فضائل وآداب المسجد النبوي وأحكام زيارة قبر النبي ﷺ وقبري صاحبيه (ملاغاشي)

  • earth Ny Fiteny
    (ملاغاشي)
  • earth Nosoratan'i:
    اللجنة العلمية برئاسة الشؤون الدينية بالمسجد الحرام والمسجد النبوي
PHPWord

فَضَائِلُ وَآدَابُ المَسْجِدِ النَّبَوِيِّ

وَأَحْكَامُ زِيَارَةِ قَبْرِ النَّبِيِّ ﷺ

وَقَبْرَي صَاحِبَيْهِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا

 

Ireo tombontsoa sy fombafomba manoloana ny momba ny Moskean'ny Mpaminany, ary ny lalana sy fitsipika mahakasika ny fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo fasan'ireo Mpanaradia azy roa lahy (R.A)

 

اللَّجْنَةُ العِلْمِيَّةُ

بِرِئَاسَةِ الشُّؤُونِ الدِّينِيَّةِ بِالمَسْجِدِ الحَرَامِ وَالمَسْجِدِ النَّبَوِيِّ

 

Komity siantifika ao amin'ny Fiadidian'ny Raharaha ara-pinoana ao amin'ny Moske Al-Haramo sy ny Moske An-Nabawi

 


بِسْمِ اللهِ الرَّحمَنِ الرَّحِيمِ

Ireo tombontsoa sy fombafomba manoloana ny momba ny Moskean'ny Mpaminany, ary ny lalana sy fitsipika mahakasika ny fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo fasan'ireo Mpanaradia azy roa lahy (R.A).

FAMPIDIRANA

Dera sy vonahitra ary laza sy fisaorana feno fankasitrahana ho an’i Tompo Allah, Tompon'izao tontolo izao, ary ny tsodrano sy ny fiadanana ary fahombiazana anie ho an'ilay nirahina ho famindram-po ho an'izao tontolo izao, sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-dia Aminy sy izay rehetra nanaraka ny sori-dàlany mandra-pahatongavan'ny andro farany andro ny fitsarana, ka aorian'izany dia :

Ity dia hafatra fohy feno sy mahampy, izay mirakitra tanteraka ireo soa sy tombony lehibe indrindra izay ananan'ny Moskean'ny Mpaminany, ireo fomba fitsidihana Azy, ny fomba fitsidihana ny fasan'ny Mpaminany ihany koa, sy ny fasan'ireo namany roa lahy ﷺ, nangoninay avokoa izany rehetra izany mba ho an'ireo rehetra mpitsidika ny Moskean'ny Mpaminany, mba hananan'izy ireo fahalalana feno sy fahitana mazava momba ny soa sy tombony ananan'ny Moskean'ny Mpaminany ﷺ, sy ireo fomba fitsidihana Azy manokana ary ny fanaovana vavaka ao anatiny, manantena avy amin'ilay Malala-tanana sy Mpanao soa ny mba hahatonga ity hafatra ity hitondra soa amin'ny rehetra, ary hahatonga azy ho asa tsara, sy atao amin'ny fo madio ho Azy irery ihany, Izy tokoa no tsara indrindra izay niangaviana, ary malala-tanana indrindra ka nantenaina.

Komity siantifika

Voalohany dia : Tombotsoa an'ny Moskean'ny Mpaminany

Niteny i Tompo Allah manao hoe :

﴿وَرَبُّكَ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُ وَيَخۡتَارُۗ مَا كَانَ لَهُمُ ٱلۡخِيَرَةُۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ68﴾

Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany, fa tsy andraikitr’izy ireo mihitsy no misafidy. Voninahitra anie ho an’I Allah ! Ary ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy ! (Al-kasas: 68). Ary nofidin'i Tompo Allah ity toerana ity ho Moskean'ny Mpaminaniny (S.A.W) ary nanokanany azy tamin'ny tombontsoa maro, anisan'ireny ny :

Anisan'ireo Moske telo andehanana manokana ho dia ara-pinoana izy:

Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairat (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :

«لَا تُشَدُّ الرِّحَالُ إِلَّا إِلَى ثَلَاثَةِ مَسَاجِدَ: مَسْجِدِي هَذَا، وَمَسْجِدِ الحَرَامِ، وَمَسْجِدِ الأَقْصَى».

« Aza manao dia lavitra ny Voayage Ianareo afa-tsy amin'ireto Moske telo ireto ihany : ity Moskeko ity, sy ny any amin'i Moske Masina Al-Haramo, ary ny any amin'i Moske Al-Aqsa »1.

Ny Soalat ao Aminy dia tena tsara indrindra noho ny Soalat arivo atao any amin'ny Moske hafa, afa-tsy ny izay ao amin'i Moske Masina Al-Haramo:

Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairat (R.A) : Tena marina fa Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

«صَلَاةٌ فِي مَسْجِدِي هَذَا خَيْرٌ مِنْ أَلْفِ صَلَاةٍ فِيمَا سِوَاهُ، إِلَّا المَسْجِدَ الحَرَامَ».

"Ny Soalat ato amin'ity Moske-ko ity dia tena tsara lavitra mihoatra noho ny Soalat arivo izay atao any amin'ny Moske hafa, afa-tsy ny any amin'i Moske Masina Al-Haramo."2

Fa izy tokoa no ilay Masdjidy izay naorina sy namboarina tamin’ny fatahorana an’i Tompo Allah hatramin’ny andro voalohany:

Tatitra azo avy tamin'i Abou Said Al-Khoudri (R.A) niteny : Niditra tany amin'i Mpaminany (S.A.W) tao an-tranon'ny iray tamin'ireo vadiny Aho, ka niteny hoe : Ry Mpaminany ô, iza amin'ireo Mosque roa ireo no niorina tamin'ny fatahorana an'i Tompo Allah? Dia naka kikirana vatokely iray tanana Izy, ka namely ny tany tamin'izany, avy eo dia niteny manao hoe :

«هُوَ مَسْجِدُكُمْ هَذَا» لِمَسْجِدِ المَدِينَةِ.

«Izy no Moske-nareo ity» ho an'ny Moske-n'i Madinah3.

Ny valisoan'ny mpitady fahalalàna dia mitovy tantana amin'ny valisoan'ny Mpitolona amin’ny làlan’i Tompo Allah :

Tatitra azo avy amin'i Abou Hourairat (R.A) fa Izy niteny ka nanao hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny manao hoe :

«مَنْ جَاءَ مَسْجِدِي هَذَا، لَمْ يَأْتِهِ إِلَّا لِخَيْرٍ يَتَعَلَّمُهُ أَوْ يُعَلِّمُهُ، فَهُوَ بِمَنْزِلَةِ المُجَاهِدِ فِي سَبِيلِ اللهِ، وَمَنْ جَاءَ لِغَيْرِ ذَلِكَ، فَهُوَ بِمَنْزِلَةِ الرَّجُلِ يَنْظُرُ إِلَى مَتَاعِ غَيْرِهِ».

«Izay tonga ato amin'ity Moske-ko ity, ka tsy tonga raha tsy noho ny zava-tsoa hianarany na hampianarany, dia mitovy laharana amin'ny Mpitolona amin'ny lalan'i Tompo Allah Izy, ary izay tonga noho ny antony hafa ankoatra izany kosa, dia toy ny Olona mijery ny fananan'ny hafa Izy »4.

Fa ao anatiny no misy ny Rawdhah (zaridaina) Masina:

Tatitra avy tamin'i Abou Hourairat (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe:

«مَا بَيْنَ بَيْتِي وَمِنْبَرِي رَوْضَةٌ مِنْ رِيَاضِ الجَنَّةِ، وَمِنْبَرِي عَلَى حَوْضِي».

«Eo anelanelan'ny tranoko sy ny polipitrako dia zaridaina amin'ireo zaridainan'ny Paradisa, ary ny polipitrako dia eo ambonin'ny doboniko»5.

Faha-roa : Ny maha-tsara ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany Mendri-kaja

Noho ireo hatsarana ireo sy ny hafa ihany koa, dia tsara ny mitsidika ny Moskean'ny Mpaminany mba hanaovana Soalat sy fivavahana ao.

- Sounnah ho an'ny mpanao Hadjy sy ny hafa ny mitsidika ny Mosken'ny Mpaminany mialoha na aorian'ny Hadjy, ary ity fitsidihana ity dia tsy anisan'ny fepetran'ny Hadjy, na ny andriny, na ny tsy maintsy ataony, ary tsy misy ifandraisany aminy.

- Tsy misy fepetra takiana amin'ny fitsidihana ny Mosken'ny Mpaminany (S.A.W) ny isan'ny Soalat voafaritra, na ny fijanonana fe-potoana voafaritra ao Madinah, fa tanteraka kosa ny fitsidihana azy amin'ny Soalat iray, na Soalat tsy maintsy atao izany na an-tsitrapo, saingy arakaraky ny itomboan'ny isan'ny Soalat ao anatiny no itomboan'ny valisoa.

- Amporisihina ny mpitsidika ny Mosken'ny Mpaminany mba hanatanteraka ny Soalat rehetra tsy maintsy atao ao aminy, ary koa ny Soalat an-tsitrapo; noho ny efa voalaza fa ny Soalat ao aminy dia tsara lavitra noho ny Soalat arivo any amin'ny Moske hafa, afa-tsy ny Moske Al-Haramo.

Faha-telo : Ny fomba fanaon'ny fitsidihana ny Mosken'ny Mpaminany

Raha tonga ao amin'ny Mosken'ny Mpaminany ny Mpino Isilamo iray, dia tsara raha manaraka ireo fahalalam-pomba rehetra izay voalaza sy voatondro ara-pinoana izay hita fa mifandraika amin'ny Moske amin'ny ankapobeny, sy amin'ny Mosken'ny Mpaminany manokana, dia ireto avy izany:

Ny hahatongavana any amin’ny Moske dia amim-pahatoniana, sy amim-pahamendrehana, madio, amin’ny endrika tsara, ary fofona manitra tsara, fa araka ny voalazan’i Abou Hourayra (Allah hankasitraka Azy), fa ny Irakan’i Tompo Allah ﷺ, dia nilaza hoe :

«إِذَا ثُوِّبَ لِلصَّلَاةِ فَلَا تَأْتُوهَا وَأَنْتُمْ تَسْعَوْنَ، وَأْتُوهَا وَعَلَيْكُمُ السَّكِينَةُ، فَمَا أَدْرَكْتُمْ فَصَلُّوا، وَمَا فَاتَكُمْ فَأَتِمُّوا، فَإِنَّ أَحَدَكُمْ إِذَا كَانَ يَعْمِدُ إِلَى الصَّلَاةِ فَهُوَ فِي صَلَاةٍ».

« Rehefa atao ny antso ho amin’ny Soalat, dia aza manatona azy Ianareo no sady mihazakazaka, fa manatòna azy am-pilaminana sy am-pitoniana; ka izay tratranareo ihany no tohizo ary ataovy, ary izay lany taminareo dia tanteraho, Satria ny iray Aminareo, rehefa mankany hanatanteraka ny Soalat, dia efa ao anatin’ny Soalat izy»6 Tatitra azo avy tamin'i Abou Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

«الغُسْلُ يَوْمَ الجُمُعَةِ وَاجِبٌ عَلَى كُلِّ مُحْتَلِمٍ، وَأَنْ يَسْتَنَّ، وَأَنْ يَمَسَّ طِيبًا إِنْ وَجَدَ».

“ Voadidy amin'ny Olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy ”7, Fa ny vehivavy kosa, rehefa tonga any amin’ny Masdjidi Izy, dia tsy maintsy misaron-tena amin’ny fisalobonany, ary tsy mahazo manao ranomanitra, Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

«إِذَا شَهِدَتْ إِحْدَاكُنَّ المَسْجِدَ فَلَا تَمَسَّ طِيبًا».

« Raha manatrika ny Masdjidi ny iray Aminareo vehivavy, dia aza mikasika menaka manitra »8.

Tsara ho an'ny mpitsidika ny mampandroso ny tongony havanana rehefa miditra ny Mosken'ny Mpaminany, toy ireo Moske hafa, ary manao ny Douan fidirana amin'ny Moske, manao hoe :

«بِسْمِ اللَّهِ، وَالسَّلَامُ عَلَى رَسُولِ اللَّهِ، اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي ذُنُوبِي وَافْتَحْ لِي أَبْوَابَ رَحْمَتِكَ».

« Bismillahi, ary ny fiadanana anie ho an'ny irakan'i Tompo Allah, Allah ô! Mamelà ny heloko ary sokafy ho Ahy ny varavaran'ny famindram-ponao »9 Ary toraka izany ihany koa dia miteny hoe:

«أَعُوذُ بِاللَّهِ العَظِيمِ، وَبِوَجْهِهِ الكَرِيمِ، وَسُلْطَانِهِ القَدِيمِ، مِنَ الشَّيْطَانِ الرَّجِيمِ».

"Aòudhobillahil-Adhumo, wa biwajhihil-Karimo, wa soltoànihil-Qadim, minash-Shaytwanir-Radjimo "10.

Fanaovana ny fiarahabana ny Moske: Tsara ho an'izay miditra ao amin'ny Mosken'ny Mpaminany mba hivavaka ao ny manao Soalat roa rakan'at ho fiarahabana ny Moske alohan'ny hipetrahana, araka ny voatantara avy amin'i Abî Qatâdah Al-Hârith Ibno Rib'iyy Al-Answâriyy (R.A.A), izay nilaza hoe : " Hoy ny Mpaminany ﷺ :"

«إِذَا دَخَلَ أَحَدُكُمُ المَسْجِدَ، فَلَا يَجْلِسْ حَتَّى يُصَلِّيَ رَكْعَتَيْنِ».

"Rehefa miditra ao amin'ny Moske ny iray Aminareo, dia aoka izy tsy hipetraka raha tsy efa nanao Soalat roa rakan'at "11.

Fikatsahana ny fanaovana vavaka amin’ireo laharana voalohany; noho ny hasoavana lehibe voarakitra ao, ary tsy ho tanteraka izany raha tsy amin’ny fahatongavana aloha, araka ny Hadithe avy amin’i Abou Hourairah (ho sitrakan’i Tompo Allah anie Izy) : fa ny Iraka an'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza hoe :"

«لَوْ يَعْلَمُ النَّاسُ مَا فِي النِّدَاءِ وَالصَّفِّ الأَوَّلِ، ثُمَّ لَمْ يَجِدُوا إِلَّا أَنْ يَسْتَهِمُوا عَلَيْهِ لَاسْتَهَمُوا».

«Raha fantatry ny Olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka izy ireo »12، Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany (RA) ka nanao hoe :

«تَقَدَّمُوا فَأْتَمُّوا بِي، وَلْيَأْتَمَّ بِكُمْ مَنْ بَعْدَكُمْ، لَا يَزَالُ قَوْمٌ يَتَأَخَّرُونَ حَتَّى يُؤَخِّرَهُمُ اللهُ».

«Mandrosòa ka manaraha Ahy, ary aoka hanaraka Anareo avokoa ireo izay ao aorianareo, fa tsy mitsahatra mihemotra ny Olona sasany ka dia hahemotr'i Tompo Allah izy ireo ».13

Fa raha ny vehivavy kosa, ny tena tsara indrindra ho azy ireo dia ny manao vavaka any amin'ny laharana farany, sy ny manalavitra ny lehilahy, araka ny Hadithe avy amin'i Abou Hourayrah (R.A) izay nilaza fa hoy i Mpaminany (S.A.W):

«خَيْرُ صُفُوفِ الرِّجَالِ أَوَّلُهَا، وَشَرُّهَا آخِرُهَا، وَخَيْرُ صُفُوفِ النِّسَاءِ آخِرُهَا، وَشَرُّهَا أَوَّلُهَا».

" Ny laharana tena tsara indrindra ho an'ny lehilahy dia ny voalohany, ary ny tena ratsy indrindra dia ny farany, ary ny laharana tena tsara indrindra ho an'ny vehivavy dia ny farany, ary ny tena ratsy indrindra dia ny voalohany."14, Fa raha mivavaka mitokana izy ireo, na misy sakana eo anelanelan'izy ireo sy ny lehilahy, toy ny zava-misy ao amin'ny Mosken'ny Mpaminany, dia ny tsara indrindra amin'ny laharan'izy ireo dia ny voalohany; Noho ny fanjavonan'ny anton'izany.

Ny fivavahana eo amin'ny Soalat dia ao aorian'ny Imamo, ary ny tena hitandremana ny mba tsy hialoha kaharana Azy; noho ny Hadithe avy amin'i Abou Hourayrah (R.A) fa nilaza i Mpaminany (S.A.W) hoe:

«إِنَّمَا جُعِلَ الإِمَامُ لِيُؤْتَمَّ بِهِ».

"Tena marina fa ny Imamo dia natao mba harahina."15

Tsy azo atao amin'ny mpivavaka ny mialoha ny Imamo, afa-tsy amin'ny tranga maika rehefa feno ny Moske amin'ny mpivavaka ka tsy mahita toerana hanaovana Soalat Izy afa-tsy eo anoloan'ny Imamo.

Fifikirana amin'ny fanentsenana ireo banga sy elanelana eo anelanelan'ny filaharana, sy ny fanitsiana azy ireo, kanefa mila mitandrina ihany mba tsy hifanosika amin'ny olona sy hanelingelina azy ireo, handika ny sorokan'izy ireo, ary handalo eo anoloan'ireo mpivavaka; Satria izany dia mampiditra azy amin'ny fahotana.

Ny Soalat ao amin'ny Rawdhah (zaridaina) Masina ho an'izay afaka manao izany; araky ny Hadithe-n'i Abou Hourairah (R.A), avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izay niteny hoe :

«مَا بَيْنَ بَيْتِي وَمِنْبَرِي رَوْضَةٌ مِنْ رِيَاضِ الجَنَّةِ، وَمِنْبَرِي عَلَى حَوْضِي».

« Eo anelanelan'ny tranoko sy ny polipitrako dia zaridaina amin'ireo zaridainan'ny Paradisa, ary ny polipitrako dia eo ambonin'ny farihiko »16.

Tsy nisy hasina manokana voatantara momba ny Soalat ao amin'ny Rawdhah (zaridaiana), kanefa voamarina fa saha iray anisan'ireo sahan'ny Paradisa izy io - araka ny voalazan'ny Hadithen'i Abou Hourairah (RA) teo aloha - ary ny fanompoam-pivavahana dia mitombo hasina arakaraka ny hasin'ny fotoana sy toerana anaovana azy.

Tokony hisafidy ny fotoana mety hivavahana ao amin'ny Rawdhah (zaridaina) ireo mpitsidika, ary hiezaka hitady ireo fotoana izay tsy dia be Olona loatra. Tsy azo atao ny mifanosika amin'ireo rahalahiny Isilamo, na mandingana ny soroky ny Olona, na mandalo eo anoloan'ireo mpivavaka mba hahafahana mivavaka ao. Koa Satria vavaka fanampiny (Nafilah) ny fivavahana ao amin'ny Rawdhah (zaridaina), dia tsy tokony hotanterahina amin'ny alalan'ny fomba voarara. Toy izany koa, ny mpitsidika dia tokony hanaja sy hanaraka ireo fitsipika manokana sy ireo fandaminana napetraka amin'ny fidirana ao amin'ny Rawdhah (zaridaina), hisafidy ireo fotoana mety, ary hiara-miasa amin'ireo tompon'andraikitra amin'ny fandaminana ny fidirana'ny mpitsidika ao.

Fanararaotana ny fotoana amin'ny fampitomboana ny asa tsara izay mampanakaiky azy amin'ilay Mpahary Azy, toy ny vavaka, ny famakiana ny Kor'any, ny tsiahy, ny fitalahoana, ny fanatrehana ireo fivoriana fanaovana tsiahy, ireo lesona ara-pahalalana, ireo faribolana fampianarana ny Koroany Masina, sy ny sisa.

Fanajana ny bokin'i Tompo Allah sy ny fiarovana azy amin'ny filalaovana ny takelany, sy ny fanoratana azy, na ny fanambaniana sy fanevatevana azy, toy ny fametrahana kiraro eo anilany, na ny fametrahana azy amin'ny tany sy ny toy izany, araka ny teniny Tompo Allah ilay avo Tsitoha :

﴿ذَٰلِكَۖ وَمَن يُعَظِّمۡ شَعَٰٓئِرَ ٱللَّهِ فَإِنَّهَا مِن تَقۡوَى ٱلۡقُلُوبِ32﴾

Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ireo zava-manan-kasin’i Allah, tena marina fa izany dia anisan’ny fatahoran’ny fo. [ Sourate Al-Hadjy : 32 ]

Ny miondrika manambany ny maso amin'ireo zavatra noraràn'i Tompo Allah Tsitoha : Tsy maintsy ataon'izay mitsidika ny Mosken'ny Mpaminany ny miondrika manambany ny masony amin'ireo zavatra tsy halaly aminy ny mijery azy, ary tokony ho fantany ny halehiben'ny fanaovana fahotana amin'ireto toerana masina ireto, mbamin'ireo sazy aterak'izany. Satria ny fanaovan-dratsy dia mihamafy sy mitombo lanja arakaraka ny fahamasinan'ny fotoana sy ny toerana, ary toy izany koa ireo asa fankatoavana. Ary ny vehivavy Miozolomana dia tokony hiantoka ny fanajana ny fiarovan-doha araka ny lalàna islamika, ary tsy mampiseho ny haingony mba tsy haka fanahy ny lehilahy, Satria fahotana lehibe tokoa izany.

Fitandremana amin'ny fisahiranana amin'ny fakana sary na fijerena sary sy horonan-tsary amin'ny finday, ary vao maika mampidi-doza izany raha toa ka Voarara ireo sary sy horonan-tsary ireo.

Fanadiovana ny Mosken'ny Mpaminany amin'ny zavatra rehetra tsy mendrika azy, toy ny fifandirana, ny fanandratana feo, ny fanaovana antso avo momba ny zavatra very, ny varotra, ary ny mitovitovy amin'ireo izay tsy tokony hatao ao anatiny na any amin'ny Moske hafa; araka ny Hadithe avy amin'i Abou Houraïra (RA), avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) fa hoy Izy niteny hoe :

«إِذَا رَأَيْتُمْ مَنْ يَبِيعُ أَوْ يَبْتَاعُ فِي المَسْجِدِ، فَقُولُوا: لَا أَرْبَحَ اللَّهُ تِجَارَتَكَ، وَإِذَا رَأَيْتُمْ مَنْ يَنْشُدُ فِيهِ ضَالَّةً، فَقُولُوا: لَا رَدَّ الله عَلَيْكَ».

« Raha mahita Ianareo izay mivarotra na mividy ao amin'ny Moske, dia lazao hoe : Tsy homen'i Tompo Allah tombony anie ny varotrao, ary raha mahita Ianareo izay manontany zavatra very ao, dia lazao hoe : Tsy haverin'i Tompo Allah Aminao anie izany »17.

Ny fikirizana amin'ny fahadiovan'ny tena manokana, sy ny fihatahana amin'ny fofona maimbo toy ny tongolo gasy sy ny tongolo sy ny setroka ary ny hatsembohana, sy ny mitovitovy amin'izany izay manelingelina ny rahalahiny mpanao Soalat; araka ny Hadithe avy amin'i Jâbir bin Abdollah (Allah ho sitraka Aminy) izay niteny hoe : Fa nilaza ny irakan'i Andriamanitra (S.A.W) hoe :

«مَنْ أَكَلَ ثُومًا أَوْ بَصَلًا، فَلْيَعْتَزِلْنَا - أَوْ قَالَ: فَلْيَعْتَزِلْ مَسْجِدَنَا - وَلْيَقْعُدْ فِي بَيْتِهِ».

“ Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka Izy hisitaka anay - na hoy Izy hoe : Aoka Izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony ”18.

Ny fitandremana ny fahadiovan'ny Moske ny Mpaminany sy ny tsy fanariana fako ao anatiny sy eny amin'ny kianjany, toy ny sisan-tsakafo sy ny mavomavon'ny fanaovana iftar, indrindra mandritra ny volana Ramadany, na ny fandrorana eny amin'ny lalantsara sy ny kianja, ary ny amin'izay rehetra mitovy amin'izany.

Fisorohana ny fivavahana eny amin’ny lalantsara, eo am-pidiran'ny varavarana, ary amin'ny toerana be Olona, noho ny voka-dratsy aterak'izany, toy ny fanakanana ny làlana sy ny fanelingelenana ny Mpino Isilamo.

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia manao soalat amin'ny toerana natokana ho azy ireo tsirairay avy, ao anatin'ny Mosken'ny Mpaminany na eo amin'ny kianjany; tsy manao soalat eo anilan'ny vehivavy ny lehilahy, ary ny vehivavy tsy eo anilan'ny lehilahy, ary mitandrina mba tsy hialoha ny imam araka izay azo atao.

Fanalohana ny tongotra havia rehefa mivoaka ny Moske, ary miteny Izy rehefa mivoaka ny hoe :

«اللَّهُمَّ إِنِّي أَسْأَلُكَ مِنْ فَضْلِكَ».

«Alloahoumma Inn`y As'aloka min fadhlika »19، Na izy dia nivavaka ho an'ny Mpaminany - S.A.W - ary miteny hoe :

«رَبِّ اغْفِرْ لِي ذُنُوبِي، وَافْتَحْ لِي أَبْوَابَ فَضْلِكَ».

«Tompo ô! Mamelà ny heloko, ary sokafy ho Ahy ny varavaran'ny fahasoavanao »20.

Faha-efatra : Fitsipika sy fahalalampomba amin'ny famangiana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo mpiara-diany roa lahy (R.A) taminy

* Ankasitrahana ny famangiana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo mpiara-diany roa lahy : Abou Bakri sy i Omar (R.A), ho an'ny mponina ao Madina sy ho an'izay tonga ao ho mpitsidika; noho ireo porofo ankapobeny izay manondro ny maha-ara-dalàna ny famangiana fasana, ary anisan'izany ny teniny (S.A.W):

«نَهَيْتُكُمْ عَنْ زِيَارَةِ القُبُورِ، فَزُورُوهَا».

« Nandrara Anareo tsy hitsidika fasana Aho, koa vanginareo Izy izany »21.

Ary ny porofon'ny valisoan'ny fiantrana ny Mpaminany (S.A.W) aorian'ny nahafatesany dia ny teniny (S.A.W) manao hoe :

«مَا مِنْ أَحَدٍ يُسَلِّمُ عَلَيَّ، إِلَّا رَدَّ اللهُ عَزَّ وَجَلَّ إِلَيَّ رُوحِي حَتَّى أَرُدَّ عَلَيْهِ السَّلَامَ».

«Tsy misy Olona miarahaba Ahy afa-tsy hoe haverin'i Tompo Allah Amiko ny mba hamaliako ny fiarahabana izay nataony »22.

Ary tsy azo ataon'ny vehivavy ny mamangy ny fasany (S.A.W) na ny fasan'ny Isilamo hafa, fa ny famangiana fasana dia ara-dalàna ho an'ny lehilahy, fa ny vehivavy kosa dia noraràna tsy hamangy fasana, araka ny voalazan'i Ibno Abbassi (R.A) izay niteny nanao hoe :

«لَعَنَ رَسُولُ اللَّهِ ﷺ زَائِرَاتِ القُبُورِ، وَالمُتَّخِذِينَ عَلَيْهَا المَسَاجِدَ وَالسُّرُجَ».

« Nozonin'ny Irakan’i Tompo Allah (S.A.W) ireo vehivavy mpamangy fasana, sy ireo izay manao masdjidi sy ny jiro eo amboniny »23، Ary Tatitra azo avy tamin'i Abou Hourairat (R.A) :

«أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ ﷺ لَعَنَ زَوَّارَاتِ القُبُورِ».

«Fa ny irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nanozona ny vehivavy mpitsidika ny fasana »24.

* Tsy azo atao ny mandeha ka manao fikasana amin'ny voyage na dia dia fotsiny handia hitsidika sy hamangy ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W), fa ny finiavana sy ny fikasana dia tokony hapetraka amin'ny fitsidihana ny Moske sy hivavaka ao Aminy, ka rehefa tafapetraka ao Madina kosa Izy dia amin'izay azo ataony ny mitsidika ny fasana, tahaka ny azo ataon'ireo mponina rehetra ao; Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :

«لَا تُشَدُّ الرِّحَالُ إِلَّا إِلَى ثَلَاثَةِ مَسَاجِدَ: مَسْجِدِي هَذَا، وَمَسْجِدِ الحَرَامِ، وَمَسْجِدِ الأَقْصَى».

«Aza manao dia lavitra afa-tsy amin'ny Moske telo ihany : ity Moskeko ity, sy ny Moske Masina (AL-HARAMO) ary ny Moske Al-Aqsa »25.

Ny fahalalam-pomba ara-dalàna rehefa mamangy ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo mpiara-diany roa lahy (R.A) taminy.

Mitsanga sy mijoro eo anoloan’ny fasan’ny Mpaminany (S.A.W) ilay mpamangy ka mitodika manatrika ny fasana, avy eo miarahaba an'i Mpaminany (S.A.W) amin’ny fahalalam-pomba sy amin’ny feo malefaka, ka manao hoe : “ Fiadanana anie ho Anao ry irakan’i Tompo Allah sy ny famindram-pon'i Tompo Allah ary ny fitahiany ”. Ary raha manampy an’izany Izy ka miteny hoe : “ Mijoro ho vavolombelona Aho fa Ianao dia efa nanapita ny hafatra, nanatanteraka ny toky, nanoro hevitra ny vahoaka, ary niezaka mafy tamin’ny asan’i Tompo Allah araka izay tokony hiadiana ”, dia tsy misy maninona izany, Satria marina avokoa izany rehetra izany.

Avy eo dia mikisaka dingana kely iray miankavanana Izy mba hitodihany manandrify ny fasan'i Abou Bakri Al-Suddiq (R.A) ka miteny hoe : (Fiadanana anie ho Anao ry Abou Bakri Al-Suddiq, Fiadanana anie ho Anao ry Khalifan'ny irakan'i Tompo Allah (S.A.W), Ho sitrakan'i Tompo Allah anie Ianao ary hampifaly Anao anie Izy, ary hovaliany soa anie Ianao ho an'ny vahoakan'i Mouhammadi (S.A.W)).

Avy eo dia mikisaka kely miankavanana indray Izy mba ho tandrifin'ny fasan'i Oumari bin Al-Khattoabo (R.A) dia miteny hoe : “ Fiadanana anie ho Anao ry Oumari Al-Farouq, fifalian’i Tompo Allah anie ho Anao ary hampifaly Anao anie Izy, ary hovalian’i Tompo Allah valisoa tsara anie Ianao ho an'ny vahoakan'i Mouhammadi (S.A.W)”.

Ibno Oumar (R.A) dia, rehefa tonga avy nivezivezy, dia nanatona ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : « Fiadanana anie ho Anao ry irakan’i Tompo Allah, fiadanana anie ho Anao ry Abou Bakri, fiadanana anie ho Anao ry raiko», dia lasa Izy26.

Tsy kasihina ny rindrin'ny fasana na ny fefy, ary tsy orohana ihany koa :

Niteny i Imamo Malik (R.h) ka nanao hoe : « Raha miarahaba an'ny Mpaminany ﷺ Izy, dia mijoro manatrika ny fasany fa tsy ny kibola; ary manatona sy miarahaba, ary tsy mikasika ny fasana amin'ny tànany »27.

Nifanaraka ireo Imamo fa tsy azo kasihina amin'ny tanana ary tsy azo orohana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W).

Tsy mijanona ela eo amin'ny fasana, fa manao Salamo, avy eo mandia miala.

Niteny i Imamo Malik (R.h) ka nanao hoe : «Tsy heveriko fa tokony hijanona eo amin’ny fasan’ny Mpaminany ﷺ ka hitalaho, fa kosa miarahaba Azy dia mandeha haingana »28.

Ary niteny Nafi' (R) hoe : Fanaon'i Ibno Oumari ny niarahaba ny fasana.. Hitako Izy in-jato mahery, tonga teo amin'ny fasana ka niteny hoe : " Fiadanana anie ho an'ny Mpaminany (S.A.W). Fiadanana anie ho an'i Abou Bakri, Fiadanana anie ho an'ny raiko ", dia lasa Izy29.

Ny amin’izay ataon’ny mpamangy sasany amin’ny fampiakaran'izy ireo feo avo eo amin’ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fijoroan'izy ireo maharitra eo anatrehan'ilay fasana, ka izany rehetra izany dia mifanohitra tanteraka amin’izay rehetra voalazan’ny lalàna.

Tsy azo atao ny mitalaho na mangataka amin'ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) na amin'ny zavaboahary hafa mba hahazoana tombotsoa na hisorohana fahavoazana, na hangatahana fanatanterahana izay ilaina, na fanalefahana fahoriana, na fanasitranana ny marary, na fangatahana fanelanelanana, na famonjena amin'ny famaizana, na fitalahoana hafa mitovy amin'izany rehetra izany. Satria ny fangatahana sy fitalahoana amin'ny hafa ankoatra an'i Tompo Allah amin'izay zavatra hoe Izy irery ihany no mahavita azy dia lazaina fa Chiriky, voarara ary heloka lehibe indrindra amin'ny fanakambanana Azy amin'ny hafa, miteny i Tompo Allah manao hoe :

﴿وَقَالَ رَبُّكُمُ ٱدۡعُونِيٓ أَسۡتَجِبۡ لَكُمۡۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِي سَيَدۡخُلُونَ جَهَنَّمَ دَاخِرِينَ60﴾

Ary hoy ny Tomponareo manao hoe : “Mangataha Amiko, fa hamaly Anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َafobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka. [ Sourate Ghafir : 60]. Ary mbola Niteny ilay avo Tsitoha mandrakizay ka nanao hoe:

﴿إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ عِبَادٌ أَمۡثَالُكُمۡۖ فَٱدۡعُوهُمۡ فَلۡيَسۡتَجِيبُواْ لَكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ194﴾

Marina fa ireo izay antsoinareo ankoatr’I Allah dia mpanompo mitovy Aminareo. Antsoinareo àry izy ireo, ary aoka izy ireo hamaly ny antsonareo raha toa ka marina ny anareo. [ Sourate Al-An'raf : 194 ], Ary Niteny ilay be voninahitra any amin'ny avo ka nanao hoe :

﴿وَأَنَّ ٱلۡمَسَٰجِدَ لِلَّهِ فَلَا تَدۡعُواْ مَعَ ٱللَّهِ أَحَدٗا18﴾

Fa an’i Allah ireo toerana fiankohofana (Moske), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah. ( Sourate Al-djinni : 18).

Tsy manao hataka amin’i Tompo Allah eo am-pasana; fa raha te-hanao fangatahana Izy dia mandroso miala eo amin’ny fasana, ka mitodika any amin’ny Kibola ary manao fangatahana, sady tsy mitodika any am-pasana.

Ary efa niteny Imamo Maliki (R.h) nanao hoe: "Tsy fahitako ny mijanona eo amin'ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) manao ny fangatahana."

Tsy azo atao ny mivezivezy matetika eo amin’ny fasana rehefa miditra na mivoaka ny Moske, na ho an'ny mponina ao Madina izany na koa ho an'ny mpitsidika avy any ivelany, fa atahorana izany sao dia lasa ho anisan'ny fomba fatao ny manao fasana ho toeram-pivoriana fanao matetika.

Ary efa noraran'ny Mpaminany (S.A.W) izany, ka Niteny Izy manao hoe :

«لَا تَتَّخِذُوا قَبْرِي عِيدًا، وَلَا تَجْعَلُوا بُيُوتَكُمْ قُبُورًا، وَحَيْثُمَا كُنْتُمْ فَصَلُّوا عَلَيَّ، فَإِنَّ صَلَاتَكُمْ تَبْلُغُنِي».

«Aza ataonareo toeram-pivavahana ny fasako, ary aza ataonareo fasana ihany koa ny tranonareo, ary na aiza na aiza misy Anareo dia mivavaha ho Ahy, fa tsy maintsy tonga Amiko ny vavakareo»30.

Ary ny dikan'ny teny hoe: "Aza atao toeram-pivavahana ny fasanako" dia ny famerimberenana ny fitsidihana Azy amin'ny fotoana na amin'ny toe-javatra voatokana, toy ny fanokanana ny fitsidihana Azy isan'andro, na isan-kerinandro, na isam-bolana. Na toe-javatra manokana itsidihana Azy, ary voalaza koa hoe : izany hoe aza atao fotoana iangonana eo Aminy31.

Ary niteny Imamo Malik (R.h) hoe: " Tsy voatery ho adidy ho an'ireo mponina mipatraka ao Madina izay miditra sy mivoaka ny Moske ny mijanona eo amin'ny fasana, fa ho an'ny vahiny ihany izany "32.

Ary ny teniny, hamindra fo Aminy anie i Tompo Allah: «Fa izany dia ho an'ireo vahiny ihany »: izany hoe ny famangiana amin'ny ankapobeny, fa tsy ny famangiana miverimberina rehefa miditra sy mivoaka.

Tsy mijanona ary tsy mitsangana eo anoloan'ny fasana toy ny hoe manao Soalat amin'ny fametrahana ny tanany iray eo ambonin'ny iray hafa, eo amin'ny tratra na eo ambaniny; fa ity fihetsika ity dia an'ny Soalat manokana, ary izany dia endrika fanalam-baraka sy fanekena izay sahaza an'i Tompo Allah Masina sy Avo irery ihany.

Tsy tokony hitodika any amin'ny fasana avy any amin'ny toerana lavitra mba hiarahabana ny Mpaminany (S.A.W) tahaka ny ataon'ny Olona sasany; Satria izany dia tsy nataon'ireo Mpanaradia azy (R.A) na ireo Olo-marina taloha tamin'ireo Imamo efatra sy ny hafa ankoatr'izy ireo ihany koa.

Tsy tokony hanatrika ny fasana mendri-kaja amin'ny fangatahana na koa fitalahoana na amin'ny famakiana Koroany sy ny mitovy Aminy, na avy aiza na avy aiza, fa izany dia mitovy amin’ireo zava-baovao noforonina teo aloha. Ary tsy azo ataon’ny Isilamo ny mamorona zava-baovao ao amin’ny fivavahany izay tsy nomen’i Tompo Allah baiko sy alalana. Ary nitsipaka ny asa tahaka izany ny Imamo Maliki, ka hoy Izy hoe : " Tsy hisy hanarina ny faran'ity fianakaviambe ny vahoaka ity afa-tsy izay nanarina ny teny ampian-dohany "33.

Tsy tokony ho variana mandany fotoana amin'ny fakana sary sy ny fandefasana mivantana ireo video mandritra ny fotoana fiarahabana amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Ary ny fitahian’i Tompo Allah sy ny fiadanana anie ho an'ny Mpaminantsika Mouhammadi (S.A.W) sy hoan'ireo fianakaviany ary ireo mpanaradia Azy.

***

Ny fanoroam-pejy

 

FAMPIDIRANA 2

Voalohany dia : Tombotsoa an'ny Moskean'ny Mpaminany 3

Faha-roa : Ny maha-tsara ny fitsidihana ny Moskean'ny Mpaminany Mendri-kaja 6

Faha-telo : Ny fomba fanaon'ny fitsidihana ny Mosken'ny Mpaminany 7

Faha-efatra : Fitsipika sy fahalalampomba amin'ny famangiana ny fasan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fasan'ireo mpiara-diany roa lahy (R.A) taminy 17

 

***

 

mg492v1.0 - 02/11/2026


Notanterin'i Boukhari, Laharana (1190), sy , Laharana (1395) ary i Boukhari no tompon’ny voambolana.

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (1398).

Notantarain'i Ibno Madjah, Laharana (227), amin'ny tatitra marina.

Nifanekena. Boukhari, No. (1195), Mouslimo, No. (1390).

Notanterin’i Boukhari, Laharana (636), sy Mouslimo, Laharana (602).

Nifanekena, Boukhari, Laharana (846), sy Mouslimo, Laharana (858), ary ny mohtalim dia ilay tonga taona.

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (443).

Notantarain'i Ibno Madjah, laharana (771), ary marina ny sanad-ny.

Notantarain'i Abou Daòudou, Laharana (466), amin'ny tatitra marina.

Nifanekena: Boukhari, No. (1171), sy Mouslimo, No. (714).

Nifanekena: Boukhari, No. 615, sy Mouslimo, No. 437.

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (438).

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (440).

Notanterin’i Boukhari, Laharana (722), sy Mouslimo, Laharana (417).

Nifanekena: Boukhari, No. (1195), Mouslimo, No. (1390).

Notantarain'i Tirmidhi laharana (1321) sy Ibno Khouzaymah laharana (1305), ary Soahîhi ny tatitra.

Notanterin’i Boukhari, Laharana (7359), sy Mouslimo, Laharana (564).

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (713).

Notaterin'i Tirmidhi, Laharana (314), amin'ny fitaterana Hadithe marina.

Notantarain'i Mouslimo, Laharana (977).

Notaterin'i Ahmadi ao amin'ny Mosnadi-ny, laharana (10815), amin'ny tetim-pitantarana tsara.

Notantarain'i Abou Daoudou, Laharana (3236), sy Al-Tirmidhi, Laharana (320), sy Nasa'i, Laharana (2043).

Notantarain'i Tirmidhi, laharana: (1056), sy Ibno Madjah, laharana: (1576), amin'ny teti-pitantarana tsara.

Notanterin'i Boukhari, Laharana (1189), sy Mouslimo, Laharana (1397) ary i Mouslimo no tompon’ny voambolana.

Notantarain'i Al-Bayhaqi ao amin'ny Al-Sounan Al-Kobra, laharana (10271), amin'ny tetim-pitantarana marina.

As-Shifa an'i Qadi yad (2/ 199).

Ash-Shifa an'i Al-Qadi yad (2/ 199).

Notantarain'i Al-Ajorri ao amin'ny boky "Ash-Shari'ah" (5/2374), laharana (1853).

Notaterin'i Ahmadi ao amin'ny Mosnad-ny, laharana: (8804), amin'ny tetim-pitantarana tsara.

Jereo: Al-Mof'radati nataon'i Ar-Raghibo Al-Asfahani (p: 594), sy Sharh as-Sodor bi-tahrim raf' al-Qobor nataon'i Ash-Shawkani (p: 16).

Ash Shifa nataon'i Al Qadi Iyad (2/ 204), Al Madkhal nataon'i Ibno al Hadji (1/ 262).

“ Fanangonana Fatwa” nataon'i Ibno Bazy (16/ 110).

Notantarain'i Al-Boukhari Laharana: (1189), sy Mouslimo Laharana: (1397) ary i Mouslimo no tompon'ny voambolana.