ما لا يسع المسلم جهله (ملاغاشي)

كتاب (مَا لَا يَسَعُ المُسْلِمَ جَهْلُهُ) كتابٌ جليل، صيغت حروفُه بمداد العلم والبيان، جمع ما لا يسعُ المسلمَ جهلُه من أصول العقيدة، وشرائع الإسلام، ومحاسن الآداب، بأسلوبٍ متقن، تُضيء به البصائر، وتطمئن له القلوب، يُهذِّب الفهم، ويقوِّم العمل، فكان بحقٍّ مفتاحَ النجاة، ودليلَ السالك في دروب الطاعة والمعرفة.

  • earth Ny Fiteny
    (ملاغاشي)
  • earth Nosoratan'i:
    اللجنة العلمية برئاسة الشؤون الدينية بالمسجد الحرام والمسجد النبوي
PHPWord

 

 

مَا لَا يَسَعُ المُسْلِمَ جَهْلُهُ

 

 

NY ZAVATRA TSY AZO ATAON'NY SILAMO TSINOTSINONA NY FAHAIZANA AZY

 

 

اللَّجْنَةُ العِلْمِيَّةُ

بِرِئَاسَةِ الشُّؤُونِ الدِّينِيَّةِ بِالمَسْجِدِ الحَرَامِ وَالمَسْجِدِ النَّبَوِيِّ

 

Komity siantifika ao amin'ny Fiadidiana ny Raharaha ara-pinoana ao amin'ny moske Al-Haram sy moske An-Nabawi

 

 

 


بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ

NY ZAVATRA TSY AZO ATAON'NY SILAMO TSINOTSINONA NY FAHAIZANA AZY

Teny fanolorana

Dera ho an’Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tsodrano sy ny fiadanana anie ho an'ilay nirahina ho famindram-po ho an'izao tontolo izao, sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy sy izay nanaraka ny sori-dàlany mandra-pahatongan'ny andro fitsarana, aorian'izany:

Ity dia hafatra fohy, izay mirakitra ireo zava-dehibe indrindra ilain'ny mpino silamo amin'ny finoany, ny fanompoam-pivavahany, ary ny fifandraisany amin'ny mpiara-belona, nangoninay ho an'ireo mpitsidika lahy sy vavy ao amin'ireo Toerana Masina roa, mba hananan'izy ireo fahalalana sy fahitana mazava momba ny raharahan'ny fivavahany, manantena avy amin'ilay Malala-tanana sy Mpanao soa mba hahatonga ity hafatra ity hitondra soa, ary hahatonga azy ho asa tsara, sy atao amin'ny fo madio ho Azy irery ihany, Izy tokoa no tsara indrindra iangaviana, ary malala-tanana indrindra antenaina.

 

Amin'ny anaran'Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.

Toko voalohany:

Mikasika ny Foto-pinoana

Fizarana Voalohany: Ny hevitry ny finoana Islam sy ireo andriny

Islam midika: Fanoloran-tena feno ho an'Allah amin'ny alàlan'ny Tawhid (fanokanana Azy), sy fanarahana Azy amin'ny alàlan'ny fankatoavana (ny baikony), ary fanalavirana ny Shirk (fanakambanana Azy amin’ny hafa) sy ireo mpanao an'izany.

Ary miisa Dimy ny andriny:

Ny voalohany: Ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary i Mohammad (S.A.W) no Irak'i Allah.

Ny faharoa: Fananganana ny Soalat.

Ny fahatelo: Famoahana ny Zakat.

Ny fahefatra: Fifehezana Ramadany.

Ny fahadimy: Fivahiniana masina any amin'ny trano masina ho an'izay manana fahafahana amin'izany.

Ny maha zava-dehibe ny fanokanana an'i Allah:

Fantaro fa Allah ilay Be Voninahitra sy Avo dia Nahary ny zava-boary mba hanompoan'izy ireo Azy, ary tsy hanakambanan'izy ireo Azy amin'ny hafa, Miteny Avo Tsitoha manao hoe:

﴿وَمَا خَلَقۡتُ ٱلۡجِنَّ وَٱلۡإِنسَ إِلَّا لِيَعۡبُدُونِ 56﴾

« Tsy nohariako ny jiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy. 56 » [Az-Zàryàte: 56]. Ary ity fanompoana ity dia tsy ho fantatra raha tsy amin'ny alàlan'ny fahalalana, Araka'izay efa nolazain'i Avo Tsitoha manao hoe:

﴿فَٱعۡلَمۡ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لِذَنۢبِكَ وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۗ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مُتَقَلَّبَكُمۡ وَمَثۡوَىٰكُمۡ 19﴾

« Fantaro àry, fa tsy misy Tompo afa-tsy i Allah ary mangataha ny hamelany ny fahotanao sy an’ireo mpino, lahy na vavy. Fantatr’Allah izay ataonareo, sy izay toerana hialanareo sasatra. 19 » [sorate Mohammad: 19]. Dia nanomboka tamin'ny fahalalana izy mialohan'ny fitenenana sy ny asa. Koa ny zavatra lehibe indrindra tokony hianaran'ny mpino silamo dia ny fanokanana an'i Allah; satria io no fototra sy iorenan'ny fivavahana. Tsy miorina ny Finoana raha tsy amin'ny Tawhid (fanokanana), ary izany no adidy voalohany ho an'ny mpino silamo, ary izy no adidy farany. Ny Tawhid (fanokanana Allah) no andry voalohany amin'ireo andrin'ny finoana Islam, izay adidy ho an'ny mpino silamo tsirairay ny mahafantatra sy mampihatra azy ireo, ary miisa dimy izy ireo. Araka ny voalaza ao amin'ny hadith-n'i Abdollah Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe: Nandre ny irakan'Allah (S.A.W) aho, Niteny hoe:

«بُنِيَ الإسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أنْ لَا إلَهَ إلَّا اللَّهُ وأنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَإقَامِ الصَّلَاةِ، وَإيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ البَيْتِ، وصَوْمِ رَمَضَانَ».

«Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islam dia: ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'Allah, ny fananganana ny Soalat, ny famoahana ny Zakat sy ny fanaovana Hajj amin'ilay trano masina ary ny fifehezana Ramadany»1.

Koa adidy ho an'ny mpino silamo ny mianatra ny dikan'ny Fanokanana; dia ny fanokanana ny fanompoana ho an'i Allah irery ihany, Koa tsy tokony hanambatra na iza na iza Aminy amin'ny fanompoana Azy, eny na dia anjely akaiky, na mpaminany nirahina aza.

Ny dikan'ny « fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah »:

Dia ny haneken'ny mpanompo amin'ny finoana mafy orina fa tsy misy tompo marina sy mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, Dia hanompo an'Allah irery ihany, ary manokana ho Azy irery ireo karazam-panompoana rehetra; toy ny Fangatahana, ny Tahotra, ny Fanantenana, ny Fiankinana, sy ny hafa ankoatr'izany.

Tsy tanteraka ny Fijoroana vavolombelona raha tsy amin'ny alàlan'n andry roa:

Ny voalohany: Fandavana ny maha-Andriamanitra sy ny fanompoana an'izay rehetra ankoatran'i Allah; anisan'izany ireo karazana ampifatovizina Aminy, sy ireo andriamanitra, ary ireo mpanjakazaka tompoina.

Ny faharoa: Fanekena ny maha-Andriamanitra Azy sy ny fanompoana marina ho an'Allah irery ihany, fa tsy ho an'izay rehetra ankoatrany, Miteny i Avo Tsitoha manao hoe:

﴿‌وَلَقَدۡ بَعَثۡنَا فِي كُلِّ أُمَّةٖ رَّسُولًا أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ وَٱجۡتَنِبُواْ ٱلطَّٰغُوتَۖ...﴾

{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe): “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty» ”.} [Sorate An-Nahl: 36].

Raha ny fepetran’ny hoe “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, dia toy izao:

Ny Voalohany: Ny fahalalana izay manafoana ny tsy fahalalana.

Ny faha-roa: Ny fahatokiana izay manaisotra ny fisalasalana.

Ny fahatelo: Ny fahadiovam-po izay manala ny Shirk.

Fahefatra: Ny fahamarinana mifanohitra amin'ny lainga.

Ny faha-dimy: Ny fitiavana mifanohitra amin’ny fankahalana.

Ny fahaenina: Ny fankatoavana manafoana ny famelana.

Ny fahafito: Ny fanekena izay manafoana ny fandavana.

Fahavalo: Ny fandavana izay rehetra tompoina ankoatran'i Tompo Allah.

Tsy maintsy ampiharina ireto fepetra ireto, ary nangonina tao amin’ireto andininy roa manaraka ireto izany:

Fahalalana, fahatsoram-po ary fahamarinana miaraka amin'ny fitiavana, fankatoavana ary fanekena azy.

Ary ny fahavalo dia ny tsy fankasitrahanao ny zavatra hafa natao ho andriamanitra ankoatra an’ny tompo.

Ary ny fanamarinana ny fijoroana vavolombelona dia ny fanompoana an'i Tompo Allah irery ihany tsy misy mikambana Aminy, sy ny fahadiovam-po amin'ny fanompoana ho an'i Allah irery ihany, Ka tsy miantso afa-tsy i Allah, ary tsy miankin-doha afa-tsy amin’i Allah, ary tsy manantena afa-tsy amin’i Allah, ary tsy mivavaka afa-tsy ho an'i Allah, ary tsy mamono sorona afa-tsy ho an'i Allah irery ihany.

Koa ny zavatra ataon'ny olona sasany, toy ny fanaovana tawaf (fiodikodiana) eo amin’ny fasana, ny fitadiavana fanampiana amin’ireo maty ao, ary ny fiantsoana azy ireo ankoatran’i Allah, dia fampiombonana Allah (Shirk) eo amin’ny lafin'ny fanompoana. Koa tokony hitandrina amin'izany sy hampitandrina momba izany; satria izany dia isan'ny asa ataon'ireo mpanompo sampy amin'ny fanompoana ny sampy sy ny vato ary ny hazo fa tsy i Allah ilay Tsitoha. Ary izany no ilay fampiombonana an'i Allah izay nampidinana ireo Boky sy nandefasana ireo Iraka mba hampitandrina sy handrarana azy ireo.

Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa i Mohammad dia Irak'i Allah:

Fankatoavana azy amin’izay rehetra iadidiany, finoana izay rehetra lazainy, fialana amin’izay rehetra norarany sy izay nampitandreminy, ary tsy hanompo an’Allah afatsy araka izay nandidiany ihany koa, Koa manaiky ny mpino silamo fa i Mohammad zanak'i Abdollah, avy amin'ny fianakaviana koraishita Hashimita, dia Irak'Allah ho an'ny zava-boahary rehetra; dia ny jiny sy ny olombelona. Arakan'izay efa nolazain'i Allah manao hoe:

﴿قُلۡ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنِّي رَسُولُ ٱللَّهِ إِلَيۡكُمۡ جَمِيعًا...﴾

{Teneno hoe: “O ianareo olombelona ! Marina fa izaho dia Irak’Allah ho anareo rehetra...} [Sorat Al-A'raf: 158].

Ary fa nalefan'Allah izy mba hampita ny finoany sy hitarika ny olona rehetra ho amin'ny fahitsiana, Arakan'izay efa nolazain'Allah manao hoe:

﴿‌وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا كَآفَّةٗ لِّلنَّاسِ بَشِيرٗا وَنَذِيرٗا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ28﴾

{Tsy nalefanay ianao afa-tsy ho mpilaza sy ho mpampitandrina ny olombelona rehetra, nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona.28} [Sorat Sabà: 28] Ary toy ny nitenenan'i Allah hoe:

﴿‌وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا رَحۡمَةٗ لِّلۡعَٰلَمِينَ 107﴾

{Ary tsy nandefa anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.107} [Sorat al Anbya: 107]

Ny fepetra takian'ity fijoroana ho vavolombelona ity dia: ny tsy hinoana fa ny Irak'i Allah (S.A.W) dia manan-jo amin'ny maha-Tompo sy fahefana amin'izao tontolo izao, na zo ho tompoina, Fa kosa izy (S.A.W) dia mpanompo ka tsy azo ivavahana, ary iraka tsy mandainga. Tsy manana fahefana ho an'ny tenany na ho an'ny hafa amin'ny zavatra mahasoa sy maharatsy, afa-tsy izay sitrak'i Allah, Arakan'izay efa nolazain'Allah manao hoe:

﴿‌قُل لَّآ أَقُولُ لَكُمۡ عِندِي خَزَآئِنُ ٱللَّهِ وَلَآ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ وَلَآ أَقُولُ لَكُمۡ إِنِّي مَلَكٌۖ إِنۡ أَتَّبِعُ إِلَّا مَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّ...﴾

{Teneno hoe: “Izaho dia tsy miteny aminareo fa am-pelatanako ny harena sarobidin’Allah, na koa mahalala ny zava-miafina aho ary tsy miteny aminareo koa fa Anjely aho, tsy manaraka afa-tsy ny fanambarana izay nalefa tamiko aho...}

[Sorat Al-An'am: 50]

Fizarana Faharoa: Ny dikan'ny Finoana sy ny andry ao aminy

Ny Finoana dia: fanekena amin'ny fo, fitenenana amin'ny lela, ary asa ataon'ny fo sy ny rantsambatana, izay mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana, ary mihena amin'ny alàlan'ny fahotana.

Koa ny finoana no fepetra mahamarina sy mahavoaray ny fanompoana, Toy izany koa, ny fanompoan-tsampy sy ny fanakambanana Allah amin'ny zavatra hafa ary ny fikomiana, dia manapotika tanteraka ny asa soa rehetra, Toy ny tsy haneken’Allah ny soalat raha tsy misy fidiovana masina (ozo), dia tsy hekeny koa ny fanompoana raha tsy misy finoana. Miteny i Allah manao hoe:

﴿وَمَن يَعۡمَلۡ مِنَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ مِن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ وَلَا يُظۡلَمُونَ نَقِيرٗا 124﴾

{Ary n'iza n'iza manao ireo asa soa, na lahy na vavy, ka mpino izy, dia izy ireny no hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina na dia mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza.124} [Sorat An-Nisà: 124]

Ary nanazava izy fa ny fanompoan-tsampy dia antony manimba ny asa, Arakan'izay efa nolazain'Allah hoe:

﴿وَلَقَدۡ أُوحِيَ إِلَيۡكَ وَإِلَى ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِكَ لَئِنۡ أَشۡرَكۡتَ لَيَحۡبَطَنَّ عَمَلُكَ وَلَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ 65﴾

{Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe: “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka ho isan’ireo matiantoka ianao.65} (Az-zomar: 65).

Enina ny andrin' ny finoana: ny finoana an'Allah, ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, ny andro farany, ary ny anjara, na tsara na ratsy.

1) Ny finoana an'Allah dia mifono zavatra telo:

1- Ny finoana ny maha-pahary Azy:

Izany dia ny fanokanana an'Allah Tsitoha amin'ny asany; toy ny famoronana, ny fanomezana anjara-pivelomana, ny fanomezana aina, ary ny fampahafatesana, Koa tsy misy Mpahary afa-tsy Allah, ary tsy misy Mpanome vatsy afa-tsy Allah, ary tsy misy Mpanome aina afa-tsy Allah, ary tsy misy Mpandray ny aina afa-tsy Allah, ary tsy misy mandrindra izao tontolo izao afa-tsy Izy Ilay Be Voninahitra.

Ary tsy fantatra hoe nisy na dia iray tamin'ireo zavaboary nandà ny mahatompo an'Allah, afa-tsy izay manambony tena ka tsy mino izay lazainy, Toy ny nanjo an'i Faraona, fony izy niteny tamin'ny vahoakany manao hoe:

﴿‌...أَنَا ‌رَبُّكُمُ ‌الْأَعْلَى﴾

‌{...Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra.} [Sorat An-Nàzyat: 24]. Kanefa izany dia tsy avy amin'ny finoana mafy orina, araka ny nilazan'Allah mahakasika an'i Mpaminany Mosesy (A.S):

﴿‌قَالَ لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَآ أَنزَلَ هَٰٓؤُلَآءِ إِلَّا رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ بَصَآئِرَ وَإِنِّي لَأَظُنُّكَ يَٰفِرۡعَوۡنُ مَثۡبُورٗا 102﴾

{Niteny izy (Mosesy): “Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny (fahagagana) ireny afa-tsy ny Tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona !”102} [Sorat Al-Isrà: 102]. Ary miteny Allah manao hoe:

﴿‌وَجَحَدُوا بِهَا وَاسْتَيْقَنَتْهَا أَنْفُسُهُمْ ظُلْمًا وَعُلُوًّا... ﴾

{Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo...} [Sorate An-Naml: 14]

Koa tsy maintsy manana Mpamorona ireo zavaboary ireo, Satria tsy ho vitany ny mamorona ny tenany samirery; Satria ny zavatra tsy mahorona ny tenany, ary tsy ho kisendrasendra ny fisiany; Satria izay zavatra rehetra miseho sy mitranga dia tsy maintsy misy nampisy azy, Ary satria ao anatin’ity rafitra mahatalanjona sy firindrana tanteraka ity no misy azy, dia tsy azo ekena ny filazana fa kisendrasendra fotsiny ny fisiany, Koa voafaritra fa tsy maintsy misy Mpamorona azy, ary Izy no Allah Tompon'izao tontolo izao. Miteny i Allah manao hoe:

﴿‌أَمۡ خُلِقُواْ مِنۡ غَيۡرِ شَيۡءٍ أَمۡ هُمُ ٱلۡخَٰلِقُونَ 35 أَمۡ خَلَقُواْ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۚ بَل لَّا يُوقِنُونَ 36﴾

{Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ?35

Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo.36} [At-Tora: 35-36].

Ary ireo mpanompo sampy dia efa niaiky ny maha-Tompo an'Allah, kanefa niaraka tamin'izany dia nanakambana Azy tamin'ny zavatra hafa izy ireo teo amin'ny lafiny fanompoana, ka tsy nampiditra azy ireo ho ao anatin'ny finoana Islam izany. Ary niady tamin'izy ireo ny Mpaminany (S.A.W), ka nahalalàny ny ràn'izy ireo sy ny fanànan'izy ireo; satria nanao fampikambanana tamin'ny fanompoana izy ireo, Koa dia nanompo zavatra hafa izy ireo ka nanakambana izany tamin'ny fanompoana Azy; toy ireo sampy sy sary vongana, sy ireo vato, ary ireo anjely sy ny hafa ankoatr'ireo.

2- Ny finoana amin'ny maha Tompo mendrika ho tompoina Azy:

Ny finoana maha-Tompo Azy dia: ny fanekena fa Izy irery ihany no Tompo marina, tsy misy mpikambana Aminy, Ary (Ilay Tompo) dia midika hoe (Ilay tompoina), izany hoe ilay tompoina noho ny fitiavana sy ny fanomezam-boninahitra ary ny fanetren-tena.

Miteny i Allah manao hoe:

﴿‌وَإِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلرَّحِيمُ 163﴾

{Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana, tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.} [Sorate Al-Bakarat: 163]

Ary na iza na iza maka andriamanitra miaraka amin'i Allah ka manompo izany ankoatra Azy, dia diso ny maha-andriamanitra an'izany, Miteny i Allah manao hoe:

﴿ذَٰلِكَ بِأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡحَقُّ وَأَنَّ مَا يَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ هُوَ ٱلۡبَٰطِلُ وَأَنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡكَبِيرُ 62﴾

{Araka izany Allah, Izy tokoa Ilay Marina, ary marina fa izay rehetra antsoin’izy ireo ankoatra Azy dia diso; ary Allah Ilay Avo indrindra, Ilay Lehibe indrindra.} [Sorate AL-HADJ: 62].

Ary noho izany, ireo Iraka (AS) nanomboka tamin'i mpaminany Noa ka hatramin'i mpaminany Mohammadi (S.A.W) dia niantso ny vahoakany ho amin'ny fanompoana an'Allah tokana irery ihany, fa tsy misy hafa ankoatrany, Ary efa nofoanan'i Allah Ilay Avo ny fandraisan'ireo vahoaka mpanompo sampy andriamanitra hafa izay notompoin'izy ireo ka nanakambanan'izy ireo an'Allah Ilay Masina sy Avo Tsitoha, sy nitadiavan'izy ireo fandresena sy iantsoan'izy ireo vonjy, ary izany dia tamin'ny alalan'ny porofo roa ara-tsaina:

Voalohany: Fa ireo zanahary izay noraisin'izy ireo dia tsy manana na inona na inona amin'ireo toetran'ny maha-Zanahary azy ireo, nohariana izy ireo fa tsy mahary, tsy mahavita mitondra soa ho an'ireo izay manompo azy, no sady tsy mahavita manala ny ratsy amin'izy ireo, ary tsy tompon'ny fahavelomana, na ny fahafatesana, na ny fitsanganana amin'ny maty, Toy izay nolazain'Allah manao hoe:

﴿وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ ءَالِهَةٗ لَّا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ وَلَا يَمۡلِكُونَ لِأَنفُسِهِمۡ ضَرّٗا وَلَا نَفۡعٗا وَلَا يَمۡلِكُونَ مَوۡتٗا وَلَا حَيَوٰةٗ وَلَا نُشُورٗا 3﴾

{Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa nohariana izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo.}

[Sorate AL-FORQANE: 3].

Faharoa: Ireo mpanompo sampy ireo dia efa nino fa i Allah Tsitoha no Mpahary sy Mpandahatra irery tokana, ary izany dia mitaky ny hanokanan'izy ireo Azy amin'ny fanompoana, tahaka ny nanokanan'izy ireo Azy tamin'ny maha-Tompo Azy. Arakan'izay efa nolazain'Allah manao hoe:

﴿قُل لِّمَنِ ٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهَآ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ 84 سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ85 قُلۡ مَن رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلسَّبۡعِ وَرَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ 86 سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ 87 قُلْ مَنْ بِيَدِهِ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيْءٍ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيْهِ إِنْ كُنْتُمْ تَعْلَمُونَ 88 سَيَقُولُونَ لِلَّهِ قُلْ فَأَنَّى تُسْحَرُونَ 89﴾

{Teneno hoe: “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo 84

Hiteny izy ireo hoe: “An’Allah”. Teneno hoe: “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?” 85

Ka teneno hoe: “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe 86?”

Hiteny izy ireo hoe: “An’Allah”. Teneno hoe: “Moa tsy matahotra ve ianareo ?” 87

Teneno hoe: “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ? 88

Hiteny izy ireo hoe: “Ho an’Allah” Teneno hoe: “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ? 89} [Sorate Al-Mo'minona: 84-89] Koa raha manaiky ny fanokanana an'Allah amin'ny maha-Tompo Azy izy ireo; dia adidin'izy ireo ny manokana Azy amin'ny fanompoana Azy irery, ka tsy manakambana na iza na iza Aminy eo amin'ny fanompoana Azy.

3- Finoana ny anarany sy ny toetrany:

Izany hoe: fanamafisana izay nohamafisin'i Allah ho an'ny Tenany ao amin'ny Bokiny, Na nohamafisin'ny Mpaminany (SAW) ho azy tao amin'ny Sonnah-ny; amin'ireo Anarana sy Toetoetra, araka izay mendrika an'Allah Tsitoha, Tsy misy fanovana na fanodinkodinana Tsy misy famaritana fomba, sady tsy misy fanoharana, Miteny i Allah manao hoe:

﴿‌وَلِلَّهِ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰ فَٱدۡعُوهُ بِهَاۖ وَذَرُواْ ٱلَّذِينَ يُلۡحِدُونَ فِيٓ أَسۡمَٰٓئِهِۦۚ سَيُجۡزَوۡنَ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ 180﴾

{Ary an’Allah ireo anarana tsara indrindra. Ka antsoinareo amin’izany Izy, ary avelao ireo izay maniratsira ny anarany, hahazo ny valin’asa izay nataony izy ireo. 180} [Sorat Al-A'raf: 180], Ary miteny Allah manao hoe:

﴿‌...لَيۡسَ كَمِثۡلِهِۦ شَيۡءٞۖ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡبَصِيرُ﴾

{…Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no ilay Mandre, Ilay Mahita ny zavatra rehetra.} [Sorate Al-Shòra: 11].

Ny karazan'ny fanompoan-tsampy telo:

1- Shirk lehibe.

2- Shirk kely.

3- Ny fanompoan-tsampy miafina.

1- Ny Shirk lehibe (fanakambanana Allah amin’ny hafa):

Ny fampitovina ny ankoatr’Allah amin'Allah amin'ny alàlan'ny iray amin'ireo toetra mampiavaka an'Allah, Toy ny efa nolazain'i Allah manao hoe:

﴿‌إِذۡ نُسَوِّيكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ 98﴾

{Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay !} [Sorate As-Shoa'rà: 98]

Ary anisan'izany ny; fandefasana ny fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an'i Allah, Na ny fanolorana ny ampahany aminy ho an'ny hafa ankoatra Azy: toy ny fitalahoana, fitadiavana famonjena, fanaovana voady, fanaovana sorona, sy ireo karazana fanompoana hafa.

Na ny fanaovana ho ara-dalàna izay noraran'i Allah ilay Tsitoha, na manao ho voarara izay navela azo atao, Na ny fanafoanana izay nandidian'Allah, Toy ny filazana ho mety ny zavatra fantatra fa voarara ao amin’ny fivavahana; toy ny fijangajangana, na ny toaka, na ny tsy fankatoavana ny ray aman-dreny, na ny Riba (Fakàna zana-bola), na izay mitovy amin’izany.

Na fandrarana izay nataon’i Allah ilay avo Tsitoha ho ara-dalàna amin’ireo zava-tsoa, Na fanesorana izay nodidin'Allah; Toy ny fiheverana fa tsy voadidy ny Soalat, na tsy voadidy ny fifehezana, na tsy voadidy ny Zakat.

Ny fanakambanana Tompo amin’ny hafa lehibe dia manafoana ny asa, sy mampiditra mandrakizay ao amin'ny Afobe ho an'izay maty amin'izany, Arakan'izay efa nolazain'i Allah manao hoe:

﴿‌...وَلَوۡ أَشۡرَكُواْ لَحَبِطَ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ﴾

{…Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa izy ireo, dia ho foana ny asa nataon’izy ireo.} [Al-An’am: 88].

Ary izay maty amin’ny fanaovana izany; dia tsy hahazo famelan-keloka, ary ho voarara aminy ny Paradisa, Toy ny efa nolazain'i Allah:

﴿‌إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُ...﴾

{Marina tokoa fa Allah tsy mamela ny fanakambanana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa kosa mamela heloka ny ankoatr'izay kosa Izy amin’izay sitrany...} [AN-NISSA: 48]. Ary miteny Allah manao hoe:

﴿...إِنَّهُۥ مَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدۡ حَرَّمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِ ٱلۡجَنَّةَ وَمَأۡوَىٰهُ ٱلنَّارُ...﴾

{Tena marina fa n’iza n’iza mampikambana Allah amin’ny zavatra hafa dia efa noraran’Allah aminy ny Paradisa ary ny Afobe no ho fonenany...}

[Sorate Al-Maïdat: 72]

2- Ny Shiriky kely:

Izany dia voaporofo ao amin'ny soratra masina fa antsoina hoe fanompoan-tsampy, saingy tsy tonga amin'ny ambaratongan'ny fanompoan-tsampy lehibe, ka antsoina hoe fanompoan-tsampy kely izy; Tahaka ny fianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'Allah; Toy ny fianianana amin’ny Kaaba, amin’ireo Mpaminany, amin’ny fitokisana, amin’ny ain’ny olona iray, ary ny mitovitovy amin’izany, Toy ny niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«مَنْ حَلَفَ بِغَيرِ اللهِ فَقَدْ كَفَرَ أَو أَشرَكَ».

"Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'Allah dia efa nikomy na nanompo sampy".2.

Ary mety ho lehibe kokoa, arakarak'izay mitoetra ao am-pon'ny tompony, Koa raha misy ao am-pon'ilay mpianiana amin'ny Mpaminany na Sheikh ranona fa mitovy amin'i Allah izy, na angatahina ankoatr'Allah, na manana fahefana amin'izao tontolo izao; dia shirk lehibe izany. Fa raha ilay mpianiana amin'ny zavatra hafa ankoatra Allah no tsy nikasa izany, fa teny lasan'ny vavany fotsiny izany noho ny fahazarany; dia lasa shirk kely izany, Ary mitranga matetika izany any amin'ny faritra sasany, koa tsy maintsy ilaina ny fitandremana izany sy ny fampitandremana fatratra amin'izany, ho fanamboarana ny fanokanana an'Allah sy fiarovana azy.

3- Ny fanompoan-tsampy miafina:

Izany dia izay miseho ao am-po toy ny fihebohebona; Toy izay manao soalat na mamaky kor’any ho fisehosehoana amin’ny olona, na manao fiderana mba hideran’ny olona azy, na manao fiantrana mba hidokan’ny olona azy, Ary izany dia manimba ilay asa izay nilàny ho hita sy ho jerena, fa tsy ireo asa sisa izay nataony tamin'ny fo madio ho an'i Allah.

Niteny i Mpaminany (S.A.W):

«الشِّرْكُ فِي هَذِهِ الْأُمَّةِ أَخْفَى مِنْ دَبِيبِ النَّمْلَةِ السَّودَاءِ عَلَى الصَّفَاةِ السَّودَاءِ فِي ظُلْمَةِ اللَّيْلِ، وَكَفَّارَتُهُ أَنْ يَقُولَ: "اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ أَنْ أُشْرِكَ بِكَ شَيْئًا وَأَنَا أَعْلَمُ، وَأَسْتَغْفِرُكَ مِنَ الذَّنْبِ الَّذِي لَا أَعْلَمُ».

"Ny fanompoan-tsampy amin'ity vahoaka ity dia miafina kokoa noho ny vitsika mainty nandady amin'ny vato mainty amin'ny haizin'ny alina, ary ny fanavotana azy dia ny miteny hoe: "Ry Allah ô, mialoka Aminao aho tsy hanakambana Anao amin-javatra amin'ny fahalalako, ary mangataka famelana Aminao aho amin'ny fahotana izay tsy fantatro"3."

Karazan'ny tsy finoana:

Ny karazany voalohany: Tsy finoana lehibe:

Ary izy io no mahatonga ny fijanonana mandrakizay any anaty Afo, ary izy io dimy karazany:

1- Ny tsy finoana amin'ny alàlan'ny lainga:

Izany dia ny finoana fa mpandainga ireo Iraka, Ary vitsy izany eo amin'ireo tsy mpino; satria Tompo Allah dia nanohana ireo Irany tamin'ireo porofo mazava. Ary ny toetran'ireo mpandainga ireo dia araka ny nolazain'i Allah azy ireo hoe:

﴿‌وَجَحَدُوا ‌بِهَا ‌وَاسْتَيْقَنَتْهَا أَنْفُسُهُمْ ظُلْمًا وَعُلُوًّا...﴾

{Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo...} [Sorate An-Nahl: 14]

2- Ny tsy finoana amin'ny alàlan'ny fandavana sy ny fieboeboana:

Ary izany dia tahaka ny fikomian'i Iblisa, fa tsy hoe nanda na nitsipaka ny fisian’ny didin’i Allah izy, fa kosa nasetriny tamin'ny fandavana sy ny fanambonian-tena izany. Miteny Allah manao hoe:

﴿وَإِذۡ قُلۡنَا لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ ٱسۡجُدُواْ لِأٓدَمَ فَسَجَدُوٓاْ إِلَّآ إِبۡلِيسَ أَبَىٰ وَٱسۡتَكۡبَرَ وَكَانَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ 34﴾

{Ary raha nolazainay tamin’ireo Anjely: “Miankohofa avokoa ianareo eo amin’i Adama”, dia niankohoka avy hatrany izy rehetra afa-tsy iblis (satana) izay nandà, no sady nanambony tena ary voasokajy ho isan'ireo tsy mpino.} [Sorate Al Abakarat: 34].

3- Ny tsy finoana amin'ny fanomezana lamosina:

Izany dia ny fanomezany lamosina ny fanarahana ny marina sy ny fahamarinana amin'ny alàlan'ny fihenony sy ny fony, ka tsy mitodika amin'izany izy, sady tsy manome lanja azy akory, Miteny i Allah manao hoe:

﴿وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن ذُكِّرَ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِۦ ثُمَّ أَعۡرَضَ عَنۡهَآۚ إِنَّا مِنَ ٱلۡمُجۡرِمِينَ مُنتَقِمُونَ22﴾

{Ary iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra amin’izay nampahatsiahivana ny fanambaran'i Tompony, avy eo, dia mitodi-damosina amin’izany ? Tena marina fa Izahay dia hamaly faty ireo mpanao heloka be vava.} [Sorate As-Sajdat: 22]

Raha ny fanomezana lamosina amin'ny ampahany kosa; dia fandikan-dalàna izany fa tsy fikomiana; toy ilay miamboho ny fianarana ny sasany amin'ireo adidy ara-pinoana; anisan'izany ny fitsipika momba ny fifehezana na ny fivahiniana masina (Hajjy) sy ny toy izany.

4- Ny tsy finoana amin'ny alàlan'ny fisalasalana:

Izany dia ny tsy fananana toky, ka tsy resy lahatra amin'ny fahamarinana, fa misalasala kosa ny amin'izany, araka ny tenin'ny Tsitoha:

﴿وَدَخَلَ جَنَّتَهُ وَهُوَ ظَالِمٌ لِنَفْسِهِ قَالَ مَا أَظُنُّ أَنْ تَبِيدَ هَذِهِ أَبَدًا 35 وَمَا أَظُنُّ السَّاعَةَ قَائِمَةً وَلَئِنْ رُدِدْتُ إِلَى رَبِّي لَأَجِدَنَّ خَيْرًا مِنْهَا مُنْقَلَبًا 36﴾

{Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe: “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”.35

Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony.36} [Al-Kahfi: 35-36].

5- Ny tsy finoana amin'ny alàlan'ny fihatsaram-belatsihy:

Fanehoana miharihary amin'ny lelany ny Finoana, ary fanafenana ao am-po ny tsy finoana, Miteny i Allah manao hoe:

﴿وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَمَا هُم بِمُؤۡمِنِينَ 8﴾

{Misy ny sasany amin’ireo olombelona no milaza fa: “Izahay dia mino an’Allah sy ny andro farany”, kanefa izy ireny dia tsy mino akory.8} [Sorate Al-Bakarat: 8]

Ary ireto avy no karazan'ny Tsy finoana lehibe izay manala ny olona amin'ny finoana.

Ny karazany faharoa: Tsy finoana kely:

Io karazany io dia tsy mampijanona mandrakizay any amin'ny afobe, Izany dia izay voalaza ao amin'ny Boky sy ny Sonnah ka nantsoina hoe fikomiana, tsy voafaritra amin'ny Alif sy Lam izany, fa tonga tsy misy mpanoritra kosa, Ary marobe ireo ohatra mahakasika an'izany, ka anisan'ireny ny: Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A): Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«اثْنَتَانِ فِي النَّاسِ هُمَا بِهِمْ كُفْرٌ: الطَّعْنُ فِي النَّسَبِ، وَالنِّيَاحَةُ عَلَى المَيِّتِ».

"Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana: ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty."4.

2) Ny finoana an'ireo Anjely:

Ary izy ireo dia zavaboary tsy hita maso, Noharian'i Allah tamin'ny hazavana izy ireo, Ary mpanompon'Allah Ilay Avo izy ireo, Ary tsy manana toe-toetra tompo na zanahary izy ireo, Ary izy ireo dia tsy maneho fiantsiana an'Allah amin'izay nandidiany azy ireo, ary manao izay andidiana azy (izy ireo), Ary maro be izy ireo, ary tsy misy mahalala ny isany afa-tsy i Tompo Allah ilay avo Tsitoha.

Ny finoana an'ireo Anjely dia mifono zavatra efatra:

1- Finoana ny fisian'izy ireo.

2- Finoana izay fantatsika anarana amin'izy ireo, ohatra: Jibril, Mikail, Israfil, sy ny hafa. Ary izay tsy fantatsika anarana dia anjarantsika ny mino sy manaiky azy amin'ny endrika ankapobeny.

3- Finoana izay fantatsika amin'ny toetra sy endrik'izy ireo, izay voarakitra ao amin'ny boky masina kor'any sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W); Raha ny amin'ny endrik'i Anjely Gabriely, dia nampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa nahita azy tamin'ny endrika izay nanamboaran'Allah azy izy, ary nanana elatra eninjato, izay nanakona ny faravodilanitra.

4-Finoana izay fantatsika amin'ny asan'izy ireo; toy ny fanomezany voninahitra an'Allah, sy ny fanompoana Azy andro aman'alina tsy misy fahasorenana na havizanana.

Ohatra: Gabriel: ilay azo itokisana amin'ny faminaniana.

Ary Iserafil, ilay nankinina hitsoka ny Anjomara.

Ary ny Anjelin'ny fahafatesana: Ilay nomena andraikitra handray ny fanahy sy ny fofok'aina rehefa tonga ny fahafatesana.

Ary i Malik: Mpiambina ny Afo. Ary i Ridwan: Mpiambina ny Paradisa, ary ny ankoatr'izy ireo.

3) Ny finoana an'ireo Boky:

Ary ny atao hoe Boky dia ireo Boky avy any an-danitra izay nampidinin'Allah tamin'ireo Irany. Tari-dàlana sy famindram-pò ho an'ny taranak'olombelona, mba ahatongavan'izy ireo amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any an-koatra.

Ary ny finoana ireo boky dia mifono zavatra efatra:

1- Ny finoana fa izy ireo dia nidina marina avy amin'i Allah.

2- Finoana izay fantatsika anarana amin'izy ireo; toy ny Kor'any izay nampidinina tamin'i Mohamad (SAW), Ary ny Taoraty nampidinina tamin'i Mousa (A.S), Ary ny Evanjily izay nampidinina tamin'i Issa (A.S), Ary ny Zabora izay nomena an'i Daod (A.S).

Fa ireo izay tsy fantatsika ny anarany; dia inoantsika sy ekentsika amin'ny endrika ankapobeny.

3- Finoana sy fanekena ny vaovao ao anatiny; tahaka ny vaovao ao amin'ny Kor'any, sy ny vaovao avy amin'ireo Boky teo aloha izay tsy mbola voavadibadika.

4- Fampiharana ireo didy izay tsy voafafa ao aminy, ary ny fankasitrahana sy ny fanaovana izany, na azontsika ny fahendreny na tsia. Ary ireo Boky rehetra teo aloha dia nofafan'ny Boky masina Kor'any avokoa, Koa tsy azo atao ny manatanteraka izay lalàna avy amin'ireo Boky teo aloha afa-tsy izay voaporofo fa marina avy aminy, ary nankatoavin'ny Kor'any Masina na ny Sonnan'ny Mpaminany.

 

4) Ny finoana an'ireo Iraka (A.S):

Ireo Iraka: dia olombelona nampidinana faminaniana miaraka amin'ny lalàna, ary nodidiana hampita izany, Ny voalohany tamin'izy ireo dia i Noa (A.S), ary ny farany dia i Mohammad (S.A.W). Ary izy ireo dia olombelona namboarina, Tsy manana anjara amin'ny toetran'ny maha Tompo sy ny maha Zanahary akory izy ireo.

Ary ny finoana an'ireo Iraka dia mifono:

1- Finoana fa ny hafatr'izy ireo dia marina avy any amin'i Allah, Ka izay tsy manaiky sy tsy mino ny hafatr’iray amin’izy ireo dia efa lazaina fa nikomy amin'ny rehetra.

2- Ny finoana an'ireo fantatsika ny anarany amin'izy ireo, toa an'i: Mouhammad (S.A.W), Ibrahim, Mousa, Issa, ary Noa, ho amin'izy ireo anie ny fiadanana. Ary izy ireo no manana finiavana mafy tamin'ireo Iraka.

Fa ireo izay tsy fantatsika anarana amin'izy ireo; dia inoana sy ekena amin'ny endrika ankapobeny, Miteny i Tompo Allah manao hoe:

﴿‌وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا رُسُلٗا مِّن قَبۡلِكَ مِنۡهُم مَّن قَصَصۡنَا عَلَيۡكَ وَمِنۡهُم مَّن لَّمۡ نَقۡصُصۡ عَلَيۡكَ...﴾

{Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao...} [Sorate GHAFIR: 78].

3- Finoana izay voamarina amin'ny filazany.

4- Ny fanatanterahana ny lalànan'ilay nirahina tamintsika, dia ny tombokasen'izy ireo, i Mohammad (S.A.W).

5) Ny finoanana ny Andro farany:

Dia izany no andro fitsanganana amin'ny maty, izay hananganana ny olona hiatrika ny fitsarana sy handray ny valin'asa. Ary nantsoina toy izany izy satria tsy misy andro intsony aoriany, izay hitoeran’ny olon’ny Paradisa ao amin'ny toerany, ary ny olon’ny Afobe ao amin'ny toerany.

Ary ny finoanana ny Andro farany dia mifono zavatra telo:

a- Ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty:

Ary izany dia ny famelomana ny maty, rehefa tsofina ny anjomara, faharoa, Ka hitsangana eo anatrehan'ny Tompon'izao tontolo izao ny olombelona, tsy mikiraro, miboridana, ary tsy mifora. Miteny i Allah manao hoe:

﴿كَمَا بَدَأْنَا أَوَّلَ خَلْقٍ نُعِيدُهُ ‌وَعْدًا ‌عَلَيْنَا إِنَّا كُنَّا فَاعِلِينَ 104﴾

{Toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa ! } [Sorat Al-Anbya: 104]

 

b- Ny finoanana ny fitsarana sy ny fanefana ny valisoa:

Ka ao no hitsarana ny mpanompo amin'ny asany, sy hanefana azy amin'izany, ka niteny i Allah nanao hoe:

﴿إِنَّ إِلَيۡنَآ إِيَابَهُمۡ 25 ثُمَّ إِنَّ عَلَيۡنَا حِسَابَهُم 26

{Tena marina! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray.

Ary eo am-pelatanako ny fitsaràna azy ireo.}

[Sourat Al-Ghashyat: 25-26]

Valiny: Ny finoana ny Paradisa sy ny Afobe:

Ary tena marina fa izy roa ireo no toerana fiafarana mandrakizay ho an'ny zavaboary; Ny Paradisa dia tontolom-pahasoavana izay nomanin’i Allah ilay Avo Indrindra ho an'ireo mpino mpatahotra Azy, izay nanatanteraka ny fankatoavana an’Allah sy ny irany ﷺ, Ao anatiny dia misy izay tsy mbola hitan'ny maso, tsy mbola ren'ny sofina, ary tsy mbola noheverin'ny fon'olombelona.

Fa raha ny afo-be; Ary izy io dia tontolon'ny sazy, izay nomanin'i Allah ho an'ireo tsy mpino izay nikomy tamin'i Allah sy tsy nankato ireo Iraka sy Mpaminany nalefany. Ao anatiny dia misy karazana sazy sy famaizana izay tsy mbola noheverin'ny saina akory.

 

6) Ny finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy:

Ny dikan'ny lahatra: Fandaharan'Allah Ilay Avo avo Tsitoha an'izay zavatra hitranga, araka izay efa voarakitra ao amin'ny fahalalany sy takian'ny fahendreny.

Ny finoana ny lahatra dia mifono zavatra efatra:

1- Ny fahalalana: Dia ny finoana ny fahalalan’Allah ilay Tsitoha, fa Izy dia mahalala sy mahafantatra izay rehetra efa nisy sy izay rehetra mbola ho avy ary ny fomba hitrangany, amin'ny ankapobeny sy amin'ny antsipiriany, hatrany amin’ny tsy manam-piandohana ka hatrany amin’ny tsy manam-pahataperana. Ary Izy no mahalala ny amin'ny zavatra tsy mbola misy, ka fantany avokoa hoe ho toy inona izany raha toa ka misy. Toy ny nitenenan'Ilay Avo Tsitoha manao hoe:

﴿‌وَلَوۡ رُدُّواْ لَعَادُواْ لِمَا نُهُواْ عَنۡهُ ...﴾

{Raha naverina (any ambonin’ny tany) izy ireo dia tsy maintsy mbola hiverina amin’izay nandrarana azy ireo ihany...} [Sourat Al-An'am: 28]

2- Ny fanoratana: dia ny hoe efa nosoratan'Allah ny lahatry ny zava-drehetra mandra-pahatongavan'ny andro farany, Arakan'izay efa nolazain'Allah manao hoe:

﴿أَلَمۡ تَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ذَٰلِكَ فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ﴾

{Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ny ety an-tany? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’Allah izany.} [Sourat AL-HAJJ: 70].

3- Ny sitrapo: dia ny finoana fa tsy misy na inona na inona mitranga eto amin'izao tontolo izao, raha tsy izay sitrak'i Allah ihany. Miteny i Allah manao hoe:

﴿وَرَبُّكَ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُ وَيَخۡتَارُ ...﴾

{Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany ...} (Al-kassas: 68). Ary ny olombelona dia manana sitrapo izay tsy mivoaka amin'ny sitrapon'Allah, araka ny teny nolazain'Ilay Avo Tsitoha manao hoe:

﴿وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ 29

{Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'Allah tompon'izao tontolo izao.} [Sorat At-Takwir: 29].

4- Ny Fahariana dia: Ny finoana fa i Allah no nahary ny zavaboary sy ny asan'izy ireo ary ny fihetsik'izy ireo, na tsara na ratsy, Miteny i Allah manao hoe:

﴿ٱللَّهُ خَٰلِقُ كُلِّ شَيۡءٖۖ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ وَكِيلٞ 62

Mpahary ny zava-drehetra Allah, ary Izy no mpiantoka azy ireo. [Sorate AZ-ZOMAR: 62].

Nangonina tao amin'ity andininy ity ireo ambaratonga ireto:

Ny fahalalana sy ny fanoratan'ny Tompontsika ary ny fankasitrahany, *** sy ny famoronany, izay fampisiana sy fanamboarana.

Lohahevitra faha-telo: Ny Fahatsarana:

Ny hatsarana: Fototra iray izy, dia ny fanompoanao an’Allah toy ny mahita Azy, ary raha tsy mahita Azy ianao dia Izy dia mahita anao.

Izany hoe: Ny fanaovan'ny olona izay nampanompoin'i Allah azy, toy ny hoe mijoro eo anatrehan'Allah Izy, Ary izany dia mitaky ny fahatanterahan'ny fatahorana Azy sy ny fibebahana Aminy. Ary tsy maintsy tanterahina mifanaraka amin'ny Sonnah-n'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanompoana.

Ary ny Ihsaan( fanaovan-tsoa) dia misy ambaratonga roa, ary ireo mpanao soa eo amin'ny fanaovan-tsoa dia misy toerana roa tsy mitovy:

Ny toerana voalohany dia: Ny toerana avo indrindra, dia ny toeran'ny Fahitàna; Izany dia ny fanaovan'ny mpanompo ny asany toy ny hoe mahita an'Allah Avo sy Lehibe amin'ny fony, ka hazavain'ny finoana ny fo, mandra-pahatonga ny tsi-hita ho toy ny hita maso.

Ny toerana faharoa dia: Ny toerana-n'ny fanokanana sy ny fanaraha-maso, Izany dia ny fiezahan'ny mpanompo mba hahatsapany lalandava fa mahita azy sy mahafantatra ny momba azy Allah; ka rehefa tsapany izany, dia izy no mpanompo manam-pahadiovam-po ho an'ny Tompo Allah.

Fizarana fahefatra: Famintinana fohy momba ireo fototry ny mpanarakan’ny Sonnah sy Djamant:

Voalohany: Ny fanarahana izay voalaza ao amin'ny Boky sy ny Sonnah, na anatiny na ivelany, Ary ny tsy fanaovana ho ambony ny tenin'olon-kafa noho ny tenin'Allah sy ny tenin'ny iraka (SAW).

Faharoa: Fahadiovan'ny fon'izy ireo sy ny lelan'izy ireo tamin'ireo mpanaradia an'i Irak'i Allah (S.A.W), Ary mino izy ireo fa ny mpandimby taorian'ny Irak'Allah (S.A.W) dia: i Abo Bakr, avy eo i Omar, avy eo i Othman, avy eo i Ali, ho faly amin'izy ireo rehetra anie Allah.

Fahatelo: Fitiavana ireo fianakavian'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fanekena azy ireo, ary ny fianakaviany (S.A.W) dia: ireo olo-marina eo amin'izy ireo manokana.

Faha efatra: Tsy azo atao ny mikomy amin'ny mpitarika sy ny tompon'andraikitra, na dia manao ny tsy rariny aza izy ireo. Ary angatahina ho azy ireo ny fahitsiana sy ny fahasalamana, Ary tsy anaovana Doan ratsy izy ireo. Ary ny fankatoavana azy ireo dia voadidy ho anisan'ny fankatoavana an'Allah, raha tsy mibaiko amin'ny fikomiana izy ireo. Raha mibaiko amin'ny fikomiana kosa izy ireo dia tsy azo atao ny mankatò azy ireo amin’izany, Ary ny fankatoavana azy ireo amin'ny hatsarana dia mitoetra hatrany amin'ny ankoatr'izay.

Fahadimy dia: Ny finoana ny hasin’ireo olo-masina ; Dia ireo hery mihoatry ny mahazatra izay ampandehanin'i Allah eo am-pelatanan'izy ireo.

Faha enina: Tsy manasokajy ho tsy mpino an'ireo olon'ny kibla amin'ny fahotana ankapoben'ny sy ny fahotana lehibe, Tahaka ny ataon'ny Khawarij, Fa kosa, ny firahalahiana amin’ny finoana dia mitoetra na dia misy aza ny fahotana, Ary miteny izy ireo momba ilay mpanao fahotana hoe: mpino izy noho ny finoany, ary olona tsy manjary noho ny fahotany lehibe.

Ny Toko faharoa: Mikasika ny fivavahana sy ny fanompoana

Ny fizarana voalohany: Ny fidiovana:

Ny fahadiovana ara-bakiteny: Dia ny fahadiovana sy ny tsy fisian'ny loto, na ny ivelany na ny anatiny.

Fanesorana ny loto tsy hita maso sy ny mahadikidiky. Ary ny fahadiovana dia fanala-hidin'ny "Soalat ", Koa noho izany, ny fianarana azy dia anisan'ireo zava-dehibe indrindra mahakasika ny finoana, izay adidy amin'ny mpino silamo rehetra ny fianarana sy ny fifikiranana aminy.

Voalohany: Fizaran’ny rano:

1- Manadio; mety hidiovana, Na mitoetra amin'ny namboarana azy; toy ny ranonorana, na ny renirano, na ny ranomasina, Na nifangaro taminy zavatra madio izay tsy nampiova aminy sady tsy nanala ny anarany.

2- Maloto; tsy azo ampiasaina, Ka tsy afaka manala ny loto ara-pinoana (tsy hita maso), Ary tsy manesotra ny loto, Izy dia izay niova ny lokony, na ny fofony, na ny tsirony noho ny fahalotoana.

Faharoa: Ny loto:

Ny loto: dia loto manokana, Manakana ny fanatanterahana ny Soalat ny karazany; Toy ny amany, ny diky, ny rà, ary ny hafa, ary izany dia amin'ny vatana, ny toerana, ary amin'ny akanjo.

Ary ny lalàna fototra momba ny zavatra rehetra dia: ny maha-mety sy madio azy, Izay milaza ny fahalotoan'ny zavatra iray dia adidiny ny mitondra porofo manoloana izany filazany izany. Tsy anisan'ny loto: ny rora, ny hatsembohan'ny olombelona, ary ny hatsembohan'ny ampondra, fa madio ireo na dia maharikoriko aza. Ny loto rehetra dia vetaveta, fa tsy ny vetaveta rehetra no loto.

Ary misy ambaratonga telo ny loto:

Ny voalohany: Ny loto mavesatra ;

Toy ny loton'izay nolelafin'ny alika, Ny fomba fanadiovana azy dia: sasaina im-pito ka ny voalohany amin'izany dia atomboka amin'ny fotaka.

Faharoa: Ny loto maivana:

Tahaka ny fivalanan-dranon'ny zazalahy kely mbola minono rehefa mahazo ny lamba na izay mitovitovy aminy. Ny fomba fanadiovana azy: Fafazana rano izy mandra-panenika azy, ary tsy mila kosehina na poritina.

Ny fahatelo: Ny fahalotoana antonony:

Toy ny amanin'ny olombelona sy ny malotony, ary ny ankamaroan'ireo loto rehefa milatsaka eo amin'ny tany na lamba sy ny mitovitovy amin'izany. Ny fomba fanadiovana azy: dia ny fanalana ny vatan'ny loto raha misy izany, ary ny fanadiovana ny toerany amin'ny rano na amin'ny zavatra hafa azo anadiovana.

Ary isan'ireo misy porofo amin'ny fahalotoany:

1- Amanin'ny olombelona sy ny tainy.

2- Ny AL-MADHY (Rano mialoha tsirina) sy ny AL-WADY (Rano aorian'ny fivalanana)5.

3- Dikin'ny biby tsy hanina ny henany.

4- Ny ran'ny fadim-bolana sy ny lio aorian'ny fiterahana.

5- Roran'ny alika.

6- Ny fatin-biby, ka tsy tafiditra amin'izany:

a-  Ny olombelona rehefa tra-pahafatesana.

b- Ny fatin’ny trondro sy ny valala.

Valiny: Ny fatin'ny biby tsy misy rà mandeha: toy ny lalitra, ny vitsika, ny tantely, sy ny toy izany.

- Taolan'ny fatim-biby sy ny tandrok'iny sy ny hohony sy ny volony ary ny volom-boron'iny.

Ary ny fomba fanadiovana ny loto dia:

1- Amin’ny Rano: izy no fototra anadiovana ny fahalotoana, ka tsy azo soloina zavatra hafa.

2- Ireo nentin'ny lalàna mahakasika ny fomba fanadiovana ireo zavatra maloto na ireo tratry ny loto:

a- Diovina amin’ny fandokoana ny hoditry ny biby maty.

b- Ny fanadiovana ny vilia raha nolelafin'ny alika; dia ny fanasana azy im-pito; ka ny voalohany amin'izany dia amin'ny tany.

V: Kikisana, avy eo kosehina amin’ny rano, ary kobanina ny faritra misy ny ràn’ny fadim-bolana; raha mbola misy soritra tavela aorian'izany dia tsy mampaninona.

D- Ny fanadiovana ny rambon'ny akanjon'ny vehivavy amin'ny tany madio izay manaraka azy.

Fanadiovana ny lamba amin'ny amanin'ny zazalahy mbola minono dia amin'ny famafazana azy; fa ny an'ny zazavavy kosa dia amin'ny fanasana.

Fanadiovana ny lamba amin'ny Madhy; amin'ny famafazana rano eo amin'ilay toerana.

Z- Fanadiovana ny ambanin'ny kapa, ka safona amin'ny tany madio.

H- Ny fanadiovana ny tany amin’ny loto; dia amin’ny alàlan’ny fanondrahana rano iray siny eo amin’ilay toerana, na avela ho mainan’ny masoandro na ny rivotra izy, ka rehefa very ny soritry ny loto dia madio izany.

Fahatelo: Ireo zavatra tsy azon'ny olona tsy manana Ozo atao:

Ireo zavatra norarana amin'ny olona nivoahan'ny loto kely na lehibe:

1- Ny Soalat, na ny soalat tsy maintsy atao na ny an-tsitrapo; Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«لَا يَقْبَلُ اللَّهُ صَلَاةً بِغَيْرِ طُهُورٍ».

“Tsy eken’Allah ny fivavahana atao tsy misy fahadiovana”6.

2- Fikasihana ny fitazomana ny KOR'ANY Masina. Araka ny voalaza ao amin'ilay taratasy nosoratan'ny Mpaminany (S.A.W) ho an'i Amro ibn Hazm, izay nilazany hoe:

«لَا يَمَسُّ الْقُرْآنَ إِلَّا طَاهِرٌ».

«Tsy misy mikasika ny Kor’any afa-tsy izay madio»7.

3- Ny Fihodikodinana im-pito eo amin'ilay Trano Tranainy; niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«الطَّوَافُ بِالْبَيْتِ صَلَاةٌ، إِلَّا أَنَّ اللَّهَ أَبَاحَ فِيهِ الْكَلَامَ».

«Ny Tawaf eo amin'ny Trano Masina dia Soalat, saingy hoe navelan'i Allah hiresaka izay ao anatiny»8. Ary efa nanao ozò ny Mpaminany (S.A.W) hanaovana ny Tawaf, Ary voaporofo avy Aminy (S.A.W) fa noraràny ny vehivavy tonga fotoana tsy hihodidina ny trano (Tawaf) mandra-pahadiovany.

Ary ny amin'ireo zavatra voarara manokana amin'ny olona tratry ny hadath lehibe dia ireto avy:

1- Ny famakiana ny Boky masina Kor'any; Araka ny voalazan'i Ali (R.A): "Tsy nisy na inona na inona nanakana ny Mpaminany (S.A.W) momba ny KOR'AN, afa-tsy ny Janâba9."

2- Mijanona ao anaty Moske tsy manana ozo; Noho ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَقۡرَبُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَنتُمۡ سُكَٰرَىٰ حَتَّىٰ تَعۡلَمُواْ مَا تَقُولُونَ وَلَا جُنُبًا إِلَّا عَابِرِي سَبِيلٍ حَتَّىٰ تَغۡتَسِلُواْ...﴾

{Ô ianareo izay nino ! Aza manatona ny fanompoam-pivavahana ianareo raha mbola mamo, mandra-pahalalanareo izay teneninareo, ary raha mbola ao anatin'ny fahalotoana lehibe, afa-tsy eny am-pandehanana, mandra-panaovanareo ny fidiovana lehibe...} [Sorate AN-NISSA: 43].

Koa raha midio ny olona maloto amin'ny loto lehibe, dia azo ataony mijanona ao amin'ny moske, ary torak'izany koa, tsy misy maharatsy ny fandalovan'ny olona maloto amin'ny loto lehibe ao amin'ny moske raha tsy mijanona ao izy.

Fahefatra: Fahalalampomba atao rehefa hamoaka maloto:

Ireo zavatra tsara atao rehefa miditra toeram-pivoahana:

1- Fanalavirana sy fisitrihana ny olona any an-kalamanjana.

2-Mamaky ilay Doan rehefa miditra, manao hoe:

«اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنَ الْخُبْثِ وَالْخَبَائِثِ».

"Allahoumma inni Aouzou bika minal-khobthi walkhaba'ith"10.

Ka voadidy ny rehefa miditra toeram-pivoahana:

1- Fidiovana tanteraka amin'ny pipy.

2- Ny fanakonana ny henatra.

Zavatra voarara rehefa mamoaka maloto:

1-Ny fitodihana mankany amin'ny Kibla na ny fiambohoana azy.

2- Mamoaka maloto amin'ny lalan'ny olona sy ny toerana fipetrahan'izy ireo.

3-Fivalanana amin'ny rano tsy mikoriana.

Ireo zavatra tsy tsara atao rehefa hiditra toram-pivoahana:

1- Fikasihana ny fitaovam-pananahana amin'ny tànana havanana eo am-pivoahana.

2- Ny Istinja' sy Istijmaar amin'ny tànana havanana.

3- Tsy tokony hiresaka, indrindra fa ny manonona ny anaran'i Allah.

Ny faha-dimy: Didin'ny Istinja' (fidiovana amin’ny Rano) sy Istijmaar (fidiovana amin’ireo zavatra hafa ankoatran’ny rano):

Ny Istinjâ: Fanesorana ny sisan'ny loto avy amin'ny làlana roa amin'ny rano.

Fidiovana tsy amin'ny rano (Al-Istijmar): Fanesorana ny dian'ny loto mivoaka avy amin'ny làlan-kivoahana roa amin'ny zavatra hafa ankoatra ny rano; toy ny vato sy ny mosara.

Ireo fepetra takiana amin'ny fitaovana anaovana ny istijmâr:

1- Tokony ho zavatra azo ampiasaina.

2- Tokony afaka madio izy.

3- Madio tsara.

4- Tsy tokony ho taolana na tain-biby.

5- Ny tsy fanaovana azy amin'ny zavatra manan-kaja; toy ny taratasy izay misy ny anaran'i Allah ilay avo Tsitoha.

Ny fampiasana ny istijmar fotsiny dia azo atao amin'ny fepetra roa:

1- Tsy mihoatra ny toerany mahazatra ilay zavatra mivoaka.

2- Ny fidiovana dia tokony hatao amin'ny vato telo mahadio, na mihoatra.

Fahaenina: Ireo didy momba ny ozo:

Ireo fanompoana telo mitaky ny fanaovana ozo:

1- Ny Soalat; na ny swalat tsy maintsy atao izany na ny an-tsitrapo.

2-Fikasihana ny Kor’any Masina.

3- Ny Twawaf (Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba).

Fepetra momba ny fanadiovana:

1- Ny ( Finoana ) ISLAM.

2- Ny Saina.

3-Mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety.

4- Ny fikasana: apetraka ao am-po, ary ny mamoaka feo ny amin'izany dia forona, Ary izay rehetra naniry ny hanao ny fidiovana masina (Ozo), dia efa nanao ny finiavana, Fa ny fanasana ireo rantsana sasana amin'ny Ozo, amin'ny fikasana hangatsiatsiaka na hanadio tena, dia tsy Ozo.

5- Fitazonana ny fikasana: ka tsy mikasa ny hanapaka izany mandra-pahavitan'ny fahadiovany.

6- Fahatapahan'ny zavatra mitaky ozo, Tsy tafiditra amin'izany: Ny olona voan'ny fivoahana maharitra, sy ny vehivavy voan'ny istihàdah.

7- Manao Istinja' (fidiovana amin’ny Rano) na Istijmaar (fidiovana amin’ireo zavatra hafa ankoatran’ny rano) mialoha, ho an'izay nivoahan'ny amany na tay.

8- Ny fahadiovan'ny rano, sy ny maha-azo ampiasaina azy.

9- Fanesorana izay manakana ny fahatongavan'ny rano amin'ny hoditra.

10- Fidiran'ny fotoanan'ny soalat ho an'izay manana loto mitohy.

Adidy amin'ny fanadiovana:

1- Fanasana ny tarehy, anisan'izany ny fanotsanam-bava sy fanadiovana kely ny orona.

2- Fanasana tànana roa miaraka amin'ny kio anaki-roa.

3- Fisafoana ny loha manontolo miaraka amin'ny sofina roa.

4-Fanasana ny tongotra roa miaraka amin'ny kitro anaki-roa.

5- Ny filaharany amin'ny fanadiovana ireo rantsana.

6- AL-MOWALAT: Tsy manasaraka ny rantsana sasana amin'ny elanelana lava.

Fomba fanaovana ny Ozo:

1- Ny fitenenana BISMILLAHI.

2- Fanasana ny felan-tànana roa in-telo.

3- Fanasana ny tarehy in-telo, ary tafiditra ao anatin'izany ny fanotsanam-bava sy fanadiovana kely ny orona.

4- Fanasana ny tànana roa ka hatramin'ny kiho in-telo, ka atomboka amin'ny tànana an-kavanana avy eo ny tànana an-kavia.

5- Fisafoana ny loha miaraka amin'ny sofina roa.

6- Fanasana in-telo ny tongotra roa ka hatramin'ny kitro, ka atomboka amin'ny tongotra an-kavanana avy eo ny an-kavia.

Ireo zavatra manapaka ny Ozo:

1- Ireo zavatra mivoaka eo amin'ny lalana roa, toy ny: pipy sy hetotra ary tay.

2- Ny zavatra mivoaka avy amin'ny vatana izay mahadikidiky sy maloto.

3- Fahaverezan-tsaina na amin'ny alàlan'ny torimaso, na koa ankoatra izany.

4-Fitsapana ny taovam-pananahana aloha na aoriana amin'ny tanàna tsy misy manasaraka azy.

5- Fihinanana ny henan'ny rameva.

6- Ny fialàna amin'ny finoana Islam, enga anie i Allah hiaro antsika sy ny mpino Silamo amin'izany.

Fahafito: Ireo didy aman-dalàna mikasika ny fisafoana ny kiraro hoditra sy ny ba-kiraro:

1- Ny Al-Khoff: Ireo zavatra vita amin'ny hoditra sy ny mitovy aminy tafian'ny tongotra.

2- Ny AL-JAORABY: Zavatra tafian'ny tongotra namboarina tamin'ny volon'ondry na landihazo na koa ankoatr'izany.

Ireo fepetra takiana amin'ny fisafoana azy ireo:

1- Ny fisikinana azy roa aorian'ny fidiovana tanteraka.

2- Fanasarona ny tongotra roa mbamin'ny kitro roa.

3- ary tokony madio izy roa.

4- Ny fisafoana dia ao anatin'ny fe-potoana voafetra.

5- Ny fisafoana dia tokony hatao amin'ny Ozo fa tsy amin'ny fandroana.

6- Ny kiraro sy ny mitovy aminy dia tokony ho azo ekena, ka raha toa ka nalaina tsy ara-drariny izany na landy ho an'ny lehilahy; dia tsy azo atao ny misafo azy, satria ny zavatra voarara dia tsy ahazoana fanamaivanana.

Fe-potoana anaovana ny fisafoana dia ireto avy:

Ho an'ny eo an-tanàna: Iray andro sy iray alina, ary ho an'ny mpivahiny: telo andro sy telo alina.

fomba fanatanterahana ny fisafoana dia izao:

Ampandalovina indray mandeha ny tànana mando eo an-tampon'ny bakiraro na ny kiraro hoditra, miatomboka eo amin'ny tendron'ny ratsan-tongotra ka hatramin'ny tongotra.

Ireo zavatra manimba ny fisafoana dia:

1- Ny fahataperan'ny fe-potoana hanaovana ny fisafoana.

2-Fanesorana ny bakiraro roa na ny iray aminy.

3- Ny fisian'ny loto lehibe.

Ny didin'ny fisafoana ny ba kiraro:

Fahazoan-dàlana izany, ary ny fanaovana izany dia tsara kokoa noho ny fanesorana ny kiraro sy ny fanasana ny tongotra; ho fandraisana ny fahazoan-dalana avy amin'i Allah, ho fanarahana ny ohatra nomen'ny Mpaminany (S.A.W), ary ho fanoherana ireo mpanavao ny fivavahana.

3- Ny fisafona ny takelaka sy ny fehy ary ny tampina:

Famehezana: Izay amatorana ny taolana tapaka ; toy ny platira na tapa-kazo sy ny mitovy aminy.

Ny fehy dia izay fehezina amin'ny ratra na ny mangana na ny may; vita amin'ny lamba sy ny mitovy aminy.

Zavatra apetaka eo ambonin'ny fery na vay ho enti-manasitranana.

Ny didy momba ny fisafoana amin'izany dia:

Azo atao: raha ilaina ny hijanonany, raha toa ka tsy mihoatra ny toerana ilàna azy.

Ary tsy azo atao: raha tapitra ny filàna azy, na raha tsy miteraka fahasahiranana na fahavoazana ny fanalàna azy.

Fomba fanatanterahana ny fisafoana azy dia izao:

Sasana ny manodidina azy, ary safòina amin'ny lafiny rehetra, Tsy azo atao ny misafo izay mihoatra ny faritra anaovana ozo.

Fahavalo: Fitsipika momba ny TAYAMMOM:

Ny Tayammom dia fisafona ny tarehy sy ny tànana amin'ny tany, amin'ny fikasana ny hidiovana, amin'ny fomba manokana.

Ny didiny:

Tsy maintsy manao tayammoum solon'ny ozo sy ny mandro rehefa tsy misy rano, na tsy afaka mampiasa azy.

Anisany lesona sy antony manokana maha mety azy dia izao:

Ny Tayammom dia anisan'ny ireo zavatra mampiavaka ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W). Ary tsy fantatra tamin'ireo vahoaka teo aloha izany, ho fanalalahana avy amin'i Allah ho an'ity vahoaka ity, sy ho fahasoavana avy Aminy ho azy.

Ireo antony azo anaovana ny " Tayammomo ":

1- Raha nitady rano izy ka tsy nahita, na eo an-tanàna na eny am-pandehanana.

2- Raha manana rano ilainy amin’ny fisotroany na fandrahoan-tsakafo izy, ka raha ampiasainy hanadiovana tena izany dia atahorany ny hetaheta ho an’ny tenany, na ho an’ny hafa toy ny olombelona na biby hajaina.

3- Raha matahotra ny hampiasa rano izy, sao hanimba ny vatany noho ny aretiny na koa hahatara ny fahasitranany.

4- Raha tsy afaka mampiasa rano izy noho ny aretina tsy ahafahany mihetsika, sady tsy manana olona hampanao Ozo azy, ka matahotra ny hivoahan'ny fotoana.

5- Raha matahotra hatsiaka izy amin'ny fampiasana rano, ka tsy mahita izay hamanany azy, dia manao Tayammom izy ka mivavaka.

Ny fombafomba atao amin’ny Tayammom:

Kapohina amin'ny tànana roa ny tany ka sokafana ny rantsan-tànana, avy eo safoina amin'ny ati-rantsan-tànana ny tarehy, ary safoina amin'ny fela-tànana ny tànana roa, ka atao mahazo ny tarehy sy ny tànana roa manontolo ny fisafona.

Ireo zavatra manimba ny Tayammom dia:

1- Ny fisian'ny rano raha noho ny tsy fisian'izany no nanaovana ny Tayammom. na afaka mampiasa azy raha toa ka noho ny tsy nahafahana nampiasa azy no nanaovana ny Tayammom.

2- Manimba azy na ny iray amin'ireo zavatra manimba ny ozo, na ny iray amin'ireo zavatra mitaky ny fisehana, toy ny fivoahan'ny tsiron'aina na ny fadim-bolana, ary ny lio aorian'ny fiterahana.

Ny didy ho an'ny olona tsy afaka mampiasa rano sy manao Tayammom:

Izay tsy manana rano sy tany, na tonga amin'ny toe-javatra izay tsy ahafahany mikasika ny hodiny amin'ny rano na tany, dia manao ny Soalat izy araka ny toe-javatra misy azy, tsy manao ozo na tayammom; satria i Allah dia tsy mandidy amin'ny aina iray afa-tsy izay zakany ihany. Ary raha toa ka nahita rano sy fotaka izy taorian'izany, na afaka nampiasa azy roa ireo; dia tsy mamerina ny Soalat izay efa nataony izy; satria nanatanteraka izay nandidiana azy izy. Araka ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿...فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُمۡ...﴾

Matahora an'Allah arak'izay vitanareo (At-Taghabony: 16), Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«إِذَا أَمَرْتُكُمْ بِأَمْرٍ فَأْتُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ».

“Raha nandidy anareo hanao zavatra aho, dia ataovy izay vitanareo atao”11.

Fanamarihana: Raha manao tayammom noho ny fahalotoana lehibe, ka avy eo mahita rano, dia tsy maintsy mandro.

 

 

 

Fahasivy: Ireo lalàna sy fitsipika mamehy ny fadimbolana sy ny rà aorian’ny fiterana:

Voalohany: Ny fadim-bolana:

Izy io dia rà voajanahary, mivoaka avy any amin'ny fototry ny tranonjaza ara-potoana. Amin'ny ankamaroany dia mandeha enina na fito Andro isam-bolana, ary mety mitombo na mihena, Ary ny volan'ny vehivavy dia mihalava sy mihafohy; arakaraka ny toetra namoronan'i Allah Ta'ala azy.

Ireo lalàna sy fepetra mamehy ny vehivavy mandeha fadim-bolana:

1- Ny vehivavy tonga fadimbolana dia tsy manao Soalat ary tsy mifehy, ary tsy voaray izany avy aminy.

2- Tsy maintsy manonitra ny fifadian-kanina ny vehivavy tonga fadimbolana fa tsy manolo Soalat rehefa madio izy.

3- Tsy azo ataony manao Tawaf eo amin'ny Trano Masina, no sady tsy mahazo mamaky ny Kor’any, Ary tsy mipetraka ao amin'ny moske. 4- Ary voarara ny fanaovany firaisana ara-nofo amin'ny vadiny eo amin'ny fivaviany mandra-pitapitra ny fadim-bolany ary mandro Izy.

5- Azo atao amin'ny lehilahy ny maka fahafinaretana amin'ny vadiny tonga fadim-bolana ankoatra ny firaisana ara-nofo, toy ny oroka, ny safosafo sy ny mitovitovy amin'izany.

6- Voarara amin'ny vadiny ny hisaraka Aminy rehefa Izy tonga fadimbolana.

Ary ny fahadiovana dia ny fitsaharan'ny Rà, ka raha tapitra ny Rà; dia efa madio Izy, ary tapitra ny fotoanan'ny fadimbolany, ka tsy maintsy mandro Izy. Avy eo dia manao izay tsy azony natao izy noho ny fadim-bolana.

Ary raha mahita tsiranoka mavo izy aorian'ny fanadiovana; dia tsy raisiny ho zavatra izany.

Faharoa: Rà aorian'ny fiterahana (Nifasy):

Ary izy io dia rà avoakan'ny tranonjaza noho ny fiterahana sy ny aorian'izany, ary izy no ambin'ny rà izay voatàna nandritra ny fitondrana vohoka.

Ary ny Nifasy ( ra aorian'ny fiterana ) dia mitovy amin'ny fadimbolana amin'ireo zavatra ara-dalàna; toy ny fakana fahafinaretana aminy amin'izay ankoatry ny fivaviana.

Ary amin'ireo izay voarara; toy ny firaisana ara-nofo, ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ny Talàka, ny Tawaf, ny famakiana ny Kor'any, ary ny fitoerana ao amin'ny Moske, Ary voadidy ny mandro rehefa tapitra ny ràny, toy ny vehivavy tonga fadim-bolana.

Ary tsy maintsy manonitra ny fifehezana izy fa tsy ny swalat, ka tsy manonitra izany izy toy ireo vehivavy tonga fadimbolana.

Ary ny faharetany be indrindra dia efapolo andro, Raha tapitra talohan'ny efapolo andro ny ràn'ny Nifasy, dia efa tapitra ny Nifasy-ny, ka mandro Izy, manao ny Soalat, ary afaka manohy ireo zavatra izay nosakanana taminy noho ny Nifasy.

Lohahevitra faharoa: Soalat:

Voalohany: Fitsipika momba ny Azan (fiantsona amin’ny Soalat) sy Ikamat (fananganana ny Soalat):

Voadidy ny Azan tamin'ny taona voalohany tamin'ny fifindramonin'ny Mpaminany, Ny antony nahavodidy azy dia: rehefa sarotra tamin’izy ireo ny nahafantatra ny fotoana, dia nifampidinika izy ireo mba hametraka famantarana ho an’ireny. Ka naseho an'i Abdollahi Ibn Zayd (R.A) tamin'ny nofy ity Azan ity, ary ny faminaniana no nanamafy izany.

Ny Azan dia fampahafantarana ny fidiran'ny fotoam-bavaka. Ny Ikamat: dia fampahafantarana ny fananganana ny Swalat.

Ary ny Azan sy Ikamat dia FARDO kifayah ho an'ny lehilahy mivondrona amin'ireo Soalat tsy maintsy atao, Ary izy roa dia isan'ireo famantarana lehibe ao amin'ny finoana Islam, ka tsy azo foanana.

Ireo fepetra takina amin'ny Azan:

1- Tokony ho lahy ny mpiantso amin’ny azan.

2- Ny filaharan'ny Azan.

3- Ny fitohizan'ny Azan.

4- Aorian'ny fidiran'ny fotoana ny Azan, tsongaina amin'izany anefa: ny fiantsoana voalohany amin'ny Fajr sy ny Zoma.

Ireo Sonnah amin'ny Azan:

1- Ampidirina ao anaty sofina roa ny rantsan-tànana roa.

2- Azan amin'ny fiandohan'ny fotoana.

3- Ny fitodihana ankavanana sy ankavia rehefa milaza ny Hay'alatainy.

4- Mila olona tsara feo.

5- Ny fanononana miadana sy milamina ny Azan, ka tsy aninjirana na analavana mihoatra ny antonony.

6-Ny fijanonana amin'ny fehezanteny tsirairay.

7- Mitodika any amin'ny Kibla mandritra ny Adhan.

Ny Azan dia fehezanteny dimy ambin'ny folo, araka ny fiantso nataon'i Bilal (R.A) teo anatrehan'ny Iraka an'Allah (S.A.W) mandrakariva.

Ireo tenin'ny Azan (fiantsona):

"Allaho Akbar": in-efatra.

(Ash-hado An-Là ilàha illalàho): indroa.

(Mijoro vavolom-belona fa i Mohammad dia irakan’i Tompo Allah): indroa.

(Avia hanatrika ny Soalat): indroa,

(Avia hanatrika ny fiadanana sy ny fahasambarana, averina in-droa)

Avy eo miteny hoe: (Allaho Akbar) in-droa.

Avy eo dia faranana amin'ny (Là ilàha illal-Loàho): indray mandeha.

Ary ampiana ao amin'ny Fajr aorian'ny Hayya 'alal Falah: (Aswalato khayron minan-nawm) indroa; Satria fotoana fatorian'ny olombelona amin'ny ankapobeny.

Ary ny Ikamat dia fehezanteny iraika ambin'ny folo, tononina haingana, izany hoe: atao maika; satria ho fampandrenesana ireo manatrika izy io, ka tsy ilaina ny manao azy miadana.

Ny fomba filazàna azy dia tahak'izao:

-"Allaho Akbar" in-2.

("Ash-hado An-Là ilàha illalàho"): indray mandeha.

"Ash-hado Anna Mohammadan Rasòlollàhi": Indray mandeha.

(Avia hanatrika ny Soalat): indray mandeha.

(Avia hanatrika ny fiadanana sy ny fahasambarana): averina indray mandeha.

(Fananganana ny Soalat): Indroa.

"Allaho Akbar" indroa.

(Là ilàha illal-Loàho): indray mandeha.

Amporisihina ho an'izay mandre ny Azan ny mamerina izay lazain'ny mpiantso, afa-tsy amin'ny (Hayya Àla-soalat), sy (Hayya Àlal-Falàh) ka miteny hoe: (Là Haola wala-qowwata illà billàhy), Avy eo izy dia nivavaka ho an'ny Mpaminany - S.A.W -. Avy eo dia miteny aorian'izany hoe:

«اللهمَّ رَبَّ هَذِهِ الدَّعْوَةِ التَّامَّةِ، وَالصَّلَاةِ القَائِمَةِ، آتِ مُحَمَّدًا الوَسِيلَةَ وَالفَضِيلَةَ، وَابْعَثْهُ مَقَامًا مَحْمُودًا الَّذِي وَعَدْتَهُ، إِنَّكَ لَا تُخْلِفُ الْمِيعَادَ».

«Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat, Wa swalatil Qaaiima, Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat, Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, innaka la tokhlifol mi'ad»12.

avy eo dia miteny hoe:

«رَضِيتُ بِاللَّهِ رَبًّا، وَبِالْإِسْلَامِ دِينًا، وَبِمُحَمَّدٍ ﷺ نَبِيًّا».

«Izaho manaiky an’Allah ho Tompoko, ny finoana Silamo ho fivavahako, ary i Mohamad (S.A.W) ho Mpaminany»13.

Tsy azo atao ny miala ao amin'ny moske aorian'ny Azan, raha tsy misy fialan-tsiny na fikasana hiverina.

Rehefa atambatra ny soalat roa dia ampy ny Azan iray sy Iquama isaky ny soalat.

Faharoa: Ny lanjan'ny Swalat sy ny tombotsoany:

Ny Swalat no andry lehibe indrindra amin'ireo andrin'ny finoana Islam aorian'ny fijoroana vavolombelona anankiroa, Ary manana ny hajany manokana, Izay natolotr'Allah ho an'ny Mpaminaniny (S.A.W) adidy masina tamin'ny alin'ny Al-Miraj tany an-danitra, Koa porofo izany amin'ny fahalehibiazany sy ny fanamafisana ny maha-adidy masina azy ary ny hasiny eo anatrehan'Allah Ilay Tsitoha.

Ary marobe ireo Hadith miresaka momba ny fahasoavany sy ny maha-adidy tsy maintsy atao azy ho an'ny isam-batan'olona, Ary ny maha didy tsy maintsy azy dia anisan'ny fahalalana fototra tsy azo lavina ao anatin'ny finoana Islam.

Ary isan'ny manaporofo ny maha-tsy maintsy atao azy sy ny fanamafisana izany: Ireo lahatsoratra marobe avy amin'ny Boky sy ny Sunnah, ka isan'ireny:

1- Ilay tenin'i Allah manao hoe:

﴿...إِنَّ ٱلصَّلَوٰةَ كَانَتۡ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ كِتَٰبٗا مَّوۡقُوتٗا﴾

Tena marina fa ny vavaka swalat dia voadidy amin’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra. [Sorate An-Nisà: 103] Midika hoe: Tsy maintsy atao amin'ireo fotoana nofaritan'ny Mpaminany (S.A.W).

2- Sy ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿وَمَا أُمِرُوا إِلَّا لِيَعْبُدُوا اللَّهَ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ حُنَفَاءَ وَيُقِيمُوا الصَّلَاةَ...﴾

{Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalat)...} (Al-bayynat:5).

3- Sy ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿فَإِنْ تَابُوا وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ وَآتَوُا الزَّكَاةَ فَإِخْوَانُكُمْ فِي الدِّينِ...﴾

{Nefa izy ireo raha mibebaka sy manatanteraka ny Soalat sy mamoaka ny Zakat dia ho rahalahinareo ara-pinoana...}

[Sorate At-Tawbat: 11]

Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«إِنَّ بَيْنَ الرَّجُلِ وَبَيْنَ الشِّرْكِ وَالْكُفْرِ تَرْكُ الصَّلَاةِ».

"Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat". 14.14

5- Ary tatitra azo avy amin'i Boraida (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«العَهْدُ الَّذِي بَيْنَنَا وَبَيْنَهُمُ الصَّلَاةُ، فَمَن تَرَكَهَا فَقَدْ كَفَرَ».

"Ny fifanekena eo amintsika sy izy ireo dia ny soalat, ka izay namela izany dia tsy mpino". 15.15

Ary niombon-kevitra ireo manam-pahaizana tamin'ny tsy maha mpino izay nanda ny maha-adidy azy, Raha izay namela azy noho ny hakamoana sy ny fanaovana antsirambina, ny marina kokoa dia tsy mpino ihany koa izy, araka ilay Hadith marina voalaza teo aloha, sy araka ny marimaritra iraisan’ireo Sahaba momba izany.

Fahatelo: Fepetran'ny Soalat:

1- Fidiran'ny fotoanany:

Noho ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿...إِنَّ ٱلصَّلَوٰةَ كَانَتۡ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ كِتَٰبٗا مَّوۡقُوتٗا﴾

Tena marina fa ny vavaka Soalat dia adidy ho an’ireo mpino ao anaty fotoana voafetra. [Sorate An-Nisà] Voadidy amin'ny fotoana voafetra.

Ny fotoam-bavaka tsy maintsy atao, ireto avy izany:

a- Maraina vao mangiran-dratsy: Manomboka amin'ny fiposahan'ny mangiran-dratsy ka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro.

b- Zohri: manomboka amin'ny fivarinan'ny masoandro ka hatramin'ny hahatongavan'ny aloky ny zavatra rehetra ho mitovy halava aminy.

V- Ny Asri: manomboka amin'ny fiafaran'ny fotoanan'ny Zohri ka hatramin'ny fahamavoan'ny masoandro, ary ny fotoana tsy azo anoharana dia mihitatra hatramin'ny filentehany.

D- Al-magrib: Manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny fanjavonan'ny rahona mena.

e- "Al-insha" Vavaka alina: Manomboka amin'ny fahataperan'ny fotoan'ny Maghrib ka hatramin'ny misasakalina.

2- Ny fanakonana ny henatra:

Izany dia izay tsy maintsy saronana, ary ratsy sy mahamenatra ny fisehoany, Ary ny henatra ho an'ny lehilahy dia izay eo anelanelan'ny foitra sy ny lohalika, Ny vehivavy dia henatra avokoa ny vatany iray manontolo rehefa mivavaka afa-tsy ny tarehiny, Ary manarona ny tavany izy raha eo anatrehan'ny lehilahy vahiny, izany hoe: ireo izay olona tsy fady azy.

3- Ny fanalavirana ny loto hita masao:

Ny loto: dia loto manokana izay manakana ny Soalat; toy ny pipy sy ny kaka sy ny rà ary ny hafa mitovy amin'ireo, ary izany dia eo amin'ny vatana sy eo amin'ny toerana ary eo amin'ny lamba fitafy.

4- Ny fitodihana any amin'ny kiblat:

Ny Kibla dia ny Ka’ba masina, nantsoina toy izany izy noho ny fitodihan’ny olona mankany aminy.

Koa tsy manan-kery ny Soalat raha tsy misy ny fiatrehana ny Kibla, Araka ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿...وَحَيۡثُ مَا كُنتُمۡ فَوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ شَطۡرَهُ...﴾

Ary n’aiza n’aiza ny toerana misy anareo, dia atodiho any aminy ny tavanareo. [Sorate Al-Bakarat: 144]

5- Ny finiavana:

Raha ny dikany ara-bakiteny dia: Ny fikasana, fa raha ny dikany ara-pivavahana kosa dia: ny fanapaha-kevitra hanao ny fanompoana mba ho fomba iray hanakaikezana an'i Tompo Allah. Ao am-po no toerany, ka tsy ilaina ny mamoaka feo ny amin'izany, fa famoronana izany.

Fahaefatra: Andrin'ny Soalat:

Miisa efatra ambin'ny folo (14) ireo fototra:

Ny andry voalohany dia: Ny fitsanganana hoan'izay mahavita mitsangana.

Araka ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿‌...وَقُومُواْ لِلَّهِ قَٰنِتِينَ﴾

Mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo. [Sorate Al-Bakarat: 238] Ary ny Hadith-n'i Imràny (R.A) avy amin'ny Mpaminany (S.A.W):

«صَلِّ قَائِمًا، فَإِن لَمْ تَسْتَطِعْ فَقَاعِدًا، فَإِن لَمْ تَسْتَطِعْ فَعَلَى جَنْبٍ».

""Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria"16."

Fa raha tsy mahavita mitsangana noho ny aretina; dia manao Soalat araka ny toe-javatra misy izy, mipetraka na matoritory. Ary toy ny marary ihany koa: ny matahotra, sy ny mitanjaka, ary izay mila mipetraka na matory nohon'ny fitsaboana izay mitaky ny tsy hijoroana. Torak'izany koa, omena alàlana tsy hijoro izay mivavaka ao aorian'ny Imam raikitra izay tsy mahavita mijoro. Koa raha mivavaka mipetraka izy, dia mivavaka mipetraka koa ireo ao aoriany manaraka ny Imam-n'izy ireo. Ary azo atao ny manao ny vavaka an-tsitrapo mipetraka, na dia mahavita mitsangana aza, saingy ny valisoa dia tsy toy ny valisoan'ny mitsangana.

Ny andry faharoa dia: Takbir fanokafana amin'ny fiandohany:

Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«ثُمَّ اسْتَقْبِلِ الْقِبْلَةَ، وَكَبِّرْ».

"Avy eo mitodiha mankany amin'ny Kibla, ary mitenena hoe: "Allaho Akbar"17.

Ny endriny dia ny miteny hoe: (Allah Akbar), ary tsy misy hafa azo ekena.

Ny Andry fahatelo: Famakiana ny Sorate Al-Fatiha:

Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«لَا صَلَاةَ لِمَنْ لَمْ يَقْرَأْ بِفَاتِحَةِ الْكِتَابِ».

"Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sorat Al-Fatiha"18.

Ny Andry fahaefatra: Ny fiondrehana "Roko" amin'ny raka'ah tsirairay:

Noho ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿يَاأَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا ارْكَعُوا وَاسْجُدُوا...﴾

Ianareo izay nino, miondreha, miankohofa...

[Al-Hajjy: 77].

Andry fahadimy sy fahaenina:

Fitsanganana avy miondrika, ary mijoro mahitsy toy ny teo alohany, satria izy (S.A.W) nanao izany tsy tapaka.

Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) tamin'ilay nandiso tamin'ny fivavahany manao hoe:

«ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَعْتَدِلَ قَائِمًا».

"Avy eo mitsangàna mandra-pahitsinao tsara"19.

Ny Andry fahafito: Ny miankohoka amin'ny rantsam-batana fito:

Ny handrina miaraka amin'ny orona, sy ny felan-tànana roa, ary ny lohalika roa, ary ny lohan'ny rantsan-tongotra roa. Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«أُمِرْنَا أَنْ نَسْجُدَ عَلَى سَبْعَةِ أَعْظُمٍ: الجَبْهَةِ، وَأَشَارَ بِيدِهِ عَلَى أَنْفِهِ، وَالكَفَّيْنِ، وَالرُّكْبَتَيْنِ، وَأَطْرَافِ القَدَمَيْنِ».

“Nodidiana isika hiankohoka amin’ny taolana fito: Ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, sy ny felan-tànana roa, sy ny lohalika roa, ary ny tendron-tongotra roa”20.

Andry fahavalo: Ny fiarinana kely aorian'ny fiankohofana sy ny fipetrahana kely eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa:

Araka ny tatitra avy amin'i Aisha (R.A):

«كَانَ النَّبِيُّ ﷺ إِذَا رَفَعَ رَأْسَهُ مِنَ السَّجْدَةِ، لَمْ يَسْجُدْ حَتَّى يَسْتَوِيَ جَالِسًا».

«Rehefa nanandratra ny lohany avy tamin'ny fiankohofana ny Mpaminany ﷺ, dia tsy niankohoka izy raha tsy efa nipetraka tsara»21.

Andry fahasivy: Ny fitoniana eo amin'ireo Andry rehetra:

Izy io ia ny fitoniana na dia vetivety aza, araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ilay nandiso ny fivavahany:

«حَتَّى تَطْمَئِنَّ».

«Mandra-pitonianao»22.

Ny Andry fahafolo sy faha-raika ambin'ny folo:

Ny Tasha-hhod farany sy ny fipetrahana aminy: araka ny Haditah notaterin'i Ibn Mas'ôd (ho sitrak'i Allah izy) izay avy tamin'ny Mpaminany (s.a.w):

«إِذَا صَلَّى أَحَدُكُمْ فَلْيَقُلْ: التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ، السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ».

«Raha mivavaka ny iray aminareo, dia aoka izy hiteny hoe: Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany»23.

Ny Andry faharoa ambin'ny folo: Ny fandefasana tso-drano ho an'ny Mpaminany (S.A.W) eo amin'ny Tashahod farany:

Dia ny fitenenana hoe:

«اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ».

«Allahomma Soalli a'la Mohammadin»24، Ary izay rehetra mihoatra an'izany dia Sonnah.

Andry fahatelo ambin'ny folo: Ny filaharan'ireo Andry:

Satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nanatanteraka izany araka ny filaharany, Ary mbola niteny ihany:

«صَلُّوا كَمَا رَأَيْتُمُونِي أُصَلِّي».

“Mivavaha tahaka ny nahitanareo ahy mivavaka ianareo."25 Ary efa nampianariny an'ilay diso tamin'ny vavaka nataony ny fandaharany tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny teny hoe «avy eo».

ANDRY FAHA EFATRA AMBIN'NY FOLO: NY SALAM:

Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

««‌وَخِتَامُهَا ‌التَّسْلِيمُ».

Ary ny famaranany dia ny " Taslim ", Ary ny teniny hoe:

«وَتَحْلِيلُهَا التَّسْلِيمُ».

« Ary ny famaranana azy dia ny Taslîm » [26].26

Fahadimy: Ny tsy maintsy atao amin'ny Soalat

Valo izy ireo:

1- Ny Takbir rehetra afa-tsy ny Takbirat al-Ihram.

2- Ny fitenenana hoe: "Sobhana Rabyal-Azim" indray mandeha eo am-pihondrehana, Ary tanterahana ny fampitomboana azy ho in-telo, ka izany dia azo lazaina fa farany kely amin'ny fahafenoany, Ary hatramin'ny folo, izay no ambony indrindra.

3-Ny fitenenana: "Samiallaho Liman Hamidah" rehefa miarina avy miondrika; ho an'i Imam mpitarika sy izay manao Swalat mitokana.

4-Ny fitenenana hoe: "Rabbana Walakalhamdo" rehefa nitsangana avy nihondrika.

5-Ny fitenenana hoe: "Sobhana Rabyal-Aa'la" indray mandeha eo am-piankohofana, Ary Sunnah ny ampitomboina hatramin'ny in-telo.

6- Ny fitenenana hoe: "Rabigh-firly" eo anelanelan'ny fiankofana roa indray mandeha, Sunna ny fampitomboana hatramin'ny in-telo.

7-Ny TACHAHOD voalohany; ary izany dia hoe:

«التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ، وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ، السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ».

"" Attahiato Lillahy was Soala-oato wat Toay-bato, As salamo An-laika Ayo-han Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaatoh, As salam An-laina wa Anlaa Imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho " izay midika hoe: Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany ""27

8-Ny fipetrahana manao TACHAHOD voalohany.

Fahaenina: Sonnah-ny Soalat:

Ireo Sounnah amin'ny Soalat dia tsy mahafoana ny Soalat amin'ny famelana azy ireo, Mizara roa izany: fomba amam-panao ara-teny, sy fomba amam-panao ara-pihetsika.

Voalohany: Ireo Sonna an-teny:

1- Ny Doan fanokafana, ary manana endrika maro izy, ka anisan'izany:

«سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وَبِحَمْدِكَ، وَتَبَارَكَ اسْمُكَ، وَتَعَالى جَدُّكَ، وَلَا إِلٰهَ غَيْرُكَ».

«Soubhanak Alllahomma Wabihamdika, Watabarak asmouka Wataanlaa Djaddoka, Wala 'iilaha Ghayraka izay midika hoe: ( Doka ho an'i Tompo Allah ary tena ho Azy avokoa ny fiderana, ary deraina tokoa ny Anaranao ilay avo Tsitoha ny momba Anao, ary tsy misy Tompo afa-tsy Anao irery ihany)»28 .

2- Ny fangatahana fiarovana alohan'ny Fatiha, Ary izany dia ny filazana hoe: "Aozobillahi Minashaytwanir-Rajim".

3- Ny fitenenana: "Bismillahi-Rahmani-Rahim" mialohan'ny hamaky, Izay dia teny manao hoe: "Amin'ny Anaran'Allah, ilay Be Fiantrana, ilay Be Indrafo".

4-Fiderana mihoatra ny iray amin'ny fihondrehana sy fiankohofana.

5- Izay mihoatra ny iray amin'ny teny hoe:

«رَبِّ اغْفِرْ لِي».

"Rabbi ighfir ly " Tompo o ! mamelà Ahy" Anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.

6- Ny teny hoe:

«مِلْءَ السَّمَاوَاتِ، وَمِلْءَ الْأَرْضِ، وَمِلْءَ مَا بَيْنَهُمَا، وَمِلْءَ مَا شِئْتَ مِنْ شَيْءٍ بَعْدُ».

«Mil'oo Samawaty, Oa-Mil'oo Ardwy, Oa-Mil'oo Ma Baynahuma, Oa-Mil'oo Maachiita Min Chaiyn Baadah» Aorian' ny teny hoe:

«رَبَّنَا ولَكَ الحَمْدُ».

« Tomponay O ! ho Anao anie ny vonahitra sy fiderana »29.

7-Ny famakiana aorian'ny Sorate Al-Fatiha.

8- Ny teny hoe:

«اللَّهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ عَذَابِ جَهَنَّمَ، وَمِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ، وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَحْيَا وَالْمَمَاتِ، وَمِنْ فِتْنَةِ الْمَسِيحِ الدَّجَّالِ».

«Allah ô, mitady fiarovana Aminao aho amin’ny sazy ao amin’ny afobe, sy amin’ny sazy ao am-pasana, sy amin’ny fakam-panahin’ny fahavelomana sy fahafatesana, ary amin’ny fakam-panahin’ny Mesia sandoka "Dajjal"»30. Ary ny Fitalahoana fanampiny ankoatran'izany amin'ny Tashahhod farany.

Faharoa: Ireo fomba amam-panao ara-pihetsika:

1- Ny fampiakarana ny tànana roa hatreo amin’ny soroka na sofina amin'ny toerana efatra:

a- Eo am-panaovana ny Takbir voalohany.

b- Eo am-piondrehana.

j-Rehefa miarina aorian'ny fiondrehana.

d- Rehefa mitsangana hanatan-teraka ny Rakant faha-telo.

2- Apetraka eo ambonin'ny tànana ankavia eo ambonin'ny tratra ny tànana havanana rehefa mitsangana, alohan’ny hiondrika ary aorian’ny fiondrehana.

3-Ny fijerevana eny amin'ny toerana hiankohofana.

4-Manasaraka ny sandry amin'ny sisiny rehefa miankohoka.

5-Manasaraka ny kibo amin'ny fe rehefa miankohoka.

6- Ny fivelarana amin'ny fipetrahana rehetra mandritra ny Soalat, afa-tsy amin'ny Tachahoud farany amin'ny Soalat izay miisa Rakà telo sy efatra.

7- Ny fitongilanana kely amin'ny Tachahod farany an'ny vavaka telo na efatra rakaà.

Fahafito: Toetoetran’ny soalat:

1- Rehefa mitsangana hanao Soalat ny irak'I Allah ﷺ, dia mitodika mankany amin'ny kibla, manangana ny tànany ka ny rantsany dia manatrika ny kibla, ary miteny hoe:

«اللهُ أَكْبَرُ».

«Allah Akbar», izay midika hoe: "i Tompo Allah no lehibe indrindra".

2- Avy eo dia mihazona ny tànany havia amin'ny tànany havanana, ary apetrany eo ambonin'ny tratrany.

3- Avy eo dia manao ny fanokafana izy, ka tsy nifikitra tamin'ny iray foana, Ka ny fangatahana rehetra voaporofo avy aminy dia azo hanokafana ny Soalat, ka anisan'ireny ny:

«سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وَبِحَمْدِكَ، وَتَبَارَكَ اسْمُكَ، وَتَعَالى جَدُّكَ، وَلَا إِلٰهَ غَيْرُكَ».

"Sobhanak Alllahomma Wabihamdika, Watabarak asmoka Wataanlaa Djaddoka, Wala 'iilaha Ghayraka " izay midika hoe: ( Doka ho an'i Tompo Allah ary tena ho Azy avokoa ny fiderana, ary deraina tokoa ny Anaranao ilay avo Tsitoha ny momba Anao, ary tsy misy Tompo afa-tsy Anao irery ihany).

4- Avy eo dia miteny hoe:

«أَعُوذُ بِاللَّهِ مِنَ الشَّيْطَانِ الرَّجِيمِ، بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَٰنِ الرَّحِيمِ».

"Aozobillahi Minashaytwanir-Rajim, Bismillahir-Rahmanir-Rahim."

5- Avy eo mamaky Sorate Al-Fatiha, ka rehefa vitany dia miteny manao hoe: (AMINE).

6-Avy eo dia mamaky izay vitany vakina amin'ireo Sorate ao amin'ny kor'any, Ary mamaky mivoaka feo amin'ny Soalat Fajri, sy amin'ny rakaat roa voalohany amin'ny Maghrib sy Ishaa, Ary atao an-tsitrapo ny famakiana amin'ny ankoatr'izany. Ary ataony lava kokoa noho ny faharoa ny "Rakà " voalohany amin'ny vavaka rehetra.

7- Avy eo mampiakatra ny tànany anakiroa toy ny fampiakarana nataony tamin'ny fanombohana, Avy eo miteny hoe: "Allaho Akbar", Ary manao ny fiondrehana izy, Apetraka eo amin'ny lohalika roa ny felatànana roa, ka asaratsaraka ny rantsan-tànana, ary ampahitsina ny lamosina ka atao mahitsy amin'izany ny loha; tsy ampiakarina no sady tsy ampidinina. avy eo dia miteny hoe:

«سُبْحَانَ رَبِّيَ الْعَظِيمِ» مرةً.

"Sobhana Rabyal-Azim" indray mandeha, Ny kely indrindra amin'ny fahatanterahana dia atao in-telo, araka ny efa voalaza teo.

8- Avy eo mampiakatra ny lohany ary miteny hoe:

«سَمِعَ اللَّهُ لِمَنْ حَمِدَهُ».

" Samiallaho Liman Hamidah " izay midika hoe: henon'i Tompo Allah izay midera sy misotra aryy mankasitraka Azy. Ary ampiakarina ny tànany toy ny fanaovana azy rehefa hihondrika.

9- Ary rehefa miarina mahitsy tsara izy dia miteny hoe:

«اللَّهُمَّ رَبَّنَا وَلَكَ الْحَمْدُ، حَمْدًا كَثِيرًا طَيِّبًا مُبَارَكًا فِيهِ، مَلْءَ السَّمَاءِ، وَمَلْءَ الْأَرْضِ، وَمَلْءَ مَا بَيْنَهُمَا، وَمَلْءَ مَا شِئْتَ مِنْ شَيْءٍ بَعْدُ، أَهْلَ الثَّنَاءِ وَالْمَجْدِ، أَحَقُّ مَا قَالَ الْعَبْدُ، وَكُلُّنَا لَكَ عَبْدٌ، لَا مَانِعَ لِمَا أَعْطَيْتَ، وَلَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ، وَلَا يَنْفَعُ ذَا الْجَدِّ مِنْكَ الْجَدُّ».

«Ry Allah Tomponay ô! ho Anao anie ny fiderana, fiderana maro feno hatsarana ary feno fahasambarana ao Aminao, mameno ny lanitra, sy mameno ny tany, sy mameno izay eo anelanelan'izy ireo, ary mameno izay rehetra sitrakao ankoatr'izany. Ry Ilay mendrika ny fiderana sy ny voninahitra, izany no teny marina indrindra nolazain'ny mpanompo, ary mpanomponao izahay rehetra, tsy misy manakana izay nomenao, ary tsy misy manome izay nosakananao, ary ny haren'ny mpanan-karena dia tsy mahasoa azy eo anatrehanao»31 . Fanaony ny manalava ity fitsanganana mahitsy ity.

10- Avy eo dia miteny hoe: Allaho Akbar, dia miankohoka, Fa tsy manangana ny tànany izy, Miankohoka amin'ny andriny sy ny orony, ny tànany roa, ny lohaliny roa, ary ny tendron-tongony roa, Mitodika any amin'ny Kibla ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, - Atao milamina tsara ny vatana rehefa miankohoka, Ampetekina amin'ny tany ny handrina sy ny orona, Atehina tsara ny felatanana roa, ary asitaka ny kiho roa, Ary ny sandriny roa asàraka amin'ny takibany roa, Ary asitaka amin'ny feny ny kibony, Sy ny feny misaraka amin’ny fotony izay iangànany, Ary miteny eo amin'ny fiankohofany hoe:

«سُبْحَانَ رَبِّيَ الأَعْلَى».

"sobhàna rabbyal anlaa" izay midika hoe: voninahitra sy haja ary halebeazana avo sy ambony indrindra dia ho an'ny Tompoko Allah irery ihany." indray mandeha, Ary ny farany kely amin'izay feno sy mahampy dia in-telo araka ny efa voalaza teo aloha, Ary manao ny vavaka voatatitra.

11- Avy eo mampiakatra ny lohany ary miteny hoe: "Allaho Akbar", Avelatra ny tongotra an-kavia, dia hipetrahana izany, ary ajoro ny tongotra an-kavanana, Apetraka eo ambon'ny feny roa ny tanany roa, avy eo dia miteny hoe:

«اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي، وَارْحَمْنِي، وَاجْبُرْنِي، وَاهْدِنِي، وَارْزُقْنِي».

«Allah ô! Mamelà ahy, mamindrà fo amiko, ankahero aho, tariho aho, ary omeo ny anjaram-pivelomako»32.

12- Avy eo dia miteny Allaho Akbar ka miankohoka, ary ny ataony amin'ny fanindroany dia tahaky ny nataony tamin'ny voalohany.

13- Avy eo mampiakatra ny lohany sady miteny hoe: "Allaho Akbar", ary mitsangana amin'ny tampin-tongony ka miantehitra amin'ny lohaliny roa sy ny feny roa.

14-Koa rehefa tonga lafatra ny fijoroany; dia manomboka ny famakiana, Ary tanterahina ny Rakà faharoa tahaka ny Rakà voalohany.

15- Avy eo mipetraka manao Tachahod voalohany, tahaky ny fipetrahany eo anelanelan’ny fiankohofana roa, Ary mametraka ny tànany an-kavanana eo amin'ny fe-ny an-kavanana, ary ny tànany an-kavia eo amin'ny fe-ny an-kavia, Ary apetrany eo amin'ny fanondro ny ankiben'ny tànany havanana ka atao endrika boribory, Itondroana ny fanondro, ka jerena. avy eo dia miteny hoe:

«التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ، السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ».

"Attahiato Lillahy was Soala-oato wat Toay-bato, As salamo An-laika Ayo-han Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaatoh, As salam An-laina wa Anlaa Imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho wahdaho laa sharikalah, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho" izay midika hoe: Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, Iray Tokana tsy manana mpiombona Aminy, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany " -Fanaony ny nanamaivana ity Fipetrahana ity.

16- Avy eo dia mitsangana izy sady manao takbir, ka manao ny Rakà fahatelo sy fahefatra, ary ataony maivana kokoa noho ireo roa voalohany. Ary mamaky Sorate Al-Fatiha ao amin'izy roa ireo.

17- Avy eo mipetraka amin'ny endrika "Tawarok" izy amin'ny Tashahod farany, Ary ny Tawarrok dia ny fampandriana ny tongotra an-kavia sy ny famoahana azy any ivelany an-kavanana, ary ajoro ny tongotra an-kavanana, ary atao amin'ny tany ny fitombenana.

18- Avy eo dia manao ny TACHAHOD farany, izay tahaky ny TACHAHOD voalohany, avy eo dia nanampy tamin'izany:

«اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا صَلَّيْتَ عَلَى آلِ إِبْرَاهِيمَ، إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ، وَبَارِكْ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا بَارَكْتَ عَلَى آلِ إِبْرَاهِيمَ، إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ».

"Allahomma Soally anlaa Mohammad wa anlaa Aaly Mohammad, kamaa Soallayta anlaa Aaly Ibrahim, innaka Hamidon madjid. Allahomma Baarik anlaa Mohammadin wa anlaa Aaly Mohammad, kama Baarakta anlaa aaly Ibrahim, innaka hamidon Madjid " midika hoe: Tompo o ! Omeo tsodrano i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) tahaka ny nanomezanao tsodrano ny fianakavian'i Mpaminany Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana, Tompo o ! Omeo fahasambarana i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) sy ny fianakavian'i Mpaminany Mohammadi (s.w.a) tahaka ny nanomezanao fahasambarana ny fianakavian'i Mpaminany Ibrahim (A.s), tena marina fa Ianao dia be fiderana sy be fidokana .

19- Ary mikatsaka fiarovana amin'i Allah izy amin'ny sazy ao amin'ny Afobe, sy amin'ny sazy ao am-pasana, ary amin'ny fitsapan'ny fiainana sy ny fahafatesana, ary amin'ny fitsapan'ny Mesia sandoka. Ary manao ireo dou'a voaray avy amin'ny Boky sy ny Sonna.

20- Avy eo mitodika ankavanana manao Salam ka miteny hoe:

«السَّلاَمُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ».

"As salam anlaikom wa rahmatollahy" Fandriam-pahalemana sy Filaminana ary hinakinany ho anareo. Ary eo amin'ny ankaviany koa toy izany; Ny fiarahabana dia atomboka mitodika mankany amin'ny «kibla», ary faranana rehefa vita tanteraka ny fitodihana.

Fahavalo: Ireo zavatra tsy tsara atao rehefa mivavaka:

1- Fitodihana tsy ilaina.

2- Ny fampiakarana ny fijery any amin’ny lanitra.

3- Manakipy maso tsy amin'antony.

4-Mamelatra ny tànana rehefa miankohoka.

5- Manarona ny vava sy ny orona raha tsy misy filàna.

6- Ny manao Soalat rehefa tporitra hamoaka ranony na ventiny, na rehefa aroso ny sakafo iriny.

7- Ny famafana ny soritry ny fiankohofana niraikitra tamin'ny handriny sy ny orony, ary tsy misy olana ny hanaovana izany aorian'ny Soalat.

8- Ny fiankinana amin'ny rindrina sy ny toy izany eo am-pijoroana tsy amin'antony.

Fahasivy: Ireo zavatra manimba ny Soalat

1- Ny fihinanana sy ny fisotroana.

2- Ny firesahana.

3- Hehy mivoaka feo mafy.

4- Ny famelana fananina ny iray amin'ireo fototra na zavatra tsy maintsy atao ao aminy.

5- Fanahiniana manampy andry na rakà iray.

6- Ny fanaovana Salam an-tsitrapo alohan'ilay mpitarika (Imam).

7- Fihetsehana tafahoatra sy mifampitohy izay tsy anisan'ny fihetsiky ny Soalat, rehefa tsy misy filàna.

8- Ny fanaovana izay manohitra ny iray amin'ireo fepetra ny Soalat: Ny fahatapahan'ny Ozo, ny fanalana sarona fananina ny Aora, ny fiviliana be loatra amin'ny vatana miala amin'ny Qibla tsy amin'antony, ary ny fanapahana ny Niyyah.

Ny fahafolo: Fiankohofana rehefa manadino na nanao fahadisoana

Ny fahadisoana tsy nahy: Ny fanadinoana, ary efa nanadino ny Mpaminany ﷺ teo am-pivavahana; satria ny fahadisoana tsy nahy dia isan'ny maha-olombelona, Ary ny fanadinoany dia anisany fahatanterahan'ny fahasoavan'Allah tamin'ny vahoakany sy ny fahafenoan'ny finoanan'izy ireo, mba haka ohatra aminy izy ireo amin'izay lalàna apetrany ho azy ireo rehefa sendra ny fanadinoana.

Ny antony anaovana ny fiankohofana noho ny fanadinoana:

1- Ny tranga voalohany:

Ny fampitomboana ao anatin'ny soalat, dia mety ho fampitomboana asa na fampitomboana teny:

A- Ny fampitomboana fihetsika: Raha toa ka fihetsika fanao ao anatin'ny Soalat no niampy: toy ny fitsanganana eo amin'ny toerana hipetrahana, sy ny fipetrahana eo amin'ny toerana hitsanganana, na nampitombo fihondrehana na fiankohofana, ka raha noho ny fanadinoana no nanaovany an'izany; dia miankohoka noho ny fanadinoana izy.

b- Fanampiana teny: Toy ny famakiana amin'ny fihondrehana sy fiankohofana,

Raha manao izany izy; dia tsara ny anaovany ny Fiankohofana rehefa manadino na nanao fahadisoana.

Ny toe-javatra faharoa:

Ny tsy fahatomombanana ao anaty Soalat noho ny fanadinoana, dia iray amin'ireto zavatra roa ireto:

a- Ny famelàna fototra iray: Raha toa ka ilay fitenenana Allah Akbar amin'ny fiandohan'ny Soalat io fototra io, dia tsy tafatsangana ny Swalat-ny, ary tsy mahasolo izany ny fiankohofana noho ny hadisoana. Raha toa ka andry iray ankoatra ny takbir al-Ihram no tsy vita, toy ny fihondrehana na fiankohofana, ka tsaroany izany alohan'ny hanombohany ny famakiana amin'ny rakaat hafa; dia tsy maintsy miverina izy, ka manao izany sy izay manaraka azy.

Raha tsaroany izany rehefa efa manomboka mamaky rakà hafa izy, dia foana ilay rakà izay nisy ny tsy fahampiana, ka ilay rakà manaraka azy no misolo ny toerany.

b- Ny famelana zavatra tsy maintsy atao: toy ny: Fanadinoana ny Tachahod voalohany, na ny Tasbih amin'ny Roko'. Amin'izany tranga izany: dia atao ny fiankohofana rehefa manadino na nanao fahadisoana.

3- Ny endrika fahatelo: Ny fisalasalana:

Ohatra: Raha misalasala izy hoe telo sa efatra rakat no vitany tamin'ny soalat Zohor, dia:

أ- Raha misy zavatra mitombona kokoa aminy; dia arahiny izany, ary miankohoka izy noho ny fanadinoana na ny fahadisoana.

b- Tsy misy lafiny mitambesatra kokoa aminy; dia mametraka amin'ny fahatokiana izy, ary miankohoka noho ny fanadinoana.

Raha aorian'ny vavaka ny fisalasalana, na olona be fisalasalana izy; dia tsy raisina izany fisalasalana izany.

Fanamarihana mahasoa: Atao alohan'ny Salam ny fiankohofana noho ny fanadinoana: raha noho ny tsy fahampiana, na noho ny fisalasalana ka tsy fantany izay tena marina. Ary aorian'ny 'Salam' no anaovana azy: raha nohon'ny fanampiana, na nohon'ny fisalasalana izay nanarahana ny hevitra navesa-danja kokoa, Ary malalaka ny raharaha amin’izany, raha sitrakan’i Allah Ilay Tsitoha.

Faharaika ambin'ny folo: Ireo fotoana voarara amin'ny fanaovana soalat:

Ny fototra dia ny maha-azo atao ny Soalat amin'ny fotoana rehetra, Kanefa noraran'ny lalàna ny fanaovana Soalat amin'ny fotoana sasany, ary ireto avy izany:

1- Aorian'ny Soalat fajr ka hatramin'ny fiposahan'ny masoandro, sy ny fiakarany mahatratra ny refin'ny haavon'ny lefona araka ny fahitan'ny maso.

2- Rehefa mitataovovonana eny amin'ny lanitra izy mandra-pitongilanany, ary izany no fotoana voarara fohy indrindra.

3- Avy amin'ny soalat Ansr mandra-pilentiky ny masoandro, ary io no fotoana voarara lava indrindra.

Ireo soalat azo atao amin'ny fotoana voarara:

1- Fanefana ireo voadidy tsy vita.

2- Ny Soalat atao noho ny antony manokana, toy ny: ny Soalat fiarahabana ny Moske, ny raka-ant roa an'ny Tawaf, ny Soalat-n'ny fanakona-masoandro, ary ny Soalat Janazah.

3-Fanonerana ny Soalat Sonnah amin'ny Fajri aorian'ny Soalat Fajr.

Faharoa ambin'ny folo: Soalat amin’ny djamant (vavaka iombonana):

Ary izany dia anisan'ireo fotoam-pivavahana lehibe ao amin'ny finoana Islam, dia ny Soalat tanterahina amin’ny djamant ao amin'ireo Masjid, Koa niombikevitra ny mpino silamo rehetra fa ny fanaovana ny vavaka dimy isan'andro any amin'ny moske dia anisan'ny fankatoavana nohamafisina indrindra sy ny fanompoam-pivavahana lehibe indrindra, ary izy io no famantarana lehibe indrindra amin'ny finoana silamo.

1- Ny didy soalat atao amin'ny Jamaat:

Ary ny Soalat indimy isanandro amin'ny djamant eny amin'ny masjid dia voadidy amin'ireo lehilahy afaka manao izany, Eo an-tanàna sy am-pandehana lavitra, Ao anatin'ny filaminana sy ny tahotra, dia adidy ho an’ny isam-batan’olona.

Manambara ny maha-tsy maintsy atao ny Soalat amin’ny djamant: ny Boky sy ny Sonnah, ary ny fanaon’ny Mpino Silamo taranaka nifandimby.

Ka ny porofo avy ao amin'ny Boky dia ilay tenin'i Allah manao hoe:

﴿وَإِذَا كُنتَ فِيهِمۡ فَأَقَمۡتَ لَهُمُ ٱلصَّلَوٰةَ فَلۡتَقُمۡ طَآئِفَةٞ مِّنۡهُم مَّعَكَ...﴾

Ary raha miaraka amin’izy ireo ianao, ka mitarika azy ireo amin’ny Soalat (vavaka), dia aoka ny andiany iray amin’izy ireo hitsangana miaraka aminao... [Sorate An-Nisà: 102] Koa ny Andininy dia manamafy ny maha tsy maintsy atao ny Soalat Djamant, Satria tsy nahazoan'ny mpino silamo alàlana ny handao azy amin'ny fotoan'ny tahotra, Koa raha tsy adidy izany, dia ny tahotra no ho fialan-tsiny mendrika indrindra tsy hanatanterahana azy. Ny fandaozana sy ny tsy firaharahina ny vavaka atao miaraka dia anisan'ny toetra mampalaza indrindra ny mpihatsaravelatsihy.

Ary avy amin'ny petra-bolana: Misy hadith marobe, ka anisan'ireny:

Izay voarakitra ao amin'ny Soahìhy Moslimo

أَنَّ رَجُلًا أَعْمَى قَالَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، لَيْسَ لِي قَائِدٌ يَقُودُنِي إِلَى الْمَسْجِدِ، فَسَأَلَهُ أَنْ يُرَخِّصَ لَهُ أَنْ يُصَلِّيَ فِي بَيْتِهِ، فَرَخَّصَ لَهُ، فَلَمَّا وَلَّى دَعَاهُ فَقَالَ: «هَلْ تَسْمَعُ النِّدَاءَ؟» قَالَ: نَعَمْ، قَالَ: «فَأَجِبْ».

Nisy lehilahy jamba nilaza hoe: Ry irak'Allaha ô, tsy manana mpitarika hitondra ahy ho any amin'ny moske aho, ka nangataka taminy izy mba hahazo alalàna hivavaka any an-trano, dia nomeny alàlana. Fa rehefa nihodina izy dia nantsoiny ka nilaza hoe: “Maheno ny antso ve ianao?” Hoy izy: “Eny.” Dia hoy i Mpaminany: “Koa valio ny antso.”33.

Koa nandidy azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hanatrika ny Soalat Jamant any amin'ny moske sy hamaly ny antso, na dia jamba aza izy ary na teo aza ny fahasahiranana natrehiny. Manondro izany ny maha tsy maintsy atao ny Soalat Djamant.

2- Ny anatratrarana ny Djamant:

Tratra ny djamant amin'ny fahatraran'ny Rakà iray amin'ny Soalat miaraka amin'ny Imamo, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«مَنْ أَدْرَكَ رَكْعَةً مِنَ الصَّلَاةِ فَقَدْ أَدْرَكَ الصَّلَاةَ».

"Izay nahatratra ny Rakaat iray tamin'ny Soalat, dia efa nahatratra ny Soalat"34.

3- Ny ahatratrarana ny Rakà:

Tratra ny Rakaat amin'ny fahatraran'ny fiondrehana " Roko ", Raha tratra-n'ilay tara efa miondrika ny imamy-ny: dia tsy maintsy manao takbir al-Ihram izy sady mitsangana, avy eo miondrika sady miteny “Allaho Akbar” fanindroany ho an'ny fihondrehana, Raha ny Takbiratol ihram ihany no ataony eo am-pitsanganany, dia efa ampy izany hisolo ny takbir-n'ny Roko.

4- Ireo tambana manome alàlana tsy hanatrika ny Soalat Jama'a:

1- Ny aretina raha toa ka manavesatra ny fanatrehana ny vavaka Zoma sy ny vavaka atao miaraka.

2- Ny fihazonana ny amany na ny tay; satria manala ny fifantohana ao anatin'ny vavaka izany, ary noho ny ratsy mety aterany amin'ny vatana.

3- Ny fanatrehan'ny sakafo ka noana ny olona, na maniry fatratra ny sakafo ny tenany, raha toa ka tsy atao ho fahazarana na tetika mba tsy hanatrehana ny soalat miaraka amin'ny mpiangona.

4- Ny fatahorana voamarina amin’ny aina na ny fananana na ny hafa.

Fahatelo ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny fatahorana:

Voadidy atao ny Soalat fatahorana amin'ny ady rehetra azo atao, toy ny ady amin'ireo vahoaka tsy manampinoana, sy ireo mpikomy, ary ireo mpiady, araka ny tenin'ilay Avo Indrindra manao hoe:

﴿...إِنۡ خِفۡتُمۡ أَن يَفۡتِنَكُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ...﴾

{...Raha matahotra ny fitsapan’ireo izay tsy nino ianareo...} [Vehivavy: 101], Ary ampitahao amin'izany ny sisa amin'ireo izay azo hiadiana.

Ny Soalat amin'ny fatahorana dia voadidy raha mahafeno fepetra roa:

1) Raha miady ny fahavalo.

2) Ny fahatahorany fanafihana amin'ireo mpino mandritra ny swalat.

Ny fomba fanaovana ny Soalat amin'ny fatahorana:

Manana endrika maro izy, ary anisan'izany ny voalaza ao amin'ny hadith-n'i Sahli (R.A) hoe:

أَنَّ طَائِفَةً صَفَّتْ مَعَ النَّبِي ﷺ، وَطَائِفَةً وِجَاهَ العَدُوِّ، فَصَلَّى بِالَّتِي مَعَهُ رَكْعَةً، ثُمَّ ثَبَتَ قَائِمًا، وَأَتَمُّوا لِأَنْفُسِهِمْ، ثُمَّ انْصَرَفُوا، وَصَفُّوا وِجَاهَ العَدُوِّ، وَجَاءَتِ الطَّائِفَةُ الأُخْرَى، فَصَلَّى بِهِمُ الرَّكْعَةَ الَّتِي بَقِيَتْ مِنْ صَلَاتِهِ، ثُمَّ ثَبَتَ جَالِسًا، وَأَتَمُّوا لِأَنْفُسِهِمْ، ثُمَّ سَلَّمَ بِهِمْ.

Nisy andiany iray nilahatra niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), ary ny andiany iray kosa nanatrika ny fahavalo. Dia nanao soalat rak’ah iray niaraka tamin'ilay andiany teo aminy izy, avy eo dia nijanona nitsangana izy, ary ireo kosa dia namita ny azy manokana. Avy eo dia niala izy ireo ka nilahatra nanatrika ny fahavalo, ary tonga ilay andiany hafa, ka nanao ilay rak'ah sisa tamin'ny soalat-ny niaraka tamin'izy ireo izy, avy eo dia nijanona nipetraka izy, ary ireo kosa dia namita ny azy manokana, avy eo dia niara-nanao ny salam tamin'izy ireo izy35.

Ny tombotsoa azo avy amin'ny Soalat fatahorana:

1- Ny maha zava-dehibe ny Soalat eo amin'ny finoana Islam, sy ny maha zava-dehibe ny soalat atao amin’ny Jamaat, fa tsy foana izy io na dia tamin’ireny toe-javatra sarotra ireny aza.

2- Fanesorana ny fahasahiranana amin'ity vahoaka ity, ary ny fahamoràn'ny lalàna sy ny maha-mety azy amin'ny fotoana sy toerana rehetra.

3- Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika, sy ny nametrahany lalàna mifanaraka amin'ny toe-javatra tsirairay.

Ny Fahaefatra ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny andro zoma:

Voalohany: Fitsipikany:

Ny Soalat Zoma dia adidy tsy maintsy ataon'ny lehilahy mpino silamo tsirairay, ampy taona, salama saina, miorim-ponenana, ary tsy manana sakana.

Araka ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا نُودِيَ لِلصَّلَوٰةِ مِن يَوۡمِ ٱلۡجُمُعَةِ فَٱسۡعَوۡاْ إِلَىٰ ذِكۡرِ ٱللَّهِ وَذَرُواْ ٱلۡبَيۡعَۚ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ 9﴾

Ianareo mpino ! Rehefa tonga ny antso ho amin’ny vavaka fanompoana, amin’ny andro zoma, dia mihazakazaha ho any amin’ny antson’Allah ianareo, ka avelao avokoa ny fandraharahana rehetra fa tsara ho anareo izany raha fantatrareo ! [Sorate Al-Jumu'ah: 9].

Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«لَيَنْتَهِيَنَّ أَقْوَامٌ عَنْ وَدْعِهِمُ الْجُمُعَاتِ، أَوْ لَيَخْتِمَنَّ اللَّهُ عَلَى قُلُوبِهِمْ، ثُمَّ لَيَكُونُنَّ مِنَ الْغَافِلِينَ».

"Aoka hitsahatra amin'ny famelana ny Soalat Jouma ny olona, fa hotomboin'Allah tombokase ny fon'izy ireo, avy eo dia ho anisan'ireo tsy mitandrina izy ireo."36.

Faharoa: Ireo fepetra takina amin'ny fahamarinan'ny Soalat Zoma:

a) Ny fotoana: Ny fotoanany dia toy amin'ny fotoan'ny Soalat Zohri, Ka tsy manan-kery alohan'ny fotoanany, ary tsy aorian'ny fivoahany.

2) Mila atrehina miaraka amin'ny maro izy, ary ny isany farafahakeliny dia olona telo araka ny hevitra marim-pototra, Tsy manan-kery ataon'ny olona tokana, na ataon'ny olona roa.

3) Ny mpivavaka dia tokony ho mpiorim-ponenana amin'ny trano fonenana naorina araka ny fanao, Na vita tamin’ny simenitra misy vy izany, na tamin’ny vato, na tamin’ny tanimanga sy ny sisa, Koa noho izany, dia tsy manan-kery izany ho an'ireo mpifindrafindra monina tompon'ny lay, izay tsy manana toeram-ponenana raikitra, fa mifindrafindra toerana kosa manaraka ny ahitra ho an'ny biby fiompiny.

4) Tokony hialohavan’ny toriteny roa, noho ny fanaovan’ny Mpaminany (S.A.W) izany tsy tapaka.

Fahatelo: Ny Andrin'ny toriteny roa amin'ny Zoma.

1- Ny fisaorana an'Allah sy ny fijoroana vavolombelona roa.

2-Fandefasana tso-drano sy fandriampahalemana amin'ny Mpaminany (S.A.W).

3- Hafatra amin'ny fatahorana an'Allah.

4-Famakiana ampahany amin'ny Kor'any.

5-Ny fananarana.

Fahaefatra: Ireo asa tsaratsara atao amin'ny toriteny roa amin'ny Zoma:

1- Toriteny eo ambonin’ny Minbary

2- Ny fanasarahana ny toriteny roa amin'ny fipetrahana kely. 3- Fanaovana Doan amin'izy roa ireo ho an'ny Mpino Silamo sy ny mpitondra azy ireo.

4- Fanafohezana azy.

5- Ny fiarahaban'ny mpitoriteny ny vahoaka eo am-piakarana ny Minbar.

Fahadimy: Ireo tsara atao amin'ny andro Zoma:

1-Ny fiborisiana nify amin'ny siwak.

2-Fanaovana ranomanitra, raha misy.

3- Ny fahatongavana aloha amin'ny vavaka Zoma.

4- Ny fandehanana tongotra eny amin'ny mosquée sy ny tsy fitaingenana fitaovam-pitaterana.

5-Ny fanakekezana an'ilay mpitarika (Imam).

6- Ny talaho (DOAN).

7-Famakiana ny Sorate Al-kahfi.

8-Ny fandefasana tso-drano sy fandriampahalemana amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Fahenina: Ireo zavatra voarara amin'izay manatrika ny Zoma:

1-Voarara ny miteny amin'ny andro zoma raha mbola manao toriteny ny imam, araka ny teniny (S.A.W) manao hoe:

«إِذَا قُلْتَ لِصَاحِبِكَ يَوْمَ الْجُمُعَةِ: أَنصِتْ، وَالْإِمَامُ يَخْطُبُ، فَقَدْ لَغَوتَ».

"Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe: Mangina, amin'ny andro zoma, nefa mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso ianao."37" Izany hoe: Teny lainga, teny diso, izay fahotana sy fahadisoana.

2- Tsy ankasitrahana ny mandika ny soroky ny olona, afa-tsy imam, na mankany amin'ny toerana banga izay tsy tratra raha tsy amin'izany.

Fanatratrarana ny Zoma:

Izay nahatratra ny roko miaraka amin'ny Imam amin'ny Rakà faharoa amin'ny Soalat Zoma, dia efa nahatratra ny Soalat Zoma, ary manantateraka izany roa rakà, Ary raha tsy tratrany ny Rokou amin'ny rakà faharoa; dia very azy ny Soalat Zoma, ary fenoiny ho Soalat Zohry efatra rakà, Torak'izany koa izay tsy nahatratra ny vavaka Zoma noho ny torimaso na antony hafa; dia mivavaka Zohri izy.

Fahadimy ambin'ny folo: Ny Soalat ataon'ireo Oloana misy tambana

Voalohany: Soalat ny marary:

Voalohany: Tsy maintsy ataon'ny marary ny Soalat araka izay azony atao, Tsy azo atao ny manemotra azy mihoatra ny fotoana, raha mbola ao ny sainy.

Faharoa: Ahoana ny fomba fanaovan'ny marary ny Soalat?

1- Tsy maintsy manao Soalat mitsangana ny marary raha vitany izany ka tsy misy fahasahiranana na voka-dratsy, ary miondrika sy miankohoka.

2- Raha toa ka misy mankarary azy ny fihondrehana na ny fiankohofana, nefa izy afaka mitsangana; dia miondrika kely izy eo am-pitsanganana ho an'ny fihondrehana, ary eo am-pipetrahana kosa ho an'ny fiankohofana.

3- Fa raha tsy vitany ny manao Soalat mitsangana, dia mipetraka izy, Ary ny Sunnat dia ny mipetraka mifanapaka tongotra eo amin'ny toerana tokony hijoroana, ary miondrika ho an'ny fihondrehana, sy miankohoka amin'ny tany raha azo atao, fa raha tsy izany kosa dia miondrika ihany koa ho an'ny fiankohofana, ary atao ambany kokoa noho ny fihondrehana.

4- Fa raha tsy vitany ny manao Soalat mipetraka, dia matory izy, ary mitodika any amin'ny kibla ny tarehiny, Ny ilany ankavanana no tsara kokoa raha azo atao, ary fihetsika no atao ho an'ny fiondrehana sy ny fiankohofana.

5- Fa raha tsy vitany ny manao Soalat eo am-patoriana; dia manao Soalat mitsilany izy, ka ny tongony manandrify ny kibla, ary manao fihetsika ho solon'ny fiondrahana sy ny fiankohofana.

6- Raha toa ka tsy vitany ny manao fihetsika amin'ny vatany amin'ny fihondrehana sy ny fiankohofana; dia ny lohany no anaovany fihetsika. Fa raha mbola sarotra aminy izany; dia afaka aminy ny fanaovana fihetsika, ary ataony ao am-pony ny asan'ny Soalat, ka mikasa ny hanao ny fihetsiky ny Soalat izy, toy ny fihondrehana sy ny fiankohofana ary ny fipetrahana, eo amin'izay toerana misy azy, ary manonona ny Adhkar-ny.

7-Ataon'ny marary izay vitany amin'ireo fepetra takin'ny Soalat, toy ny: fitodihana mankany amin'ny kibla, fanaovana Ozo amin'ny rano, na Taymmom rehefa tsy afaka, ary fahadiovana amin'ny loto. Raha misy tsy vitany amin'ireo dia afaka aminy izany, ka mivavaka araka ny toe-javatra misy azy izy, ary tsy manemotra ny Soalat amin'ny fotoanany.

8- Sunnah ny hipetrahan'ny marary miterabao eo amin'ny toeran'ny fitsanganana sy ny fiondrihana, ary ara-dalàna amin'ny ankoatr'izany.

Faharoa: Soalat ny mpandeha:

1- Ary isan'ireo manana antony ara-dalàna: Ny mpandeha, ka azony atao ny manafohy ny Soalat misy Rakà efatra ho Rakà roa, Noho ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿وَإِذَا ضَرَبۡتُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَلَيۡسَ عَلَيۡكُمۡ جُنَاحٌ أَن تَقۡصُرُواْ مِنَ ٱلصَّلَوٰةِ...﴾

{Ary raha mandeha maneran-tany ianareo, dia tsy misy tsiny raha manafohy ny vavaka fanompoana...} [Sorate An-Nisà: 101]

Ary tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny:

«خَرَجْنَا مَعَ النَّبِيِّ ﷺ مِنَ الْمَدِينَةِ إِلَى مَكَّةَ، فَكَانَ يُصَلِّي رَكْعَتَيْنِ رَكْعَتَيْنِ، حَتَّى رَجَعْنَا إِلَى الْمَدِينَةِ».

«Nivoaka niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izahay avy any Madina ho any Makkat, ka nivavaka Rakà roa, Rakà roa izy, mandra-piverinay tany Madina»38.

Manomboka ny fanafohezana amin'ny fialan'ny mpanao dia lavitra ny trano rehetra ao an-tanànany; satria i Allah namela ny fanafohezana ho an'izay manao dia lavitra. Alohan'ny hialany ao amin'ny fireneny dia tsy mbola mpanao dia lavitra izy, ary satria ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nanafohy vavaka raha tsy efa niainga.

2- Ny elanelana anomezana alàlana ny mpanao dia lavitra hanafohy ny Soalat dia valoapolo kilaometatra eo ho eo.

3- Mahazo manafohy ny mpandeha amin'ny fiverenany, mandra-pidiny ao amin'ny tanànany izay nialany.

4- Raha tonga amina toerana iray ny mpandeha lavitra ary te hitoetra ao, dia misy fitspika telo ho azy:

a) Ny mikasa ny hijanona mihoatra ny efatra andro dia adidiny ny mamita feno ny swalat manomboka amin'ny andro voalohany ipetrahany, ary tsy mahazo mampiasa ireo fahazoan-dàlana amin'ny dia.

b) Ho an'izay mikasa hijanona efatra andro na latsak'izany; dia azony atao ny manafohy ny vavaka sy ny mampiasa ireo fanalefahana omena ny mpandeha lavitra.

j) Tsy mikasa ny hijanona fe-potoana voafaritra, fa mety hijanona andro iray na folo andro arakaraka ny maha-mety ny toerana aminy, na manana anton-dia toy ny fitsaboana na fanaraha-maso, ka rehefa vita izay anton-diany dia miverina any amin'ny taniny izy; Ka azony atao ny manafohy sy mampiasa ireo fanomezan-dalana mandritra ny dia mandra-piveriny, na dia mihoatra ny efatr'andro aza ny fotoana ijanonany.

5- Raha mivavaka ao aorian'ny imam eo an-tanàna ny mpivahiny; dia voadidy izy hameno ny vavaka, na dia tsy tratrany afa-tsy ny tashahhoda farany aza.

6- Raha mivavaka ny mponina ao aorian'ny mpivahiny manafohy ny soalat; dia voadidy amin'ilay mponina ny hameno ny soalat-ny aorian'ny Salam ny Imam.

Fahenina ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny Eid anakiroa:

Ireo fetin'ny mpino silamo dia fety avy amin'ny Tompo, izay nodidian'Allah ho azy ireo, ary tsy noforonin'izy ireo avy tamin'ny tenany. Ary fety roa ihany no ananan'izy ireo, dia ny Eid AL-Fitri (Fetin'ny fisakafona) sy Eid AL-Ad'ha (fetin'ny sorona). Tsy mitovy amin'ireo fetin'ny tsy mpino na ireo fety forona izay tsy notendren'i Allah sady tsy nandidiany, fa izy ireo no namorona azy avy tamin'ny tenany.

Lalana mamehy ny Soalat amin'ny Eid anakiroa:

Adidy takina amin'ny fiaraha-monina, nanao tsy tapaka izany ny Mpaminany (S.A.W), ary nanao tsy tapaka izany koa ireo mpandimby Azy izay mahitsy sy marina, ho faly amin'izy rehetra anie Allah, Izy io dia anisan'ireo famantarana sy mariky ny Fivavahana miseho lany.

Ny fotoan'ny vavaka Eid dia manomboka rehefa miakatra toy ny refin'ny avon'ny lefona ny masoandro, izany hoe: tokony ho ampahefakadiny aorian'ny fiposahan'ny masoandro, ary mifarana amin'ny mitataovovonana.

Ny fomba fanaovana ny Soalat amin'ny Eid anakiroa:

1- Manao takbir AL-Ihram izy amin'ny raka'at voalohany, avy eo mamaky ny do'an al-Istiftah, avy eo manao Takbir in'enina, ka manangana ny tanany roa isaky ny manao takbir, ary midera an'i Allah sy mankalaza Azy, sy mandefa tsodrano ho an'ny Mpaminany ﷺ eo anelanelan'ireo takbir, avy eo manao ny ta'awodh sy basmalah, dia manomboka ny famakiana.

2- Ary manao takbir in-dimy izy ao amin'ny rakaat faharoa aorian'ny takbir enti-mifindra, avy eo manao isti’âdha sy basmalah, dia manomboka ny famakiana. Ary ankasitrahana ny mamaky ao amin'ny Rakà voalohany aorian'ny Al-Fatihah ny Sorat Al-A’la, ary ao amin'ny faharoa ny Sorat Al-Ghashiyah.

3- Ary rehefa manao taslim ny Imam; dia miakatra eo amin’ny polipitra izy, ka mitondra toriteny anakiroa, ary mipetraka kely eo anelanelan’ireo, tahaka ny fanao amin’ny toritenin’ny Zoma.

Ireo fifehezana an-tsitrapo an'ny Eid:

A- Ny fandroana (fisehana).

b- Ny fanadiovana sy ny fanaovana ranomanitra.

V: Ny fihinanana alohan'ny fivoahana amin'ny Eid AL-Fitri (Fetin'ny fisakafona), ary aorian'izany amin'ny Eid AL-Ad'ha (fetin'ny sorona) avy amin'ny sorony raha manana sorona izy.

d- Ny fandehanana tongotra.

H- Ny fandehanana amin'ny làlana iray, ary ny fiverenana amin'ny làlana hafa.

w- Ny fahatongavana mialoha eny amin'ny toerana fivavahana ho an'ny olona tarihina, fa tsy ho an'ny imam.

Ny Takbir:

Fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao Takbir amin'ny alin'ny Eid roa, sy ny folo andro voalohan'ny volana Zol Hijjah, ary ny andron'ny Tashriq. Izy io dia roa karazana:

Ny karazany voalohany: Ny Takbir malalaka izay tsy voafetra amin'ny fotoana voafaritra.

1- Ho an'ny Fitr: manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro amin'ny alin'ny Eid ka hatramin'ny fiatombohan'ny vavaky ny Aidy.

2- Ho an'ny Sorona: Manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro amin'ny alin'ny andro voalohan'i Zol Hidja ka hatramin'ny filentehan'ny masoandron'ny andro faran'ny Tashriky.

Ny karazany faharoa: Ny Takbir voafetra, dia ilay mifamatotra amin'ireo Soalat tsy maintsy atao.

1- Ny tsy mitafy lamba Ihram: Manomboka amin'ny mangiran-dratsin'ny andron'ny Arafah ka hatramin'ny tolakandron'ny andro faran'ny Tashrik.

2- Ilay mitafy lamba Ihram: Manomboka amin'ny vavaka mitataovovonana (Zohri) amin'ny andron'ny Eid ka hatramin'ny vavaka Asri amin'ny andro faran'ny Tashrik.

Fahafito ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny ekilpsa masoandro:

Ny fanazavana sy dikan'ny ekilpsa masoandro na vola:

Ny fanakonana: dia ny fialan'ny hazavan'ny volana na ny ampahany aminy amin'ny alina.

Ny ekilpsa masoandro: dia ny fanjavonan'ny hazavan'ny masoandro na ny ampahany aminy amin'ny atoandro.

Lalàna mamehy ny Soalat amin'ny ekilpsa masoandro:

Sonnah voamarina, ary ny porofon’izany dia ny nataon’ny Mpaminany (SAW), izay nanatanteraka izany rehefa nisy tako-masoandro tamin’ny androny (SAW), Araka ny voalazan'ny didy momba azy, sy ny fiombonan-kevitr'ireo manampahaizana amin'ny maha-ara-dalàna azy.

Fotoanany:

Manomboka amin'ny fiandohan'ny ekilpsa masoandro na volana ka hatramin'ny fiposahany, izany hoe ny fialàn'ny ekilpsa volana na masoandro.

Ny fomba anatanterahana azy dia:

Roa raka'ah ny isany, ka atao am-peo avo ny famakiana, ary toy izao ny fombany:

a- Manao takbiratul Ihram, dia mamaky ny dou'an fanokafana, dia manao Aozobillahi, dia manao Bismillahi, dia mamaky ny Al-Fatihah, avy eo manalava ny famakiana.

b- Avy eo dia miondrika maharitra ela.

d- Avy eo izy mitraka avy amin'ny rok'o, ka miteny hoe: «Sami’a Allah liman hamidaho», avy eo mamaky ny Sorate Al-Fatihah, avy eo mamaky vakiteny lava nefa fohy kokoa noho ilay voalohany.

e- Avy eo dia miondrika izy, ka maharitra ny fiondrehany, saingy fohy kokoa noho ny fiondrahena voalohany.

f- Avy eo miakatra avy ao amin'ny "Rok'on", ary miteny hoe: (Samiallaho Liman Hamidah).

g- Avy eo izy dia manao fiankohofana roa lava.

h- Avy eo dia mitsangana hanohy ny Rakkat faharoa, izay toy ny Rakà voalohany ihany, saingy fohy kokoa noho izy.

Ireo Sonàny:

a) Ny fiantsoana azy amin'ny filazana hoe: (Soalat Djamant).

b) Fanatanterahana azy amin'ny djamant (fitambarana).

d) Fanalavana ny vavaka amin'ny fijoroany sy ny fiondrefany ary ny fiankohofany.

e) Ny rakaa faharoa dia fohy kokoa noho ny voalohany.

f) Fanaovana fananarana aorian'izany, ary mamporisika hanao ny asa fankatoavana sy hiala amin'ny zava-dratsy.

‌g) Ny fampitomboana ny Doan, ny fitalahoana, ny fangataham-pamelana, ary ny Sadaka.

Fahavalo ambin'ny folo: Ny Soalat fangatahana ny orana:

1) Ny fangatahana ny orana: dia ny fangatahana amin'i Allah ny fampilatsahana ny orana rehefa misy hain-tany.

Ny fotoana voatendry hanaovana ny Soalat fangatahana ny orana:

Azo atao ny Soalat fangatahana ny orana raha tonga karakaina ny tany, ary tsy milatsaka ny orana, ka miteraka fahavoazana ny fiatoany, dia tsy misy lalan-kivoahana ho azy ireo afa-tsy ny fitalahoana amin’ny Tompon’izy ireo, sy mangataka orana Aminy, ary mitady famonjena Aminy amin’ny karazana fitalahoana sy fifonana.

a- Indraindray amin'ny fanaovana Soalat miraka amin'ny daholobe (Jamant), na irery.

ب- Ary amin'ny fotoana hafa dia amin'ny alàlan'ny Douan ao anatin'ny toritenin'ny Zoma, ka manao Doan ny mpanao toriteny, ary ireo mpino silamo kosa manao « Amine » ho valin'izany.

V - Ary indraindray amin'ny fanaovana Doan na oviana na oviana, tsy misy Soalat na Kotba.

Lalana mamehy ny Soalat fangatahana ny orana:

Sunnah nohamafisina rehefa misy ny antony anaovana azy, ho fanarahana ny nataon’ny Mpaminany (S.A.W), araka ny voalaza ao amin'ny hadith avy amin'i Abdollahi bin Zayd (R.A) izay niteny manao hoe:

«خَرَجَ النَّبِيُّ ﷺ إِلَى الْمُصَلَّى، فَاسْتَسْقَى، وَاسْتَقْبَلَ الْقِبْلَةَ، وَقَلَبَ رِدَاءَهُ، وَصَلَّى رَكْعَتَيْنِ».

«Nivoaka nankany amin'ny toeram-pivavahana ny Mpaminany (S.A.W), dia nivavaka nangataka orana, ary nitodika nanatrika ny kibla, ary namadika ny lambany, ary nanao Soalat roa raka'at»39.

Ny fomba fanaovana ny Soalat fangatahana ny orana:

Ny fomba fanaovana ny Soalat fangatahana ny orana dia tahaka ny Soalat amin'ny Eid. Amporisihina ny fanatanterahana azy any amin'ny Mosala tahaka ny Soalat Eid, ary ny fitsipiny dia tahaka ny fitsipiky ny Swalat Eid; amin'ny isan'ny Rakà , ny famakiana mafy, ny fanatanterahana azy alohan'ny toriteny, ary amin'ny Takbir fanampiny ao amin'ny Rakà voalohany sy faharoa alohan'ny famakiana. Arakan'izay efa nohazavaina tamin'ny Soalat amin'ny Eid anakiroa. Ary mitory teny indray mandeha.

Fahasivy ambin'ny folo: Lalàna sy fepetra mamehy ny momba ny faty sy fandevenana:

Voalohany: ho an'izay manatrika ny olona efa ho faty:

1- Anisan'ny Sunnah ho an'izay manatrika ny olona efa ho faty ny mampatsiahy azy ny teny hoe: “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”.

2- Ny Sonnah dia ny ampitodihana any amin'ny Kibla.

3- Ary tsaratsara ny manakipy ny masony.

4- Tsara raha saronana lamba ny maty aorian'ny fahafatesany.

5- Mila hafainganina ny fikarakarana azy.

6- Tsy maintsy fainganina ny fandoavana ny trosany.

7- Ny fanasana ny maty sy ny famonosana azy dia adidy iombonana.

Faharoa: Fitsipika momba ny Soalat amin'ny maty:

Ny lalànany: Voadidy amin'ny fiarahamonina.

Ireo fepetra takiana amin'izany dia:

1) Ny fitodihana any amin'ny kibla.

2) Ny fanakonana ny henatra.

3-Ny fanalavirana ny loto.

4- Ny fahadiovan'ny olona mivavaka sy ny maty.

5) Mpino silamo ny mpivavaka sy ilay ivavahana.

6) Manatrika ny fandevenana raha ao an-tanàna.

7) Mila ho tompon'andraikitra ara-dalàna.

IREO ANDRINY:

1) Fitsanganana ao aminy.

2-Ireo Takbir efatra.

3) Famakiana ny Sorate Al-Fatiha.

4) Fandefasana vavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W).

5) Fitalahoana ho an'ny maty.

6) Ny filaharana.

Manao salamo.

Anisan'ny sonany:

1) Ny fampiakarana ny tànana roa miaraka amin'ny Takbir tsirairay.

2) Ny fangatahana fiarovana amin'Allah.

3) Ny fanaovana Doah ho an'ny tenany sy ho an'ny mpino.

4- Famakiana mangingina ny KOR'AN.

5) Ny fijanonana kely aorian'ny Takbir fahaefatra sy alohan'ny Taslim.

6) Ny fametrahana ny tànana havanana eo ambonin'ny tànana havia eo ambonin'ny tratra.

7- Ny fitodihana ankavanana rehefa mamarana ny Soalat.

Ny fomba fanatanterahana azy dia:

Mitsangana eo anivon'ny tratran'ny lehilahy sy eo afovoan'ny vehivavy ny Imam sy ilay mivavaka irery, ary manao ny Takbir fanokafana, manao ny "Ta'awwodh", fangatam-piarovana tsy mamaky ny vavaka fanokafana, manao ny "Bismillahi", ary mamaky ny Al-Fatihah.

Avy eo izy dia manao takbir, ary mandefa tsodrano ho an'ny Mpaminany (S.A.W) aorian'izany, dia manao takbir indray izy, ary manao doan ho an'ny maty araka izay voalaza; Toy ny tenin'ny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِحَيِّنَا وَمَيِّتِنَا، وَصَغِيرِنَا وَكَبِيرِنَا، وَذَكَرِنَا وَأُنثَانَا، وَشَاهِدِنَا وَغَائِبِنَا، اللَّهُمَّ مَنْ أَحْيَيْتَهُ مِنَّا فَأَحْيِهِ عَلَى الإِيمَانِ، وَمَنْ تَوَفَّيْتَهُ مِنَّا فَتَوَفَّهُ عَلَى الإِسْلَامِ، اللَّهُمَّ لَا تَحْرِمْنَا أَجْرَهُ، وَلَا تُضِلَّنَا بَعْدَهُ».

«Allah ô! Mamelà ny heloky ny velonay sy ny matinay, ny zanakay sy ny lehibenay, ny lehilahinay sy ny vehivavinay, ary ireo izay eo anivonay sy ireo izay lavitra anay. Allah ô! Izay rehetra velominao eo aminay dia ampitoero velona ao anatin'ny Finoana izy, ary izay alainao fanahy eo aminay dia alao ny fanahiny ao anatin'ny Islam. Allah ô! Aza lavinao aminay ny valisoany, ary aza avelanao ho very lalana izahay aoriany»40.

Ary ny teniny hoe:

«اللَّهُمَّ اغْفِرْ لَهُ وَارْحَمْهُ، وَعَافِهِ وَاعْفُ عَنْهُ، وَأَكْرِمْ نُزُلَهُ، وَوَسِّعْ مَدْخَلَهُ، وَاغْسِلْهُ بِالْمَاءِ وَالثلْجِ وَالْبَرَدِ، وَنَقِّهِ مِنَ الْخَطَايَا كَمَا نَقَّيْتَ الثَّوْبَ الْأَبْيَضَ مِنَ الدَّنَسِ، وَأَبْدِلْهُ دَارًا خَيْرًا مِنْ دَارِهِ، وَأَهْلًا خَيْرًا مِنْ أَهْلِهِ، وَزَوْجًا خَيْرًا مِنْ زَوْجِهِ، وَأَدْخِلْهُ الْجَنَّةَ، وَأَعِذْهُ مِنْ عَذَابِ الْقَبْرِ، وَمِنْ عَذَابِ النَّارِ».

«Allah ô, mamelà ny helony ary mamindrà fo aminy, omeo fahasalamana izy ary avelao ny helony, omeo voninahitra ny toeram-pialany ary alalaho ny fidirany, sasao izy amin'ny rano sy ny oram-panala ary ny havandra, diovy izy amin'ny fahotana toy ny nanadiovanao ny lamba fotsy tamin'ny loto, ary soloy trano tsara kokoa noho ny tranony ny azy, sy fianakaviana tsara kokoa noho ny fianakaviany, ary vady tsara kokoa noho ny vadiny, ampidiro ao amin'ny Paradisa izy, ary arovy izy amin'ny fijalian'ny fasana, ary amin'ny fijalian'ny afo»41. Avy eo dia manao takbir izy, ary mijanona kely aorian'izany, avy eo manao Salam eo ankavanany.

Ny fandinihana fahatelo: Ny Zakat:

1- Famaritana ny Zakat sy ny anjara-toerany:

Ny Zakat ara-pitenenana dia: ny fanambinana sy ny fitomboana.

Ny Zakat araka ny lalàna silamika dia: zo tsy maintsy aloa ao amin'ny harena voafaritra ho an'ny vondrona manokana.

Ary izy no Andry fahatelo amin'ireo andry hijoroan'ny finoana islam, Ary izy io dia nampiarahana tamin'ny Soalat ao anatin'ny Korany amin'ny toerana roa amby valopolo, izay mampiseho ny halehiben'ny hasiny.

Miteny i Allah manao hoe:

﴿وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ...﴾

Atsanganonareo ny Soalat ary mamoaha ihany koa ny Zakat... [Sorate-Al-Baquarat:43].

Ary mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«بُنِيَ الإِسْلَامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَنْ لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّـهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّـهِ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ الْبَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ».

«Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islam dia: ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, ny fananganana ny Swalat, ny famoahana ny Zakat sy ny fanaovana Hajj amin'ilay trano masina ary ny fifehezana Ramadany»42.

Ary ny silamo rehetra dia niombon-kevitra tamin'ny mahavoadidy azy, Ary voasokajy tsy mpino izay mandà ny maha-adidy azy, Ary ny fiadiana amin'ireo izay mandà ny famoahana izany.

2- Fepetra manoloana ny maha-voadidy ny Zakat:

a) Ny Fahalalahana: Tsy voadidy amin'ny andevo; satria tsy manana harena izy, ary izay eo aminy dia fananan'ny tompony, koa ny zakàny dia lasa adidin'ny tompony.

b) Ny finoana silam: Koa tsy takina amin'ny mpikomy izany; satria asa fanatonana Allah sy fankatoavana izy io, ary ny mpikomy dia tsy isan'ny olona manakaiky Allah sy mpankatoa.

ج) Ny fahafenoan'ny fatra: Satria tsy misy zakat avoaka amin'izay olona latsaky ny fatra takina, ary izy io dia fatra voafaritra amin'ny harena.

d) Fananana feno tanteraka: Dia ny maha-fananan'ny olona iray feno tanteraka ny harena, ka tsy misy zakat amin'ny harena tsy mbola raikitra ny fananana azy, toy ny trosa amin'ny fifanarahana fanavotan-tena.

(f) Fahafenoan'ny taona amin'ny fananana: Araka ny hadith azo avy tamin'i Aicha (R.A) manao hoe:

«لَا زَكَاةَ فِي مَالٍ حَتَّى يَحُولَ عَلَيْهِ الْحَوْلُ».

« Tsy misy Zakat amin'ny harena raha tsy efa nihodina herintaona »43.

3- Ireo harena tsy maintsy amoahana ny zakat:

Voalohany: Ny biby fiompy,

Dia ireo rameva sy ny omby ary ny ondry sy ny osy, ary voadidy ny famoahana Zakat aminy miaraka amin'ny fepetra roa:

1- Atao ho an'ny fahazoana ronono sy taranaka, fa tsy ho an'ny asa.

2- Tokony ho Sâimah (izany hoe: miandrona), Tsy voadidy ny Zakat amin'ireo biby fiompy omena vilona novidin'ny tompony, na nangoniny avy amin'ny bozaka na hafa, Ary tsy misy Zakat amin'ireo izay mihinana bozaka amin'ny ampahany amin'ny taona, fa tsy ny taona manontolo na ny ankamaroany.

4- Ny fatra amin'ireo biby fiompy:

1- Ny zakat amin'ireo rameva:

Raha feno ny fepetra; dia voadidy hamoaka ondry iray isaky ny rameva dimy, ondry roa amin'ny folo, ondry telo amin'ny dimy ambin'ny folo, ary ondry efatra amin'ny roapolo, Tahaka izay natoron'ny Sounnah sy ny fiombonan-kevitry ny manampahaizana. Fa rehefa feno dimy amby roapolo, dia omena 'rameva vavy amin'ny taona faharoa', dia ilay efa feno herintaona sy niditra amin'ny taona faharoa, fa raha tsy misy izany dia ampy ho solony ny 'rameva lahy ammin'ny taona faharoa'.

Ary raha mahatratra enina amby telopolo ny rameva; dia adidy ao aminy ny Bint Labon: dia ilay efa feno roa taona.

Fa raha mahatratra enina amby efa-polo; dia tsy maintsy anefana Hiqqah, ary izany dia ilay efa feno telo taona.

Ary raha mahatratra iraika amby enimpolo ny rameva; dia voadidy amin'izany ny ramevavavy iray, izay efa feno efatra taona.

Koa rehefa mahatratra enina amby fitopolo ny fitambaran'ny rameva; dia zanaka rameva vavy roa taona anankiroa no tsy maintsy aloa.

Rehefa mahatratra iraika amby sivifolo ny rameva; dia ramevavavy roa efa feno telo taona no adidy aloa.

Koa raha vao miakatra mihoatra ny zato sy roapolo ny fitambaran'ny rameva, dia lasa adidy ao ny fanomezana zanaka rameva vavy telo izay efa roa taona, avy eo isaky ny efapolo dia zanaka rameva vavy iray roa taona, ary isaky ny dimampolo kosa dia zanaka rameva vavy iray efa telo taona.

2- Ny zakat amin'ireo omby:

Voadidy rehefa feno ireo fepetra takina ka mahatratra telopolo ny isany: Tabi' na Tabi'ah; izay efa feno herintaona sy niditra tamin'ny taona faharoa.

Tsy voadidy amin'izay latsaky ny telopolo.

Ka raha mahatratra efapolo; dia tsy maintsy aloa ny omby vavy lehibe, izay: ilay efa feno roa taona.

Koa raha mihoatra ny efapolo ny fitambaran'ny omby; dia tsy maintsy mamoaka zanak'omby lahy na vavy iray taona isaky ny telopolo amin'ireo, ary ombivavy roa taona isaky ny efapolo.

3- Ny zakat amin'ny ondry:

Raha mahatratra efapolo ny fitambaran'ny ondry sy osy, na ondry izany na osy, dia ondry na osy iray no avoakany, izay zanak'ondry, na osivavy.

Tsy voadidy zakat amin'ny ondry sy osy raha latsaky ny efapolo ny isany. Koa raha tonga zato sy iraika amby roapolo ny fitambaran'ny ondry, dia tsy maintsy mamoaka ondry roa. Rehefa tonga roanjato sy iray, dia lvoadidy ny ondry telo.

Avy eo dia miorina ny adidy aorian'io fatra io, ka voadidy ny ondry iray isaky ny zato, koa amin'ny efajato dia ondry efatra, ary toy izany hatrany.

Faharoa: Ny zakat amin'ireo vokatra mivoaka avy amin'ny tany:

Ny mivoaka avy amin'ny tany dia misy karazany roa:

1) Ireo voa sy voankazo.

2) Ny harena an-kibon'ny tany.

Karazana voalohany: Ireo voamadinika sy voankazo:

Voadidy ny famoahana ny Zakat amin'ireo voamaina; tahaka ny: varimbazaha, ôrza, ary vary. Ary amin'ireo vokatra; toy ny atrendry sy ny voaloboka maina, Ary tsy voadidy kosa izany amin'ireo zava-maniry hafa; toy ny legioma sy ny anana.

Fepetran'ny maha-voadidy ny Zakat amin'ny voamaina sy ny voankazo:

1) Tokony ho voatahiry: ka tsy misy zakat amin'ny zavatra tsy azo tehirizina toy ny voankazo sy legioma.

2) Tsy maintsy ho zavatra refesina amin'ny fatra: ka tsy misy zakat amin'ireo zavatra amidy amin'ny fanisana na lanja; toy ny voatango, ny tongolo, ny ampongabendanitra, sy ny hafa.

3) Ny fahatratrarany ny fatra: izany hoe dimy « Wasq », ka tsy amoahana zakat izay latsak'izany.

4) Mila ho fananan'ny tena manokana ny fahafenoan'ny fatra amin'ny fotoana tsy maintsy hamoahana ny Zakat.

Ka izay manana azy aorian'ny fotoana maha-voadidy ny famoahana ny Zakat dia tsy voadidy aminy ny famoahana ny Zakat, tahaka ny hoe nividy azy na nomena azy aorian'ny fijinjana azy.

Ny fotoana maha-voadidy ny Zakat-ny:

Voadidy ny famoahana ny Zakat amin'ireo voamaina sy voankazo, rehefa manomboka ny fahatsarany, Ary ny famantarana ny fiandohan'ny fahatsarana dia izao manaraka izao:

a- Eo amin'ny voa: Rehefa mihamafy sy mihahenjana ary lasa mivaingana.

b- Amin'ny voan'ny antrendry: dia ny fahamena na fahamavoany.

V: Momba ny voaloboka: dia ny maha-malefaka sy mamy azy.

Ny fetra takiana aminy dia:

Fatran'ny vokatry ny fambolena: dimy wasq, Ary ny wasq dia enimpolo sâa’, Koa ny fatra dia telon-jato Swaa-n'ny Mpaminany, ary ny lanjany amin'ny kilao dia: 900 kg eo ho eo.

Ny fatran'ny Zakat tsy maintsy avoaka ao aminy:

Adidy ny ampahafolony amin'ny voly izay tondrahana tsy misy fahasahiranana na fandaniana; toy ireo tondrahan'ny ranon'orana sy ny loharano.

Ary antsasan'ny ampolony no avoaka ho an'ireny manasarotra ny fanondrahana azy; toy ireo tondrahana amin'ny rano izay tsoahana avy amin'ny lavadrano sy renirano amin'ny alàlan'ny biby na milina maoderina.

Karazana faharoa: Ireo harena an-kibon'ny tany:

Ireo karazana vokatra avy amin'ny tany: ny metaly, Izany dia ireo harena an-kibon'ny tany izay tsy mitovy karazana aminy; toy ny volamena, ny volafotsy, ny vy, ary ny vatosoa.

Ny fotoana mahavoadidy ny Zakat:

Rehefa azony sy tonga fananany, dia avoakany avy hatrany ny zakat-ny, satria tsy fepetra amin'izany ny fahafenoan'ny taona iray, Ny fatrany dia ny fatran'ny volamena sy volafotsy, ary amoahana ampahefatry ny ampahafolony amin'ny sandany.

Fahatelo: Zakat ny volamena sy volafotsy:

Ny atao hoe sandam-bola dia: volamena, volafotsy, ary vola taratasy, ary voadidy ny famoahana ny Zakat-n'izy ireo. Ary ny porofo dia ilay tenin'i Allah manao hoe:

﴿...وَالَّذِينَ يَكْنِزُونَ الذَّهَبَ وَالْفِضَّةَ وَلَا يُنْفِقُونَهَا فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَبَشِّرْهُمْ بِعَذَابٍ أَلِيمٍ 34﴾

Ireo izay mitahiry volamena sy vola fotsy nefa tsy mahafoy mandany izany amin’ny làlan’i Allah, lazao azy ireo mialoha ny sazy mamirifiry. [Sorate At-Tawbat: 34]

Ary voalaza amin'ny Hadith:

«مَا مِنْ صَاحِبِ ذَهَبٍ وَلَا فِضَّةٍ لَا يُؤَدِّي فِيهَا حَقَّهَا؛ إِلَّا إِذَا كَانَ يَوْمَ الْقِيَامَةِ صُفِّحَتْ لَهُ صَفَائِحُ مِنْ نَارٍ».

“Izay tompon’ny volamena na volafotsy tsy mandoa ny tokony haloany, dia amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty hovelarana takela-afo ho azy”44.

Ary niombon-kevitra ireo manampahaizana momba ny tsy maintsy andoavana ny Zakat amin'ny volamena sy volafotsy, ary ny vola taratasy, dia manana didy mitovy amin'ny volamena sy volafotsy; satria naka ny toerany tamin'ny fifanakalozana ara-bola izy ireo.

Ny fatran'ny Zakat amin'ny vola sy ny fatra tsy maintsy avoaka ao aminy:

Izy dia ny fatran'ny volamena na ny volafotsy; satria naka ny toeran'izy ireo amin'ny maha-vola azy, ka raha mahatratra ny fatran'ny iray amin'izy ireo izy dia tsy maintsy amoahana zakat, ary ny ankamaroany, ny fatran'ny vola taratasy ankehitriny dia kajiana amin'ny volafotsy; satria mora kokoa noho ny volamena izy ka mahatratra ny fatrany mialoha azy. Koa raha manana izay mitovy sanda amin’ny volafotsy (595) grama ny mpino silamo, ary efa feno herintaona izany, dia tsy maintsy amoahana Zakat. Ny vidin'ny grama-na volafotsy dia miovaova arakaraky ny fotoana, koa izay manana harena kely ka tsy mahalala raha nahatratra ny fatra izany na tsia, dia manontany amin'ireo mpivarotra volafotsy ny vidin'ny grama iray izy, avy eo ampitomboiny amin'ny (595), ary ny vokany no «FATRANY».

Fanamarihana mahasoa: Raha te hamoaka ny zakat-n'ny hareny izy; dia zarainy amin'ny efapolo ny fatrany, ka izay mivoaka dia izy no fatra tsy maintsy aloa.

Fahaefatra: Zakat amin'ny varotra

Izany dia izay zavatra voaomana hivarotana sy hividianana mba hahazoana tombony, Ny tolotra ny varotra dia ahitana ny karazana fananana rehetra ankoatra ny vola; toy ny fiarakodia, ny fitafiana, ny lamba, ny vy, ny hazo, ary ny zavatra hafa izay nomanina ho amin'ny varotra.

Fepetra ny tsy maintsy amoahana Zakat amin'ny varotra:

1- Ny fananana azy amin'ny alàlan'ny asany; toy ny varotra, ny fanofàna, sy ireo fomba hafa ahazoana tombontsoa.

2- Ny hananany azy amim-piniavana hanao varotra; izany hoe mikasa ny hikatsaka tombony aminy, satria ny asa dia miankina amin'ny finiavana, ary ny varotra dia asa, koa tsy maintsy ampiarahana aminy ny finiavana tahaka ireo asa hafa rehetra.

3- Mila mahatratra ny fatran'ny volamena na ny volafotsy ny sandany.

4- Ny fahafenoan'ny taona, dia ny tsingerin'ny taona.

Ny fomba famoahana ny Zakat amin'ny varotra:

Ny entam-barotra dia tombanana amin'iray amin'ireo vola roa, dia ny volamena na ny volafotsy, rehefa feno ny herintaona. Koa raha mahatratra ny fatra amin'ny iray amin'ireo vola roa ny lanjam-bidiny, dia avoaka ny ampahefan'ny ampahafolon'ny lanjam-bidiny.

Ny fahadimy: Zakat al-Fitr:

Izy io dia ny fanomezana tsy maintsy avoaka amin'ny fiafaran'ny volana Ramadany, Ary nodidiana tamin'ny taona faharoa Hidjrah.

Ny didy momba azy dia:

Ny zakatol-fitri dia voadidy amin'ny silamo rehetra izay manana sakafo mihoatra ny ampy ho azy sy ny fianakaviany amin'ny andron'ny Eid sy ny aliny. Ary voadidy amin'ny mpino Isilamo tsirairay avokoa; na lahy na vavy, na tanora na antitra, na olon-tsotra na andevo, Hadith:

«فَرَضَ رَسُولُ اللَّهِ ﷺ زَكَاةَ الْفِطْرِ عَلَى الْعَبْدِ وَالْحُرِّ، وَالذَّكَرِ وَالْأُنثَى، وَالصَّغِيرِ وَالْكَبِيرِ، مِنَ الْمُسْلِمِينَ».

“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) ny zakatol-fitr ho an'ny andevo sy ny olon-tsotra, ny lahy sy ny vavy, ary ny ankizy sy ny lehibe amin’ireo mpino silamo”45. Ary nametraka lalàna, midika hoe: nandidy sy nanao adidy.

Ny lesona amin'ny fandidina azy:

Hoy I Ibn Abbas (R.A):

«فَرَضَ رَسُولُ اللَّهِ ﷺ زَكَاةَ الْفِطْرِ؛ طُهْرَةً لِلصَّائِمِ مِنَ اللَّغْوِ وَالرَّفَثِ، وَطُعْمَةً لِلْمَسَاكِينِ».

“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) ny zakatol-fitr mba hanadiovana ny olona mifady hanina amin’ny resaka tsy misy dikany sy ny fahavetavetana, ary fanomezana sakafo ho an’ny mahantra”46.

Fotoana maha voadidy azy sy ny famoahana azy:

Tsy maintsy avoaka ny Zakat al-Fitr amin'ny filentehan'ny masoandro amin'ny alin'ny Eid. Ary tsara ny mamoaka azy amin'ny andron'ny Eid alohan'ny handehanana mamonjy soalat Eid. Tsy azo atao ny manemotra azy aorian'ny vavaka Eid, Fa raha nahemony ka lasa aorian'ny vavaka Eid izany; dia tsy maintsy mamoaka azy ho fanonerana izy, ary manota noho ny fanemorany azy mihoatra ny fotoana voatondro.

Ary azo atao iray na roa andro mialoha ny Eid.

Ny fatrany sy izay amoahana azy:

swaa iray amin'ny sakafo mahazatra ny mponina ao an-toerana; toy ny vary, atrendry, varimbazaha na ny hafa. Ny lanjan'ny saa dia telo kilôgrama eo ho eo. Ary tsy azo atao ny mamoaka vola ho solony; satria mifanohitra amin'ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) izany.

Ny famoahana ny Zakat sy ireo Olona omena azy:

Ny fotoana amoahana azy:

Tsy maintsy atao avy hatrany ny famoahana ny zakat, rehefa tonga ny fotoana maha-voadidy azy, Tsy azo atao ny manemotra azy raha tsy noho ny antony manery, toy ny hoe any amin'ny tany lavitra azy ny fananana ary tsy misy olona azony tendrena hisolo tena azy.

- Ny toerana amoahana azy:

Ny tsara indrindra dia ny famoahana ny Zakat ao amin'ny toerana misy ilay harena, Ary azo atao ny famindrana azy avy amin'ny tanàna misy ny harena ho any amin'ny tanàna hafa amin'ny tranga maromaro:

a- Raha tsy misy olona mila ny zakat ao amin'ny tanàna.

b- Raha misy havana mila vonjy any amin'ny tany hafa.

d-Raha toa ka misy tombon-tsoa ara-dalàna mitaky ny famindràna azy, toy ny hoe: ny famindràna azy any amin'ireo faritr'ireo Mpino silamo tra-boina amin'ny mosary sy ny tondra-drano.

Ny Zakat dia voadidy amin'ny harenan'ny zaza sy ny adala, noho ny maha-an-kapobeny ny porofo, ary ny tompon'andraikiny amin'ny harena no miandraikitra ny famoahana azy ho azy ireo. Ary tsy manan-kery ny famoahana ny Zakat raha tsy miaraka amin'ny finiavana, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«إِنَّمَا الْأَعْمَالُ بِالنِّيَّاتِ».

"Tena marina fa ny asa dia miankina amin'ny fikasana."47

Ireo olona omena ny Zakat:

Ireo sokajin'olona izay omena ny Zakat dia valo:

Sokajy voalohany: ny mahantra:

Ireny izay tsy manana ny ampy amin'ny filàny fototra, toy ny trano fonenana, ny sakafo, ary ny fitafiana, Ary ny fatran'ny Zakat omena azy ireo dia izay ampy ho azy ireo sy ho an'ireo olona velominy mandritra ny herintaona.

Ny sokajy faharoa: ireo sahirana:

Ary izy ireo no mahita ny ankamaroan'izay mahampy azy, saingy tsy mahita kosa ny fahafenoany tanteraka, ohatra: ny olona izay manana karama raikitra, nefa tsy mahavita ny filany mandritra ny taona iray manontolo.

Ny fetra omena amin'ny Zakat dia: ny fahampiana tanteraka ho azy ireo sy ny fahampian'ireo izay velominy mandritra ny taona iray.

Ny faha-telo: Ireo mpiasa mpikarakara zakat izany:

Ary izy ireo no omen'ny mpitondra manam-pahefana andraikitra amin'ny fanangonana ny Zakat, na miandraikitra ny fitahirizana izany, na koa ny fanaterana azy ho an'ireo sahirana.

Ny fatran'ny Zakat izay avoakany dia mitovy amin'ny karamany amin'ny asany, raha toa ka tsy manana karama na vola raisina avy amin'ny fanjakana izy ireo.

Ny karazana fahaefatra: Ireo nampiraiketina ny fony:

Ary izy ireo dia izay rehetra anantenana soa amin'ny alalan'ny fanomezana azy: ny hidirany ao amin'ny finoana Silamo, na ny fihamafisan'ny finoany, na ny fisorohana ny haratsiany tsy hanjo ny Silamo.

Ny fatran'ny Zakat omena azy ireo: dia araka izay ahazoana mampiray ny fon'izy ireo.

Sokajy fahadimy: Ny fanafahana andevo:

Izany hoe: ny fanafahana ireo andevo sy ireo nanao fifanekena an-tsoratra.

Ary ny Mokàtab: dia ilay andevo izay nividy ny tenany tamin'ny tompony, Ary tafiditra ao anatin'izany ny fanavotana ny babon'ny mpino silamo amin'ny ady.

Ny sokajy fahaenina: ireo dobon-trosa; ary misy karazany roa izy ireo:

Voalohany: Izay manan-trosa noho ny filàn'ny tenany, ka tsy mahita izay hanefany ny trosany, Omena izay anefany ny trosany.

Ny faharoa: Izay manan-trosa noho ny fanaovany fampihavanana, Ary omena izay hanefany ny trosany, na dia manan-karena aza.

Sokajy fahafito: Eo amin'ny làlan'i Allah:

Izy ireo no izay miady amin'ny làlan'i Allah.

Ny fatra omena azy ireo avy amin'ny Zakat: izay ampy ho azy ireo amin'ny ady masina ho amin'ny làlan'i Allah; avy amin'ny zavatra itaingenana sy fitaovam-piadiana sy sakafo sy ny toy izany.

Sokajy fahavalo: Ny mpivahiny:

Izy dia ilay mpanao dia lavitra ka lany vatsy, na nangalarina taminy, ka tsy misy vola intsony aminy ahafahany miverina any amin'ny fireneny.

Ny fatra omena azy avy amin'ny Zakat: dia araka izay hahafahany miverina any amin'ny taniny, na dia manan-karena any aza izy.

Fizarana fahaefatra: Ny fifehezana:

Ny fifehezana (fifadian-kanina) dia:

Fanompoana Allah amin'ny alàlan'ny fitazoman-tena amin'ireo zavatra manapaka ny fifehezana manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro.

Ary izy io dia iray amin'ireo andry hijoroan'ny finoana Islam, Ary anisan'ireo didin'Allah Ilay avo Tsitoha, Fantatra ao amin'ny finoana ka tsy azo lavina. Ary ny Boky sy ny Sonnah ary ny fiombonan-kevitr'ireo Silamo no manoro ny maha-voadidy azy.

Miteny Allah manao hoe:

﴿‌شَهۡرُ رَمَضَانَ ٱلَّذِيٓ أُنزِلَ فِيهِ ٱلۡقُرۡءَانُ هُدٗى لِّلنَّاسِ وَبَيِّنَٰتٖ مِّنَ ٱلۡهُدَىٰ وَٱلۡفُرۡقَانِۚ فَمَن شَهِدَ مِنكُمُ ٱلشَّهۡرَ فَلۡيَصُمۡهُ...﴾

"Ny volana Ramadany no nampidinana ny Kor’any, tari-dàlana ho an’ny olombelona ary ho fanazavana ny ny làla-marina ary fanavahana (lalàna). Ka izay eo an-toerana mandritra ny volana Ramadany, dia aoka izy hifehy..."

[Sorate Al-Bakarat: 185]

Ny fepetry ny mahavoadidy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany:

1- Ny finoana Islam, satria tsy manan-kery raha ataon'ny olona tsy mpino.

2- Fahafenoan'ny taona, tsy adidy amin'ny zaza. Ary manan-kery ny fifehezan'ny zaza efa mahay manavaka, ary ho azy dia an-tsitrapo izany.

3- Salama saina, ary tsy takina amin'ny olona adala ny fifehezana, ary tsy manan-kery ny fifehezana ataony noho ny tsy fisian'ny fikasana.

4- Ny fahafahana manao azy, Koa tsy adidy amin'ny marary izay tsy mahavita azy, na koa amin'ny tsy eto an-toerana, Ary manonitra izany izy roa rehefa afaka ny fialan-tsiny: Ny aretina sy ny dia. Ary fepetra maha manankery azy amin'ny vehivavy: ny fitsaharan'ny fadimbolana sy ny rà aorian'ny fiterahana.

Voamarina ny volana Ramadany noho ny zavatra roa, izany dia:

A- Ny fahitana ny tsinam-bolan'ny volana Ramadany, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«صُومُوا لِرُؤْيَتِهِ، وَأفْطِرُوا لِرُؤْيَتِهِ».

"Mifeheza ianareo amin'ny fahitana azy, ary tapaho ny fifehezana amin'ny fahitana azy" [48].48

b- Ny famenoana ny volana Shaaban ho telopolo andro, izany dia raha tsy hita ny tsinam-bolana Ramadany, na manakana ny fahitana azy ny rahona na ny vovoka na ny toy izany, araka ny teniny (S.A.W):

«فَإِنْ غُمَّ عَلَيْكُمْ؛ فَأَكْمِلُوا عِدَّةَ شَعْبَانَ ثَلَاثِينَ يَوْمًا».

"Fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isan'ny Shaaban ho telopolo andro"49.

Ny finiavana amin'ny fifehezana:

Ny fifehezana dia toy ireo fanompoana hafa, tsy manankery raha tsy miaraka amin'ny finiavana, Tsy mitovy ny fotoana tsy maintsy anaovana ny fikasana eo amin’ny fifehezana tsy maintsy atao sy ny ankoatra azy, ary ny fanazavana izany dia toy izao manaraka izao:

Voalohany: Ny Fifehezana tsy maintsy atao; toy ny fifehezana amin'ny volana Ramadan, na ny fanoloana, na ny voady, dia tsy maintsy atao ny finiavany amin'ny alina alohan'ny fiposahan'ny Fajr, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«مَن لَمْ يُبَيِّتْ الصِّيَامَ مِنَ اللَّيْلِ فَلَا صِيَامَ لَهُ».

"Izay tsy nanao fikasana ny fifehezana tamin'ny alina, dia tsy misy fifehezana ho azy"50.

Faharoa: Fifehezana an-tsitrapo, ary azon'ny olona iray atao ny manao ny fikasana azy amin'ny antoandro, Raha toa ka tsy mbola nihinana zavatra manimba ny fifehezany izy taorian'ny fiposahan'ny maraina vao mangirandratsy.

Ireo zavatra manimba ny fifehezana:

Ny voalohany: Ny firaisana ara-nofo: ka rehefa manao firaisana ara-nofo dia foana ny fifehezany, ary tsy maintsy onenany io andro nanaovany izany, Ary tsy maintsy ataony miaraka amin'ny fanonerana ny Onitra, dia ny: famontsorana andevo, Koa raha tsy mahita izy, dia mifehy volana roa mifanesy izy, Fa raha tsy afaka izy noho ny antony ara-dalàna ara-pinoana, dia tsy maintsy mampisakafo olona mahantra enimpolo isa izy, ka ny tsirairay amin'ireo dia omena antsasaky ny Saa' avy amin'ny sakafo fihinana eo an-toerana.

Ny faharoa: Ny fivoahan’ny tsirinaina noho ny oroka, na safosafo, na filalaovana ny taovam-pananahana, na ny famerimberenam-pijery arahina fahafinaretana, dia tsy maintsy ataony ny fanoloana ihany fa tsy misy onitra; satria ny onitra dia natokana ho an'ny firaisana ara-nofo. Fa raha ny olona matory kosa no nanonofy ka nisy fivoahan'ny tsiron'aina; dia tsy misy tsiny aminy; satria tsy avy amin'ny safidiny izany, ka mandro na misaika izy noho ny fahalotoana ara-pivavahana lehibe.

Ny fahatelo: Ny fihinanana sy fisotroana fananiana: Araka ny tenin'Ilay Avo Tsitoha:

﴿...وَكُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَكُمُ ٱلۡخَيۡطُ ٱلۡأَبۡيَضُ مِنَ ٱلۡخَيۡطِ ٱلۡأَسۡوَدِ مِنَ ٱلۡفَجۡرِۖ ثُمَّ أَتِمُّواْ ٱلصِّيَامَ إِلَى ٱلَّيۡلِ...﴾

"Ary aoka ianareo hihinana sy hisotro mandra-pahafahanareo manavaka ny kofehy fotsy amin’ny kofehy mainty aorian’ny maraina mangiran-dratsy (Fajr). Ary dia tontosao ny fifehezana mandrapahatongan’ny alina..."

[Sorate Al-Bakarat: 187]

Fa izay mihinana na misotro manadino; dia tsy misy tsiny aminy; NY HADITH:

«مَن نَسِيَ وَهُوَ صَائِمٌ، فَأَكَلَ أَوْ شَرِبَ، فَلْيُتِمَّ صَوْمَهُ، فَإِنَّمَا أَطْعَمَهُ اللَّهُ وَسَقَاهُ».

“Izay nanadino hoe izy mifehy ka tafihinana sy tafisotro, dia aoka izy hanohy ny fifehezany satria i Allah no nampihinana sy nampisotro azy.”51

Ny fahefatra: Ny fandoavana fananiana, fa izay nandoa tsy an-tsitra-po kosa; dia tsy manapaka ny fifehezany, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«مَنْ ذَرَعَهُ الْقَيءُ فَلَيْسَ عَلَيْهِ قَضَاءٌ، وَمَن اسْتَقَاءَ عَمْدًا فَلْيَقْضِ».

«Izay resin'ny fandoavana dia tsy misy fanonerana (Qadà) ho azy, fa izay niniana nampandoa tena kosa dia aoka izy hanonitra (Qadà)»52.

Ny fahadimy: Famoahana rà avy amin'ny vatana; na amin'ny alàlan'ny hijama, na fandatsahana rà, na fakàna rà atolotra hanampiana marary; dia manapaka ny fifehezana izany rehetra izany. Fa ny famoahana ny rà kely izay alaina hanaovana fitiliana, dia tsy manapaka ny fifehezana. Toy izany koa ny fivoahan'ny Rà tsy an-tsitrapo; toy ny rà mivoaka amin'ny orona, na ratra, na fanalana nify; izany dia tsy manimba ny fifehezana.

Ireo omena alàlana hisakafo amin'ny Ramadany:

Fizarana voalohany: Ireo mahazo misakafo, fa tsy maintsy manonitra, dia ireto avy:

Voalohany: Ny marary voan'ny aretina mbola antenaina ho sitrana, ka iharan'ny fahavoazana izy raha mifehy na mavesatra aminy.

Faharoa: Ny mpandeha; izay mahatsapa fahasahiranana mandritra ny dia na tsy mahatsapa.

Ary ny porofo amin'izy roa dia ilay tenin'i Allah manao hoe:

﴿...وَمَن كَانَ مَرِيضًا أَوۡ عَلَىٰ سَفَرٖ فَعِدَّةٞ مِّنۡ أَيَّامٍ أُخَرَ...﴾

{Ireo izay marary na koa any am-pandehanana lavitra, dia tsy maintsy manolo izany araka ny isan’ny andro tsy vitany amin’ny andro manaraka.} [Sorate Al-Bakarat: 185]

Ny fahatelo: Ny vehivavy bevohoka na mampinono, raha toa ka manahirana azy ireo ny fifehezana, na mankarary azy na ny zanany, ary izy ireo dia mitovy sata amin’ny marary, dia azon’izy ireo atao ny manapaka ny fifehezany, Kanefa dia tsy maintsy manefa ny fifehezana amin'ny fotoana hafa izy ireo.

Fahaefatra: Ny vehivavy tonga fadimbolana sy ny vehivavy mande rà avy niteraka, ary ny fihinna dia obligatoara ho azy roa, Tsy voaray ny fifehezan'izy ireo, ka tsy maintsy oneran'izy ireo amin'ny andro hafa izany.

Fizarana faharoa: Ireo izay nahazo alàlana ny tsy hifehy, saingy tsy maintsy manonitra ny trosa fa tsy manolo, dia ireto avy:

Voalohany: Ny marary voan'ny aretina tsy antenaina hahazo fahasitranana intsony.

Ny faharoa: ny zokiolona izay tsy mahazaka ny fifehezana.

Koa izy ireo dia tsy mifehy, ary mampihinana sakafo mahantra iray ho solon'ny andro tsirairay amin'ny volana Ramadany. Fa raha ny olon-dehibe kosa no tonga eo amin'ny toetry ny fanjenjenana noho ny fahanterana, dia esorina aminy ny adidy; ka tsy mifady hanina izy ary tsy misy na inona na inona aminy.

Ny fotoanan'ny fanefana sy ny didy momba ny fanemorana azy:

Tsy maintsy onerana ny fifehezana Ramadany eo anelanelan'izany sy ny Ramadany manaraka. Ary ny tsara kokoa ny fanoloana azy haingana. Tsy azo atao manemotra ny fanefana mihoatra ny Ramadany manaraka. Tatitra avy amin'i Aicha (R.A) niteny manao hoe:

«كَانَ يَكُونُ عَلَيَّ الصَّوْمُ مِنْ رَمَضَانَ، فَمَا أَسْتَطِيعُ أَنْ أَقْضِيَ إِلَّا فِي شَعْبَانَ لِمَكَانِ رَسُولِ اللهِ ﷺ».

"Nisy trosan'ny fifehezana Ramadany aho, ka tsy nahavita nanonitra izany aho raha tsy tamin'ny volana Sha'ban, noho ny toerany Irak'i Allah -S.A.W53"

Fa izay nanemotra ny fanefana aorian'ny Ramadany manaraka, dia roa ny momba azy:

1- Ny fanemorana noho ny antony ara-dalàna, Ohatra: mitohy ny aretiny mandra-pahatongan'ny Ramadany manaraka, dia adidiny fotsiny ny manonitra izany.

2- Izay manemotra azy tsy misy antony ara-dalàna, dia manota noho ny fanemorana, ary tsy maintsy mibebaka sy manonitra, ary mampihinana olona mahantra iray isaky ny andro.

Fifadian-kanina an-tsitrapo ho an'izay manana trosa:

Izay manana trosa amin'ny Ramadany; dia ny tsara kokoa ny manonitra izany alohan'ny fifehezana an-tsitrapo, Kanefa raha toa ka ny fifehezana an-tsitrapo dia anisan'ireo izay mandalo ny fotoany -toy ny fifehezana Arafah sy Ashora-; dia ireo no ataony aloha vao ny fanefana; satria ny fanefana dia malalaka ny fotoany, fa ny Ashura sy Arafah kosa dia mety ho lasa. Kanefa tsy tokony manao fifehezana enina andro amin'ny Shawwal afa-tsy aorian'ny fanefana.

Ireo fotoana tsy azo hifehezana:

1- Fifehezana amin'ny andro Eid al-Fitr, sy ny Eid al-Adha; noho ny fandrarana azy.

2- Fifehezana ny andron'ny Tashriky amin'ny volana Zol Hijjah, Afa-tsy ho an'ny mpanao Tamatto' sy ny mpanao Kiran amin'ny Hajj, raha tsy manana izay hanaovana ny sorona, Ny andron'ny Tashreeq dia ny andro faha iraika ambin'ny folo, ny faharoa ambin'ny folo ary ny fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana Zol Hijjah.

3-Ny andro fisalasalana noho ny fisalasalana, izany dia ny andro faha telopolo an'ny volana Shaaban, Raha misy rahona na vovoka amin'ny aliny ka manakana ny fahitana ny volana.

Ireo fifehezana tsy tsara atao:

a- Fanokanana ny volana Rajab amin'ny fifehezana. B: Fanokanana ny andro Zoma amin'ny fifehezana, noho ny fandraràna momba izany, Ka raha mifehy andro iray alohany na aoriany, dia miala ny fankahalana izany.

Ireo fifehezana an-tsitrapo:

A- Fifehezana enina andro amin'ny volana shawaly. B- Ny fifehezana ny andro sivy amin'ny volana Zol-Hadjy, ary ny tena ankasitrahana indrindra dia ny andron’ny Arafah, afa-tsy ho an’ny mpanao Hadjy; ka tsy ankasitrahana ho azy ny mifehy, ary ny fifehezana izany dia mamafa ny fahotan'ny roa taona. Fahatelo - Fifehezana telo andro isam-bolana, ary ny tsara kokoa dia atao amin'ny andro fotsy, izy io dia: ny fahatelo ambin'ny folo, ny fahefatra ambin'ny folo, ary ny fahadimy ambin'ny folo. D- Ny fifehezana ny Alatsinainy sy ny Alakamisy isan-kerinandro, satria nifehy tamin'ireo andro ireo i Mpaminany (S.A.W); satria amin'ireo andro roa ireo no ampiakarana ny asan'ny mpanompo.

Ny fifehezana an-tsitrapo:

a- Ny fifehezan'i Daod (A.S), nifehy indray andro izy ary namaha indray andro.

b- Ny fifehezana amin’ny volan'Allah Moharamo, izany dia ny volana tsara indrindra anaovana fifehezana an-tsitrapo, ary ny tena nohamafisina indrindra amin'izany: ny fifehezana ny andro Ashura, izany dia ny andro fahafolo amin'ny volana Moharamo, ary anaovana fifehezana miaraka aminy koa ny andro fahasivy; araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W):

«لَئِنْ بَقِيتُ إِلَى قَابِلٍ لَأَصُومَنَّ التَّاسِعَ».

"Raha mbola velona aho amin'ny taona ho avy, dia hifehy ny faha-sivy aho54". Ary izany dia mamafa ny fahotan'ny taona teo alohany.

Ny fandinihana fahadimy: Ny Hadjy sy ny Omra

Ny Hajj, araka ny hevi-teny, dia fikasana. Fikendrena ny fandehanana any amin'ny trano masin'i Allah sy ireo toerana masina amin'ny fotoana voatokana mba hanao fombafomba manokana.

Ny Oumra: araka ny fiteny: ny famangiana.

Araka ny Sharia: Fitsidihana ny trano masin'i Allah amin'ny fotoana rehetra mba hanao fombafomba voatokana.

Ary ny Hajj dia iray amin'ireo andrin'ny finoana Islam sy fototra lehibe ijoroany, Ary voadidy tamin'ny taona fahasivy Hijria, Nanao Hajjy iray ny Mpaminany (S.A.W); dia ny (Hajj fanaovam-veloma).

Adidy ny manao Hadjy indray mandeha ao anatin'ny androm-piainana ho an'izay manan-katao, Ary ny mihoatra dia an-tsitrapo. Fa ny Omra kosa dia voadidy araka ny hevitry ny manam-pahaizana maro, Ary ny porofo amin'izany dia rehefa nisy nanontany ny Mpaminany (S.A.W) hoe: Misy ady masina ve ho an'ny vehivavy? dia namaly izy hoe:

«نَعَمْ، عَلَيْهِنَّ جِهَادٌ لَا قِتَالَ فِيهِ: الْحَجُّ وَالْعُمْرَةُ».

"Eny, misy ady masina izay tsy misy fifandonana ho azy ireo: ny Hajj sy ny Omra»55.

Fepetra takina mahavoadidy ny Hajj sy ny Omra:

1- Ny ( Finoana ) ISLAM

2-Salama saina.

3- Fahamaotiana.

4- Ny fahalalahana

5-Ny fahafaha-manao

Ary ampiana fepetra fahaenina ho an'ny vehivavy; izany dia ny fisian'ny olona fady azy mandeha miaraka aminy hanatanterahana izany, Satria tsy azo ataony ny mandeha, na amin’ny Hajj na amin’ny zavatra hafa, raha tsy miaraka amin’ny olona fady azy, Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«لَا تُسَافِرُ الْمَرْأَةُ إِلَّا مَعَ ذِي مَحْرَمٍ، وَلَا يَدْخُلُ عَلَيْهَا رَجُلٌ إِلَّا وَمَعَهَا مَحْرَمٌ».

"Tsy afaka mandeha ny vehivavy raha tsy miaraka amin'ny olona fady azy, ary tsy misy lehilahy miditra eo aminy raha tsy misy olona fady azy miaraka aminy"56.

Ny olona fady ny vehivavy dia: ny vadiny, na izay voarara aminy ny manambady azy mandrakizay; Amin'ireo an-kohonana; toy ny anadahiny, ny rainy, ny rahalahin'ny rainy, ny zanaky ny anadahiny, ary ny zamany, Na noho ny antony ara-dalàna, toy ny anadahy iray nono; na noho ny rohim-panambadiana, toy ny vadin-dreniny sy ny zanaky ny vadiny.

Ary ny fahafahana manao dia: ny fahafahana ara-bola sy ara-batana, ka mahavita mitaingina sy mahazaka ny dia, ary manana ny vola izay ampy ho an'ny fandehanany sy ny fiverenany, Ary koa, izay ampy ho an'ny zanany sy ny olona eo ambany fiahiany dia hitany mandra-piveriny any amin'izy ireo.

Ary ny làlan'ny Hajjy dia milamina, ka voaro ny ainy sy ny harenany.

Ho an'izay manana fahafahana ara-bola saingy tsy afaka ny vatany, noho izy efa antitra sy osa na marary aretina mitarazoka tsy antenaina sitrana; dia tsy maintsy manendry olona izy hanatanteraka ny Hajj sy ny Omra ho solony.

Fepetra roa no takiana amin'ny olona iray mba hananan-kery ny fisoloan-tenany amin'ny Hajj sy ny Omrah:

1- Tsy maintsy ho olona manan-kery amin'ny fanatanterahany ny Hajj izy, dia ny mpino silamo feno taona sy manan-tsaina.

2-Efa nanatanterahany ny Hajj adidy ho an'ny tenany.

Ireo toerana voafaritra (MAWAKIIT) hanaovana ny IHRAM:

Al-Mawakìt: dia filaza maro an'ny teny hoe Miiqaat, ary ara-bakiteny dia: ny fetra. Ary araka ny Shari'ah: dia ny toerana na fotoanan'ny fanompoam-pivavahana.

Ny Hadj dia manana Mawàkìt ara-potoana sy ara-toerana:

a- Ny MAWAQIIT ara-potoana: Nolazain'i Allah manao hoe:

﴿ٱلۡحَجُّ أَشۡهُرٞ مَّعۡلُومَٰتٞۚ فَمَن فَرَضَ فِيهِنَّ ٱلۡحَجَّ...﴾

{Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo...} [Sorate Al-Bakarat: 197]

Ary ireo volana ireo dia: Shawwal, Zol-Quaad, ary ny folo andro amin'ny volana Zol-hijjah.

b- Ireo Mawaaqiit ara-toerana: dia ireo sisin-tany izay tsy azon'ny mapanao Hajj ihoarana mankany Makkah raha tsy efa mitafy ny Ihràm, Toy izao manaraka izao izy ireo:

1- Zol-holayfa: miqat ho an'ny mponin'i Medina.

2- Al-Johfah: miqat ho an'ny mponin'ny Cham sy Egypta ary Magreba.

3- Qarn Al-Manaazil: ary fantatra ankehitriny hoe As-Sayl; miqat ho an'ny mponin'i Najd.

4- Zato Irak: miqat ho an'ny vahoakan'Irak.

5- Yalamlam: miqat an'ireo mponina ao Yemen.

Ary izay manana fonenana ao anatin'ireo Mawaaqiit ireo, dia manao Ihràm amin'ny Hadj sy Omrah avy ao amin'ny fonenany. Ho an’ireo mponin’i Makkah, dia ao Makkah ihany izy ireo no manao Ihràm, ka tsy mila mivoaka mankany amin'ny Mìqàt hanaovana ny Ihràm. Fa raha ny amin'ny Omrah kosa, dia mivoaka any amin'ny toerana akaiky indrindra ivelan'ny faritry ny Haram izy ireo, ary miditra amin'ny Ihram. Ary izay te hanao Hajj na Omrah dia tsy maintsy miditra amin'ny Ihràm amin'ireo toerana nofaritan'ny Mpaminany (S.A.W), dia ireo Mawaaqiit izay efa voalaza tetsy aloha. Tsy azo atao ho an'izay mikasa hanao Hajj na Omrah ny mandika izany raha tsy efa mitafy Ihram.

- Izay rehetra mandalo amin'ireo Mawaaqiit voalaza ireo ka tsy mponina ao aminy; dia manao Ihràm avy eo.

- Izay manana làlana mankany Makkah, ka tsy mandalo amin'ny iray amin'ireo Mawaaqiit voalaza ireo na an-tanety, na an-dranomasina, na an'habakabaka; dia manao Ihràm izy rehefa mifanaraka amin'ny Mìqàt akaiky azy indrindra, Noho ny tenin'i Omar Ibn Al-Khattab (R.A): "Jereo izay mifanandrify aminy eo amin'ny làlanareo"57.

- Izay manao dia amin'ny fiaramanidina mba hanao Hajj na Oumrah, dia tsy maintsy mitafy Ihram rehefa mandalo amin'ny toerana Miikaat izay eo amin'ny làlany ny fiaramanidina, Tsy azo atao ny manemotra ny Ihram mandra-pahatongany eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Ny Ihram:

Izany dia fikasana hiditra amin'ny nosok (fanompoana) Ary amin'ny Hajjy dia: fikasana ny hiditra amin'ny Hadjy, Amin'ny Omrah kosa dia ny fikasana hiditra amin'ny Omrah. Tsy tafiditra ao amin'ny Ihram izy raha tsy efa nikasa ny hiditra amin'ny nosok. Fa ny fanaovana fotsiny ny fitafiana Ihràm kanefa tsy misy fikasana, dia tsy mbola Ihram izany.

Ireo zavatra tsara atao mandritra ny Ihram:

1- Ny fandroana (fisehana) ny vatana manontolo alohan'ny Ihram.

2- Fanaovan'ny lehilahy ranomanitra amin'ny vatany, fa tsy amin'ny lamba fitafin'ny Ihram-ny.

3- Fanaovana Ihràm amin'ny lamba ambany sy lamba ambony fotsy ary kapa.

4- Manao Ihrâm eo am-pitaingenana, sady mitodika any amin'ny Kiblat.

Ireo karazana sy fomba fanaovana ny Hajjy:

Ilay manao Ihràm dia omena safidy amin'ireo karazana fanompoana telo, dia ireto manaraka ireto:

1- Ny Tamattu; dia ny fidirana amin'ny ihram amin'ny Oumrah mandritra ny volan'ny Hajj, ary mamita izany, avy eo dia miditra amin'ny ihram amin'ny Hajj amin'io taona io ihany.

2- Ny Ifrad: dia ny manao Ihram ho an'ny Hajj ihany avy any amin'ny Miqat, ka mijanona amin'ny Ihram-ny mandra-panatanterahany ny fombafomban'ny Hajj.

3- Ny kiraan: dia ny fanaovana Ihram ho an'ny Hajj sy ny Omrah miaraka, na manao Ihram ho an'ny Omrah, dia ampidiriny ny Hajj alohan'ny hanombohany ny Tawaf-ny, ka mikasa ny Omrah sy ny Hajj avy ao amin'ny Miqat izy, na alohan'ny hanombohana ny Tawaf an'ny Omrah, ary manao Tawaf sy Sa'i ho an'izy roa.

Ary takina amin'ny mpanao Hajj « Tamatto » sy ny mpanao Hajj « Kiran » ny onitra, raha toa ka tsy anisan'ny mponina ao amin'ny Moske AL-HARAM izy ireo.

Ny tsara indrindra amin'ireo sokajin'ny Hajj telo ireo dia ny Tamattu'; satria naniraka ny mpanaradiany tamin'izany ny Mpaminany (S.A.W)58. Avy eo ny Kiraan; satria izy io dia Hajj sy Oumrah, avy eo ny Ifrad.

j) Rehefa manao Ihram ho an'iray amin'ireo fanompoana (ansàk) ireo izy; dia manao Talbiyah avy hatrany, ka miteny hoe:

«لَبَّيْكَ اللَّهُمَّ لَبَّيْكَ، لَبَّيْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ لَبَّيْكَ، إِنَّ الْحَمْدَ وَالنِّعْمَةَ لَكَ وَالْمُلْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ».

"Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka"59.

Izy io dia Sonnah, ary Mostahab ny fanaovana azy betsaka; ataon'ny lehilahy an-karihary, ary ataon'ny vehivavy mangingina.

Ny fotoanany: Manomboka aorian'ny Ihram, ary ny fiafarany dia toy izao manaraka izao:

Voalohany: Ny mpanao Omrah dia manatsahatra izany alohan'ny hanombohany ny Tawaf.

Faharoa: Manapaka izany ny mpanao Hajj raha vao manomboka mitora-bato an'i Jamarat al-Aqaba amin'ny andron'ny Eid.

Ireto avy ny zavatra voarara amin’ny ihram:

Ny zavatra voarara voalohany: Fanasolana na fanapahana ary fanongotana volo, na aiza na aiza amin’ny vatana.

Ny fandrarana faharoa: Fanalana na fanapahana hoho, na amin’ny tànana na amin’ny tongotra, raha tsy misy antony. Fa raha misy hoho vaky ka nesoriny, dia tsy misy onitra takiana aminy.

Fahatelo: Misatroka ho an'ny lehilahy, toy ny satroka sy ny lamba famohana.

Ny voarara fahaefatra: Tsy azo ataon'ny lehilahy ny manao akanjo voazaitra mifanaraka amin'ny vatany na ny ampahany aminy; toy ny lobaka, na fehiloha, na pataloha. Ary ny zavatra misy zaitra: dia izay namboarina hifanaraka amin'ny rantsam-batana, toy ny AL-KHAFFAINY, ny AL-QAFFAZAINY, ary ny AL-JORABAINY, Ny vehivavy kosa dia mitafy izay lamba tiany rehefa manao Ihram noho ny filàny hanarona tena, kanefa tsy manao borkà izy, fa manarona ny tarehiny amin'ny saron-dohany na ny lambany rehefa mandalo eo aminy ireo lehilahy vahiny. Ary tsy manao fonon-tànana amin’ny tànany roa izy.

Ny voarara fahadimy: Ny ranomanitra; satria ilay ao anatin'ny Ihram dia takiana aminy ny hanalavitra ny rendrarendra, ny haingon'ny fiainana eto an-tany sy ny fahafinaretany, ary hitodika any amin'ny any an-koatra.

Ny fandrarana fahaenina: Famonoana ny haza an-tanety sy ny fihazana azy, ka ny olona ao anatin'ny fotoam-pady dia tsy mihaza haza an-tanety, tsy manampy amin'ny fihazana azy, ary tsy mamono azy.

Fady ho an'ny olona mitafy ihram ny mihinana izay nohazainy, na nohazaina ho azy, na nanampiana tamin'ny fihazana; satria toy ny faty ho azy izany.

Fa raha ny hazan-dranomasina kosa, dia tsy fady ho an'izay ao anatin'ny Ihram ny mihaza izany. Ary tsy fady ho azy ny mamono biby fiompy toy ny akoho sy ny biby ompiana; satria tsy haza izany.

Ny voarara fahafito: Manao fanambadiana ho an’ny tenany na ho an’ny hafa, na mijoro ho vavolombelona.

Ny voarara fahavalo: Ny firaisana ara-nofo; ka izay manao firaisana ara-nofo alohan'ny famahana voalohany; dia simba ny fanompoany, ary tsy maintsy tohizany sy vitainy hatramin'ny farany ny fombam-pivavahany, ary onérany amin'ny taona manaraka izany, ary tsy maintsy manapaka sorona ràmeva na omby Izy. Raha aorian'ny Tahallol voalohany, dia tsy foana ny fombam-pivavahany, ary tsy maintsy manao sorona izy.

Ary ny vehivavy amin'izany dia toy ny lehilahy raha toa ka mankato izy.

Ny zavatra voarara fahasivy: Ny fifampikasohana ivelan'ny taovam-pananahana, ka voarara amin'ny mpanao Hajj ny manao fifampikasohana amin’ny vehivavy, satria izany dia fomba iray mitarika any amin’ny firaisana ara-nofo voarara, ary ny tiana holazaina amin’ny hoe fifampikasohana dia: ny fikasoana vehivavy miaraka amin'ny filana.

Ny Omrah:

A - Ireo Andry lehibe amin'ny Omrah:

1- Ny Ihram.

2- Ny Twawaf (Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba).

3- Ny fivezivezena.

b- Ireo zavatra voadidy amin'ny Omrah:

1- Ny Ihram avy amin'ny Mikaty voatondro.

2- Fanasolana ny volo na fanafohezana azy.

V25: NY FOMBA FATAO AMIN’NY OMRAH:

Ny zavatra voalohany ataon'ny olona manao Omrah dia ny manao Tawaf fihodinana im-pito, manomboka eo amin'ny Vato Mainty ary mifarana eo aminy. Rehefa manatanteraka ny Tawaf izy dia tokony ho madio, no sady manafina ny henatrany manomboka eo amin'ny foitra ka hatrany amin'ny lohalika, Ary ny Sounnah dia ny manao Idtibà' mandritra ny Tawàf manontolo; izany hoe: sokafana ny soroka ankavanana, ka atao eo ambaniny ny lamba, ary apetraka eo amin'ny soroka ankavia ny tendrony roa. Rehefa vitany ny fihodinana fahafito, dia atsahatrany ny Idtibà', ary averiny eo amin'ny sorony roa ny akanjony.

Mitodika mankany amin'ny Vato Mainty izy, ka raha afaka manoroka azy dia ataony, fa raha tsy izany kosa dia kasihany amin'ny tànany havanana raha mora aminy, ary horofany ny tànany. Ary raha tsy afaka mitazona ilay vato izy, dia manondro azy sady manasandratra ny tànany havanana, ka miteny indray mandeha hoe: «Allah Akbar», sady tsy manoroka ny tànany no tsy mijanona. Avy eo dia mizotra amin’ny fihodinany izy; ka ny Kaaba no eo ankaviany, ary Sonnah ny manao dia maika amin’ny fiodinana telo voalohany, Ny Dia maika dia ny fandehanana haingana miaraka amin’ny dingana fohy.

Rehefa mandalo eo amin'ny Rokn Al-Yamàni -izay zorony faha-efatry ny Kaaba-: raha azo atao, dia kasihiny amin'ny tànany havanana, sady tsy manao takbir no tsy manoroka. Raha tsy afaka mikasika azy kosa izy, dia mandroso fotsiny, ka tsy manondro azy ary tsy manao takbir. Eo anelanelan’ny Rokn Al-Yamàni sy ny Hajar Al-Aswad, dia miteny hoe:

﴿...رَبَّنَآ ءَاتِنَا فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗ وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِ حَسَنَةٗ وَقِنَا عَذَابَ ٱلنَّارِ﴾

{Tomponay ô! Omeo fahasoavana izahay ety an-tany, ary omeo fahasoavana ihany koa any an-koatra, arovy amin’ny famaizan’ny afobe izahay.} [Sorate AL-Bakarat: 201]

Rehefa vita ny Tawoafo; dia mivavaka roa rakaah eo aorian'ny Maqàm Ibràhìm izy raha azo atao, fa raha tsy izany kosa dia tanterahiny amin'ny toerana rehetra ao amin'ny Masjid Al-Haràm. Ary Sunnah ny mamaky ao amin'ny raka'ah voalohany, aorian'ny Al-Fàtihah, ny Sorat (Al-Kàfirona), Amin’ny raka’ah faharoa, rehefa avy mamaky Al-Fàtihah, dia mamaky ny Sorate Al Ikhlas (Ny fahadiovam-po), Avy eo dia mitodika mankany amin'ny Mas'an izy, ary manao fivezivezena eo anelanelan'ny Safa sy Marwa im-pito; ny fandehanana dia iray, ary ny fiverenana dia iray.

Manomboka ny Fivezivezena eo amin'ny Safà, ka mianika azy, na mijanona eo, ary ny fianihana eo amin'ny Safà no tsara kokoa raha azo atao. Ary amin'izany dia mamaky ny tenin'Allah ilay Tsitoha manao hoe:

﴿‌إِنَّ ٱلصَّفَا وَٱلۡمَرۡوَةَ مِن شَعَآئِرِ ٱللَّهِ...﴾

{Tena marina fa ny tendrombohitr’i Safà sy Marwà, dia anisan’ireo toerana Masin'i Allah...} [Al-Bakarat: 158]

Ary ankasitrahana ny mitodika mankany amin'ny kibla, ka midera an'i Allah, sy maneho ny maha lehibe Azy, ary miteny hoe:

«لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ، وَاللَّهُ أَكْبَرُ، لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ، يُحْيِي وَيُمِيتُ، وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، لَا إِلٰهَ إِلَّا اللَّهُ وَحْدَهُ، أَنْجَزَ وَعْدَهُ، وَنَصَرَ عَبْدَهُ، وَهَزَمَ الْأَحْزَابَ وَحْدَهُ».

«Là ilàha illallàho, wallàho akbar, Là ilàha illallàho wahdahò là sharìka lah, lahol-molko walahol-hamdo, yohyì wa yomìt, wa howa ‘alà kolli shay’in qadìr, Là ilàha illallàho wahdah, anjaza wa’dah, wa nasara ‘abdah, wa hazamal-ahzàba wahdah»60. Avy eo mitalaho izay mora aminy sady mampiakatra ny tànany, ary mamerina ity Zikri sy doan ity in-telo, Avy eo dia midina izy, dia mandeha mankany amin'ny Marwa, rehefa tonga eo amin'ny famantarana voalohany, dia mihazakazaka kely ny lehilahy mandra-pahatonga eo amin'ny famantarana faharoa, Fa ny vehivavy kosa dia tsy mihazakazaka eo anelanelan'ny famantarana roa, satria mila mitahiry ny tenany izy, fa ny mandeha kosa no voadidy ho azy mandritra ny Sa'i manontolo, Avy eo dia mandeha izy, ka miakatra amin'ny Marwa na mijanona eo. Tsara kokoa ny miakatra eo amboniny raha mora izany. Manao sy miteny eo amin'ny Marwa izy tahaka izay nataony sy nolazainy teo amin'ny Safà, afa-tsy ny famakiana ilay andininy, dia ny tenin'i Allah manao hoe:

﴿‌إِنَّ ٱلصَّفَا وَٱلۡمَرۡوَةَ مِن شَعَآئِرِ ٱللَّهِ...﴾

{Tena marina fa ny tendrombohitr’i Safà sy Marwà, dia anisan’ireo toerana Masin'i Allah...} Fa izany dia natao rehefa miakatra eo amin'ny Safa amin'ny fihodinana voalohany ihany, Avy eo dia midina izy, ka mandeha amin'ny toerana fandehanana, ary mihazakazaka kely amin'ny toerana fihazakazahana, mandra-pahatongany eo amin'ny Safa. Averina in-pito izany, ny fandehanana dia iray, ary ny fiverenana dia iray. Mandritra ny saa'i dia amporisihina ny manao betsaka izay Zikri sy vavaka mora aminy. Ary mila madio amin'ny loto lehibe sy kely izy, na dia manatanteraka izany tsy misy fahadiovana aza izy dia manan-kery izany, Toy izany koa, raha tonga fadimbolana na avy niteraka ny vehivavy aorian'ny Tawaf; dia manao Sa'i izy, ary ekena izany; satria ny fahadiovana dia tsy fepetra amin'ny Sa'i, fa tsara fotsiny raha misy izany.

Rehefa vita ny saa’i, dia manasola ny lohany izy na manafohy izany, ary ny sola no tsara kokoa ho an’ny lehilahy.

Eto dia nahavita tanteraka ireo fanao amin'ny Omrah izy.

 

Ny Hajjy:

a- Ireo Andry lehibe amin'ny Hajj:

1- Ny Ihram.

2-Ny fijoroana eo amin'ny toerana Arafa.

3-Ny Twawaf (Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba).

4-Ny fivezivezena.

b- Ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Hajj:

1- Ny Ihram avy amin'ny Mikaty.

2- Ny fijoroana eo amin'ny toerana Arafa amin'ny andro fahasivy amin'ny Zol-Hijjah hatramin'ny filentehan'ny masoandro ho an'izay mijoro ao antoandro.

3- Ny fatorina ao Mozdalifah amin'ny alin'ny fahafolo amin'ny Zoul-Hidja mandra-pisasaky ny alina.

4- Ny fatorina ao Mina amin'ny alin'ireo andron'ny Tashriky.

5- Fitorahana ny Djamaraty.

6- Fanasolana ny volo na fanafohezana azy.

7- Tawaf fanaovam-beloma.

V: Ny fomba fanao amin'ny Hajj:

Ny mpino silamo dia manao Talbia ho an'ny Hajj irery ihany rehefa tonga any amin'ny sisin-tany, raha tery ny fotoana, ka rehefa tonga any Makkat izy dia manao Tawaf sy Sa'i, ary mijanona mitafy ny Ihram-ny mandra-pizorany mankany 'Arafat amin'ny andron'ny 'Arafat, ny andro fahasivy, ary mijanona ao izy hatramin'ny filentehan'ny masoandro,

Avy eo dia miala avy ao izy sady manao ny Talbiyah ho any Mozdalifah, ka mijanona ao mandra-panaovany ny soalat maraina, avy eo dia mitoetra ao izy manao Zikri sy Talbiyah ary doan mandra-pahazavan’ny andro.

Rehefa mazava ny andro dia miala ho any Mina izy alohan'ny fiposahan'ny masoandro, dia mitora-bato Jamrat al-Aqaba amin'ny vato kely fito, avy eo dia manasola na manafohy, ary ny sola no tsara kokoa.

Avy eo dia manao ny Tawaf al-Ifadah izy, ary ampy ho azy ny Sa'i voalohany, ka toy izay dia vita ny Hajj-ny ary azony ny fahafahana tanteraka.

Ary mbola mitoetra aminy ny fitorahana ireo Jamarat amin’ny andro faha-iraka ambin’ny folo sy roa ambin’ny folo, raha maika izy; ka mitoraka ireo Jamarat telo izy, ny Jamra tsirairay dia torahana amin’ny vatokely fito, ary manao Takbir isaky ny vato atsipy. Atombony amin'ilay kely izay manaraka ny Moskean'i Khayf, avy eo ilay afovoany, ary avy eo Jamrat al-Aqaba izay farany. Ny Jamra tsirairay dia torahana amin’ny vatokely fito. Raha tiany ny hanemotra aorian'ny andro faharoa ambin'ny folo; dia mitoraka izy amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo, toy ny tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo sy ny andro faharaika ambin'ny folo.

Ny tora-bato dia atao aorian'ny mitataovovonana amin'ireo andro telo.

Raha miainga amin'ny andro faharoa ambin'ny folo izy alohan'ny filentehan'ny masoandro, dia tsy misy tsiny, ary raha mijanona izy mandra-pitorany amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo aorian'ny mitataovovonana, dia izany no tsara kokoa, araka ny tenin'Allah ilay Tsitoha hoe:

﴿‌...فَمَن تَعَجَّلَ فِي يَوۡمَيۡنِ فَلَآ إِثۡمَ عَلَيۡهِ وَمَن تَأَخَّرَ فَلَآ إِثۡمَ عَلَيۡهِۖ لِمَنِ ٱتَّقَىٰ...﴾

Fa izay nanafaingana ny asa fanompoana nataony tao anatin'ny roa andro dia tsy manam-pahotana, fa ireo izay nanemotra kosa dia tsy manam-pahotana ho an’izay manam-pahatahorana

[Sorate Al-Bakarat: 203]

Raha te-hiala amin'ny dia izy; dia ataony ny Tawaf fanaovam-beloma fifevivezena im-pito tsy misy Sa'i.

Ny tsara indrindra ho an'izay tsy mitondra biby hatao sorona dia: Ny manao Ihram ho an'ny Omrah atao Tamattu, avy eo manao Talbiyah ho an'ny Hajj amin'ny andro fahavalo, ary manao ireo asa fanao amin'ny Hajj izay efa voalaza teo. Raha manao Ihram ho an'ny Hajj sy ny Omrah miaraka kosa izy dia tsy misy olana, ary Kiran no iantsoana izany, dia ny fanaovana Ihram ho an'ny Omrah sy ny Hajj miaraka, ka Tawaf sy Sa'i iray ihany no atao.

Toko Faha-telo:

Izay mahakasika ny Asa sy ny fiaraha-miasa

Nohazavain’ireo manam-pahaizana, Tompo Allah anie hamindra fo azy ireo, ny fahalalana izay tsy maintsy ianaran’ny isam-batan’olona, Ary nifanakalo hevitra izy ireo mikasika ny fatran'ny fahalalàna izay voadidy tsy maintsy hianaran'ny mpino silamo tsirairay avokoa. Ary anisan'ny notononin'izy ireo tao: Ny fianarana ny fitsipiky ny varotra ho an'ny mpanao raharaham-barotra, Mba tsy ho latsaka any amin'ny zava-boarara na zana-bola nefa tsy fantany, Ary tatitra azo avy tamin'ny sasany tamin'ireo mpanaradia (R.A) izay manamarina izany.

Niteny i Omar Ibn Al-Khattab (R.A) manao hoe: «Tsy mahazo mivarotra eo amin'ny tsenanay afa-tsy izay efa nahazo fahalalana momba ny finoana»61.

Ary niteny i Ali bin Abi Twalib (R.A) manao hoe: «Izay manao raharaham-barotra alohan'ny handalinany ny lalàna mifehy izany; dia tafalatsaka ao anatin'ny zana-bola, ary mbola latsaka, ary mbola ho latsaka. Izany hoe: latsaka ao anatin'ny zana-bola»62.

Ary niteny i Ibn Aabidiny, nitatitra avy amin'i Al-Allàmy hoe: Ary voadidy amin'ny lehilahy sy vehivavy rehetra tompon'andraikitra, aorian'ny fianarany ny fahalalana momba ny finoana sy ny fitarihana, ny hianatra ny fahalalana momba ny fidiovana, ny fandroana, ny vavaka, ny fifadian-kanina, ny fahalalana momba ny Zakat ho an'izay manana ny fatra-pananana takiana, sy ny Hadj ho an'izay adidy aminy ny manatanteraka azy, ary ny fahalalana momba ny varotra ho an'ny mpivarotra, mba hahafahan'izy ireo mitandrina sy misoroka ireo zavatra mampisalasala sy ireo zavatra tsy tiana amin'ny raharaha rehetra. Tahaka izany koa ireo manana asa manokana, ary izay rehetra manao asa iray dia voadidy aminy ny mianatra ny fahalalana sy ny lalàna mifehy izany mba hisorohany ny voarara ao anatin'izany63.

Ary niteny i Al-Nawawi (R) hoe: "Fa raha ny varotra sy ny fanambadiana kosa sy izay mitovy amin'ireo, izay tsy adidy amin'ny fotony, dia voarara ny miroso amin'izany raha tsy efa fantatra ny fepetra takina aminy"64.

Ireto ary ny sasany amin'ireo fitsipika mikasika ny fandraharahana ara-bola, izay nentin'ny Lalàna Islamika:

1- Fahazoana manao izay rehetra misy tombon-tsoa madio na mavesa-danja kokoa; toy ny fivarotana sy fividianana ireo zavatra azo atao, ny fanofana, ary ny zo laharam-pahamehana amin’ny fividianana65.

2- Ny maha ara-dalàna ny zavatra rehetra izay miantoka sy miaro ny zon'ny olona; toy ny antoka sy ny fandraisana vavolombelona.

3- Ny maha ara-dalàna ara-mpinoana ny zavatra rehetra izay misy tombotsoa ho an'ireo mpanao fifanekena; toy ny fanafoanana ny fifanarahana, ny zo hisafidy, ary ny fepetra amin'ny varotra.

4- Fandrarana izay rehetra ahitana tsindrihazolena amin'ny olona, sy ny fihinanana ny fananan'izy ireo tsy amin'ny marina; toy ny zana-bola, ny fakàna an-keriny, ary ny famonosana.

5- Ny maha ara-dalàna ny asa rehetra izay misy fifanampiana amin'ny fanaovan-tsoa; toy ny fampindramana, ny fampisamborana, ary ny petra-tahiry.

6- Fandrarana ny fahazoam-bola rehetra tsy amin'ny asa na tombontsoa na fikelezana aina; toy ny loka sy ny zana-bola.

7- Voarara ny fifampiraharahana rehetra izay anjakan'ny tsy fahalalana sy ny tsy fahazoana antoka; toy ny fivarotan'ny olona ny zavatra tsy ananany sy ny fivarotana ny zavatra tsy fantatra.

8- Fandrarana ny zava-drehetra misy hevi-petsy hanaovana ny voarara; toy ny varotra Al-'Inah66.

9-Fandraràna izay manembatsembana ny fankatoavana an'i Allah; toy ny fivarotana aorian'ny antso faharoan'ny andro zoma.

10- Fandrarana izay rehetra misy fahavoazana, na miteraka fifankahalana eo amin'ny samy mpino Islamo; toy ny fivarotana ireo zavatra fady, sy ny fivarotana handravana ny varotry ny rahalahy.

Ary rehefa mampisalasala ny mpino silamo ny lalàn'ny zavatra iray; dia manontany ireo manam-pahaizana momba izany izy, ary tsy manatanteraka izany izy raha tsy aorian'ny fahafantarany ny lalàna ara-pinoana momba azy, Arak'izay efa nolazain'i Allah manao hoe:

﴿‌...فَاسْأَلُوا ‌أَهْلَ ‌الذِّكْرِ إِنْ كُنْتُمْ لَا تَعْلَمُونَ﴾

anontanio ireo manampahalalana, raha toa ka tsy mahafantatra ianareo. [Sorate An-Nahl: 43]

Izao àry no voangona ankamorana, Ary i Allah anie hanome antsika ny fahalalana mahasoa sy ny asa tsara, satria malala-tanana sy Tsara fanahy Izy. Ary i Allah anie handefa ny tsodrano sy fahombiazana ary fiadanana betsaka tokoa ho an'ny Mpaminanantsika Mohammad sy ireo fianakaviany ary ireo mpiara-dia taminy.

 

 

***

Fanoroam-pejy

 

Teny fanolorana 2

Toko voalohany: 3

Mikasika ny Foto-pinoana 3

Fizarana Voalohany: Ny hevitry ny finoana Islam sy ireo andriny 3

Ny maha zava-dehibe ny fanokanana an'i Allah: 3

Ny dikan'ny « fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah »: 5

Raha ny fepetran’ny hoe “Tsy misy tompo afa-tsy Allah”, dia toy izao: 6

Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa i Mohammad dia Irak'i Allah: 8

Fizarana Faharoa: Ny dikan'ny Finoana sy ny andry ao aminy 10

1) Ny finoana an'Allah dia mifono zavatra telo: 11

1- Ny finoana ny maha-pahary Azy: 11

2- Ny finoana amin'ny maha Tompo mendrika ho tompoina Azy: 14

3- Finoana ny anarany sy ny toetrany: 17

2) Ny finoana an'ireo Anjely: 25

3) Ny finoana an'ireo Boky: 26

4) Ny finoana an'ireo Iraka (A.S): 28

5) Ny finoanana ny Andro farany: 29

a- Ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty: 29

b- Ny finoanana ny fitsarana sy ny fanefana ny valisoa: 30

Valiny: Ny finoana ny Paradisa sy ny Afobe: 30

6) Ny finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy: 31

Lohahevitra faha-telo: Ny Fahatsarana: 33

Fizarana fahefatra: Famintinana fohy momba ireo fototry ny mpanarakan’ny Sonnah sy Djamant: 34

Ny Toko faharoa: Mikasika ny fivavahana sy ny fanompoana 35

Ny fizarana voalohany: Ny fidiovana: 35

Voalohany: Fizaran’ny rano: 36

Faharoa: Ny loto: 36

Fahatelo: Ireo zavatra tsy azon'ny olona tsy manana Ozo atao: 39

Fahefatra: Fahalalampomba atao rehefa hamoaka maloto: 41

Ny faha-dimy: Didin'ny Istinja' (fidiovana amin’ny Rano) sy Istijmaar (fidiovana amin’ireo zavatra hafa ankoatran’ny rano): 42

Fahaenina: Ireo didy momba ny ozo: 43

Fahafito: Ireo didy aman-dalàna mikasika ny fisafoana ny kiraro hoditra sy ny ba-kiraro: 46

Fahavalo: Fitsipika momba ny TAYAMMOM: 48

Fahasivy: Ireo lalàna sy fitsipika mamehy ny fadimbolana sy ny rà aorian’ny fiterana: 51

Lohahevitra faharoa: Soalat: 53

Voalohany: Fitsipika momba ny Azan (fiantsona amin’ny Soalat) sy Ikamat (fananganana ny Soalat): 53

Faharoa: Ny lanjan'ny Swalat sy ny tombotsoany: 56

Fahatelo: Fepetran'ny Soalat: 59

Fahaefatra: Andrin'ny Soalat: 61

Fahadimy: Ny tsy maintsy atao amin'ny Soalat 66

Fahaenina: Sonnah-ny Soalat: 68

Fahafito: Toetoetran’ny soalat: 71

Fahavalo: Ireo zavatra tsy tsara atao rehefa mivavaka: 78

Fahasivy: Ireo zavatra manimba ny Soalat 79

Ny fahafolo: Fiankohofana rehefa manadino na nanao fahadisoana 79

Faharaika ambin'ny folo: Ireo fotoana voarara amin'ny fanaovana soalat: 82

Faharoa ambin'ny folo: Soalat amin’ny djamant (vavaka iombonana): 83

Fahatelo ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny fatahorana: 86

Ny fomba fanaovana ny Soalat amin'ny fatahorana: 87

Ny Fahaefatra ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny andro zoma: 88

Fahadimy: Ireo tsara atao amin'ny andro Zoma: 90

Fanatratrarana ny Zoma: 91

Fahadimy ambin'ny folo: Ny Soalat ataon'ireo Oloana misy tambana 92

Fahenina ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny Eid anakiroa: 96

Fahafito ambin'ny folo: Ny Soalat amin'ny ekilpsa masoandro: 99

Fahavalo ambin'ny folo: Ny Soalat fangatahana ny orana: 101

Fahasivy ambin'ny folo: Lalàna sy fepetra mamehy ny momba ny faty sy fandevenana: 103

Ny fandinihana fahatelo: Ny Zakat: 106

1- Famaritana ny Zakat sy ny anjara-toerany: 106

2- Fepetra manoloana ny maha-voadidy ny Zakat: 108

3- Ireo harena tsy maintsy amoahana ny zakat: 109

Fizarana fahaefatra: Ny fifehezana: 122

Ny fepetry ny mahavoadidy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany: 123

Ny fandinihana fahadimy: Ny Hadjy sy ny Omra 132

Fepetra takina mahavoadidy ny Hajj sy ny Omra: 133

Ireo toerana voafaritra (MAWAKIIT) hanaovana ny IHRAM: 135

Ny Ihram: 137

Ny Omrah: 142

Ny Hajjy: 147

Toko Faha-telo: 150

Izay mahakasika ny Asa sy ny fiaraha-miasa 150

 

***

 

mg227v3.0 - 21/06/2026


Notaterin'i Ahmad ao amin'ny Mosnad-ny, laharana (6072), sy Tirmidhi laharana (1535), ary nilaza fa hadith tsara.

Notantarain'i Bokhari ao amin'ny Al-Adab Al-Mofrad No. (716), sy Ahmad ao amin'ny Al-Mosnad No. (19606), ary Ad-Diyâ' Al-Maqdissi ao amin'ny Al-Ahâdîth Al-Mokhtâra (1/150), ary nohamarinin'i Albani ao amin'ny swahihil-jami'i as-saghir No. (3731).

Notantarain'i Moslim, Laharana (121), sy Ahmad ao amin'ny Al-Mosnad, Laharana (10434).

(Madhi): Tsiranoka manify tsy misy loko, mivoaka rehefa misy fifanorohoroana na mahatsiaro ny firaisana ara-nofo, na maniry ny hanao izany, na mijery, na zavatra hafa mitovitovy amin'izany. Mitete tsikelikely no fivoakany ary mety tsy tsapa akory ny fivoahany. (Wady): Rano fotsy matevina izy io, izay mivoaka manaraka ny fivalanana rano, na rehefa mibata zava-mavesatra.

Notantarain'i Moslim, Laharana (224).

Notantarain'i Malik ao amin'ny Al-Mowatta No. (680 sy 219), sy Ad-darami No. (312), sy Abdor-razzaq ao amin'ny Mosannaf-ny No. (1328), ary nohamarinin'Albani ao amin'ny Irwa' Al-Ghalil No. (122).

Notantarain'i Nasa'i, Laharana. (12808), sy Ahmad, Laharana. (15423), ary nohamarinin'Albani ao amin'ny Irwa' Al-Ghalil, Laharana. (121).

Notantarain'i Ibn Majah, Laharana (594), sy Ibn Hibban, Laharana (799), ary nolazain'i Al-Albani ho malemy ao amin'ny Da'if Sonan Tirmidhi, Laharana (146).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (142), sy Moslim, Laharana (122).

Notanterin’i Al-Bokhari, Laharana (7288), sy Moslim, Laharana (6066).

Hoy i Samaaha Cheikh Abdul Aziz bin Baz, ho Andriamanitra hamindra fo aminy, ao amin'ny Majmu' Fatawih-ny (29/141) ka nanao hoe: (Nanampy i Al-Bayhaqi miaraka amin'ny sanad tsara avy amin'i Jabir aorian'ny teniny hoe: «izay nampanantenainao»: «Tena marina fa Ianao tsy mivadika amin'ny fampanantenana»).

Notaterin'i Tirmidhi, No. 2635.

Notantarain'i Moslim, Laharana (82).

Notanterin'i At-tirmidhi (265), ary nilaza izy hoe: Hasan Sahih tsy mahazatra, ary nohamarinin'i Albani amin’ny boky «sahihot-taghrib».

Notanterin’i Bokhari, Laharana (1117).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (6251), sy Moslim, Laharana (884).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (756), sy Mouslim, Laharana (872).

Notaterin’i Bokhari, Laharana (793), sy Moslim, laharana. (398).

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (812), sy Moslim, Laharana (490).

Notaterin'i Moslim (498).

Notaterin'i Bokhari, No. (724), sy Moslim, Laharana (398).

Notanterin'i Bokhari (797), sy Moslim (402).

Notaterin'i Al-Tirmidhi, Laharana (839).

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (6008).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (1110).

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (835).

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (743), sy Moslim, laharana. (399).

Notaterin'i Tirmidhi, No. (266).

Notantarain'i Moslim, Laharana (588).

Notantarain'i Abo Daod, Laharana (5168).

Notaterin'i Al-Tirmidhi, Laharana (284).

Notantarain'i Moslim, Laharana (1484).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (609), sy Moslim, laharana. (602).

Notanterin’i Bokhari Laharana (4130), sy Moslim Laharana (842).

Notantarain'i Moslim, Laharana (865).

Notanterin’i Bokhari (934), sy Moslim (851).

Notanterin'i Bokhari, Laharana (1081), sy Moslim, laharana. (693).

Notanterin’i Bokhari (1012), sy Moslim (894).

Notaterin'i Abo Daod (3201) sy Tirmidhi (1024), ary nilaza izy fa hadith marina.

Notantarain'i Moslim, Laharana (962).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (8), sy Mouslim, laharana. (111).

Notantarain'i Ibn Majah, laharana (1792), sy Tirmidhi, laharana (63) sy (631).

Notaterin’i Bokhari, No. (1402), sy Moslim, No. (2287).

Notanterin’i Bokhari, No. (1432), sy Moslim, No. (984).

Notantarain'i Abou Daoud, Laharana. (1609), sy Ibn Majah, Laharana. (1827), ary nohamarinin'i Al-Albani ao amin'ny Sahih Abi Daod, Laharana. (1609).

Notaterin’i Bokhari, Laharana (1), sy Moslim, Laharana (1907).

Notanterin’i Bokhari (1810), sy Moslim (1086).

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (1909).

Notantarain'i Ahmad, No. (26457), sy Abo Daod, No. (2454), sy Nasa'i, No. (2331), ary izy no tompon'ny fanononana azy.

Notanterin’i Bokhari (6669), sy Moslim (2709).

Notantarain'i Abo Daod, Laharana (2380), sy Al-Tirmidhi, Laharana (719), sy Ibn Maja, Laharana (676).

Notanterin’i Bokhari (1849), sy Moslim (1846).

Notantarain'i Moslim, Laharana (1134).

Notantarain'i Ahmad No. 25198, sy An-Nasa'i No. 2627, sy Ibn Majah No. 2901.

Notanterin'i Bokhari, Laharana (1862), sy Moslim, Laharana (1341).

Notanterin'i Bokhari (1531).

Notantarain'i Moslim, Laharana (1211).

Notanterin’i Bokhari, Laharana (1549).

Notantarain'i Moslim, Laharana (1218).

Notaterin'i Tirmidhi laharana (487), ary nilaza hoe: "Hasan tsy mahazatra". Ary i Albani dia nanambara azy ho Hasan.

Jereo: Moghni al Mohtaj (2/22).

Hashiyah nataon'i Ibn Abidin (1/ 42).

Jereo: Al Majmo' (1/ 50).

Ny zo fividianana mialoha na hoe «Chofa»: dia ny zo ananan'ny mpiara-miombona hanavotra ny anjaran'ny mpiara-miombona aminy avy amin'ilay olona izay nifindrany, ho takalon'ny tamby ara-bola.

Ny varotra Al-‘Inah: Izany dia olona iray mivarotra zavatra amin’ny olon-kafa amin’ny alàlan’ny trosa, ka atolony azy ilay zavatra, avy eo dia vidiny indray izany alohan’ny handraisany ny vidiny, amin’ny sandany ambany kokoa ary aloa vola an-tanana.

Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (8).