny zava-drehetra.
Ny Mpanoratra
Ny finoana Islam
Ny finoana Islam: Izy ilay finoana nalefan'Allah tamin'ny mpamonany Mouhammad (S.A.W) ary nofaranan'Allah taminy ireo finoana rehetra, ary nataony ho tomombana ho an'ireo mpanompony izany, sy nanatanterahany ny fahasoavany ho azy ireo, ary nankasitrahany ho finoan'izy ireo ny finoana Islam, ka tsy handray finoana hafa avy amin'ny olona na iza na iza intsony Izy ankoatr'izany. Niteny i Allah nanao hoe:
﴿مَّا كَانَ مُحَمَّدٌ أَبَآ أَحَدٖ مِّن رِّجَالِكُمۡ وَلَٰكِن رَّسُولَ ٱللَّهِ وَخَاتَمَ ٱلنَّبِيِّـۧنَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٗا 40﴾
Mohammadi dia tsy mba rain'iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irakan’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany Izy. Ary i Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra. [Sourate Al-Ahzabo: 40]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿...ٱلۡيَوۡمَ أَكۡمَلۡتُ لَكُمۡ دِينَكُمۡ وَأَتۡمَمۡتُ عَلَيۡكُمۡ نِعۡمَتِي وَرَضِيتُ لَكُمُ ٱلۡإِسۡلَٰمَ دِينٗا...﴾
Androany dia nataoko ho lavorary tanteraka ny finoanareo, ary nataoko feno tanteraka aminareo ny fahasoavako, ary ankasitrahako ho anareo ny ISLAM ho finoana. [Sourate Al-Maïdat: 3]
Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿إِنَّ ٱلدِّينَ عِندَ ٱللَّهِ ٱلۡإِسۡلَٰمُ...﴾
Tena marina fa ny finoana eo anatrehan’i Allah dia ny finoana Islam... [Sourat Al-Imrany: 19]
Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿وَمَن يَبۡتَغِ غَيۡرَ ٱلۡإِسۡلَٰمِ دِينٗا فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡهُ وَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ 85﴾
Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana Islam dia tsy ho ekena ny aminy, ary any an-koatra, dia ho anisan’ny matiantoka izy ireo.
[Sourat Al-Imrany: 85]
Ary nataon'Allah adidy ho an'ny Zanak'olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny hanaraka an'izany fivavahana ho azy, ka niteny tamin'ny Irany (S.A.W) Izy nanao hoe:
﴿قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنِّي رَسُولُ ٱللَّهِ إِلَيۡكُمۡ جَمِيعًا ٱلَّذِي لَهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ يُحۡيِۦ وَيُمِيتُۖ فَـَٔامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِ ٱلنَّبِيِّ ٱلۡأُمِّيِّ ٱلَّذِي يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَكَلِمَٰتِهِۦ وَٱتَّبِعُوهُ لَعَلَّكُمۡ تَهۡتَدُونَ 158﴾
Teneno hoe: “O ianareo Olombelona ! Marina fa izaho dia Irak’Allah ho anareo rehetra, izay Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Izy no mamelona sy mamono. Koa minoa an’i Allah àry ianareo sy ny Irany, ilay Mpaminany tsy mahay manoratra sy mamaky, izay mino an’i Allah sy ireo teniny. Ary aoka Ianareo hanaraka Azy, angamba hahazo ny tari-dalana Ianareo.
[Sourat Al-A'rafy: 158]
Ary voalaza ao amin'ny Boky ny "Soahihi Mouslimo": Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A), fa niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«وَالَّذِي نَفْسُ مُحَمَّدٍ بِيَدِهِ لَا يَسْمَعُ بِي أَحَدٌ مِنْ هَذِهِ الْأُمَّةِ يَهُودِيٌّ وَلَا نَصْرَانِيٌّ، ثُمَّ يَمُوتُ وَلَمْ يُؤْمِنْ بِالَّذِي أُرْسِلْتُ بِهِ إِلَّا كَانَ مِنْ أَصْحَابِ النَّارِ».
“Mifanta sy mianiana aho amin’ilay mitazona ny fanahin’i Mohammadi eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre Ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana Ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'i Afobe.”1.
Ary ny finoana Azy dia: Ny finoana izay rehetra nentiny miaraka amin’ny fanekena sy fankatoavana, fa tsy finoana tsotra fotsiny amin'izao ihany; izany no nahatonga an'i Abou Toalibou tsy lasa ho mpino tamin'ny Irakan'Allah (S.A.W) na dia nino izay nentiny aza Izy, sy ny fijoroany ho vavolombelona fa anisan'ny fivavahana tsara indrindra izany.
Ary ny Finoana Islam: Dia finoana mirakitra ny soa rehetra izay noraketin'ireo finoana rehetra nisy teo alohany, ary miavaka amin'ireny izy noho izy azo ampiasaina amin'ny fotoana sy toerana ary ny olon-drehetra, hoy i Allah Ta'ala tamin'ilay Irany nanao hoe:
﴿وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَمُهَيۡمِنًا عَلَيۡهِ...﴾
Ary nampidininay aminao ny boky feno fahamarinana, manamafy ny boky izay teo alohany, ary manan-kery eo anatrehany...
[Sourate Al-Maïdat: 48]
Ary ny dikan'ny maha mety azy amin'ny vanim-potoana sy toerana ary ny vahoaka rehetra dia, ny fifikirana aminy dia tsy mifanipaka amin'izay mahasoa ny vahoaka na amin'ny vanim-potoana na toerana na aiza na aiza, fa Izy mihitsy no efa mahasoa azy ireo. Tsy midika akory anefa izany fa izy no miankina na manova ny vanim-potoana sy ny toerana ary ny vahoaka, araka izay irian'ny olona sasany.
Ary ny finoana Isilam: dia fivavahana marina izay niantohan’Allah Ta’ala ho an’izay mifikitra aminy amin’ny fifikirana marina fa hanome fandresena azy Izy, sy hampiseho ny heriny ambonin’ireo hafa ankoatrany, miteny i Allah Ta’ala manao hoe:
﴿هُوَ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ رَسُولَهُۥ بِٱلۡهُدَىٰ وَدِينِ ٱلۡحَقِّ لِيُظۡهِرَهُۥ عَلَى ٱلدِّينِ كُلِّهِۦ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُشۡرِكُونَ 9﴾
Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dàlana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra i Allah amin’ny hafa (Siurate As-soaf:9).
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَعَدَ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنكُمۡ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَيَسۡتَخۡلِفَنَّهُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ كَمَا ٱسۡتَخۡلَفَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَلَيُمَكِّنَنَّ لَهُمۡ دِينَهُمُ ٱلَّذِي ٱرۡتَضَىٰ لَهُمۡ وَلَيُبَدِّلَنَّهُم مِّنۢ بَعۡدِ خَوۡفِهِمۡ أَمۡنٗاۚ يَعۡبُدُونَنِي لَا يُشۡرِكُونَ بِي شَيۡـٔٗاۚ وَمَن كَفَرَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَٰسِقُونَ 55﴾
Ary i Allah dia nampanantena ireo izay nino aminareo sy nanao ireo asa soa, fa omeny azy ireo ny fifandimbiasana eto ambonin’ny tany, tahaka ny nanomezany izany ireo talohan’izy ireo, omeny hery sy fahamboniana ny finoan’izy ireo izay nankasitrahiny ho azy ireo. Ary tena soloiny ho azy ireo ny fatahorany teo taloha ho fitoniana, manompo Ahy izy ireo ary tsy manankambana Ahy amin’ny zavatra hafa, ary izay tsy mino aorian’izany, izy ireny no tena mpanao ratsy.
[Sourat An-nour: 55].
Ny finoana Islam dia foto-pinoana sy lalàna, ka feno tanteraka izy amin'ny foto-pinoany, sy ny lalàna misy eo Aminy:
1- Mandidy sy mibaiko ny tokony hanokanana an'Allah irery ihany ilay avo Tsitoha, ary mandràra sy misakana ny fanakambanana Azy amin'ny zavatra hafa.
2- Madidy sy maniraka ny amin'ny fahamarinana ary mandrara ny amin'ny lainga.
3- Mandidy ny amin'ny fahamarianana Izy ary mandrara ny amin'ny fiangarana, ary ny fahamarinana dia ny fampitovizana eo amin'ireo mitovy toetra sy ny fanavahana eo amin'ireo tsy mitovy toetra. Tsy fampitovizana tanteraka akory anefa ny fahamarinana, araka ny filazan'ny olona sasany rehefa milaza hoe: Finoan'ny fampitovizana ny finoana Islam, ka manao teny ankapobeny fotsiny. Fa ny fampitovizana eo amin'ireo tsy mitovy toetra dia fiangarana tsy avy amin'ny finoana Islam, ary tsy mendri-piderana ny mpanao azy.
4-Madidy ny amin'ny fitokisana, ary mandrara ny amin'ny famadihana.
5- Madidy ny amin'ny fahatokiana, ary mandrara ny amin'ny famadihana.
6- Mibaiko ny fanajana ny Ray aman-dreny ary mandrara ny tsy fanajana sy fanaovana ratsy azy ireo.
7- Mandidy ny fanohizana ny rohim-pihavanana amin'ireo havana akaiky, ary mandrara ny fanapahana izany.
8- Mandidy ny amin'ny hatsarana amin'ny mpiray vodirindrina, ary mandrara ny haratsiam-panahy amin'izy ireo.
Raha fintinina ny teny dia ny hoe: Tena marina fa (ny finoana Islam) dia mandidy ny mba tokony hananana ny toetra mendrika rehetra, ary mandràra ny toetra ratsy sy ambany rehetra. Ary mandidy ny hanaovana ny asa soa sy ny tsara rehetra, ary mandràra ny asa ratsy rehetra.
Niteny i Allah manao hoe:
﴿إِنَّ ٱللَّهَ يَأۡمُرُ بِٱلۡعَدۡلِ وَٱلۡإِحۡسَٰنِ وَإِيتَآيِٕ ذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَيَنۡهَىٰ عَنِ ٱلۡفَحۡشَآءِ وَٱلۡمُنكَرِ وَٱلۡبَغۡيِۚ يَعِظُكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ 90﴾
Tena marina fa i Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba ianareo ahatsiaro tena.
[Sourat An-Nahal: 90]
IREO ANDRIN'NY FINOANA ISLAM
Andrin'ny Finoana Islam: Ireo fototra iorenany, ary dimy izany: Voalaza tamin'ny tatitra azo avy tamin'i Ibn Oumar (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«بُنِيَ الْإِسْلَامُ عَلَى خَمْسَةٍ: عَلَى أَنْ يُوَحِّدَ اللَّه - وَفِي رِوَايَةٍ عَلَى خَمْسٍ -: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَصِيَامِ رَمَضَانَ، وَالْحَجِّ».
«Miorina amin'ny andry dimy ny finoana Islam: Amin'ny fanekena ny maha-tokana an'Allah - ary amin'ny fitantarana hafa dia miisa dimy -: Ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah, ary i Mohammadi dia mpanompony sy Irany, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat, ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary ny fanaovana ny Hadjy » Dia nanontany ny lehilahy iray hoe: Ny fivahiniana masina ny Hajjy, sy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany? Dia hoy izy namaly:
«لَا، صِيَامُ رَمَضَانَ، وَالْحَجُّ».
"Tsia, ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary ny Hajjy " Toy izany no nandrenesako azy avy tamin'ilay Irak'Allah (S.A.W)2.
1- Raha ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah, ary i Mohammadi dia mpanompony sy Irany dia: Ny finoana mafy orina izay tononina amin'ny lela amin'ity fijoroana vavolombelona ity, noho ny fahatokisany tanteraka an'izany dia toy ny mahita maso Azy izy, ary natao ho andry iray ity fijoroana vavolombelona ity na dia maro aza ny zavatra ijoroana vavolombelona:
Na satria ny Iraka (S.A.W) dia mpampita hafatra rehetra avy amin'Allah Ta'anla, ka ny fijoroana ho vavolombelona fa izy dia mpanompo sy Iraka dia anisan'ny manantanteraka ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany.
Satria ireto fijoroana vavolombelona roa ireto no anisan'ny fototry ny fankatoavana sy fandraisana ny asa; fa tsy misy asa azo ekena na ankatoavina raha tsy amin'ny fahadiovam-po ho an'Allah ilay avo Tsitoha sy ny fanarahana ny Irakany (S.A.W).
Koa amin'ny fahadiovam-po amin'Allah no ahatanterahana ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah, ary amin'ny fanarahana an'ilay irakan'Allah no ahatanterahana ny fijoroana vavolombelona fa i Mohammadi (S.A.W) dia mpanompony no sady Irakiny.
Ary anisan'ny vokatsoa amin'ity fijoroana vavolombelona lehibe ity dia ny fanafahana ny fo sy ny fanahy, ka manala azy amin'ny fanandevozan'ny zavaboary ary mitarika azy tsy hanaraka afa-tsy ireo Iraka.
2- Fa ny fananganana ny fivavahana Soalat: dia ny fanompoana an'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fanatanterahana azy amin'ny fomba marina sy mahitsy ary feno, ao anatin'ny fotoanany sy araka ny endriny.
Anisan'ireo vokatsoa entiny dia: Ny fisokafan'ny fo, ny haravoana, ary ny fandraràna ny fahavetavetana sy ny zava-dratsy.
3- Ny famoahana ny Zakat: dia fanompoana manokana an'i Allah ilay Avo Indrindra amin'ny alàlan'ny fanolorana ny fatra tsy maintsy aloa avy amin'ireo harena andoavana Zakat ho an'ireo izay mendrika hanolorana azy.
Ary anisan'ny vokany: Ny fanadiovana ny fanahy amin'ny toetra ratsy (ny fahirana) ary ny fahafahana ny filàn'ny finoana Islam sy ireo mpino silamo.
4- Ary ny fifehezana Ramadany dia: Fanompoana an' Allah amin'ny alàlan'ny fitazoman-tena amin'ireo zavatra manapaka ny fifehezana amin'ny andro antoandron'ny Ramadany.
Ka ny vokatsoany: Ny fanazarana ny tena hamela ireo zavatra tiana rehetra. Mba hahazoana ny fankasitrahan'i Allah.
5- Ary ny Hajjy dia fanompoana an'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fikasana ho any amin'ny trano Masina; mba hanatanterahana ireo fombafomban'ny Hadjy.
Ary anisan'ny vokany: Ny fanazarana ny fanahy amin'ny fanaovana ezaka ara-bola sy ara-batana amin'ny fankatoavana an'Allah ilay Avo Indrindra; noho izany ny Hadjy dia karazana ady masina amin'ny làlan'Allah ilay Avo Indrindra.
Ary ireo vokatsoa avy amin'ireo fototra ireo, na ireo efa voalazantsika na ireo mbola tsy voalazantsika, dia mahatonga ity vahoaka ity ho vahoaka Islamika madio sy tsy misy pentina, izay mampihatra ny fivavahan'ny fahamarinana ho an'Allah, ary mitondra ny olona amin'ny rariny sy amin'ny fahitsiana; Satria ireo lalàna sy rafitra hafa ankoatr'ireo fototra ireo ao amin'ny finoana Islam dia tonga lafatra noho ny hatsarana sy ny fahamarinan'ireo fototra ireo, ary mihatsara sy tonga lafatra ihany koa ny toe-draharahan'ny fiarahamonina noho ny fahatsarana sy ny fahamarinan'ny raharaha momba ny finoan'izy ireo, ka very aminy ny fahatsarana sy ny fahamarinana eo amin'ny toe-draharahany arakaraky ny habetsaky ny zavatra very taminy eo amin'ny lafiny fahatsarana sy ny fahamarinan'ny raharaha momba ny finoany.
Ary izay maniry ny fanazavana momba izany dia aoka izy hamaky ny tenin'ilay Avo Indrindra manao hoe:
﴿وَلَوۡ أَنَّ أَهۡلَ ٱلۡقُرَىٰٓ ءَامَنُواْ وَٱتَّقَوۡاْ لَفَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَرَكَٰتٖ مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَٰكِن كَذَّبُواْ فَأَخَذۡنَٰهُم بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ 96 أَفَأَمِنَ أَهۡلُ ٱلۡقُرَىٰٓ أَن يَأۡتِيَهُم بَأۡسُنَا بَيَٰتٗا وَهُمۡ نَآئِمُونَ 97 أَوَأَمِنَ أَهۡلُ ٱلۡقُرَىٰٓ أَن يَأۡتِيَهُم بَأۡسُنَا ضُحٗى وَهُمۡ يَلۡعَبُونَ 98 أَفَأَمِنُواْ مَكۡرَ ٱللَّهِۚ فَلَا يَأۡمَنُ مَكۡرَ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ 99﴾
Ary raha mba nino ireo mponin’ny tanàna sy nanam-patahorana dia tena nosokafanay tamin’izy ireo, ireo fahasoavana avy any an-danitra sy ny eto an-tany. Nefa nampandainga izy ireo, ka noraisinay noho izay nataony ihany.
Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny alina, raha ao anaty torimaso izy ireo?
Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny atoandro, raha mbola milalao izy ireo? 98
Moa ve mahatoky fa ho voaharo amin’ny tetik’Allah izy ireo? Tsy misy mahatoky fa ho voaharo amin’ny tetik’Allah afa-tsy ireo vahoaka matiantoka ihany. [Sourat Al-A'rafy: 96-99]
Aoka handinika ny tantaran'ireo vahoaka nialoha làlana; fa ny tantara dia lesona ho an'ireo olona maranin-tsaina, ary fahazavan-tsaina ho an'izay tsy misy sakana manafina ny fony, ary Allah no angatahina fanampiana.
Ny fototry ny foto-pinoana Isilamika
Ny finoana Islam - araka ny efa nanazavantsika azy teo aloha - dia foto-pinoana sy lalàna, ary efa nanambara ny sasany tamin'ireo lalàna ao aminy isika, ary nilaza ireo fototra iorenany izay heverina ho fototry ny lalàna sy fitsipika ao Aminy.
Fa ny foto-pinoana Islamika kosa, ny fotony dia: Ny finoana an'Allah, sy ny Anjeliny, sy ny Bokiny, sy ny Irany, ny Andro farany, ary ny lahatra: ny tsara sy ny ratsy amin'izany.
Ary efa natoron'ny Bokin'Allah sy ny Sounnah-ny Mpaminaniny ireo fototra ireo.
Miteny Allah ilay avo Tsitoha ao amin'ny Bokiny masina manao hoe:
﴿لَّيۡسَ ٱلۡبِرَّ أَن تُوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ قِبَلَ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ وَلَٰكِنَّ ٱلۡبِرَّ مَنۡ ءَامَنَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلۡكِتَٰبِ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ...﴾
Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia amin’izay mino an’i Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny boky masina, ireo Mpaminany... [Sourat Al-Bakarat: 177], Ary momba ny anjara dia miteny hoe:
﴿إِنَّا كُلَّ شَيۡءٍ خَلَقۡنَٰهُ بِقَدَرٖ 49 وَمَآ أَمۡرُنَآ إِلَّا وَٰحِدَةٞ كَلَمۡحِۭ بِٱلۡبَصَرِ 50﴾
Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay.
Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso. [Sourat Al-Kamar: 49-50]
Ary ao amin'ny Hdith-n'ny Irakan'Allah (S.A.W), dia namaly an'i Jibrily i Mpaminany (S.A.W), tamin'izy nanontany azy ny amin'ny finoana hoe:
«الْإِيمَانُ: أَنْ تُؤْمِنَ بِاللَّهِ، وَمَلَائِكَتِهِ، وَكُتُبِهِ، وَرُسُلِهِ، وَالْيَوْمِ الْآخِرِ، وَتُؤْمِنَ بِالْقَدَرِ: خَيْرِهِ وَشَرِّهِ».
« Ny Finoana dia: ny finoanao an'Allah, sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, sy ny andro farany, ary ny finoanao ny Lahatra sy anjara: ny tsara sy ny ratsy Aminy »3.
Ny finoana an'Allah ilay avo Tsitoha
Raha ny finoana an'Allah kosa dia mifono zavatra efatra:
Ny didy voalohany: Finoana ny fisian'Allah ilay avo Tsitoha:
Ary ny fisian'Allah dia porofoin'ny: ny fahariana ara-boajanahary, ny saina, ny soratra Masina, ary ny fahatsapana.
Raha ny porofon’ny toetra voajanahary momba ny fisiany: dia ny zavaboary tsirairay efa namboarina mba hino ny Mpahary azy, tsy misy fieritreretana na fampianarana mialoha, ary tsy mivily amin’ny fitakian’izany toetra voajanahary izany izy raha tsy misy zavatra manjo ny fony ka mampiala azy amin’izany; Araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«مَا مِنْ مَوْلُودٍ إِلَّا يُولَدُ عَلَى الْفِطْرَةِ، فَأَبَوَاهُ يُهَوِّدَانِهِ أَوْ يُنَصِّرَانِهِ أَوْ يُمَجِّسَانِهِ».
«Tsy misy zaza teraka afa-tsy teraka tao anatin’ny finoana voajanahary, fa ny Ray aman-dreniny no mamadika azy ho Jiosy na Kristiana na Majosy»4.
2- Ary raha ny porofo ara-tsaina kosa amin'ny fisian'ny Tompo Allah ilay Avo indrindra, dia Satria ireo zavaboary ireo, na ny taloha na ny ankehitriny, dia tsy maintsy manana Mpahary izay nampisy azy ireo; Satria tsy mety ho izy ireo no namorona ny tenany, ary tsy nisy ho azy tamin'ny kisendrasendra fotsiny.
Tsy afaka mamorona ny tenany samirery izy; Satria ny zavatra iray dia tsy mamorona ny tenany; Satria talohan'ny fisiany dia tsy nisy izy, koa ahoana no hahatonga azy ho Mpahary?
Ary tsy mety ho tongatonga ho azy fotsiny izany; Satria ny zava-mitranga rehetra dia tsy maintsy misy nampitranga azy, Ary Satria ny fisiany amin'ity rafitra mahatalanjona ity, sy ny firindrana mifameno tanteraka, ary ny fifamatorana mafy orina eo amin'ny antony sy ny vokatr'izany, sy eo anivon'ny zavaboary samy izy, dia manakana tanteraka ny mety ho fisiany noho ny kisendrasendra; Satria ny zavatra tongatonga ho azy dia tsy manana rafitra eo amin'ny niandohany, koa ahoana no ahafahany ho voalamina sy mirindra mandritra ny fisiany sy ny fivoarany?
Koa raha tsy azo atao ny hamoronan'ireo zava-boary ireo ny tenany, na ny hisiany amin'ny kisendrasendra; dia tsy maintsy misy Mpamorona azy ireo, dia Izy no Tompo Allah, Tompon'izao tontolo rehetra izao.
Ary efa nolazain'Allah ilay Avo ao amin'ny Soratra At-Toûro ity porofo ara-tsaina sy ny porofo tsy azo lavina ity; izay manao hoe:
﴿أَمۡ خُلِقُواْ مِنۡ غَيۡرِ شَيۡءٍ أَمۡ هُمُ ٱلۡخَٰلِقُونَ 35﴾
Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary? [Sourat At-Touro: 35] Izany hoe: Tsy nohariana tsy nisy mpahary izy ireo, ary tsy izy ireo no nahary ny tenan'izy ireo; koa voafaritra amin'izany fa ny mpahary azy ireo dia i Allah. Koa noho izany, rehefa nandre i Jobairy ibno Mot’im (R.A) an'ny Mpaminany (S.A.W) namaky ny Soratra At-Toûro, ka tonga tamin'ireto andininy ireto:
﴿أَمۡ خُلِقُواْ مِنۡ غَيۡرِ شَيۡءٍ أَمۡ هُمُ ٱلۡخَٰلِقُونَ 35 أَمۡ خَلَقُواْ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۚ بَل لَّا يُوقِنُونَ 36 أَمۡ عِندَهُمۡ خَزَآئِنُ رَبِّكَ أَمۡ هُمُ ٱلۡمُصَۜيۡطِرُونَ 37﴾
Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary?
Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo.
Manana ireo tahiry sarobidin’ny tomponao va izy ireo? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy? [Sourat At-Touro: 35-37]
Ary i Jobairy tamin'izany dia mbola mpanompo sampy, ka niteny izy hoe: “Saika nisidina ny foko, ary izany no voalohany nipetrahan’ny finoana tao am-poko”5.
Ary andao hanome ohatra hanazavana bebe kokoa an'izany: Fa raha misy olona mitantara aminao ny momba ny lapa mijoalajoala, izay hodidinin'ny zaridaina, ary mikoriana eo anelanelany ny renirano, ary nofenoina karipetra sy fandriana, ary noravahana tamin'ny karazana haingo rehetra, na ireo fototra iorenany na ireo fanampiny manakanto azy, Ary nilaza Taminao izy hoe: fa ity lapa ity sy ny fahatsarana rehetra ao anatiny dia nisy ho azy, na nisy tampoka teo fotsiny tsy nisy mpahary; dia ho nolavinao avy hatrany izany ary ho nolazainao fa lainga, sady ho noheverinao ho teny feno hadalana ny filazany, Koa aorian'izany, moa ve azo heverina fa izao tontolo midadasika izao: miaraka amin'ny taniny sy ny laniny, sy ireo kintana aman-danitra ao aminy, sy ny toetrany, ary ny fandaminana mahatalanjona sy kanto ao aminy, dia namorona ny tenany, na nisy kisendrasendra tsy nisy Mpamorona azy?
3- Ary raha ny porofo araky ny Finoana amin'ny fisian'i Allah: dia Satria ireo boky rehetra avy any an-danitra dia milaza izany avokoa, ary ireo didy aman-dalàna marina entin'izy ireo izay mifono ny mahasoa ny zava-boary, dia porofo fa avy amin'ny tompo Be fahendrena sy Mahalala tsara ny mahasoa ny zava-boariny. Ary ireo filazana mikasika ny zava-boary nentiny, izay nohamafisin’ny zava-misy marina ny fahamarinany, dia porofo fa avy amin’ny Tompo manana fahefana amin’ny fampisiana izay rehetra nampahafantariny izany.
4- Ary raha ny amin'ireo porofo azo tsapain-tànana mahakasika ny fisian'i Allah; dia mizara roa:
Iray amin'izy roa: Ny fandrenesantsika sy ny fahitantsika ny fivalian'ny antso ataon'ireo miantso sy ny famonjena an'ireo ao anaty fahasahiranana, dia porofo mivaingana manambara ny fisian'Ilay Avo. Hoy i Allah ilay Masina:
﴿وَنُوحًا إِذۡ نَادَىٰ مِن قَبۡلُ فَٱسۡتَجَبۡنَا لَهُۥ...﴾
Ary i Noa, raha nitalaho izy teo aloha dia novalianay... [Sourat Al-Anbiya: 76] Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿إِذۡ تَسۡتَغِيثُونَ رَبَّكُمۡ فَٱسۡتَجَابَ لَكُمۡ...﴾
Raha nangataka vonjy tamin’ny Tomponareo ianareo dia namaly Anareo Izy...
[Sourat Al-Anfaly: 9]
Ary ao amin'ny boky Soahihy Al-Boukhari, tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny hoe:
«إِنَّ أَعْرَابِيًّا دَخَلَ يَوْمَ الجُمُعَةِ -وَالنَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيهِ وَسَلَّمَ يَخْطُبُ- فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، هَلَكَ المَالُ، وَجَاعَ العِيَالُ، فَادْعُ اللَّهَ لنَا؛ فَرَفَعَ يَدَيْهِ وَدَعَا، فَثَارَ السَّحَابُ أَمثَالَ الجِبَالِ، فَلَمْ يَنْزِلْ عَنْ مِنْبَرِهِ حتَّى رَأَيْتُ المَطَرَ يَتَحَادَرُ عَنْ لِحْيَتِهِ».
«Nisy tambanivohitra iray niditra tamin'ny andro Zoma - raha mbola nanao toriteny ny Mpaminany (S.A.W) - ka niteny hoe: Ry Irakan'Allah, potika ny fananana, ary noana ny ankohonana, ka mangataha amin'Allah ho anay ; dia nanangan-tànana izy ary nanao Douan, ka niforona ny rahona toy ny tendrombohitra, ary tsy mbola nidina avy teo amin'ny minbar-ny i Mpaminany raha tsy efa hitako ny orana nitete teo amin'ny volombavany»6.
Ary tamin'ny Zoma faharoa, dia nitsangana ilay Arabo, na olon-kafa, ka niteny manao hoe: Ry Irakan'Allah, rava ny trano ary dobo-drano ny fananana, koa mivavaha amin'Allah ho anay. Dia nasandrany ny tànany roa, ary niteny izy (S.A.W) manao hoe:
«اللَّهُمَّ حَوَالَيْنَا وَلَا عَلَيْنَا».
«Tompo Allah ô ! Aoka ho manodidina anay fa aza alefa aty Aminay» Koa tsy nanondroany lafiny iray, raha tsy nivoha izany7.
Ary ny fivalian'ny fangatahan'ireo mpangataka dia mbola zavatra mibaribary hatramin'izao androntsika izao, ho an'izay nialoka marina tamin'Allah, sy manatanteraka ny fepetran'ny fivaliana.
Ny lafiny faharoa dia ny hoe: Ireo famantarana avy amin'ireo Mpaminany izay antsoina hoe fahagagana, ary hitan'ny olona na reny fotsiny, dia porofo hentitra sy tsy azo lavina manamarina ny fisian'ilay nandefa azy ireo, dia i Allah; Satria ireo dia zavatra tsy vitan'ny Olombelona, izay ataon'Allah ho fanohanana ireo Irany sy ho fandresena ho azy ireo.
Ohatra amin'izany: Ny fahagagana nataon'i Moussa (A.S) rehefa nandidy azy i Allah mba hikapoka ny ranomasina amin'ny tehiny, dia nokapohiny izany, ka nivaky ho làlana roa ambin'ny folo maina, ary ny rano teo anelanelany dia toy ny tendrombohitra. Hoy i Allah:
﴿فَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنِ ٱضۡرِب بِّعَصَاكَ ٱلۡبَحۡرَۖ فَٱنفَلَقَ فَكَانَ كُلُّ فِرۡقٖ كَٱلطَّوۡدِ ٱلۡعَظِيمِ 63﴾
Ka nandefa fanambarana tamin’i Mosesy Izahay hoe: “ Kapohy amin’ny tehinao ny ranomasina ”. Dia nizara roa izany, ka toy ny tendrombohitra lehibe avo ny andaniny sy ny ankilany.
[Sourat As-Shoua'rà: 63]
Ary ohatra faharoa: Ny porofo mahagaga nataon'ny Mpaminany Issa (A.S), izay namelomany ny maty sy namoahany azy ireo avy tao am-pasany tamin'ny alàlan'ny fahazoan-dàlana avy amin'i Allah. Hoy i Allah momba azy:
﴿...وَأُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِ ٱللَّهِ...﴾
Ary mamelona ny maty aho tamin’ny herin’Allah Aho. [Sourat Âli ‘Imrâny: 49] Ary mbola niteny ihany:
﴿...وَإِذۡ تُخۡرِجُ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِي...﴾
...Ary namelona ireo maty nohon'ny heriko Ianao... [Sourat Al-Maïdat: 110]
Ary ohatra fahatelo: Dia ny an'ny Mpaminany Mohammadi (S.A.W) rehefa nangataka fahagagana taminy ny Kôraichy, ka nanondro ny volana izy, dia nivaky roa, ary nahita izany ny vahoaka, ary mahakasika izany ny tenin'Allah manao hoe:
﴿ٱقۡتَرَبَتِ ٱلسَّاعَةُ وَٱنشَقَّ ٱلۡقَمَرُ 1 وَإِن يَرَوۡاْ ءَايَةٗ يُعۡرِضُواْ وَيَقُولُواْ سِحۡرٞ مُّسۡتَمِرّٞ2﴾
Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana. Ary raha mahita famantarana izy ireo, dia mivily izy ireo ary milaza hoe: 'Fanaovana ody maharitra.'
[Sourat Al--Kamaro: 1 - 2].
Koa ireo famantarana mahagaga maro azo tsapaina, izay ataon'Allah ho fanohanana sy ho fandresena ho an'ireo Irany, dia manaporofo tanteraka ny fisianAllah.
Ny zavatra faharoa tafiditra ao anatin'ny finoana ny tompo Allah dia: Ny finoana ny maha-Tompo Azy, izany hoe: Izy irery ihany no Tompo, tsy manana mpiara-miasa Aminy na mpanampy.
Ary ny Tompo (AR-RABOU): Izy no tompon'ny famoronana, sy ny fanjakana, ary ny didy, ka tsy misy Mpahary afa-tsy i Allah, ary tsy misy Mpanjaka afa-tsy Izy, ary tsy misy didy afa-tsy Azy, Hoy ilay Avo manao hoe:
﴿...أَلَا لَهُ ٱلۡخَلۡقُ وَٱلۡأَمۡرُ...﴾
Moave tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana? [Sourat Al-An-rafy: 54] Ary mbola niteny ihany:
﴿...ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ لَهُ ٱلۡمُلۡكُۚ وَٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ مَا يَمۡلِكُونَ مِن قِطۡمِيرٍ﴾
Izany Allah ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory.
[Sourat Fàtir: 13]
Ary tsy mbola nisy fantatra na dia iray aza tamin’ireo zava-boahary no nandà ny maha-Tompo an'Allah ilay Avo sy Masina, afa-tsy hoe olona mpanambony tena sady tsy mino akory izay teneniny, tahaka izay nitranga tamin’i Faraona, fony izy niteny tamin’ny vahoakany hoe:
﴿فَقَالَ أَنَا۠ رَبُّكُمُ ٱلۡأَعۡلَىٰ 24﴾
Niteny hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra." 24 [Sourat An-Nàzyate: 24]. Ary mbola niteny ihany:
﴿...يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَأُ مَا عَلِمۡتُ لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرِي...﴾
Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. (Al-kassas: 38), kanefa tsy avy amin'ny finoana izany. Niteny i Allah manao hoe:
﴿وَجَحَدُواْ بِهَا وَٱسۡتَيۡقَنَتۡهَآ أَنفُسُهُمۡ ظُلۡمٗا وَعُلُوّٗا...﴾
Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. [Sourat An-Naml: 14] Ary niteny tamin'i Farao ny Mpaminany Mosesy (A.S), araka ny fitantaran'Allah mahakasika azy, hoe:
﴿...لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَآ أَنزَلَ هَٰٓؤُلَآءِ إِلَّا رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ بَصَآئِرَ وَإِنِّي لَأَظُنُّكَ يَٰفِرۡعَوۡنُ مَثۡبُورٗا﴾
Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny afa-tsy ny tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona ! [Sourat Al-Isrà: 102]. Ary nohon'izany, ireo vahoaka mpanompo sampy dia niaiky ny maha tompo Mpahary an'Allah, ka nefa nampikambana Azy tamin'ny zavatra hafa izy ireo teo amin'ny lafiny fanompoana, Hoy Allah hoe:
﴿قُل لِّمَنِ ٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهَآ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ 84 سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ85 قُلۡ مَن رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلسَّبۡعِ وَرَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ 86 سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ 87 قُلۡ مَنۢ بِيَدِهِۦمَلَكُوتُ كُلِّ شَيۡءٖ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيۡهِ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ 88 سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ فَأَنَّىٰ تُسۡحَرُونَ 89﴾
Teneno hoe: “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala Ianareo?” 84 Dia hilaza izy ireo hoe: “An’i Andriamanitra izany.” Teneno hoe: “ Koa nahoana Ianareo no tsy mahatsiaro? ” 85 Teneno hoe: “Iza no Tompon’ny lanitra fito sy Tompon’ny seza fiandrianana lehibe? ” 86 Dia hilaza izy ireo hoe: “ An’i Andriamanitra izany.” Teneno hoe: “Koa nahoana ianareo no tsy matahotra? ” 87 Teneno hoe: “Iza no eo an-tanany ny fanjakana amin’ny zavatra rehetra, ary Izy no miaro fa tsy misy miaro aminy, raha toa ka mahalala ianareo? ” 88 Dia hilaza izy ireo hoe: “An’Andriamanitra izany.” Teneno hoe: “ Koa ahoana no voafitaka ianareo? ” 89
[Sourat Al-Mou'minona: 84-89]
Ary niteny i Allah:
﴿وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ لَيَقُولُنَّ خَلَقَهُنَّ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡعَلِيمُ 9﴾
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe: “Iza no nahary ny lanitra sy ny tany? ”. Dia hiteny izy ireo hoe: “Ilay avo Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.” [Sourat Az-Zokhrof: 9].
Ary mbola Niteny ilay avo Tsitoha mandrakizay hoe:
﴿وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَهُمۡ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۖ فَأَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ 87﴾
Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo? ”, dia hiteny hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy)? [Sourat Az-zouhroua: 87].
Ary ny fahefan'Allah dia mahafaoka ny baiko momba an'izao tontolo izao sy ny baiko ara-dalàna, koa tahaka ny maha Mpandrindra an'izao tontolo izao Azy izay manapaka ao amin'izany araka izay sitrany, mifanaraka amin'ny fahendreny, dia Izy koa no Mpitsara ao amin'ny alàlan'ny lalànan'ny fanompoam-pivavahana sy ny didy mifehy ny fifandraisana, mifanaraka amin'ny fahendreny. Ka na iza na iza maka mpanao lalàna miaraka amin'i Allah ilay Avo eo amin'ny fanompoam-pivavahana, na mpitsara eo amin'ny raharaham-piarahamonina; dia efa nanao Shiriky Taminy, ary tsy nanatanteraka ny finoana.
Ny zavatra fahatelo tafiditra amin'ny finoana an'i Allah dia: Ny finoana ny maha-Tompo Azy; izany hoe: Izy irery no ilay Tompo marina, tsy misy mpiombona Aminy. Ary ny (Al-Ilah) dia midika hoe (Al-Ma'luh); izany hoe: (Ilay tompoina) amim-pitiavana sy fanomezam-boninahitra.
Niteny i Allah manao hoe:
﴿وَإِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلرَّحِيمُ 163﴾
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana. [Sourat Al-Bakarat: 163] Ary niteny i Allah manao hoe:
﴿شَهِدَ ٱللَّهُ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَأُوْلُواْ ٱلۡعِلۡمِ قَآئِمَۢا بِٱلۡقِسۡطِۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ 18﴾
Nitsangana vavolombelona i Allah, fa tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy irery ihany, mihaiky izany koa ireo Anjely sy ireo manam-pahaizana, mijoro am-pahamarinana Izy. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy irery ihany, ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena. [Sourat Al-Imrany: 18]. Ary izay rehetra manao Tompo hafa ankoatran'i Allah, ka nitompoiny izany; dia lazaina fa diso avokoa ny maha-Tompo an'izany, Niteny i Allah nanao hoe:
﴿ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ هُوَ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ 62﴾
Araka izany Allah, Izy tokoa ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah ilay Avo indrindra, ilay Lehibe indrindra. [Sourat Al-hadjy: 62]. Ary ny fanomezana anarana azy ireo ho Tompo dia tsy manome azy ireo ny fahamarinan'ny maha Tompo azy, Niteny i Allah momba an'i (Al-Lâty, sy Al-'Ozzâ, ary Manâty):
﴿إِنۡ هِيَ إِلَّآ أَسۡمَآءٞ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٍ...﴾
Anarana noforoninareo ihany izany, Ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany i Allah. [Sourat An-Nadjimo: 23]
Ary voalaza mahakasika an'i Houod (A.S) fa nilaza tamin'ny vahoakany hoe:
﴿...أَتُجَٰدِلُونَنِي فِيٓ أَسۡمَآءٖ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّا نَزَّلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٖ...﴾
Moa ve hiady hevitra amiko mikasika ireo anarana izay nomenareo azy ireo (ireo sampy), Ianareo sy ireo razambenareo, izay tsy nampidinan’i Allah porofo ny amin’izany na dia kely aza? [Sourat Al-Anrafy: 71]
Ary voalaza momba an'i Mpaminany Josefa (A.S), niteny tamin'ireo namany roa tao am-ponja hoe:
﴿يَٰصَٰحِبَيِ ٱلسِّجۡنِ ءَأَرۡبَابٞ مُّتَفَرِّقُونَ خَيۡرٌ أَمِ ٱللَّهُ ٱلۡوَٰحِدُ ٱلۡقَهَّارُ 39 مَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِهِۦٓ إِلَّآ أَسۡمَآءٗ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٍ...﴾
O ianareo roa lahy namako ato am-ponja ! Moa ve tompo maro misaratsaraka no tsara indrindra sa i Allah ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra? Tsy misy zavatra hafa izay ivavahanareo ankoatra Azy afa-tsy anarana izay nomenareo sy ny razanareo, tsy nisy fahefana navoakan'i Allah momba izany... [Sourat Youssouf:39-40].
Ary noho izany no nitenenan'ireo Iraka (A.S) tamin'ny vahoakan'izy ireo hoe ka nanao hoe:
﴿...ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُ...﴾
Tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy Ianareo. [Sourat Al-Anrafy: 59] Ka nefa dia nolavin'ireo mpanompo sampy izany, ary naka zanahary hafa ankoatran'i Allah izy ireo, izay notompoin'izy ireo miaraka amin'i Allah ilay Masina sy Ambony, sady nitadiavan'izy ireo fandresena sy famonjena tamin'ireny.
Ary efa nofoanan’Allah ilay avo Tsitoha ny fandraisan’ireo mpanompo sampy an’ireo andriamanitra ireo tamin’ny alàlan’ny porofo roa ara-tsaina:
Voalohany: Iireo zanahary izay noraisin'izy ireo ho tompoina dia tsy manana na singa kely aza amin'ireo toetra maha-Tompo; Satria izy ireo dia nohariana fa tsy mahary, sady tsy mahatondra ny tsara ho an'ireo mpanompo azy no tsy mahasakana ny ratsy ho azy ireo, ary tsy tompon'ny fahavelomana na ny fahafatesana ho azy ireo, ary tsy manana na inona na inona amin'ny lanitra izy ireo no sady tsy mpiombona anjara amin'izany.
Niteny i Allah manao hoe:
﴿وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ ءَالِهَةٗ لَّا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ وَلَا يَمۡلِكُونَ لِأَنفُسِهِمۡ ضَرّٗا وَلَا نَفۡعٗا وَلَا يَمۡلِكُونَ مَوۡتٗا وَلَا حَيَوٰةٗ وَلَا نُشُورٗا 3﴾
Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa nohariana izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo. [Sourat Al-Forkane: 3]
Ary miteny i manao hoe:
﴿قُلِ ٱدۡعُواْ ٱلَّذِينَ زَعَمۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ لَا يَمۡلِكُونَ مِثۡقَالَ ذَرَّةٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا لَهُمۡ فِيهِمَا مِن شِرۡكٖ وَمَا لَهُۥ مِنۡهُم مِّن ظَهِيرٖ 22 وَلَا تَنفَعُ ٱلشَّفَٰعَةُ عِندَهُۥٓ إِلَّا لِمَنۡ أَذِنَ لَهُۥ...﴾
Dia lazao hoe: Antsoy ireo izay ihamboanareo (ho tompo) ankoatra an’i Allah, tsy manana na dia zavatra iray kely indrindra (atoma) akory aza izy ireny, na any an-danitra na ety an-tany, tsy niaraka taminy izy ireo tamin’ny famoronana, ary tsy misy afaka hanampy azy amin’izy ireo. Ary tsy mahasoa ny fanelanelanana eo anatrehany afa-tsy ho an’izay navelany... [Sourat Sabà: 22-23]
وقال تعالى: ﴿أَيُشۡرِكُونَ مَا لَا يَخۡلُقُ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ 191 وَلَا يَسۡتَطِيعُونَ لَهُمۡ نَصۡرٗا وَلَآ أَنفُسَهُمۡ يَنصُرُونَ 192﴾
Moa ve hanakambana (Azy) amin’izay tsy nahary zavatra na dia iray aza, ary izy ireo kosa dia nohariana, ary tsy mahavonjy azy ireo na dia ny tenany aza tsy afaka mamonjy.
[Sourat Al-Anrafy: 191-192]
Koa raha izany no toetran'ireo zanahary ireo, dia ny fandraisana azy ireo ho tompoina dia anisan'ny hadalana lehibe indrindra sy zava-poana fara-tampony.
Faharoa: Nanaiky ireo mpanompo sampy fa Allah ilay avo Tsitoha irery ihany no Tompo Mpahary, Izay eny an-tanany ny fanjakàn'ny zava-drehetra, ary Izy no mpiaro fa tsy mba arovan'ny hafa, ary izany dia mitaky ny hanokanany Azy amin'ny maha-Andriamanitra Azy, tahaka ny nanokanany Azy tamin'ny maha-Tompo Azy. Toy ny niteny i Allah manao hoe:
﴿يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱعۡبُدُواْ رَبَّكُمُ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ21 ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ فِرَٰشٗا وَٱلسَّمَآءَ بِنَآءٗ وَأَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَخۡرَجَ بِهِۦ مِنَ ٱلثَّمَرَٰتِ رِزۡقٗا لَّكُمۡۖ فَلَا تَجۡعَلُواْ لِلَّهِ أَندَادٗا وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ 22﴾
Ry zanak'Olombelona ! Tompoinareo ny Tomponareo izay Nahary anareo sy ireo rehetra izay talohanareo ka avy amin'izany no mba hanananareo ny fahatahorana. Izy izay nanao ny tany ho fandriana ho anareo sy ny lanitra ho trano, ary nampidina rano avy any an-danitra ka namoaka vokatra ho sakafo ho anareo. Koa aza manao ho mpifaninana amin'i Andriamanitra Ianareo, nefa fantatrareo. [Sourat Al-Bakarat: 21-22]
Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَهُمۡ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۖ فَأَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ 87﴾
Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo? ”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy)? [Sourat Az-zouhroufa: 87].
Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿قُلۡ مَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ أَمَّن يَمۡلِكُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَمَن يُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَيُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّ وَمَن يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَۚ فَسَيَقُولُونَ ٱللَّهُۚ فَقُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ 31 فَذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمُ ٱلۡحَقُّۖ فَمَاذَا بَعۡدَ ٱلۡحَقِّ إِلَّا ٱلضَّلَٰلُۖ فَأَنَّىٰ تُصۡرَفُونَ32﴾
Teneno hoe: "Iza no manome anjara tsara ho anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana ary iza no mamoaka ny velona amin’ny maty sy mamoaka ny maty amin’ny velona ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe: " Allah ”, ka teneno hoe: " ka moa tsy matahotra Azy va Ianareo? ” Izany no Allah, Tomponareo marina. Ka inona moa no misy aorian’ny fahamarinana afa-tsy ny fahadisoana? Ka ahoana no ahodina Ianareo? ”
[Sourat Younosy: 31-32]
Ny teboka fahaefatra tafiditra ao anatin'ny finoana an'i Allah dia: Ny finoana an'ireo anarany sy ny toetrany.
Izany hoe: Ny fahamarinana ireo anarana sy Toetra izay namarinin'i Tompo Allah ho an'ny tenany ao amin'ilay Bokiny, na koa ao amin'ny Sounnah'ilay Irany (S.W.A), amin'ny fomba izay mendrika Azy; ka tsy misy fanovana hevitra, na fanafoanana, na fanontaniana hoe ahoana, na fampitahana. Araka ny Tenin'i Allah ilay Avo Indrindra manao hoe:
﴿وَلِلَّهِ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰ فَٱدۡعُوهُ بِهَاۖ وَذَرُواْ ٱلَّذِينَ يُلۡحِدُونَ فِيٓ أَسۡمَٰٓئِهِۦۚ سَيُجۡزَوۡنَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ 180﴾
Ary an’i Allah ireo anarana tsara indrindra. Ka antsoinareo amin’izany Izy, ary avelao ireo izay maniratsira ny anarany, hahazo ny valin’asa izay nataony izy ireo. [Sourat Al-Anrafo: 180] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿...وَلَهُ ٱلۡمَثَلُ ٱلۡأَعۡلَىٰ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ﴾
Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy ilay avo Tsitoha, ilay be Fahendrena. [Sourat Ar-Romo:27] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿...لَيۡسَ كَمِثۡلِهِۦ شَيۡءٞۖ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡبَصِيرُ﴾
Tsy misy mitovy Aminy, ary izy no ilay Mandre, ilay Mahita ny zavatra rehetra.
[Sourat As-Shoura: 11].
Ary nisy vondrona roa no very tamin'ity raharaha ity:
Iray amin'izy roa: (Al-Mou’attilah) izay nandà ireo Anarana sy Toetra, na ny ampahany amin’izany, tamin’ny filazan’izy ireo fa ny fanekena izany ho an’i Tompo Allah dia mitaky ny fampitoviana, izany hoe: ny fampitoviana an’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin’ny zavaboariny. Ary izany filazana izany dia tsy mitombona noho ny antony maro, ka anisan’izany:
Voalohany: Satria miteraka vokany tsy marina izany ary tsy maripototra; toy ny fifanoherana ao amin'ny tenin'i Allah ilay Masina, Satria i Tompo Allah ilay Avo Indrindra dia nanamafy ho an'ny Tenany ny anarana sy ny toetra, ary nandà fa misy zavatra mitovy Aminy, Ary raha toa ka ny fanamafisana azy dia mitaky ny fampitoviana; dia tsy maintsy hisy ny fifanipahana ao amin’ny tenin'i Tompo Allah, sy ny fifandavan’ny ampahany Aminy.
Faharoa: Ny fitovian’ny zavatra roa amin’ny anarana na toetra dia tsy midika fa mitovy tanteraka izy ireo, ka hitanao fa ny olona roa dia samy olombelona, maheno, mahita ary miteny, Tsy voatery noho izany ny hitoviany eo amin'ny hevitra maha-olombelona, ny fandrenesana, ny fahitana, ary ny fitenenana.
Ary hitanao ireo biby fa manana tànana, sy tongotra, ary maso, ka nefa tsy voatery midika izany fitovian'izy ireo izany fa ny tànany, sy ny tongony, ary ny masony dia mitovy endrika.
Koa raha miseho ny fahasamihafana eo amin'ireo zavaboary amin'ny Anarana na Toetoetra izay itovizany; dia vao mainka mibaribary sy lehibe kokoa ny fahasamihafana eo amin'ilay Tompo Nahary sy ny zavaboary izay noharihana.
Ny antoko faharoa: (Al-Mouchabbihah) dia ireo izay nanamafy ny Anarana sy ny Toetra ka nefa nampitovy an’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha tamin’ny zavaboariny, amin'ny filazan'izy ireo fa izany no takian'ny hevitr'ireo soratra masina; Satria i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia miresaka amin’ny mpanompony araka izay azon'izy ireo, ary diso izany filazana izany; noho ny antony maro, ka anisan’izany:
Ny voalohany: Ny fampitoviana an'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny zavaboariny dia zavatra tsy eken'ny saina ary tena foanan'ny saina sy ny lalàna ara-pivavahana, ary tsy mety ho zavatra tsy marina mihitsy ny hevitra entin'ireo andinin-tsoratra avy ao amin'ny Bokin'Andriamanitra sy ny Sounnah.
Ny faharoa: Tena marina fa i Allah ilay avo Tsitoha dia niresaka tamin'ireo mpanompony tamin'izay takatr'izy ireo araka ny dikany fototra. Fa ny tena zava-misy sy ny tena toetr'izany dikany izany kosa, dia anisan'ny fahalalana izay natokan'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha ho Azy irery, mikasika ny Tenany sy ny toetrany.
Koa raha nanamafy zavatra i Allah ho an'ny Tenany fa Maheno Izy; dia fantatra ny fahenoana araka ny heviny fototra (dia ny fahatakàrana ireo feo), ka nefa ny tena toetr'izany raha oharina amin'ny fahenoany dia tsy fantatra; Satria ny tena toetry ny fahenoana dia efa tsy mitovy na dia eo amin'ireo zava-boahary aza; koa ny tsy fitoviana eo amin'ny Mpahary sy ny zava-boahary izay nohariany dia mazava lavitra sady lehibe kokoa.
Ary rehefa milaza ny momba ny Tenany i Allah Ta-anla fa nitoetra eo ambonin'ny Seza fiandrianany Izy; dia fantatra ny fototry ny dikan'izany fitoerana izany, ka nefa ny tena firafitry ny fitoerana izay Izy no ao dia tsy fantatsika raha ny amin'ny fitoeran'i Tompo Allah eo ambonin'ny Seza fiandrianany; Satria ny tena firafitry ny fitoerana dia tsy mitovy eo amin'ny zavaboary, Koa tsy mitovy ny fitoerana eo ambonin’ny seza fiandrianana marin-toerana, sy ny fitoerana eo ambonin’ny laselin-drameva sarotra sy mora miala; koa raha misy fahasamihafana aza izany eo amin’ny samy zavaboary, dia vao maika miharihary sy lehibe kokoa ny fahasamihafana eo anelanelan’ny Mpahary sy ny zavaboary izay nohariana.
Ary ny finoana an'Allah araka izay efa nofaritana dia ahazoan'ireo mpino vokatra lehibe, ao anatin'izany:
Ny voalohany: Fanatanterahana sy fanamafisana ny fanokanana an'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha, ka tsy misy fanantenana na tahotra atokana ho an'ny hafa ankoatra Azy, ary tsy misy hafa tompoina afa-tsy Izy.
Faharoa: Ny fahalavorarian'ny fitiavana an'Allah ilay avo Tsitoha sy ny fankalazana Azy manoloana ny halebeazany dia mifanaraka amin'ny Anarany tsara indrindra sy mahafinaritra sy ireo toetrany manakaja ambony.
Ny fahatelo: Fanamafisana sy fanatanterahana ny fanompoana Azy amin'ny fanaovana izay rehetra nodidiany, sy ny fialana amin'izay rehetra norarany.
Ny finoana an'ireo Anjely
Ireo Anjely: Tontolo iray tsy hita maso, zava-boahary noforonina, mpanompon'Allah ilay avo Tsitoha, ary tsy manana na kely aza amin'ny toetran'ny maha-Tompo sy ny maha-Andriamanitra. Noharin'Allah ilay avo Tsitoha avy amin'ny alàlan'ny hazavana izy ireo, ary nomeny azy ireo ny fileferana tanteraka amin'ny didy amambaikony, sy ny hery hanatanterahana izany. Hoy Allah ilay avo Tsitoha hoe:
﴿...وَمَنۡ عِندَهُۥ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِهِۦ وَلَا يَسۡتَحۡسِرُونَ 19 يُسَبِّحُونَ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ لَا يَفۡتُرُونَ 20﴾
Ireo izay eo akaikiny dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy, ary tsy mba sasatra izy ireo. Midera Azy andro aman’alina izy ireo, ary tsy mitsahatra. [Sourat Al-Aanbiya: 19-20].
Marobe ny isan'izy ireo, ka tsy misy mahavita manisa azy ireo afa-tsy Allah ilay avo Tsitoha, ary voaporofo tao amin’ny Soahihy roa avy tamin’ny Hadith-n’i Anasy (R.A) ao anatin’ny tantaran’ny Mi’radjy fa nasandratra ho an’ny Mpaminany (S.A.W) ny Baytil Ma’mouro any an-danitra, izay ivavahan’ny Anjely fito alina isan’andro, ka rehefa mivoaka avy ao izy ireo dia tsy miverina ao intsony.
Ary ny finoana an'ireo Anjely dia mifono zavatra efatra:
Ny voalohany: Finoana ny fisian'izy ireo.
Faharoa: Finoana izay fantatsika anarana amin'izy ireo amin'ny anarany manokana (Ohatra: Djibril), ary ireo izay tsy fantatsika ny anarany kosa dia inoantsika amin'ny endrika ankapobeny.
Fahatelo: Finoana izay fantatsika amin'ny toetra sy endrik'izy ireo, toy ny an'i Djibril, izay nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) fa nahita azy tamin'ny endrika namoronana azy, ary manana elatra enin-jato izay nanakona ny faravodilanitra.
Ary mety miova endrika ho lehilahy ny anjely, araka ny didy avy amin'Allah, Tahaka ny zava-nitranga tamin'i Djibril rehefa nirahin'i Allah ho any amin'i Mariamo, dia niseho taminy tamin'ny endrika olombelona tomady, ary rehefa tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) izy izay teo am-pipetrahana niaraka tamin'ireo mpanaradia azy, dia tonga taminy tamin'ny endriky ny lehilahy iray mitafy lamba fotsy sy mainty volo tanteraka, tsy hita teny aminy ny endriky ny mpandeha, ary tsy nisy nahafantatra azy na dia iray aza tamin'ireo mpanaradia azy. Ka nipetraka teo anoloan'ny Mpaminany (S.A.W), ny lohaliny nampiadiany tamin'ny lohaliny, ary ny tanany napetrany teo ambonin'ny feny, dia nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny Islam, ny Imaany, ny Ihisaany, ny ora, ary ny famantarana azy; dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka lasa izy, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:
«هَذَا جِبْرِيلُ؛ أَتَاكُمْ يُعَلِّمُكُمْ دِينَكُمْ».
« Ity i Djibril; tonga hampianatra anareo ny finoanareo»8.
Ary toy izany koa ireo Anjely izay nalefan’Allah tany amin’i Mpaminany Abrahama (A.S) sy i Mpaminany Lota (A.S) dia nanana endriky ny lehilahy izy ireo.
Ny fahaefatra amin'izay tafiditra ao anatin'ny finoana ireo Anjely dia: Ny finoana ny zavatra fantatsika momba ny asan'izy ireo izay tanterahany araka ny didin'Allah ilay avo Tsitoha; Toy ny fanomezam-boninahitra Azy sy ny fivavahana Aminy andro aman'alina tsy misy havizanana na fiatoana.
Ary ny sasantsasany amin'izy ireo dia mety manana ny asany manokana.
Toy ny: Djibril (A.S), ilay mendri-pitokisana amin'ny faminanian'i Tompo Allah, izay irahiny miaraka amin'izany ho any amin'ireo Mpaminany sy Iraka.
Toy ny: Mikail: Anjely ankinina Aminy ny ranon'orana sy ny zava-maniry.
Ohatra amin'izany i Iserafyl: ilay Anjely voatendry hitsoka ny Anjomara amin'ny andro fitsanganana sy hanaganana ny zavaboary rehetra.
Toy izany koa: ilay Anjelin'ny fahafatesana: ilay tompon'andraikitra amin'ny fakana ny fanahy rehefa tonga ny foton'ny fahafatesana.
Ohatra: Malik: ilay mpiambina ny Afo-be
Ary ohatra: Ireo Anjely nomena andraikitra mikasika ny zaza ao an-kibo, rehefa feno efa-bolana ao an-kibon-dreniny ny olona, dia alefa any aminy ny Anjely ary omena baiko hanoratra ny anjaram-pivelomany, sy ny fe-potoana hiainany, sy ny asany, ary na lasa ho olon'ny fijaliana izy na lasa ho olon'ny fiadanana.
Ary ohatra amin'izany ireo anjely izay nomena andraikitra amin'ny fiarovana sy fanoratana ny asa ataon'ny zanak'olombelona, ka ny olona tsirairay dia misy anjely roa ao aminy, ny iray eo ankavanany ary ny faharoa eo ankaviany.
Tahaka ireo anjely miandraikitra ny fanontaniana ny maty rehefa apetraka ao am-pasany; dia tonga eo aminy ny anjely roa ka manontany azy momba ny Tompony, sy ny fivavahany, ary ny Mpaminaniny.
Ary ny finoana ireo anjely dia misy vokatsoa lehibe, anisan'izany:
Ny Voalohany : Ny fahalalana ny halehibeazana sy ny hery ary ny fahefan’Allah ilay avo Tsitoha; Satria ny halehibeazan'ny zavaboary dia manondro ny halehibeazan'ilay Mpahary.
Faharoa: Dia ny fisaorana an'Allah ilay Avo Tsitoha noho ny fiahiany an'ireo tarak'Adama; Satria Izy nanome fahefana ny sasany tamin'ireo anjely ireo izay manatanteraka ny fiarovana azy ireo, sy ny fanoratana ny asan'izy ireo, ary ny zavatra hafa ankoatr'izany izay mahasoa azy ireo.
Fahatelo: Ny fitiavana ireo anjely noho ny fanompoana ataon'izy ireo an'Allah.
Ary nandà ny olona sasany tamin'ireo very làlana ny maha-vatana ireo anjely, ary niteny izy ireo hoe: Fa ireo dia tsy inona fa herin'ny soa miafina ao anatin'ireo zavaboary, ary izany dia fanosorapotaka ny bokin'Allah ilay avo Tsitoha, sy ny fomba amampanaon'ny Iraka (S.A.W) ary ny marimaritra iraisan'ny vahoaka silamo.
Niteny Allah manao hoe:
﴿ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ فَاطِرِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ جَاعِلِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ رُسُلًا أُوْلِيٓ أَجۡنِحَةٖ مَّثۡنَىٰ وَثُلَٰثَ وَرُبَٰعَۚ...﴾
Dera ho an’i Allah, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Izay nanao ireo Anjely ho Iraka manana elatra roa, na telo, na efatra... [Sourat Fatir: 1]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذۡ يَتَوَفَّى ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَضۡرِبُونَ وُجُوهَهُمۡ وَأَدۡبَٰرَهُم...﴾
Raha mba hitanao manko, ny fomba ataon’ireo anjely rehefa maka ny fofon’ain’ireo izay tsy mpino! Dia mikapoka any amin’ny tarehy sy ny lamosin’izy ireo... [Sourat Al-Anfaly : 50]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿...وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلظَّٰلِمُونَ فِي غَمَرَٰتِ ٱلۡمَوۡتِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ بَاسِطُوٓاْ أَيۡدِيهِمۡ أَخۡرِجُوٓاْ أَنفُسَكُمُۖ...﴾
"...Raha hitanao ireo mpanao ny tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo anjely manao hoe: “Avoahy ny fanahinareo !... [Sourat Al-An'amy : 93]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿...حَتَّىٰٓ إِذَا فُزِّعَ عَن قُلُوبِهِمۡ قَالُواْ مَاذَا قَالَ رَبُّكُمۡۖ قَالُواْ ٱلۡحَقَّۖ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ﴾
...rehefa nanalavitra ny fony ny tahotra, dia hiteny izy ireo hoe: “ Inona no nambaran’ny Tomponareo? ”. dia hamaly izy ireo hoe: “ ny fahamarinana, fa Izy no ilay avo indrindra, ilay lehibe indrindra ! ”. [Sourat Sabà: 23]
Ary mbola niteny momba ny olon'ny Paradisa:
﴿...وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَدۡخُلُونَ عَلَيۡهِم مِّن كُلِّ بَابٖ 23 سَلَٰمٌ عَلَيۡكُم بِمَا صَبَرۡتُمۡۚ فَنِعۡمَ عُقۡبَى ٱلدَّارِ 24﴾
ny Anjely dia hiditra ao amin’izy ireo, isam-baravarana, fiadanana ho anareo noho ny faharetanareo; tsara indrindra ny fiafaran’ny trano. [Sourat Ar-Ràdy: 23-24]
Ary ao amin'ny Soahihy Al-boukhari, tatitra avy tamin'i Abou Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«إِذَا أَحَبَّ اللَّهُ الْعَبْدَ نَادَى جِبْرِيلَ: إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ فُلَانًا فَأَحْبِبْهُ، فَيُحِبُّهُ جِبْرِيلُ، فَيُنَادِي جِبْرِيلُ فِي أَهْلِ السَّمَاءِ: إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ فُلَانًا فَأَحِبُّوهُ، فَيُحِبُّهُ أَهْلُ السَّمَاءِ، ثُمَّ يُوضَعُ لَهُ الْقَبُولُ فِي الْأَرْضِ».
«Rehefa mankatia mpanompo iray i Allah, dia miantso an'i Anjely Djioril Izy ka miteny hoe: Tena marina fa i Allah dia mankatia an'i Ranona, koa tiavo izy. Dia tia azy i Djiborilo, ka miantso an'ireo mponin'ny lanitra indray izy ka miteny hoe: Tena marina fa i Tompo Allah dia mankatia an'i Raikitra, koa tiavo nareo Izy. Dia tia azy ireo mponin'ny lanitra, ary avy eo dia apetraka ho Azy ny fankasitrahana eto an-tany»9.
Ary voalaza ao ihany koa, Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) niteny nanao hoe: Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«إِذَا كَانَ يَوْمُ الْجُمُعَةِ كَانَ عَلَى كُلِّ بَابٍ مِنْ أَبْوَابِ الْمَسْجِدِ الْمَلَائِكَةُ يَكْتُبُونَ الْأَوَّلَ فَالْأَوَّلَ، فَإِذَا جَلَسَ الْإِمَامُ طَوَوْا الصُّحُفَ وَجَاءُوا يَسْتَمِعُونَ الذِّكْرَ».
«Raha tonga ny andro Zoma, dia mijoro isaky ny varavaran'ny moske ireo anjely manoratra ny voalohany sy ny manaraka azy, ka raha mipetraka ny imamo dia ahoron'izy ireo ny boky firaketany ary tonga mihaino ny fampatsiahivana»10.
Ary ireo soratra ireo dia manambara mazava tsara fa ny Anjely dia vatana fa tsy hery ara-panahy, Araka ny voalazan'ireo mpivily lalana, ary araka ireo andininy ireo dia miombon-kevitra amin'izany ny Miozolomana rehetra.
Ny finoana an'ireo Boky
Ireo Boky: Filazana ny maro amin'ny (boky) izay midika hoe (voasoratra).
Ary ny tiana hambara Aminy eto dia: Ireo Boky izay nampidinin'Allah ilay Avo Tsitoa amin'ireo Irany ho hinakinaka an'ny voahary, ary ho fahitsiana ho azy ireo; mba hahatongavan'izy ireo amin'ny fahasambarany eto an-tany sy any am-parany.
Ny finoana ireo Boky dia mifono zavatra efatra:
Ny voalohany dia: Ny finoana fa marina ny fidinan'izy ireo avy tany amin'Allah.
Ny faharoa: Ny finoana an'ireo Boky izay fantatsika ny anarany: Toy ny Koroany izay nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W), sy ny Taorah izay nampidinina tamin'i Moussa, ho Aminy anie ny fiadanana. Ary ny Evanjily izay nampidinina tamin'i Issa (Jesosy), ka ny fiadanana anie ho Azy. Ary ny Zaboura nampidinina tamin'i Daoudo (A.S), ary ireo izay tsy fantatsika ny anarany dia inoantsika sy ekentsika amin'ny endrika an-kapobeny.
Ny fahatelo: Ny finoana izay voamarina avy amin'ireo voalaza ao Aminy, toy ireo voalaza ao amin'ny Koroany, ary ireo voalaza avy amin'ireo Boky teo aloha izay tsy novaina na novadibadihana.
Fahaefatra: Ny fampiharana ny lalàna sy didin'izay mbola tsy voafoana avy aminy, sy ny fahafaham-po ary ny fanekena izany, na takatsika ny fahendreny na tsia, ary ny Boky rehetra teo aloha dia efa nofoanan'ny Boky Koroany Lehibe, Niteny Allah manao hoe:
﴿وَأَنزَلۡنَآ إِلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَمُهَيۡمِنًا عَلَيۡهِۖ...﴾
Ary nampidininay aminao ny boky feno fahamarinana, manamafy ny boky izay teo alohany, ary manan-kery eo anatrehany... [Sourat Al-Maïdat: 48] Izany hoe: Ho mpitsara amin'izany.
Noho izany dia tsy azo atao ny manatanteraka izay lalàna avy amin'ireo Boky teo aloha, afa-tsy izay marina avy ao Aminy ary nohamarinin'ny Boky masina Koroany.
Ary ny finoana ny boky dia mitondra vokatra lehibe, ao anatin'izany ny:
Ny Voalohany: Ny fahalalana ny fiahian’Allah ilay avo Tsitoha an’ireo mpanompony; satria nampidina boky ho an'ny vahoaka tsirairay Izy mba ho tari-dàlana ho azy ireo.
Ny Faharoa: Ny fahalalana ny fahendren'Allah ilay Avo ao amin'ny lalàny; ka Izy dia nametraka ho an'ny vahoaka tsirairay izay mifanaraka amin'ny toe-javatra misy azy ireo, Araka ny nitenen'Allah ilay avo Tsitoha manao hoe:
﴿...لِكُلّٖ جَعَلۡنَا مِنكُمۡ شِرۡعَةٗ وَمِنۡهَاجٗا...﴾
Efa nanaovanay lalàna sy drafitr’asa ny tsirairay aminareo. [Sourat Al-Maïdat: 48]
Ny fahatelo: Ny fankasitrahana ny fahasoavan'Allah noho izany.
Ny finoana an'ireo Iraka
Ireo Iraka: Filazana maro ny (hiraka), midika hoe: (nalefa), izany hoe nirahina mba hampita zavatra.
Ny tiana holazaina eto dia: ilay olona izay nomena fanambarana mirakitra lalàna, ary nodidiana mba hampita izany.
Ny voalohany tamin’ireo iraka dia i Noa (A.S), ary ny farany tamin’izy ireo dia i Mouhammadi (S.A.W).
Niteny Allah manao hoe:
﴿ إِنَّآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ كَمَآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ نُوحٖ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ مِنۢ بَعۡدِهِ...﴾
Tena marina fa Izahay dia tena nandefa fanambarana taminao, tahaka ny nandefasanay fanambarana tamin’i Noa sy ireo Mpaminany taoriany... [Sourat An-Nisà: 163]
Ao amin'ny Soahihi Al-Boukhary, tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) ao anatin'ny Hadith momba ny Shafa'nah, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«ذُكِرَ أَنَّ النَّاسَ يَأْتُونَ إِلَى آدَمَ؛ لِيَشْفَعَ لَهُمْ، فَيَعْتَذِرُ إِلَيْهِمْ وَيَقُولُ: ائْتُوا نُوحًا أَوَّلَ رَسُولٍ بَعَثَهُ اللَّهُ» وذكر تمام الحديث.
«Voalaza fa nanatona an'i Adama ny olona mba hifona ho azy ireo, dia niala tsiny tamin'izy ireo Izy ka niteny hoe: Mankanesa any amin'i Noha, ilay iraka voalohany nirahin'i Tompo Allah » ary notanisaina ny tohin'ny Hadithe11.
Ary niteny Allah momba an'i Mouhammadi (S.A.W) manao hoe:
﴿مَّا كَانَ مُحَمَّدٌ أَبَآ أَحَدٖ مِّن رِّجَالِكُمۡ وَلَٰكِن رَّسُولَ ٱللَّهِ وَخَاتَمَ ٱلنَّبِيِّـۧنَۗ...﴾
i Mouhammadi dia tsy mba rain’iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany Izy. [Sourat Al-Ahazabo]
Ary tsy nisy vahoaka afa-tsy nandefasan'Allah Iraka izay nitondra lalàna manokana ho an'ny vahoakany, na Mpaminany izay nanambarana ny lalàn'izay teo alohany mba hanavao izany. Ka hoy Allah Ta'anla:
﴿وَلَقَدۡ بَعَثۡنَا فِي كُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱجۡتَنِبُواْ ٱلطَّٰغُوتَ...﴾
{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe): “ Manompoa an’i Allah Ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty» ”.} [Sourat An-Nahal: 36].
Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿...وَإِن مِّنۡ أُمَّةٍ إِلَّا خَلَا فِيهَا نَذِيرٞ﴾
Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina. [Sourat Fàtir: 24]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿إِنَّآ أَنزَلۡنَا ٱلتَّوۡرَىٰةَ فِيهَا هُدٗى وَنُورٞۚ يَحۡكُمُ بِهَا ٱلنَّبِيُّونَ ٱلَّذِينَ أَسۡلَمُواْ لِلَّذِينَ هَادُواْ...﴾
Hamafisina, fa Izahay no nampidina ny Taoraty izay mirakitra tari-dàlana sy fahazavana. Nampiasa azy teo amin'ny fitsarany ireo Mpaminany izay nanolo-tena ho an'i Allah ho an'ireo Jiosy... (Sourat Al-ma'idat: 44).
Ary ireo Iraka dia olombelona noharina, tsy manana na inona na inona amin'ireo toetra mahakasika ny maha-Tompo Mpahary sy ny maha-Andriamanitra mendrika hotompoina izy ireo, ka niteny Allah ilay Avo Tsitoha momba ny Mpaminaniny Mohammadi, izay filohan'ireo Iraka sady manana ny toerana ambony indrindra amin'izy ireo eo anatrehan'i Tompo Allah, manao hoe:
﴿قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي نَفۡعٗا وَلَا ضَرًّا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۚ وَلَوۡ كُنتُ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ لَٱسۡتَكۡثَرۡتُ مِنَ ٱلۡخَيۡرِ وَمَا مَسَّنِيَ ٱلسُّوٓءُۚ إِنۡ أَنَا۠ إِلَّا نَذِيرٞ وَبَشِيرٞ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ 188﴾
Teneno hoe: “Tsy manana ho an’ny tenako na ny soa na ny ratsy aho, afa-tsy izay sitrak’i Allah. Raha nahafantatra ny miafina aho dia ho nataoko maro an’isa ny soa ho azoko, ary tsy hisy ratsy hahazo ahy akory. Tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka mino. [Sourat Al-Anrafy: 188] .
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿قُلۡ إِنِّي لَآ أَمۡلِكُ لَكُمۡ ضَرّٗا وَلَا رَشَدٗا 21 قُلۡ إِنِّي لَن يُجِيرَنِي مِنَ ٱللَّهِ أَحَدٞ وَلَنۡ أَجِدَ مِن دُونِهِۦ مُلۡتَحَدًا 22﴾
Lazao hoe: "Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa Anareo mihitsy Aho." Lazao hoe: "Tsy misy afaka miaro Ahy amin'Andriamanitra, ary tsy hahita fialofana hafa Aho. [Sourat Al-Jinny: 21-22]
Ary ananan'izy ireo ihany koa ny toetra ny maha-Olombelona: toy ny aretina, sy ny fahafatesana, ary ny filàna sakafo sy zava-pisotro, sy ny hafa mitovy amin'izany. Dia nilaza i Allah momba an'i Mpaminany Ibrahim (A.S) rehefa nilaza ny toetran'ny Tompony izy hoe:
﴿وَٱلَّذِي هُوَ يُطۡعِمُنِي وَيَسۡقِينِ 79 وَإِذَا مَرِضۡتُ فَهُوَ يَشۡفِينِ 80 وَٱلَّذِي يُمِيتُنِي ثُمَّ يُحۡيِينِ 81﴾
Ary Izy no nampihinana Ahy sy nampisotro Ahy. Ary rehefa marary Aho, Izy no manasitrana Ahy. Ary Izy no mampamoy Ahy, ary avy eo Izy no mamelona Ahy indray. [Sourat As-Shouàrà: 79-81]
ary nilaza i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«إِنَّمَا أَنَا بَشَرٌ مِثْلُكُمْ، أَنْسَى كَمَا تَنْسَوْنَ، فَإِذَا نَسِيتُ فَذَكِّرُونِي».
« Tsy inona izaho fa olombelona tahaka anareo ihany, manadino aho tahaka ny anadinovanareo, koa rehefa manadino aho dia ampahatsiahivo aho»12.
Ary Allah ilay Avo Indrindra dia efa namaritra azy ireo tamin'ny maha-mpanompo azy, teo amin'ireo ambaratonga avo indrindra misy azy ireo, sy tao anatin'ny teny fiderana azy ireo; Ka niteny i Allah ny mahakasika an'i Mpaminany Noa (S.A.W) manao hoe:
﴿...إِنَّهُۥ كَانَ عَبۡدٗا شَكُورٗا﴾
Izy dia tena mpanompo mpankasitraka tokoa. [Sourat Al-Isrà: 3]. Ary nilaza momba an'i Mpaminany Mohammadi ny hoe:
﴿تَبَارَكَ ٱلَّذِي نَزَّلَ ٱلۡفُرۡقَانَ عَلَىٰ عَبۡدِهِۦ لِيَكُونَ لِلۡعَٰلَمِينَ نَذِيرًا 1﴾
Ankalazaina anie ny halehiben’ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Koroany, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao Izy. [Sourat Al-Forkany: 1]
Ary nilaza Izy mahakasika an'i Abrahama sy i Isaak ary i Jakoba (A.s) nanao hoe:
﴿وَٱذۡكُرۡ عِبَٰدَنَآ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ أُوْلِي ٱلۡأَيۡدِي وَٱلۡأَبۡصَٰرِ 45 إِنَّآ أَخۡلَصۡنَٰهُم بِخَالِصَةٖ ذِكۡرَى ٱلدَّارِ 46 وَإِنَّهُمۡ عِندَنَا لَمِنَ ٱلۡمُصۡطَفَيۡنَ ٱلۡأَخۡيَارِ 47﴾
Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahim, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra. Fa efa nanokana azy ireo tamin’ny fahatsiarovana ny trano fonenana izahay. Ary izy ireo dia anisan’ny voafidy sy tsara indrindra eo aminay. [Sourat Soàdy: 45-47]
Ary niteny Izy mikasika an’i Issa (A.S) Zanakin’i Mariam:
﴿إِنۡ هُوَ إِلَّا عَبۡدٌ أَنۡعَمۡنَا عَلَيۡهِ وَجَعَلۡنَٰهُ مَثَلٗا لِّبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ 59﴾
Mpanompo nofenoinay fahasoavana avy Aminay ihany izy, ary nataonay ohatra tamin’ireo zanak’Israely. [Sourate Az-Zoukhoroufa: 59]
Ary ny finoana an'ireo Iraka dia mifono zavatra efatra:
Ny voalohany: Ny finoana fa ny hafatr'izy ireo dia marina avy amin'Allah Ta'anla, ka izay tsy manaiky sy tsy mino ny hafatr’iray amin’izy ireo dia efa lazaina fa nikomy amin'ny rehetra, Tahaka ny nitenenan'Allah ilay avo Tsitoha manao hoe:
﴿كَذَّبَتۡ قَوۡمُ نُوحٍ ٱلۡمُرۡسَلِينَ 105﴾
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan’i Noa. [A-chouan-ra:105] Ka nataon'i Tompo Allah ho toy ny nampandainga ireo Iraka rehetra izy ireo, na dia tsy nisy Iraka hafa afa-tsy izy aza tamin'ny fotoana nampandaingana izy ireo azy, Araka izany, ny vahoaka Kristiana izay nampandainga an’i Mouhammadi (S.A.W) ka tsy nanaraka azy; dia sady mpampandainga an’i Mesia zanak’i Mariam izy ireo no tsy mpanara-dia azy ihany koa. Indrindra fa efa nilaza tamin’izy ireo mialoha ny momba an’i Mouhammadi (S.A.W) izy, ary tsy misy hevitra izany filazana mialoha izany afa-tsy ny maha-Iraka azy ho azy ireo, izay hanavotan’Allah azy ireo amin’ny alàlany hiala amin’ny fahaverezana, sy hitarihany azy ireo ho any amin’ny làlana mahitsy.
Ny faharoa: Ny finoana an'izay fantatsika anarana amin'izy ireo, ohatra: Mouhammadi (S.A.W), Ibrahim, Moussa, Issa, ary Nouho - ho amin'izy ireo anie ny tso-drano sy ny fiadanana - Ireo dimy ireo no Iraka be voninahitra indrindra, izay notononin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny toerana roa ao amin'ny Koroany amin'ity teniny ity:
﴿وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِنَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ مِيثَٰقَهُمۡ وَمِنكَ وَمِن نُّوحٖ وَإِبۡرَٰهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَى ٱبۡنِ مَرۡيَمَۖ وَأَخَذۡنَا مِنۡهُم مِّيثَٰقًا غَلِيظٗا 7﴾
Ary rehefa nandray fifanekena avy tamin’ireo mpaminany izahay, ny avy taminao koa, avy tamin’i Noa, Ibrahimo, Moussa ary Issa (Jesoa) zanak’i Mariamo (Maria), dia nandray avy tamin’izy ireo ny fifanekena hentitra izahay, [Sourat Al-Ahazabo: 7] Ary ny teniny hoe:
﴿شَرَعَ لَكُم مِّنَ ٱلدِّينِ مَا وَصَّىٰ بِهِۦ نُوحٗا وَٱلَّذِيٓ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ وَمَا وَصَّيۡنَا بِهِۦٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَىٰٓۖ أَنۡ أَقِيمُواْ ٱلدِّينَ وَلَا تَتَفَرَّقُواْ فِيهِۚ كَبُرَ عَلَى ٱلۡمُشۡرِكِينَ مَا تَدۡعُوهُمۡ إِلَيۡهِۚ ٱللَّهُ يَجۡتَبِيٓ إِلَيۡهِ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِيٓ إِلَيۡهِ مَن يُنِيبُ 13﴾
Nametraka lalàna ho anareo Izy mikasika ny finoana, izay nandidiany an’i Noa, ary nambaranay Taminao, ka nandidianay an’i Abrahama, Moussa ary Jesoa: “ Ajoroy ny finoana, ary aza atao mampisaraka anareo ”. Toa hitan’ireo mpampitambatra an’i Allah amin’ny hafa ho sarotra izay iantsoanao azy ireo. Mifidy izay tiany ho any Aminy Allah, ary mitari-dalana izay mibebaka ho any Aminy ihany koa Izy. [Sourat As-shoura: 13]
Fa ho an'ireo izay tsy fantatsika ny anarana amin'izy ireo kosa; dia anjarantsika ny mino sy manaiky azy ireo amin'ny endrika ankapobeny, hoy i Allah ilay Avo: Tsitoa manao hoe:
﴿وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا رُسُلٗا مِّن قَبۡلِكَ مِنۡهُم مَّن قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ وَمِنۡهُم مَّن لَّمۡ نَقۡصُصۡ عَلَيۡكَۗ...﴾
Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. [Sourat Ghàfiro: 78]
Ny fahatelo: Finoana izay azo antoka amin'ireo fitantarany.
Fahaefatra: Ny miasa sy mampihatra ny lalàn'ilay Iraka nalefa ho antsika avy amin'izy ireo, dia i Mouhammadi (S.A.W) izay farany amin'izy ireo sady nirahina ho an'ny olombelona rehetra, Niteny i Allah nanao hoe:
﴿فَلَا وَرَبِّكَ لَا يُؤۡمِنُونَ حَتَّىٰ يُحَكِّمُوكَ فِيمَا شَجَرَ بَيۡنَهُمۡ ثُمَّ لَا يَجِدُواْ فِيٓ أَنفُسِهِمۡ حَرَجٗا مِّمَّا قَضَيۡتَ وَيُسَلِّمُواْ تَسۡلِيمٗا 65﴾
Tsia ! Mianiana amin’ny Tomponao ! Fa tsy hino izy ireo mandra-pahatongan’izy ireo handray anao ho mpitsara amin’ny disadisa mitranga eo amin’izy ireo, avy eo, tsy mahita ho kianina ny tenan’izy ireo, amin’izay nitsaranao azy, ary manetry tena tanteraka izy ireo. (Sourat An-nissa: 65).
Manana vokatsoa lehibe ny finoana an'ireo Iraka, ireto avy izany:
Ny Voalohany dia: Ny fahalalana ny indrafon’Allah ilay avo Tsitoha sy ny fiahiany ireo mpanompony; Satria nandefa Iraka tamin’izy ireo Izy; mba hitari-dàlana azy ireo ho amin’ny làlan’Allah ilay avo Tsitoha, sy hanazava amin’izy ireo ny fomba hanompoana an’Allah; Satria ny sain’ny olombelona dia tsy mahaleo tena amin’ny fahafantarana izany.
Faharoa: Fankasitrahana Azy Tsitoha noho ity fahasoavana lehibe indrindra ity.
Fahatelo: Ny fitiavana ireo Iraka sy ny fanajana azy ireo, ary ny fiderana azy ireo amin'izay rehetra mendrika azy ireo; Satria izy ireo dia Irakan'Allah, ary Satria nanompo Azy izy ireo, nampita ny Hafany, ary nanome torohevitra sy hanatra ho an'ireo mpanompony.
Ary efa nandà ny irak'izy ireo tokoa ireo mpikomy mpanohitra, tamin'ny filazana fa ny irak'Allah dia tsy mety ho avy amin'ny olombelona ! Ary notanisain'Allah izany filazana tsy marina izany, sady nofoanany tamin'ny alàlan'ny teniny manao hoe:
﴿وَمَا مَنَعَ ٱلنَّاسَ أَن يُؤۡمِنُوٓاْ إِذۡ جَآءَهُمُ ٱلۡهُدَىٰٓ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ أَبَعَثَ ٱللَّهُ بَشَرٗا رَّسُولٗا94 قُل لَّوۡ كَانَ فِي ٱلۡأَرۡضِ مَلَٰٓئِكَةٞ يَمۡشُونَ مُطۡمَئِنِّينَ لَنَزَّلۡنَا عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ مَلَكٗا رَّسُولٗا 95﴾
Ary tsy nisy, na inona na inona nanakana ny olona tsy hino, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana afa-tsy ny tenin’izy ireo manao hoe: “ Moa ve i Allah no nandefa Olombelona ho Iraka? ” Lazao: Raha nisy Anjely nandeha tamin’ny tany amim-pilaminana, dia ho nampidina Anjely ho Iraka avy any an-danitra izahay.
[Sourat Al-Isirà: 94-95]
Koa nofoanan'Allah Ta'anla izany fiheverana diso izany, fa tsy maintsy ho olombelona ny Iraka; Satria izy dia nirahina ho an'ny mponina eto an-tany izay olombelona, fa raha toa ka Anjely ny mponina teto an-tany, dia tena ho nampidinan'i Allah tamin'izy ireo avy any an-danitra ny anjely ho Iraka; mba ho tahaka azy ireo. Ary tahak'izany koa no nitantaran'i Allah ny mahakasika an'ireo mpampandainga an'ireo Iraka, fa nilaza izy ireo nanao hoe:
﴿...إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُنَا تُرِيدُونَ أَن تَصُدُّونَا عَمَّا كَانَ يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَا فَأۡتُونَا بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٖ 10 قَالَتۡ لَهُمۡ رُسُلُهُمۡ إِن نَّحۡنُ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَمُنُّ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦۖ وَمَا كَانَ لَنَآ أَن نَّأۡتِيَكُم بِسُلۡطَٰنٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِ...﴾
Tsy inona akory ianareo fa olombelona tahaka anay ihany. Mila hanakana anay amin’izay notompoin’ireo razambenay ianareo. Koa ento nareo aty aminay àry ny porofo mazava.” Niteny taminy ireo Irakan’izy ireo hoe: “Tsy inona akory izahay fa olombelona tahaka anareo ihany, saingy Allah no manome fahasoavana amin’izay tiany amin’ireo mpanompony. Ary tsy ananantsika ny hitondra porofo aminareo raha tsy amin’ny alalan’ny fahazoan-dalana avy amin’i Allah. [Sourat Ibrahim: 10-11]
Ny finoanana ny Andro farany
Ny Andro farany, andro fitsanganana amin'ny maty, izay andro hananganana ny olona hotsaraina sy handray ny valin'asany.
Nantsoina toy izany izy satria tsy misy andro intsony aoriany, izay hitoeran’ny olon’ny Paradisa ao amin’ny toerany, ary ny olon’ny Afobe ao amin’ny toerany.
Ary ny finoanana ny andro farany dia mifono zavatra telo:
Ny voalohany: Ny finoana ny Fitsanganana amin’ny maty: dia ny famelomana ny maty rehefa tsofina ny anjomara amin'ny fitsofana faharoa; ka hitsangana ny olona ho an'ny Tompon'izao tontolo izao, tsy mikiraro, miboridana tsy misy fitafiana, ary tsy voafora, Niteny Allah nanao hoe:
﴿...كَمَا بَدَأۡنَآ أَوَّلَ خَلۡقٖ نُّعِيدُهُۥۚ وَعۡدًا عَلَيۡنَآۚ إِنَّا كُنَّا فَٰعِلِينَ﴾
Toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa! [Sourat Al-Anbya: 104]
Ary ny fitsanganana amin'ny maty dia fahamarinana tsy azo iadian-kevitra, porofoina amin'ny alàlan'ny Bokin'Allah, ny Sounnah, ary ny marimaritra iraisan'ny vahoaka silamo.
Niteny Allah manao hoe:
﴿ثُمَّ إِنَّكُم بَعۡدَ ذَٰلِكَ لَمَيِّتُونَ 15 ثُمَّ إِنَّكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تُبۡعَثُونَ 16﴾
Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo. Avy eo, amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia hatsangana ianareo.
[Sourat Al-Mouminona: 15-16]
Ary niteny ny Mpaminany (SAW) hoe:
«يُحْشَرُ النَّاسُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ حُفَاةً عُرَاةً غُرْلًا».
“Hangonina amin’ny andro Fitsanganana amin’ny maty ny olona, tsy mikiraro, miboridana, tsy mifora.”13. Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim.
Ary miray hevitra ny mpino slamo rehetra amin'ny fahamarinan'izany, ary izany dia mifanaraka amin'ny fahendrena; ka mitaky izany ny hametrahan'Allah toeram-piveranana ho an'ireo zava-boary ireo, izay hamaliany azy ireo araka izay lalàna napetrany ho azy ireo tamin'ny alàlan'ireo Irany nalefany. Niteny Allah manao hoe:
﴿أَفَحَسِبۡتُمۡ أَنَّمَا خَلَقۡنَٰكُمۡ عَبَثٗا وَأَنَّكُمۡ إِلَيۡنَا لَا تُرۡجَعُونَ 115﴾
Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo? [Sourat Al-Mouminona: 115] Ary nilaza tamin'ny Mpaminany-ny (S.A.W) Izy manao hoe:
﴿إِنَّ ٱلَّذِي فَرَضَ عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ لَرَآدُّكَ إِلَىٰ مَعَادٖ...﴾
Tena marina fa ilay nandidy taminao ny Koroany dia tena hamerina anao amin’ny toerana (izay irinao) hiverenana. (Sourat Al-kassoaso: 85).
Ny faharoa dia: Ny finoana ny fitsarana sy ny valisoa: hotsaraina amin'ny asany ny mpanompo, ary hefaina amin'izany, ary efa voaporofo izany ao amin'ny Boky sy ny Sounnah ary ny marimaritra iraisan'ny mpino silamo.
Niteny Allah manao hoe:
﴿إِنَّ إِلَيۡنَآ إِيَابَهُمۡ 25 ثُمَّ إِنَّ عَلَيۡنَا حِسَابَهُم 26﴾
Tena marina ! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray. Ary avy eo, Amiko ny kajy ny aminy. [Sourat Al-Ghashyat: 25-26] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿مَن جَآءَ بِٱلۡحَسَنَةِ فَلَهُۥ عَشۡرُ أَمۡثَالِهَاۖ وَمَن جَآءَ بِٱلسَّيِّئَةِ فَلَا يُجۡزَىٰٓ إِلَّا مِثۡلَهَا وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ 160﴾
Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia hahazo folo avo heny amin’izany izy ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia tsy ho valiana izy afa-tsy ny mitovy amin’izany ihany. Ary tsy hanaovana ny tsy rariny izy ireo. [Sourat Al-An'amy: 160] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَنَضَعُ ٱلۡمَوَٰزِينَ ٱلۡقِسۡطَ لِيَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَلَا تُظۡلَمُ نَفۡسٞ شَيۡـٔٗاۖ وَإِن كَانَ مِثۡقَالَ حَبَّةٖ مِّنۡ خَرۡدَلٍ أَتَيۡنَا بِهَاۗ وَكَفَىٰ بِنَا حَٰسِبِينَ 47﴾
Ary hapetrakay ho amin’ny andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay. [Sourat Al-Anbiya: 47]
Niteny Ibn Oumar (R.A), fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nilaza ka nanao hoe:
«إِنَّ اللَّهَ يُدْنِي الْمُؤْمِنَ، فَيَضَعُ عَلَيْهِ كَنَفَهُ - أَيْ سَتْرَهُ - وَيَسْتُرُهُ: فَيَقُولُ: أَتَعْرِفُ ذَنْبَ كَذَا؟ أَتَعْرِفُ ذَنْبَ كَذَا؟ فَيَقُولُ: نَعَمْ أَيْ رَبِّ، حَتَّى إِذَا قَرَّرَهُ بِذُنُوبِهِ، وَرَأَى فِي نَفْسِهِ أَنَّهُ هَلَكَ قَالَ: سَتَرْتُهَا عَلَيْكَ فِي الدُّنْيَا وَأَنَا أَغْفِرُهَا لَكَ الْيَوْمَ، فَيُعْطَى كِتَابَ حَسَنَاتِهِ، وَأَمَّا الْكُفَّارُ وَالْمُنَافِقُونَ فَيُنَادَى بِهِمْ عَلَى رُؤُوسِ الْخَلَائِقِ: هَؤُلَاءِ الَّذِينَ كَذَبُوا عَلَى رَبِّهِمْ، أَلَا لَعْنَةُ اللَّهِ عَلَى الظَّالِمِينَ».
“Tompo Allah dia mampanantona ny Mpino, ka apetrany eo amboniny ary saronany - izany hoe: Ny fanafenany - ary hafeniny, dia hiteny Izy hoe: Fantatrao va ny fahotana toy izao? Fantatrao va ny fahotana toy izao? dia hamaly izy hoe: Eny, ry Tompoko. Mandra-pampanekeny azy ny fahotany, ka hitany ao am-pony fa maty izy, dia hoy Izy: Nafeniko ho anao teto an-tany izany, ary Izaho dia hamela izany ho anao anio, dia omena azy ny bokin'ny hatsarany. Fa ny tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy kosa, dia hantsoina ho eo ambonin’ny lohan’ny zavaboary: Ireo no nandainga momba ny Tompony, Koa tandremo, ny ozon’i Allah dia ho an’ireo mpanao ny tsy rariny»14 Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslimo.
Ary voamarina tamin'ny tatitra mari-pototra azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) fa niteny izy hoe:
«أَنَّ مَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ فَعَمِلَهَا؛ كَتَبَهَا اللَّهُ عِنْدَهُ عَشْرَ حَسَنَاتٍ إِلَى سَبْعِ مِئَةِ ضِعْفٍ إِلَى أَضْعَافٍ كَثِيرَةٍ، وَأَنَّ مَنْ هَمَّ بِسَيِّئَةٍ فَعَمِلَهَا؛ كَتَبَهَا اللَّهُ سَيِّئَةً وَاحِدَةً».
«Fa izay mikasa ny hanao asa soa ka tanterakany izany; dia soratan'Allah any aminy ho asa soa folo hatramin'ny fitonjato avo heny na mihoatra betsaka noho izany, ary izay mikasa ny hanao asa ratsy ka nataony izany; dia soratan'Allah ho asa ratsy iray izany »15.
Ary efa niombonkevitra ny vahoaka silamo ny amin’ny fisian’ny fitsarana sy ny famaliana ny asa rehetra, ary izany dia mifanaraka tanteraka amin’ny fahendrena; Fa Allah ilay Avo Tsitoa dia efa nampidina ireo boky, ary nandefa ireo Iraka, ary nandidy ireo mpanompony Izy mba hanaiky izay rehetra nentin’izy ireo, sy hampihatra izay rehetra tsy maintsy ampiharina avy amin’izany, ary nandidy ny hiadiana amin’ireo izay manohitra izany Izy, ka nanao ho ara-dalàna ny fandatsahana ny ran’izy ireo, sy ny taranany, sy ny vehivaviny, ary ny fananany, Koa raha tsy nisy ny fitsarana sy ny valin'asa, dia ho anisan'ny zava-poana izany, izay tsy mendrika an'ilay Tompo hendry, ary efa nanondro izany Allah tamin'ny teniny manao hoe:
﴿فَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلَّذِينَ أُرۡسِلَ إِلَيۡهِمۡ وَلَنَسۡـَٔلَنَّ ٱلۡمُرۡسَلِينَ 6 فَلَنَقُصَّنَّ عَلَيۡهِم بِعِلۡمٖۖ وَمَا كُنَّا غَآئِبِينَ 7﴾
Ho hanontaninay ireo izay nandefasana ny hafatra ary ho hanontaninay ihany koa ireo mpitondra hafatra. Ary hotantarainay aminy araka ny fahalalana marina izany; ary tsy mba tsy teo izahay. [Sourat Al-Anrafo: 6-7]
Ny fahatelo: Ny finoana ny Paradisa sy ny Afobe, izy roa ireo no toerana hiafarana mandrakizay ho an’ny zavaboahary.
Koa ny Paradisa dia tontolom-pahasoavana feno hatsarana sy fiadanana ary fahasambarana izay efa nomanin'Allah ho an'ireo vahoaka mpino mpatahotra Azy, izay nino sy nanaiky ary nankatoa izay rehetra nandidian'Allah azy ireo mba hinoana, ary nanatanteraka ny fankatoavana an' Allah sy ny irany, tamin'ny fahitsim-po ho an'Allah no sady nanaraka ny Irany, ka ao anatiny Paradisa dia ahitana ireo karazam-pahasoavana maro tsy voatanisa.
«مَا لَا عَيْنٌ رَأَتْ، وَلَا أُذُنٌ سَمِعَتْ، وَلَا خَطَرَ عَلَى قَلْبِ بَشَرٍ».
"Tsy mbola hitan'ny maso, tsy mbola ren'ny sofina, ary tsy mbola noheverin'ny olombelona"16, Niteny Allah manao hoe:
﴿إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ خَيۡرُ ٱلۡبَرِيَّةِ 7 جَزَآؤُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتُ عَدۡنٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ رَّضِيَ ٱللَّهُ عَنۡهُمۡ وَرَضُواْ عَنۡهُۚ ذَٰلِكَ لِمَنۡ خَشِيَ رَبَّهُۥ 8﴾
Ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany. Ny valisoany eo amin'ny Tompony dia zaridaina maharitra mandrakizay izay andehanan'ny renirano eo ambaniny, honina ao mandrakizay. Ankasitrahan'Allah izy ireo ary ankasitrahany Andriamanitra ihany koa. Izany dia ho an'izay matahotra ny tompony. (Sourat Al-Baynah: 7-8). Ary miteny Allah manao hoe:
﴿فَلَا تَعۡلَمُ نَفۡسٞ مَّآ أُخۡفِيَ لَهُم مِّن قُرَّةِ أَعۡيُنٖ جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ 17﴾
Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso, ho valin’izay nataon’izy ireo. [Sourat Al-Sajdah: 17].
Fa ny Afobe kosa dia: Tontolon'ny sazy sy famaizana izay nomanin'Allah ho an'ireo mpikomy mpanao ny ratsy sy ny tsy rariny, dia ireo izay tsy nino Azy sy tsy nankatoa ny Irany, ao aminy dia misy ireo karazan-tsazy sy famaizana izay tsy takatry ny saina velively. Niteny i Allah manao hoe:
﴿...وَٱتَّقُواْ ٱلنَّارَ ٱلَّتِيٓ أُعِدَّتۡ لِلۡكَٰفِرِينَ 131﴾
Ary matahora ny Afobe izay voahomana ho an’ireo tsy mpino Ianareo. [Siurat Âl-iImrâny: 131] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَقُلِ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَن شَآءَ فَلۡيُؤۡمِن وَمَن شَآءَ فَلۡيَكۡفُرۡۚ إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلظَّٰلِمِينَ نَارًا أَحَاطَ بِهِمۡ سُرَادِقُهَاۚ وَإِن يَسۡتَغِيثُواْ يُغَاثُواْ بِمَآءٖ كَٱلۡمُهۡلِ يَشۡوِي ٱلۡوُجُوهَۚ بِئۡسَ ٱلشَّرَابُ وَسَآءَتۡ مُرۡتَفَقًا 29﴾
Ary teneno ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany! [Sourat Al-Kahf: 29] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿إِنَّ ٱللَّهَ لَعَنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ وَأَعَدَّ لَهُمۡ سَعِيرًا 64 خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ لَّا يَجِدُونَ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا 65 يَوۡمَ تُقَلَّبُ وُجُوهُهُمۡ فِي ٱلنَّارِ يَقُولُونَ يَٰلَيۡتَنَآ أَطَعۡنَا ٱللَّهَ وَأَطَعۡنَا ٱلرَّسُولَا۠66﴾
Tena marina fa i Allah dia nanozona ireo tsy mpino, ary nanomana ho azy ireo ny Afobe mamaivay, izay hitoerany mandrakizay. Tsy hahita mpiahy na mpanampy izy ireo. Amin'ny andro hifotetahan'ny tavany ao anaty afo, dia hiteny izy ireo hoe: 'Indrisy ! Raha mba nankatò an'i Allah sy ny Iraka izahay !' [Sourat Al-Ahazabo: 64-66]
Ary ny finoana ny andro farany dia misy tombony lehibe, ao anatin'izany:
Voalohany dia: Ny faniriana amin'ny fanaovana ny asa feno fankatoavana, sy ny fahazotoana amin'izany; mba ho fanantenana ny valisoan'izany andro izany.
Ny faharoa: Ny fatahorana ny fanaovana ny fahotana, sy ny fankasitrahana izany; noho ny tahotra ny sazy sy famaizan'izany andro izany.
Fahatelo: Fampiononana ny mpino amin'ireo zavatra tsy azony eto an-tany, amin'ny alàlan'ny fanantenana ny fahasambarana any ankoatra sy ny valisoany.
Ary nandà tsy nanaiky ny fifohazana aorian'ny fahafatesana ireo tsy mpino; ka nilaza izy ireo fa izany dia zavatra tsy hisy mihitsy.
Izany fanambarana izany dia diso, ary manaporofo ny fahadisoany ny lalàna Islamika, sy ny fahatsapan'ireo taova fitsapana, ary ny saina.
Fa ny Shari'anh kosa, dia niteny Allah ilay manao hoe:
﴿زَعَمَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَن لَّن يُبۡعَثُواْۚ قُلۡ بَلَىٰ وَرَبِّي لَتُبۡعَثُنَّ ثُمَّ لَتُنَبَّؤُنَّ بِمَا عَمِلۡتُمۡۚ وَذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ 7﴾
"Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe: Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany. (Sourat At-Taghabouny: 7). Ny Boky rehetra avy any an-danitra dia nifanaraka avokoa momba izany.
Fa raha ny porofo azo tsapain-tanana kosa: Dia efa nasehon'Allah tamin'ireo mpanompony ny famelomana ireo maty teto amin'ity fiainana an-tany ity, ary ao anatin'ny Soratra Al-Bakarah dia misy ohatra dimy amin'izany, ka ireto avy:
Ohatra voalohany: Ny vahoakan'i Mosesy (A.S) tamin'ny nitenenan'izy ireo taminy hoe:
﴿...لَن نُّؤۡمِنَ لَكَ حَتَّىٰ نَرَى ٱللَّهَ جَهۡرَةٗ ...﴾
Tsy hino anao velively izahay raha tsy efa mahita an’i Allah mibaribary. [Sourat Al-Bakarah:55] Dia namono azy ireo i Allah, avy eo dia namelona azy ireo indray. Ary mahakasika izany, dia milaza i Allah miantefa amin'ireo zanak'Israely:
﴿وَإِذۡ قُلۡتُمۡ يَٰمُوسَىٰ لَن نُّؤۡمِنَ لَكَ حَتَّىٰ نَرَى ٱللَّهَ جَهۡرَةٗ فَأَخَذَتۡكُمُ ٱلصَّٰعِقَةُ وَأَنتُمۡ تَنظُرُونَ 55 ثُمَّ بَعَثۡنَٰكُم مِّنۢ بَعۡدِ مَوۡتِكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ 56﴾
Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe: "Ry Moussa ! Tsy hino anao velively izahay raha tsy efa mahita an’i Allah mibaribary ". Ka naripak'ilay varatra ianareo, ary nijery fotsiny teo. Avy eo novelominay indray ianareo taorian'ny nahafatesanareo, mba hahafahanareo misaotra. [Sourat Al-Bakarat: 55-56]
Ny ohatra faharoa: Ao amin'ny tantaran'ilay olona nisy namono izay nifandiran'ny Zanak'i Israely, ka nandidy azy ireo i Allah hanapaka omby vavy ary hakapoka amin'ilay olona nisy namono tamin'ny ampahany aminy; mba hanambarany azy ireo iza no namono azy. Ary mikasika izany dia nilaza i Allah nanao hoe:
﴿وَإِذۡ قَتَلۡتُمۡ نَفۡسٗا فَٱدَّٰرَٰءۡتُمۡ فِيهَاۖ وَٱللَّهُ مُخۡرِجٞ مَّا كُنتُمۡ تَكۡتُمُونَ 72 فَقُلۡنَا ٱضۡرِبُوهُ بِبَعۡضِهَاۚ كَذَٰلِكَ يُحۡيِ ٱللَّهُ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَيُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ 73﴾
Ary tsarovinareo raha namono olona ianareo, ka nifanilika ny amin'izay nahavanona izany loza izany; ary Allah kosa dia namoaka izay nafeninareo. Dia hoy izahay: Kapohy amin'ny ampahany amin'izany izy; toy izany no ameloman'Andriamanitra ny maty ary asehony anareo ny famantarany mba hahiratan-tsaina anareo. [Sourat Al-Bakarat: 72-73]
Ny ohatra fahatelo: Ao anatin'ny tantaran'ireo vahoaka izay nivoaka avy ao amin’ny tranon’izy ireo, nandositra ny fahafatesana, ary an'arivony maro izy ireo; ka novonoin’i Allah izy ireo, avy eo dia novelominy indray mandeha. Ary mahakasika izany dia miteny i Allah manao hoe:
﴿أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ خَرَجُواْ مِن دِيَٰرِهِمۡ وَهُمۡ أُلُوفٌ حَذَرَ ٱلۡمَوۡتِ فَقَالَ لَهُمُ ٱللَّهُ مُوتُواْ ثُمَّ أَحۡيَٰهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ243﴾
Tsy mba hitanareo va ireo izay nandao ny fonenany, an’arivony maro, noho ny fahatahorana an-drafahafatesana? Ka hoy Allah tamin’izy ireo: “Matesa ianareo”. Ary avy eo dia novelominy indray izy ireo. Hamafisina, fa feno ny fahasoavan’Allah ho an’ny olombelona, fa saingy maro amin’ny olombelona no tsy mankasitraka.
[Sourat Al-Bakarat: 243]
Ny ohatra fahaefatra: Ao amin'ny tantaran'ilay nandalo tao amin'ny tanàna iray efa maty, ka nihevitra izy fa tsy ho vitan'Allah velively ny hamelona azy; ka dia novonoin'i Allah izy nandritra ny zato taona, avy eo dia novelominy indray, ary mikasika izany dia miteny i Allah hoe:
﴿أَوۡ كَٱلَّذِي مَرَّ عَلَىٰ قَرۡيَةٖ وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا قَالَ أَنَّىٰ يُحۡيِۦ هَٰذِهِ ٱللَّهُ بَعۡدَ مَوۡتِهَاۖ فَأَمَاتَهُ ٱللَّهُ مِاْئَةَ عَامٖ ثُمَّ بَعَثَهُۥۖ قَالَ كَمۡ لَبِثۡتَۖ قَالَ لَبِثۡتُ يَوۡمًا أَوۡ بَعۡضَ يَوۡمٖۖ قَالَ بَل لَّبِثۡتَ مِاْئَةَ عَامٖ فَٱنظُرۡ إِلَىٰ طَعَامِكَ وَشَرَابِكَ لَمۡ يَتَسَنَّهۡۖ وَٱنظُرۡ إِلَىٰ حِمَارِكَ وَلِنَجۡعَلَكَ ءَايَةٗ لِّلنَّاسِۖ وَٱنظُرۡ إِلَى ٱلۡعِظَامِ كَيۡفَ نُنشِزُهَا ثُمَّ نَكۡسُوهَا لَحۡمٗاۚ فَلَمَّا تَبَيَّنَ لَهُۥ قَالَ أَعۡلَمُ أَنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ 259﴾
Na tahaka izay nandalo tao amin’ny tanàna iray haolo, potika sy rava tanteraka, dia niteny Izy ka nanao hoe: “ Amin’ny fomba ahoana moa no hameloman’i Allah itony aorian’ny fahafatesany? ”. Ka novonoin’i Allah izy nandritra ny zato taona, rehefa avy eo dia novelominy indray izy, ka niteny Izy (Allah) nanao hoe: “ Firy taona no nipetrahanao tao? ”. Niteny izy hoe: “ Andro iray na tapak'andro no nipetrahako teto ”. Niteny indray Izy (Allah) nanao hoe: “ Tsia, zato taona no nipetrahanao teo ”. Ka jereo ny sakafonao sy ny zava-pisotronao, tsy nisy fiovana na dia kely aza. Ary jereo ny ampondranao…ary mba ataonay ho porofo ho an’ny Olombelona Ianao, dia jereo ny taolana, ahoana no hanambaranay azy, avy eo dia hofonosinay nofo izany ”. Rehefa nazava Taminy izany dia niteny izy nanao hoe: “ Fantatro izao, fa tena marina i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra ”. [Sourat Al-Bakarat: 259]
Ny ohatra fahadimy dia: Ao amin'ny tantaran'i Ibrahim, raha nangataka tamin'Allah mba hasehony azy ny fomba hamelomany ireo maty; dia nirahin'Allah hanapaka vorona efatra, sy hanaparitaka ny sombiny amin'ireo vorona eny amin'ny tendrombohitra manodidina azy, avy eo dia hiantso azy ireo indray; dia nikambana indray mandeha ireo sombiny, ary hanatona an'i Ibrahim am-pihazakazahana izy ireo. Ary momba izany dia miteny Allah manao hoe:
﴿وَإِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ رَبِّ أَرِنِي كَيۡفَ تُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰۖ قَالَ أَوَلَمۡ تُؤۡمِنۖ قَالَ بَلَىٰ وَلَٰكِن لِّيَطۡمَئِنَّ قَلۡبِيۖ قَالَ فَخُذۡ أَرۡبَعَةٗ مِّنَ ٱلطَّيۡرِ فَصُرۡهُنَّ إِلَيۡكَ ثُمَّ ٱجۡعَلۡ عَلَىٰ كُلِّ جَبَلٖ مِّنۡهُنَّ جُزۡءٗا ثُمَّ ٱدۡعُهُنَّ يَأۡتِينَكَ سَعۡيٗاۚ وَٱعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ 260﴾
Ary raha niteny i Ibraham hoe: “ Tompo ô ! Asehoy Ahy, tahaka ny ahoana no famelomanao indray ireo maty ”, dia hoy Allah namaly azy: “ Moa tsy mino va ianao? ”. Dia hoy Ibrahimo: “ Tsia ! Tsy izany akory, fa mba hampitony ny foko ”. Ka dia hoy Allah: “ Makà vorona efatra ianao ka tapatapaho, ary ametraho singany iray avy aminy isaky ny tendrombohitra; aorian’izany, dia antsoy izy ireo, fa hilomay hanatona anao. Ary aoka ho fantatrao, fa Allah dia Tsitoha sy be fahendrena.
[Sourat Al-Bakarat: 260]
Ireo rehetra ireo no ohatra azo tsapain-tànana no sady tena nisy, izay manondro fa azo atao tokoa ny famelomana ireo maty. Ary efa voatonona teo aloha ny amin'ireo porofo mahagaga izay notanterahan’Allah tamin’ny alàlan’i Issa zanak’i Mariam, momba ny famelomana ireo maty sy ny fampivoahana azy ireo avy any am-pasany -noho ny alalana avy amin’i Allah-.
Ary ny porofo ara-tsaina dia misy lafiny roa:
Ny voalohany amin'izany dia: Allah ilay Avo Indrindra no nanomboka ny fahariana sy ny fanamboarana ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao anatin'izy ireo, ary ilay manan-kery hanomboka ny fahariana dia tsy ho osa ny hamerina izany indray. Hoy i Allah hoe:
﴿وَهُوَ ٱلَّذِي يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ وَهُوَ أَهۡوَنُ عَلَيۡهِ...﴾
Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. [Sourat Ar-Roumo: 27] Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿...كَمَا بَدَأۡنَآ أَوَّلَ خَلۡقٖ نُّعِيدُهُۥۚ وَعۡدًا عَلَيۡنَآۚ إِنَّا كُنَّا فَٰعِلِينَ﴾
Toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa ! [Sourat Al-Anbya: 104] Ary nilaza Izy sy nandidy ny hamalian'izay rehetra nitsipaka ny famelomana ny taolana rehefa lasa vovoka:
﴿قُلۡ يُحۡيِيهَا ٱلَّذِيٓ أَنشَأَهَآ أَوَّلَ مَرَّةٖۖ وَهُوَ بِكُلِّ خَلۡقٍ عَلِيمٌ 79﴾
Lazao hoe: “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra ”.
[Sourat Yassiny : 79]
Faharoa: Misy fotoana ny tany maty sady karakaina, tsy misy hazo maitso velona ao aminy; dia ampidininy eo aminy ny orana; ka dia mihetsika izy ka lasa maitso sy velona, ary mampitsimoka ao aminy ireo karazana zava-maniry mahafinaritra rehetra. Ary ilay mahefa namelona azy taorian'ny fahafatesany, dia Izy ihany koa no mahefa hamelona ny maty. Hoy Allah hoe:
﴿وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَنَّكَ تَرَى ٱلۡأَرۡضَ خَٰشِعَةٗ فَإِذَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهَا ٱلۡمَآءَ ٱهۡتَزَّتۡ وَرَبَتۡۚ إِنَّ ٱلَّذِيٓ أَحۡيَاهَا لَمُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰٓۚ إِنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ 39﴾
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo Aminy, dia indro Izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa ilay namelona Azy, no hamelona indray ny maty, Satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra. [Sourat Fossilate: 39] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَنَزَّلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ مُّبَٰرَكٗا فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ جَنَّٰتٖ وَحَبَّ ٱلۡحَصِيدِ 9 وَٱلنَّخۡلَ بَاسِقَٰتٖ لَّهَا طَلۡعٞ نَّضِيدٞ 10 رِّزۡقٗا لِّلۡعِبَادِۖ وَأَحۡيَيۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗاۚ كَذَٰلِكَ ٱلۡخُرُوجُ 11﴾
"Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana, ary ny rofia avo izay manana voa mifandimby, ho sakafo ho an’ny mpanompo. Ary novelominay tamin’izany ny tany maty. Toy izany no hivoahana. [Sourat Quaf: 9-11]
Ary tafiditra ao anatin'ny finoanana ny andro farany: ny finoanana izay rehetra hisy aorian'ny fahafatesana toy ny:
(a) Fitsapana ao am-pasana: Izany dia ny fanontaniana ny maty aorian’ny fandevenana azy mikasika ny Tompony, ny finoany, ary ny Mpaminaniny; ka hamafisin’Allah amin’ny teny entitra ireo mpino, dia hiteny hoe: i Allah no Tompoko, ny finoana Isilamo no finoako, ary i Mouhammadi no Mpaminaniko, enga anie ny fitahiana sy fiadanan’i Tompo Allah ho Aminy. Ary i Tompo Allah dia manary làlana ireo mpanao ratsy. Dia hiteny ny tsy mpino ka hanao hoe: “ Ha, ha, tsy fantatro.” Ary hiteny ny mpihatsaravelatsihy na ny mpisalasala ka hanao hoe: “ Tsy fantatro, henoko ny olona nilaza zavatra ka dia nilaza izany ihany koa aho.”
(b) Famaizan'ny fasana sy ny hasambarany: ka ho an’ireo mpanao ratsy avy amin’ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino, hoy i Allah hoe:
﴿...وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلظَّٰلِمُونَ فِي غَمَرَٰتِ ٱلۡمَوۡتِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ بَاسِطُوٓاْ أَيۡدِيهِمۡ أَخۡرِجُوٓاْ أَنفُسَكُمُۖ ٱلۡيَوۡمَ تُجۡزَوۡنَ عَذَابَ ٱلۡهُونِ بِمَا كُنتُمۡ تَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ غَيۡرَ ٱلۡحَقِّ وَكُنتُمۡ عَنۡ ءَايَٰتِهِۦ تَسۡتَكۡبِرُونَ﴾
Raha hitanao ireo mpanao tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo Anjely manao hoe: “Avoahy ny fanahinareo ! Fa androany dia omena Anareo ny famaizan’ny fahafaham-baraka nohon'ny tsy marina izay noteneninareo mahakasik’i Allah, ary noho Ianareo nanambony tena tamin’ireo famantarany. [Sourat Al-An'aam: 93]
Ary niteny sy nilaza i Allah mikasika ny fianakavian'i Faraona hoe:
﴿ٱلنَّارُ يُعۡرَضُونَ عَلَيۡهَا غُدُوّٗا وَعَشِيّٗاۚ وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ أَدۡخِلُوٓاْ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ أَشَدَّ ٱلۡعَذَابِ 46﴾
Ny afo no handoro azy ireo marain-tsy hariva. Ary amin’ny andro hahatongavan’ilay ora (hilazan’ireo Anjely) hoe: “ampidiro ireo olon’i Faraona amin’ny famaizana mafy indrindra”. [Sourat Ghafir: 46].
Ary ao amin'ny Soahihy Mouslim, tatitra azo avy tamin'i Zaidi Ibn Thabit (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:
«فَلَوْلَا أَنْ لَا تَدَافَنُوا لَدَعَوْتُ اللَّهَ أَنْ يُسْمِعَكُمْ مِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ الَّذِي أَسْمَعُ مِنْهُ».
«Raha tsy noho ny ahiahy sao tsy hifandevina intsony ianareo, dia ho nivavaka tamin'i Allah Aho mba hampandre anareo ny ampahany amin'ny famaizan'ny fasana izay reko.» Avy eo dia natodiny ny endriny ka niteny hoe:
«تَعَوَّذُوا بِاللَّهِ مِنْ عَذَابِ النَّارِ».
«Mitadiava fiarovana amin’Allah amin’ny sazin’ny afo ». Niteny izy ireo hoe: Mangataka fiarovana amin'i Allah Izahay amin'ny famaizan'ny Afobe, dia niteny izy hoe:
«تَعَوَّذُوا بِاللَّهِ مِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ»
«Mitadiava fiarovana amin’i Allah amin’ny sazy any am-pasana» Hoy izy ireo: Mitady fialofana amin’i Allah izahay manoloana ny sazy sy famaizan’ny fasana, dia hoy izy:
«تَعَوَّذُوا بِاللَّهِ مِنَ الْفِتَنِ، مَا ظَهَرَ مِنْهَا وَمَا بَطَنَ».
«Mitadiava fialofana amin'i Allah amin'ny fitsapana, na ny miseho na ny miafina.» Niteny izy ireo hoe: Izahay dia mangataka fialofana amin’i Allah manoloana ireo korontana sy fitsapana, na ny miseho ivelany na ny miafina, ka hoy izy:
«تَعَوَّذُوا بِاللَّهِ مِنْ فِتْنَةِ الدَّجَّالِ».
«Mitadiava fiarovana amin'i Allah amin'ny fakam-panahin'i Dadjaly» Namaly izy ireo hoe: Mangataka fiarovana amin'i Allah Izahay amin'ny fitsapan'ny Dadjaly17.
Ary ny amin’ny fahasambarana ao am-pasana: dia ho an’ireo mpino marina. Miteny i Allah ka nanao hoe:
﴿إِنَّ ٱلَّذِينَ قَالُواْ رَبُّنَا ٱللَّهُ ثُمَّ ٱسۡتَقَٰمُواْ تَتَنَزَّلُ عَلَيۡهِمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَلَّا تَخَافُواْ وَلَا تَحۡزَنُواْ وَأَبۡشِرُواْ بِٱلۡجَنَّةِ ٱلَّتِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ 30﴾
Hamafisina, fa ireo izay niteny hoe: “Allah no Tomponay, ary mifikitra amin’ny lalana mahitsy, dia hidina eo amin’izy ireo ny Anjely. “ Aza matahotra Ianareo, ary aza malahelo, fa aoka Ianareo hifaly amin’ny Paradisa izay nampanantenaina Anareo ”. [Sourat Fossilate: 30]
Ary miteny Allah manao hoe:
﴿فَلَوۡلَآ إِذَا بَلَغَتِ ٱلۡحُلۡقُومَ 83 وَأَنتُمۡ حِينَئِذٖ تَنظُرُونَ 84 وَنَحۡنُ أَقۡرَبُ إِلَيۡهِ مِنكُمۡ وَلَٰكِن لَّا تُبۡصِرُونَ 85 فَلَوۡلَآ إِن كُنتُمۡ غَيۡرَ مَدِينِينَ 86 تَرۡجِعُونَهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ87 فَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ 88 فَرَوۡحٞ وَرَيۡحَانٞ وَجَنَّتُ نَعِيمٖ 89﴾
Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina ary ianareo mijery amin'izay fotoana izay ary izahay akaiky kokoa azy noho Ianareo saingy tsy mahita ianareo. Raha tsy voaheloka Ianareo, avereno izany raha marina ianareo. Fa raha anisan'ny akaiky Izy, dia fitsaharana sy hanitra ary paradisan'ny fahafinaretana. [Sourat Al-Oâki'ant: 83-89].
Tatitra azo avy tamin'i Barrat Ibn Aa-zib (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) mahakasika ny mpino rehefa mamaly ireo Anjely roa ao amin'ny fasany izy manao hoe:
«يُنَادِي مُنَادٍ مِنَ السَّمَاءِ: أَنْ صَدَقَ عَبْدِي، فَافْرِشُوهُ مِنَ الْجَنَّةِ، وَأَلْبِسُوهُ مِنَ الْجَنَّةِ، وَافْتَحُوا لَهُ بَابًا إِلَى الْجَنَّةِ، قَالَ: فَيَأْتِيهِ مِنْ رَوْحِهَا وَطِيبِهَا، وَيُفْسَحُ لَهُ فِي قَبْرِهِ مَدَّ بَصَرِهِ».
“Hiantso ny mpiantso avy any an-danitra manao hoe: Marina ny tenin’ny mpanompoko, koa velaro fandriana avy any amin’ny Paradisa Izy, ary ampitafio fitafiana avy any amin’ny Paradisa izy, ary sokafy ho azy ny varavarana mankany amin’ny Paradisa. Dia ho tonga aminy ny tsio-drivotra sy ny hanitra avy ao, ary halalahina amin'ny fomba malalaka ho azy ny fasany araka izay takatry ny masony.” Notaterin'i Ahamadi sy Abou Daòudou anaty Hadithe lava18.
Ary nisy tokoa ireo vahoaka mpivily làlana izay very sy nania, ka dia nandà sy tsy nanaiky ny fisian'ny sazy sy ny famaizana ao am-pasana, ary koa ny fahafinaretana sy ny hasambarana ao anatiny, nihevitra sy nilaza izy ireo fa tsy zavatra mety hisy akory izany Satria mifanohitra tanteraka amin'ny zava-misy marina sy iainana. Ka niteny izy ireo hoe: fa raha toa ka sokafana ny fasana ka jerena ny maty ao anatiny, dia ho hita fa mbola eo amin'ny toerana nisy azy sy ny endriny teo aloha ihany izy, ary ny fasana dia tsy niova na nihalalaka izany na niha tery.
Ary izao filazana izao dia diso no sady simba araka ny lalana Ara-Shariant, ny fahatsapana, ary ny saina:
Raha ny lalàna Islamika kosa: dia efa voalaza mialoha ireo rijan-teny manamarina fa voaporofo ny fanasazina ao am-pasana, sy ny fahasambarana ao.
Ary ao amin'ny Soahihy Al-boukhari, avy amin'ny Hadith notaterin'i Ibno 'Abbasy (R.A) izay nilaza hoe: "Nivoaka avy amin'ny iray tamin'ireo zaridainan'i Madina ny Mpaminany (S.A.W); dia naheno ny feon'olona roa iharan'ny sazy tao amin'ny fasan'izy ireo izy " ary notantarainy ilay Hadithe, izay ahitana hoe:
«أَنَّ أَحَدَهُمَا كَانَ لَا يَسْتَتِرُ مِنَ الْبَوْلِ».
«Fa ny iray tamin’izy roa dia tsy niaro tena rehefa mipipy » Ary amin'ny fitantara hafa:
«مِنْ بَوْلِهِ».
« Avy amin'ny amaniny »
«وَأَنَّ الْآخَرَ كَانَ يَمْشِي بِالنَّمِيمَةِ».
Ary fa ny iray kosa dia nanely fosafosa, Ary amin'ny tatitra hafa notaterin'i Mouslim:
«لَا يَسْتَنْزِهُ مِنَ الْبَوْلِ».
" Tsy midiody amin'ny amininy izy ".19
Fa raha ny amin'ny taova fahatsapana kosa: ilay matory dia mahita ao anatin'ny torimasony fa izy dia tao amin'ny toerana malalaka sy nahafinaritra izay nahitany fahafinaretana, na koa tao amin'ny toerana tery sy mampivarahontsana izay nijaliany, ary indraindray izy dia taitra noho izay zavatra hitany, Kanefa na eo aza izany, dia eo amin’ny fandrinany ao amin’ny efitranony amin'izay toetrany izay izy, ary ny torimaso dia rahalahin’ny fahafatesana; ka noho izany no niantsoan'i Allah azy hoe: (fahafatesana), Nilaza i Allah Ta'anla nanao hoe:
﴿ٱللَّهُ يَتَوَفَّى ٱلۡأَنفُسَ حِينَ مَوۡتِهَا وَٱلَّتِي لَمۡ تَمُتۡ فِي مَنَامِهَاۖ فَيُمۡسِكُ ٱلَّتِي قَضَىٰ عَلَيۡهَا ٱلۡمَوۡتَ وَيُرۡسِلُ ٱلۡأُخۡرَىٰٓ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمًّى...﴾
"Allah no mandray ny fanahy amin’ny fotoana hahafatesany (olona), toy izany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimasony. Ary tazoniny izay voadidy ho faty amin’izy ireo, fa haveriny kosa ny hafa hatramin’ny fotoana efa voafetra..."
[Sourat Az-Zoumaro: 42]
Ary mikasika ny saina kosa: Ny mpatory amin'ny torimasony dia mahita ny fahitana marina izay mifanaraka amin'ny zava-misy, ary angamba izy mahita ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny endriny, ary izay nahita azy tamin'ny endriny; dia efa nahita azy marina tokoa, na izany aza, ny mpatory ao amin'ny efitranony eo am-pandriany dia lavitra izay hitany. Koa raha azo atao izany amin'ny toe-javatra manoloana ny fiainana eto an-tany, moa ve tsy mba ho azo atao ihany koa izany ny amin'ny toe-javatra manoloana ny fiainana any ankoatra?
Fa raha ny amin'ny porofo iankinan'izy ireo amin'ny fiheverany dia ny filazany fa raha toa ka voha(i)na ny maty ao am-pasany; dia ho hita araka ny endriny teo aloha ihany izy, ary ny fasana dia tsy niova na nivelatra na nihatery; ka ny famaliana izany dia avy amin'ny lafin-javatra maro, ka anisan'izany:
Ny voalohany: Tsy azo atao ny manohitra izay voalazan'ny lalàna amin'ny alàlan'ny ahiahy tsisy fototra, izay raha nodinihin'ilay mpanohitra tsara tokoa izany dia ho fantany ny fahafoanan'ireo ahiahy ireo, ary efa voalaza hoe:
Ary tsy vitsy no manome tsiny ny teny mari-pototra.
Ary ny aretiny dia ny fahatakarana diso.
Ny faharoa: Fa ny toe-javatra ao amin'ny Barzakhe dia anisan'ny raharahan'ireo tsy hitamaso izay tsy takatry ny fahatsapana, ary raha toa izany ka takatry ny fahatsapana, dia ho foana ny hasin'ny finoana an'ireo tsy hitamaso, ka ho nitovy ireo mpino sy ireo mpikomy amin'ny fanekena izany.
Fahatelo: Fa ny sazy sy ny fahafinaretana, ary ny halalahan'ny fasana sy ny hahetriny; dia ny maty ihany no mahatsapa izany fa tsy ny hafa. Izany dia toy ny olona matory izay mahita amin'ny nofiny fa izy dia ao amin'ny toerana tery sy mampatahotra, na ao amin'ny toerana malalaka sy mahafinaritra, kanefa ilay eo anilany dia tsy mahita izany sady tsy mahatsapa izany. Ary ny Mpaminany (S.A.W) dia nidinana faminaniana teo anivon'ireo mpanaradiany; ka naheno ilay faminaniana izy, fa ireo mpanaradiany kosa tsy naheno izany. Ary indraindray dia niseho taminy tamin'ny endrika lehilahy ilay anjely ka niteny taminy, nefa ireo mpanaradiany tsy nahita ilay anjely sady tsy naheno azy.
Ny fahaefatra: Fa ny fahatakarana ananan'ny zava-boary dia voafetra amin'izay nomen'i Allah ilay Avo Indrindra azy ireo fahafahana hahatakatra azy, ary tsy afaka ny hahalala ny zava-misy rehetra izy ireo. Ireo lanitra fito, sy ny tany, ary izay rehetra eo aminy, ary ny zavatra rehetra dia mankalaza ny voninahitra sy ny fiderana an'Allah amin'ny fankalazana marina tokoa, izay ampandrenesan'i Allah Avo Indrindra an'izay tiany amin'ireo zavaboariny indraindray, Na dia izany aza dia tsy hitantsika maso izy, ary amin'izany dia Niteny i Allah manao hoe:
﴿تُسَبِّحُ لَهُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ ٱلسَّبۡعُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهِنَّۚ وَإِن مِّن شَيۡءٍ إِلَّا يُسَبِّحُ بِحَمۡدِهِۦ وَلَٰكِن لَّا تَفۡقَهُونَ تَسۡبِيحَهُمۡۚ...﴾
"Mankalaza ny voninahiny ireo lanitra fito sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelany. Tsy misy na inona na inona, ka tsy mankalaza ny voninahiny sy ny fiderana Azy. Ka nefa tsy fantatrareo ny fomba fideran’izy ireo Azy... [Sourat Al-Isrà: 44] Ary toy izany koa ny devoly sy ny Djiny, mivezivezy eto an-tany mandroso sy miverina. Efa tonga teo amin’ny irakan’i Allah (S.A.W) ny Djiny, ka nihaino ny famakiany ny Boky masina Koroany, sady nihaino tsara, dia niverina teo amin’ny vahoakany ho mpampitandrina izy ireo. Na dia izany aza, dia voasitrika Amintsika izy ireo, ary momba izany dia hoy i Allah hoe:
﴿يَٰبَنِيٓ ءَادَمَ لَا يَفۡتِنَنَّكُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ كَمَآ أَخۡرَجَ أَبَوَيۡكُم مِّنَ ٱلۡجَنَّةِ يَنزِعُ عَنۡهُمَا لِبَاسَهُمَا لِيُرِيَهُمَا سَوۡءَٰتِهِمَآۚ إِنَّهُۥ يَرَىٰكُمۡ هُوَ وَقَبِيلُهُۥ مِنۡ حَيۡثُ لَا تَرَوۡنَهُمۡۗ إِنَّا جَعَلۡنَا ٱلشَّيَٰطِينَ أَوۡلِيَآءَ لِلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ 27﴾
Oh ry taranak’i Adama ! Aoka tsy hampiditra fakam-panahy aminareo i Satana tahaka ny namoahany ny Ray aman-drenibenareo avy tao amin’ny paradisa, no sady nesoriny tamin’izy ireo ny fitafiany mba hampiharihariany amin’izy ireo ny fitanjahany. Tena mahita Anareo izy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy, nefa Ianareo tsy mahita azy ireo. Marina fa Izy dia nanendry ireo Satana ho sakaizan’ireo izay tsy mino. [Sourat Al-Anrafo: 27] Ary raha tsy takatry ny zavaboary ny zava-misy rehetra; dia tsy azo atao ny mandà izay voamarina mikasika ny zava-miafina, na dia tsy takany aza izany.
Tompo Allâh no Lehibe Indrindra
Ny finoana ny Lahatra sy ny Anjara
Ny Lahatra dia ny fandaharan'Allah ho an'ireo zavaboary, araka ny fahalalany teo aloha, sy izay takian'ny fahendreny.
Ny finoana ny lahatra sy anjara dia mifono zavatra efatra:
Ny Voalohany: Ny finoana fa Allah no mahalala ny zavatra rehetra, amin'ny ankapobeny sy amin'ny antsipiriany, tsy manam-piandohana ary tsy manam-pahataperana, na mikasika ny asa ataony izany, na ny asa ataon'ireo mpanompony.
Ny faharoa dia: Ny finoana fa efa nosoratan'Allah izany ao amin'ny " Al-laouhi al-mahfouzo" (ilay Solaitra voaro), ary momba ireo zavatra roa ireo dia miteny Izy Tompo Allah manao hoe:
﴿أَلَمۡ تَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ذَٰلِكَ فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ 70﴾
Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’i Allah izany.
[Sourat Al-Hadjy: 70].
Voalaza ao amin'ny Soahihy Mouslim, tatitra azo avy amin'i Abdillah ibno 'Amro ibn Al-'ànsu (R.A) niteny hoe: Naheno an'ilay Irakan'i Allah (S.W.A) Aho nilaza hoe:
«كَتَبَ اللَّهُ مَقَادِيرَ الْخَلَائِقِ قَبْلَ أَنْ يَخْلُقَ السَّمَوَاتِ وَالْأَرْضَ بِخَمْسِينَ أَلْفَ سَنَةٍ».
"Allah dia efa nanoratra ireo lahatry ny zavaboary, dimampolo arivo taona talohan'ny nanamboarany ireo lanitra sy ny tany"20."
Ny fahatelo: Ny finoana fa ny zavaboary rehetra dia tsy misy raha tsy amin'ny sitrak'Allah, na avy amin'ny asany izany, na avy amin'ny asan'ny zavaboary. Hoy i Allah mikasika ny asany:
﴿وَرَبُّكَ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُ وَيَخۡتَارُ...﴾
Ary ny Tomponao dia nahary sy nisafidy izay sitrany... [Sourat Al-kassoasy: 68] Ary mbola niteny ihany hoe:
﴿...وَيَفۡعَلُ ٱللَّهُ مَا يَشَآءُ﴾
ary manao izay sitrany Allah. [Sourat Ibrahim: 27] Ary mbola niteny ihany koa hoe:
﴿هُوَ ٱلَّذِي يُصَوِّرُكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ كَيۡفَ يَشَآءُۚ...﴾
Izy no nanome anareo endrika tao am-bohoka araka izay sitrany... [Sourat Al-Imran: 6] Ary Niteny Allah mikasika ny ataon'ny zava-boary ka manao hoe:
﴿...وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَسَلَّطَهُمۡ عَلَيۡكُمۡ فَلَقَٰتَلُوكُمۡۚ...﴾
Raha sitrak’Allah dia nomeny fahefana aminareo izy ireo, ka niady taminareo. [Sourat An-Nisà: 90] Ary mbola niteny ihany hoe:
﴿...وَلَوۡ شَآءَ رَبُّكَ مَا فَعَلُوهُۖ فَذَرۡهُمۡ وَمَا يَفۡتَرُون﴾
Raha sitraky ny Tomponao dia tsy nataon’izy ireo izany, avelao àry izy ireo sy ny lainga izay foronony. [Sourat Al-An'amy: 112]
Ny fahaefatra dia: Ny finoana fa noforonin’i Allah avokoa ny zavaboary rehetra, ny tenany, ny toetrany, ary ny fihetsiny. Araka ny Tenin'i Allah Taànla manao hoe:
﴿ٱللَّهُ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ 62﴾
Mpahary ny zava-drehetra i Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo. [Sourat Az-zoumaro: 62]. Ary niteny ilay avo Tsitoha hoe:
﴿...وَخَلَقَ كُلَّ شَيۡءٖ فَقَدَّرَهُۥ تَقۡدِيرٗا﴾
Izy no Nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy. [Sourat Al-Forkany: 2] Ka nilaza sy niteny mahakasika an'i Mpaminaniny Abrahama (A.S) i Allah ka nilaza tamin'ny vahoakany hoe:
﴿وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ وَمَا تَعۡمَلُونَ 96﴾
Nefa i Allah no nahary anareo sy izay ataonareo [Sourat-Soafaty: 96].
Ary ny finoana ny lahatra - araka ny efa nofaritantsika - dia tsy manafoana ny fisian'ny sitrapo ananan'ny mpanompo amin'ireo asany an-tsafidy, sy ny fahafahana amin'izany; Satria ny Lalàna sy ny zava-misy dia samy manaporofo ny fananany izany.
Fa raha ny lalàn'i Allah kosa: dia niteny i Allah mikasika ny sitrapo hoe:
﴿...فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ مَـَٔابًا﴾
koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo, [Sourat An-Naba': 39] Ary mbola niteny ihany manao hoe:
﴿...فَأۡتُواْ حَرۡثَكُمۡ أَنَّىٰ شِئۡتُمۡ...﴾
...mankanesa any amin’ny tanim-bolinareo arak’izay sitrakareo ianareo... [Sourat Al-Bakarat: 223] Ary mbola niteny ihany mikasika ny Fahefana:
﴿فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُمۡ وَٱسۡمَعُواْ وَأَطِيعُواْ...﴾
Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy... (Sourat At-Taghabouny: 16) Ary mbola niteny ihany hoe:
﴿لَا يُكَلِّفُ ٱللَّهُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَاۚ لَهَا مَا كَسَبَتۡ وَعَلَيۡهَا مَا ٱكۡتَسَبَتۡ...﴾
Allah dia tsy manery na iza na iza hanao zavatra mihoatra ny zakany. Ho azy ny vokatry ny soa vitany, ary hifototra Aminy ny ratsy nataony. [Souratoul Al-Bakarat: 286].
Raha ny zava-misy kosa: dia fantatry ny olona tsirairay fa manana safidy sy fahefana izy, izay entiny manao sy entiny mamela zavatra, ary manavaka eo amin’izay mitranga amin’ny filany toy ny fandehanana, sy izay mitranga tsy amin’ny filany toy ny fangovitana. Kanefa ny sitrapon'ny mpanompo sy ny fahefany dia mitranga amin'ny sitrapon'i Allah sy ny fahefany; araka ny tenin'i Allah Ta'anla hoe:
﴿لِمَن شَآءَ مِنكُمۡ أَن يَسۡتَقِيمَ 28 وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ29﴾
Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo, ary tsy manam-paniriana Ianareo raha tsy sitrapon'i Andriamanitra, Tompon'izao tontolo izao. [Sourat-At-Takwiry: 28-29] Satria fanjakan'Allah izao tontolo izao manontolo, ka tsy misy zavatra miseho ao amin'ny fanjakany afa-tsy amin'ny fahalalany sy ny sitrapony.
Ary ny finoana ny Lahatra sy ny Anjara -araka ny namaritanay azy- dia tsy manome ny mpanompo fialan-tsiny amin'ireo adidy tsy nataony, na tamin'ireo fahotana vitany. Ary noho izany, ny fanaovany izany ho fialan-tsiny dia tsy mitombina noho ny antony maro:
ilay voalohany dia ny tenin'i Allah manao hoe:
﴿سَيَقُولُ ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ لَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَآ أَشۡرَكۡنَا وَلَآ ءَابَآؤُنَا وَلَا حَرَّمۡنَا مِن شَيۡءٖۚ كَذَٰلِكَ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ حَتَّىٰ ذَاقُواْ بَأۡسَنَاۗ قُلۡ هَلۡ عِندَكُم مِّنۡ عِلۡمٖ فَتُخۡرِجُوهُ لَنَآۖ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَإِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا تَخۡرُصُونَ 148﴾
Hiteny ireo izay nanakambana an'Allah amin’ny zavatra hafa manao hoe: “Raha sitrak’Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izahay sy ireo raibenay teo aloha, ary tsy nampifady na inona inona izahay ”. Tahaka izany koa no nampandaingan’ireo izay teo alohan’izy ireo (ireo Iraka) mandra-panandraman’izy ireo ny hatezeranay. Teneno hoe: “Moa ve misy sombim-pahalalana ianareo ka avokanareo ho anay izany? Tsy manaraka Ianareo afa-tsy ny vinavina, ary tsy manao Ianareo afa-tsy ny famoronan-dainga ”. [Sourat Al-An'amy: 148] Fa raha nanana porofo momba ny lahatra izy ireo, dia tsy ho nampahatsapan'Allah azy ireo ny famaizany.
Ny faharoa: ilay tenin'Allah manao hoe:
﴿رُّسُلٗا مُّبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَى ٱللَّهِ حُجَّةُۢ بَعۡدَ ٱلرُّسُلِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمٗا 165﴾
Ka izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan’olombelona porofo entina manohitra an’Allah taorianan’ireo Iraka. Ary i Allah dia ilay avo Tsitoha be Fahendrena. [Sorat An-Nisà: 165] Ary raha toa ka ny Lahatra dia porofo ho an’ireo mpanohitra, dia ho very hasina ny fandefasana ireo Iraka; Satria ny fanoherana aorian’ny nandefasana azy ireo dia mitranga araka ny lahatr’i Allah ilay Avo Indrindra.
Ny fahatelo: Tatitra avy amin'i Boukhari sy Mouslimo – ary avy amin'i Boukhari ny tonony – avy tamin'i Ali bin Abi toalibo (R.A), fa niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:
«مَا مِنْكُمْ مِنْ أَحَدٍ إِلَّا قَدْ كُتِبَ مَقْعَدُهُ مِنَ النَّارِ أَوْ مِنَ الْجَنَّةِ».
"Tsy misy na dia iray aminareo afa-tsy hoe efa voasoratra ny toerany ao amin'ny Afobe na ao amin'ny Paradisa."" Ka hoy ny lehilahy iray hoe: Tsy hiantehitra ve isika, ry irakan'i Allah ô? Dia namaly Izy ka hoe:
«لَا، اعْمَلُوا فَكُلٌّ مُيَسَّرٌ».
"Tsia, miasà ianareo fa ny rehetra dia efa nankamoraina " Avy eo dia namaky hoe:
﴿فَأَمَّا مَنۡ أَعۡطَىٰ وَٱتَّقَىٰ 5﴾
Ary ho an'ilay malala-tànana sy manam-patahorana an'i Allah. [Sourat Al-layly: 5]. Ary amin'ny tatitra hafa notaterin'i Mouslimo:
«فَكُلٌّ مُيَسَّرٌ لِمَا خُلِقَ لَهُ».
"Fa ny rehetra dia efa nankamoraina ho an'izay nanamboarana Azy"[21]21 Koa nandidy ny amin'ny fanaovana asa ny Mpaminany (S.A.W), ary nandrara ny amin'ny fianteherana amin'ny lahatra.
Ny fahaefatra dia ny hoe: i Allah dia nandidy ny mpanompo sy nisakana azy, ary tsy nanery azy afa-tsy izay vitany, Araka ny Tenin'Allah manao hoe:
﴿فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُمۡ وَٱسۡمَعُواْ وَأَطِيعُواْ...﴾
Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy... (Sourat At-Taghabouny: 16) Ary mbola niteny ihany ka hoe:
﴿لَا يُكَلِّفُ ٱللَّهُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَا...﴾
Allah dia tsy manery na iza na iza hanao zavatra mihoatra ny zakany... [Sourat Al-Bakarat: 286] Fa raha noterena hanao zavatra ny mpanompo, dia ho nampanaovina zavatra tsy hainy ialana izy, ary foana izany; noho izany, raha nanao fahotana izy noho ny tsy fahalalana, na fanadinoana, na fanerena; dia tsy misy ota Aminy; Satria manana fialan-tsiny Izy.
Ny fahadimy: Ny lahatra sy anjara izay norafetin'Allah dia mipetraka ho tsiambaratelo miafina ho Azy manokana ka tsy misy mahalala izany raha tsy efa mitranga izay voatendry sy voasoratra, ary ny sitrapon'ny mpanompo amin'izay ataony dia mialoha ny asa ataony; koa ny sitrapony hanao ilay asa dia tsy miorina amin'ny fahalalana ananany momba ny anjaran'i Tompo Allah. Noho izany, foana ny fialan-tsiny ataony amin'ny anjara; Satria tsy manan-kalahatra ny Olona amin'ny zavatra tsy fantany.
Ny fahaenina: Hitantsika ny olombelona fa mikiry amin’izay mifanaraka aminy amin'ny raharahan'ny fiainany eto an-tany mandra-pahazoany izany, ary tsy miala amin'izany ho amin'izay tsy mifanaraka aminy; koa nahoana izy no miala amin'izay mahasoa azy amin'ny raharahan'ny fivavahany ho amin'izay manimba azy, vao manao ny lahatra ho fialantsiny? Moa ve tsy iray ihany ny momba ireo raharaha roa ireo?
Ity misy ohatra manazava an'izany:
Raha toa ka misy làlana roa eo anatrehan'ny olombelona: ny iray miafara amina tany feno korontana tanteraka: famonoana, sy fandrobana, sy fanitsakitsahana ny voninahitra, sy tahotra, ary mosary. Fa ny faharoa kosa dia miafara amina tany feno filaminana, sy fandriampahalemana tanteraka, sy fiainana an-kalalahana, ary fanajana ny aina, ny voninahitra, ary ny fananana. Koa aiza amin'ireo làlana roa ireo no harahiny?
Izy tokoa dia hizotra amin'ny làlana faharoa izay hiafarany any amin'ny tanin'ny filaminana sy ny fitoniana, ary tsy misy na dia olona iray manan-tsaina aza afaka ny hizotra amin'ny làlan'ny tanin'ny fikorontanana sy ny tahotra ka ny lahatra indray no hataony ho fialàna. Koa nahoana no izorany ny làlan'ny Afobe fa tsy ny amin'ny Paradisa amin'ny raharahan'ny fiainana any ankoatra, nefa ny lahatra no ataony ho fialan-tsiny?
Ary ohatra iray hafa: Hitantsika ny marary izay asaina misotro fanafody; ka sotroiny izany na dia tsy irin'ny tenany aza, ary ràrana izy tsy hihinana ny sakafo izay manimba azy; ka avelany izany na dia irin'ny tenany aza. Izany rehetra izany dia atao mba hitadiavana ny fahasitranana sy ny fahasalamana, ary tsy afaka ny hifady ny fisotroana ilay fanafody izy, na hihinana ny sakafo manimba azy, ka hanao ny lahatra ho fanamarinan-tena. Koa nahoana ny olombelona no mandao sy mamela an'izay rehetra nodidian'Allah sy ilay Iraka fa tokony atao, na manatanteraka izay rehetra noraràna amin'izy ireo, ka nefa avy eo dia ny lahatra no entiny ho fanoherana?
Fahafito dia: Ilay olona manao ny lahatra ho fanoherana amin'izay adidy navelany, na fahotana nataony, Ohatra raha misy olona manambaka azy ka maka ny hareny, na manitsakitsaka ny hajany, avy eo izy manao ny lahatra ho fanoherana, ka miteny hoe: Aza omena tsiny aho fa ny fanambakana nataoko dia tamin'ny lahatrin'Allah - dia tsy hekena ny fomba nandaisany ny fanoherany izany, Koa ahoana no tsy anekeny ny lahatra ho porofo manoloana ny fanitsakitsahana ataon'ny hafa azy, kanefa izy mametraka izany ho porofo ho an'ny tenany amin'ny fanitsakitsahany ny zon'llah?
Voalaza fa ny Lehiben'ny mpino Omary Ibn Al-Khattoâbou (R.A), dia nisy mpangalatra nentina teo anatrehany izay mendrika ny fanapahana ny tànany; ka nanome baiko ny hanapahana izany izy. Dia hoy ilay mpangalatra: Miandrasa kely aloha, ry Lehiben'ny mpino, fa tsy nangalatra aho raha tsy araka ny lahatrin'Allah. Dia namaly i Oumar hoe: Ary izahay koa dia tsy manapaka raha tsy araka ny lahatrin'i Allah ihany koa.
Ny finoana ny lahatra sy anjara dia mitondra vokatra sarobidy maro samihafa, anisan'izany:
Ny Voalohany: Ny fianteherana amin'Allah ilay avo Tsitoha rehefa manao ireo fomba, ka tsy miantehitra amin'ilay fomba mihitsy; Satria ny zava-drehetra dia amin'ny lahatrin'i Allah ilay avo Tsitoha.
Faharoa: Tsy tokony hirehareha na hanambony tena ny olona iray rehefa tanteraka ny faniriany; Satria ny fahatanterahan'izany dia fahasoavana avy amin'Allah ilay Avo Tsitoha, amin'ny alàlan'izay notendreny ho anton'ny soa sy ny fahombiazana, ary ny fireharehany amin'ny tenany dia mampanadino azy ny fisaorana sy fankasitrahana izany fahasoavana izany.
Ny fahatelo: Ny fahatoniana sy ny fiadanan-tsaina manoloana izay lahatrin'Allah miseho Aminy; ka tsy mitebiteby noho ny fahafoanan'izay tiany, na ny fisehoan'izay ankahalainy; Satria izany dia lahatrin'Allah, ilay manana ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany, ary tsy maintsy tanteraka izany. Ary momba izany dia hoy i Allah manao hoe:
﴿مَآ أَصَابَ مِن مُّصِيبَةٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِيٓ أَنفُسِكُمۡ إِلَّا فِي كِتَٰبٖ مِّن قَبۡلِ أَن نَّبۡرَأَهَآۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ 22 لِّكَيۡلَا تَأۡسَوۡاْ عَلَىٰ مَا فَاتَكُمۡ وَلَا تَفۡرَحُواْ بِمَآ ءَاتَىٰكُمۡۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ كُلَّ مُخۡتَالٖ فَخُورٍ 23﴾
Tsy misy loza mahazo ny tany, na ny tenanareo, ka tsy voasoratra tao amin’ny boky talohan’ny nanaovanay azy; fa mora ho an’i Allah tokoa izany. Mba tsy halahelovanareo ny zavatra tsy azonareo, ary tsy hiravoravoanareo amin’izay nomeny anareo; fa i Allah tsy tia ny mpieboebo mirehareha rehetra. [Sourat Al-Hadidy: 22-23]. Ary milaza ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe:
«عَجَبًا لِأَمْرِ الْمُؤْمِنِ إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إِلَّا لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ صَبَرَ فَكَانَ خَيْرًا لَهُ».
«Mahagaga tokoa ny raharahan'ny mpino, Satria ny raharahany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa »22.
Ary nisy vondrona roa diso sy very làlana raha mikasika ny lahatra:
Voalohany amin'izany: Ny Djabriyyah izay nilaza hoe: fa ny mpanompo dia voatery amin'ny asany, ary tsy manana safidy na hery amin'izany izy.
Ny faharoa dia: Ireo Kadariyyah izay nilaza fa ny mpanompo dia mahaleo tena amin'ny asany eo amin'ny lafin'ny sitrapony sy ny heriny, ary ny sitrapon'Allah sy ny heriny dia tsy misy akony na fiantraikany amin'izany velively.
Valin-kafatra ho an'ny vondrona voalohany (ny Dabriyyah) amin’ny lalàna Islamika sy ny zava-misy:
Fa raha ny lalàna kosa: dia nanamafy Allah fa manana filana sy sitrapo ny mpanompo, ary nampifandraisiny taminy ny asa. Miteny Allah nanao hoe:
﴿...مِنكُم مَّن يُرِيدُ ٱلدُّنۡيَا وَمِنكُم مَّن يُرِيدُ ٱلۡأٓخِرَةَ...﴾
Misy aminareo no maniry ny fiainana eto an-tany, ary misy aminareo ihany koa ny maniry ny fiainana any an-koatra. [Sourat al Imorany: 152]. Ary miteny i Allah manao hoe:
﴿وَقُلِ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكُمۡۖ فَمَن شَآءَ فَلۡيُؤۡمِن وَمَن شَآءَ فَلۡيَكۡفُرۡۚ إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلظَّٰلِمِينَ نَارًا أَحَاطَ بِهِمۡ سُرَادِقُهَا...﴾
Ary teneno: " Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo ”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay... [Sourat Al-Kahf: 29] Ary niteny Allah manao hoe:
﴿مَّنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ أَسَآءَ فَعَلَيۡهَاۗ وَمَا رَبُّكَ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ 46﴾
Fa izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony. [Sourat Fossilaty: 46]
Fa raha ny zava-misy kosa: Ny olombelona rehetra dia mahalala ny fahasamihafana eo amin’ny asa ataony araka ny safidiny sy ny sitrapony: Toy ny fihinanana, ny fisotroana, ny fivarotana, ary ny fividianana; sy izay mihatra aminy tsy araka ny sitrapony: Toy ny fangovitana noho ny tazo, sy ny fianjerana avy eny ambony tafon-trano. Koa amin’ny tranga voalohany, izy no mpanao misafidy araka ny sitrapony tsy misy fanerena, fa amin’ny faharoa kosa dia sady tsy manan-tsafidy izy no tsy naniry izay nihatra taminy.
Ary ny fanoherana ny antoko faharoa (Kadariyyah) amin'ny Shariant sy ny saina:
Fa raha ny Lalàna kosa: dia tena marina fa Allah no Mpahary sy nanamboatra ny zava-drehetra, ary ny zava-drehetra dia tanteraka araka ny sitrapony, ary efa nanambara Allah tao amin’ny bokiny fa ny asan’ny mpanompony dia tanteraka avokoa araka ny sitrapony, ka niteny i Allah manao hoe:
﴿...وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقۡتَتَلَ ٱلَّذِينَ مِنۢ بَعۡدِهِم مِّنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُ وَلَٰكِنِ ٱخۡتَلَفُواْ فَمِنۡهُم مَّنۡ ءَامَنَ وَمِنۡهُم مَّن كَفَرَۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقۡتَتَلُواْ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يُرِيدُ﴾
Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo maro samy hafa teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany. [Sourat Al-Bakarat: 253] Ary miteny Allah manao hoe:
﴿وَلَوۡ شِئۡنَا لَأٓتَيۡنَا كُلَّ نَفۡسٍ هُدَىٰهَا وَلَٰكِنۡ حَقَّ ٱلۡقَوۡلُ مِنِّي لَأَمۡلَأَنَّ جَهَنَّمَ مِنَ ٱلۡجِنَّةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ 13﴾
Raha sitrakay, dia nomenay ny tari-dàlany avy ny fanahy tsirairay. Ka nefa tsy maintsy tanterahana ny teny avy aty Amiko: “ Tena ho fenoiko ireo Djiny sy ireo olombelona ny Afobe ”. [Sourat Al-Sadjidah: 13].
Fa raha ny saina kosa: dia anjakan'Allah ilay avo Tsitoha avokoa izao rehetra izao, ary ny olombelona dia anisan'izao rehetra izao; ka noho izany izy dia anjakan'Allah ilay avo Tsitoha koa, ary tsy azon'ilay anjakana atao ny handrindra ny fananan'ilay Mpanjaka raha tsy noho ny fanomezany alalana sy ny didiny.
Ireo tanjon'ny foto-pinoan'ny finoana Islam
Ny tanjona (ara-bakiteny): Ilazana heviny maromaro, ka anisan'izany ny: (Zava-kendrena atsangana mba hotorahana, sy ny zavatra rehetra tiana hahatongavana)
Ary ireo tanjon'ny foto-pinoana Islamika: dia ireo zava-kendreny sy tanjona ambony vokatry ny fifikirana aminy, ary maro sy isankarazany izy ireo, ka ao anatin'izany:
Voalohany dia: Ny fanokanana ny fikasana sy ny fanompoana ho an'Allah ilay Avo Tsitoha irery ihany; Satria Izy no Mpahary ka tsy misy mikambana Aminy, ka noho izany dia tsy maintsy atokana ho Azy manokana irery ihany ny tanjona rehetra sy ny fanompoana.
Faharoa: Fanafahana ny saina sy ny fisainana amin'ny fisavoritahana ateraky ny tsy fisian'ity foto-pinoana ity ao am-po; Satria izay olona tsy manana izany ao am-pony, dia na fo tsy misy foto-pinoana sady mpanompon'ny zavatra azo tsapain-tanana fotsiny, na misavoritaka ao anatin'ireo fahadisoan-dàlan'ny foto-pinoana sy ny finoanoampoana.
Fahatelo: Ny fiadanam-panahy sy ny saina, ka tsy misy tebiteby ao anaty ary tsy misy korontana ao an-tsaina; Satria ity fotopinoana ity dia mampifandray ny mpino amin'ny Mpahary Azy; ka afa-po izy aminy amin'ny maha-Tompo Mpandrindra sy Mpitsara ary Mpanome lalàna Azy; ka tony ny fony amin'ny lahatra avy Aminy, ary misokatra ny fony ho an'ny finoana Islamo; ka tsy mitady izay hisolo azy Izy.
Fahaefatra: Ny fahamarinan'ny fikasana sy ny asa amin'ny fiviliana eo amin'ny fanompoana Allah ilay Avo Indrindra, na eo amin'ny fifampiraharahana amin'ireo voahary; Satria anisan'ireo fototra iorenany ny finoana an'ireo Iraka, izay mirakitra ny fanarahana ny làlan'izy ireo, dia ilay làlana feno fahamarinana eo amin'ny fikasana sy ny asa.
Fahadimy: Ny fikirizana sy ny fahazotoana amin’ny raharaha, ka tsy mamela hirika hanaovana asa soa izy raha tsy araraotiny; amin’ny fanantenana ny valisoa, ary tsy mahita toerana misy fahotana izy raha tsy miala lavitra an’izany; noho ny fahatahorana ny famaizana; Satria anisan’ny fototra iorenany ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty, sy ny valin’ny asa.
Niteny Allah manao hoe:
﴿وَلِكُلّٖ دَرَجَٰتٞ مِّمَّا عَمِلُواْۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَٰفِلٍ عَمَّا يَعۡمَلُونَ 132﴾
Ho an’ny tsirairay, ireo ambaratonga amin’izay asa nataon’izy ireo. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana amin’izay asa ataon’izy ireo. [Sourat Al-Anian-my: 132] Ary efa namporisika amin'ity tanjona ity ny Mpaminany (S.A.W) ka nitey hoe:
«الْمُؤْمِنُ الْقَوِيُّ خَيْرٌ وَأَحَبُّ إِلَى اللَّهِ مِنَ الْمُؤْمِنِ الضَّعِيفِ، وَفِي كُلٍّ خَيْرٌ، احْرِصْ عَلَى مَا يَنْفَعُكَ، وَاسْتَعِنْ بِاللَّهِ، وَلَا تَعْجِزْ، وَإِنْ أَصَابَكَ شَيْءٌ فَلَا تَقُلْ: لَوْ أَنِّي فَعَلْتُ كَذَا كَانَ كَذَا وَكَذَا، وَلَكِنْ قُلْ: قَدَّرَ اللَّهُ وَمَا شَاءَ فَعَلَ؛ فَإِنَّ (لَوْ) تَفْتَحُ عَمَلَ الشَّيْطَانِ».
"Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha amin'ny fanaovana izay mahasoa anao, dia mangataha fanampiana amin'Allah, fa aza miraviravy tànana. Ary raha misy zavatra manjo anao dia aza miteny hoe: Raha izao no nataoko dia ho toy izao sy izao; fa mitenena kosa ny hoe: Izany no lahatran'Allah, ary izay sitrany no nataony; Satria ny teny hoe "raha izao" dia manokatra ny asan'ny satana." Notaterin'i Mouslim23.
Fahaenina: Ny fananganana firenena matanjaka izay manolotra ny zava-drehetra ananany na sarobidy na tsia, ho fanamafisana ny fivavahany sy fanorenana ireo andry ijoroany, ka tsy miraharaha izay manjo azy eo amin'izany làlana izany, ary momba izany dia hoy Allah ilay Avo Tsitoha manao hoe:
﴿إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ ثُمَّ لَمۡ يَرۡتَابُواْ وَجَٰهَدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلصَّٰدِقُونَ 15﴾
Ny tena mpino, dia ireo mino an'i Allah sy ny Irany, sy tsy misalasala mihitsy aty aoriana, ary miezaka amin’ny làlan’i Allah amin’alalan’ireo fananany sy ny tenany. Izy ireny no tena olona marina. [Sourat Al-Hojoraty: 15].
Ny fahafito: Ny fahatongavana amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any ankoatra amin’ny alàlan’ny fanatsarana ny isam-batan’olona sy ny fiarahamonina, ary ny fahazoana ny valisoa sy ny voninahitra. Ary momba izany dia miteny Allah:
﴿مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا مِّن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَلَنُحۡيِيَنَّهُۥ حَيَوٰةٗ طَيِّبَةٗۖ وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَجۡرَهُم بِأَحۡسَنِ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ 97﴾
N'iza n'iza manao asa soa, lahy na vavy, no sady mpino, dia tena ho velominay amin’ny fiainana tsara izy. Ary omenay valisoa mendrika mihoatra ny asa izay nataony izy ireo. [Sourat An-nahaly: 97]
Ireto ny sasany amin'ireo tanjon'ny finoana Islam, mangataka amin'Allah isika mba hanatanterahany izany ho antsika sy ho an'ny vahoaka mpino silamo rehetra; Ny tena marina dia malala-tànana sy fatra mpanome Izy, ary dera ho an'Allah, Tompon'izao tontolo izao.
Ary ny fitahian’Allah sy ny fiadanana anie ho an'ny Mpaminanintsika Mouhammad (S.A.W) sy ireo fianakaviany ary ireo mpanaradia azy rehetra.
Tontosa tamin'ny alàlan'ny soratanan'ny mpanoratra azy.
Sheikh Mouhammadi Bin Soaleh Al-Outhaimine.
***
Fanoroam-pejy
TENY FAMPIDIRANA 2
Ny finoana Islam 4
IREO ANDRIN'NY FINOANA ISLAM 11
Ny fototry ny foto-pinoana Isilamika 16
Ny finoana an'Allah ilay avo Tsitoha 17
Ny finoana an'ireo Anjely 40
Ny finoana an'ireo Boky 47
Ny finoana an'ireo Iraka 49
Ny finoanana ny Andro farany 60
Ny finoana ny Lahatra sy ny Anjara 86
Ireo tanjon'ny foto-pinoan'ny finoana Islam 101
***
mg71v1.2 - 21/06/2026
Notantarain'i Al-Boukhari Boky Al-imany, Laharana (8), sy Mouslimo Boky Al-imany, Toko ny tenin'ny Mpaminany ny hoe: miorina amin'ny andry dimy ny finoana Isilamo, Laharana (16).
Notantarain'i Mouslimo, Bokin'ny Finoana, Laharana (8), sy Abou Daoudou: Bokin'ny Sounnà, Toko momba ny Lahatra, Laharana (4695).
Notanterin’i Al-Boukhari: Bokin'ny Fandevenana, Toko: Raha niditra Silamo ny zaza iray ka maty, moa ve atao vavaka ho azy, ary moa ve atolotra ny zaza ny finoana Isilamo, Laharana (1292), sy Mouslimo: Bokin'ny Lahatra, Toko: Ny dikan'ny hoe ny zaza rehetra dia teraka ao anatin'ny finoana voajanahary, sy ny didy mikasika ny fahafatesan'ny zanaky ny tsy mpino sy ny zanaky ny Silamo, Laharana (2658).
Notantarain'i Al-Boukhari: Soràtra At-Touro, Laharana (4854).
Notanterin'i Boukhari: Bokin'ny Zoma, Toko momba ny fangatahana orana amin'ny toriteny amin'ny andro Zoma, laharana (891).
Notanterin'i Al-Boukhari: kitabo Al-Joumo'a, babo Al-Istisqa fi Al-Khoutba yaomo Al-Joumo'a, laharana (891), sy Moslimo: kitabo Soalat Al-Istisqa, babo Ad-Dou'an fi Al-Istisqa, laharana (897).
Notantarain'i Mouslimo: Kitabo Al-imany, Toko fanazavana ny Imany sy ny Isilamo ary ny Ihisany, sy ny adidy inoana ny fanamafisana ny lahatr'i Tompo Allah ilay Madio sy Avo Indrindra, Laharana (8).
Notantarain'i Al-Boukhari: Boky Fanombohan'ny Famoronana, Toko Filazana ny Anjely, Laharana (3037), sy Mouslimo: Boky ny Fanaovan-tsoa sy ny Fifandraisana ary ny Fahalalam-pomba, Toko Rehefa tia mpanompo iray i Tompo Allah, dia ataony tian'ireo mpanompony, Laharana (2637).
Notanterin’i Al-Boukhari: Boky Fizarana momban’ny Zoma, Toko momban’ny Fihainoana ny toriteny, laharana (887), sy Mouslimo: Boky Fizarana momban’ny Zoma, Toko momban’ny hasarobidin’ny fandehanana aloha ny andro zoma, laharana (850).
Notanterin’i Boukhari: Bokin’ny Tawhîdi, Toko: Ny Tenin’i Tompo Allah Ta’anla hoe: ﴿لِمَا خَلَقۡتُ بِيَدَيَّۖ﴾, Laharana (7410), sy Mouslimo: Bokin’ny Finoana, Toko: Ny mponina ao amin’ny Paradisa manana toerana ambany indrindra ao, Laharana (193).
Notanterin'i Al-Boukhari: Toko momba ny Qiblat, Toko: Fitodihana mankany amin'ny Qiblat na aiza na aiza, laharana (392), sy Mouslimo: Boky: Ny Moske sy toeram-pivavahana, Toko: Ny fanadinoana am-bavaka sy ny fiankohofana ho Azy, laharana (572).
Notantarain'i Mouslimo, Boky momba ny Paradisa, ny famaritana ny fahafinaretany sy ny mponina ao aminy, Toko momba ny faharavan'izao tontolo izao, ary ny fanazavana momba ny Famoriana amin'ny Andron'ny Fitsarana, Laharana (2859).
Notanterin’i Boukhari: Boky ny Tsy Rariny, Toko: ny Tenin'i Tompo Allah Ta'anla: ﴿أَلَا لَعۡنَةُ ٱللَّهِ عَلَى ٱلظَّٰلِمِينَ﴾, Laharana (2309), sy Mouslimo: Boky ny Fibebahana, Toko: Ny fanekena ny fibebahan'ny mpamono Olona, na dia be aza ny vono Olona vitany, Laharana (2768).
Notantarain'i Mouslimo: Bokin'ny Finoana, Toko: Raha mikasa hanao asa soa ny mpanompo dia voasoratra izany ary raha mikasa hanao asa ratsy kosa izy dia tsy voasoratra, laharana (131).
Notanterin’i Boukhari: Bokin'ny Fivoasana, toko: "﴿Tsy misy mahafantatra izay nomanina ho azy ireo, ny amin’ny fahafinaretan’ireo maso﴾", laharana (4501), sy Mouslimo: Bokin'ny Paradisa sy ny filazalazana ny fahasoavany ary ny mponina ao, laharana (2824).
Notaterin'i Mouslimo: Bokin'ny Paradisa sy ny famaritana ny hasambarany ary ny mponina ao, Toko fampisehoana amin’ny maty ny toerany any am-Paradisa na any an’Afo sy ny fanamafisana ny sazy any am-pasana ary ny fitadiavana fiarovana amin’izany, Laharana (2867).
Notantarain'i Abou Daouodou: Kitabo-Sounnah, babo Al-mas'alati fil-kabry Oa 'adhabol-kabro, Laharana (4753), sy Ahamadi: Mousnad al-Kufiyyin, hadithe Al-Bara' Ibino 'An-zibo, Laharana (18534).
Notantarain'i Al-Boukhari: Kitabon'ny Oudhoū, Toko momba ny fanasana ny aman-drano, Laharana (215).
Notaterin'i Mouslimo: Bokin'ny Lahatra, Toko momba ny fifandiran'i Adama sy Moussa, laharana (2653).
Notanterin’i Boukhari: Boky Al-Qadar, Toko: « Ary ny didin'i Tompo Allah dia lahatra voatendry», Laharana (6605), sy Mouslimo: Boky Al-Qadar, Toko: « Ny fomba namoronana ny taranak'i Adama ao an-kibon-dreniny, sy ny fanoratana ny anjarany, ny fe-potoana iainany, ny asany, ary ny fahoriany sy ny fahasambarany », Laharana (2647).
Notaterin'i Mouslimo: Bokin'ny Zouhodi sy ny Rakâ'iky, Toko: Tsara avokoa ny raharahan'ny mpino, Noumero. (2999).
Notaterin'i Mouslimo: Bokin'ny Lahatra, toko mikasika ny didy manan-kery, sy ny fialana amin'ny tsy fahafaha-manao, sy ny fikatsahana fanampiana amin'i Tompo Allah, ary ny fanankinana ny lahatra amin'i Tompo Allah, Numero. (2664).
Mouslimo: Boky Al-imany, Toko momba ny tsy maintsy inoana ny hafatra nentin'ny Mpaminanintsika Mouhammadi (S.A.W) ho an'ny zanak'Olombelona rehetra tsy ankanavaka sy ny fanafoanana ireo finoana amin'ny alalan'ny finoany, (153).