Explanation
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) aorian'ny soalat tsy maintsy atao* rehetra hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi.""
Izany hoe : Manaiky sy miaiky ny teny fanokanana an'Allah aho, izany dia ny hoe: Tsy misy Tompo Mariana mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, Ny fanompoam-pivavahana marina izay ekeko dia ho an'Allah, ary laviko amin'ny hafa rehetra izany. Tsy misy Tompo marina ivavahana afa-tsy Allah, ary ekeko fa Azy irery ihany ny fanjakana feno sy ny marina. Ny fideran'ny vahoakan'ny tany sy lanitra dia ho an’Allah Tsitoha, satria Izy no mahefa ny zava-drehetra, ary izay efa notendren'ny lahatr'Allah, fa hotolarana na hosakanana dia tsy misy afaka manohitra izany, ary eo anatrehany dia tsy misy dikany ny harenan'ny mpanankarena, fa ny asa soa no mahasoa azy.