كَيْفِيَّةُ صَلَاةِ النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ
Ny fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny SWALAT
لِفَضِيلَةِ الشَّيْخِ العَلَّامَةِ
عَبْدِ العَزِيزِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ بَازٍ
غَفَرَ اللَّهُ لَهُ وَلِوَالِدَيْهِ وَلِلْمُسْلِمِينَ
Sheikh hajaina:
'Abdol'aziz Ibn 'Abdillah Ibn Bàz
Amin'ny anaran'Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo
بِسْمِ اللَّهِ الرَّحْمَنِ الرَّحِيمِ
Ny fomba fanaovan'ny Mpaminany (S.A.W) ny SWALAT
Dera ho an'Allah irery ihany, ary ny tsodrano sy ny fiadanana ho anie amin'ny Mpanompony sady Iraka nalefany, ilay Mpaminanintsika Mohammad, sy ny fianakaviany ary ny mpiara-dia aminy, ka aorian'izany dia :
Ity dia teny fohy amin'ny fanazavana ny fomba fivavahan'ny Mpaminany (S.A.W), izay tiako hatolotra ho an'ny mpino silamo lahy sy vavy rehetra mba hiezahan'izay rehetra mamaky azy amin'ny fakana tahaka azy amin'izany; araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
(صَلُّوا كَمَا رَأَيْتُمُونِي أُصَلِّي).
(Mivavaha tahaka ny nahitanareo ahy mivavaka ianareo)1. Ary atolotra ho an'ny mpamaky ny fanazavana izany :
1- Manatanteraka tsara ny Ouzou, ka manao azy araka ny nandidian'Allah ho fampiharana ny teniny, Ilay Avo sy Masina :
﴿يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا قُمۡتُمۡ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ فَٱغۡسِلُواْ وُجُوهَكُمۡ وَأَيۡدِيَكُمۡ إِلَى ٱلۡمَرَافِقِ وَٱمۡسَحُواْ بِرُءُوسِكُمۡ وَأَرۡجُلَكُمۡ إِلَى ٱلۡكَعۡبَيۡنِ...﴾.
"O ianareo izay nino! Raha hanatanteraka ny fivavahana ianareo, dia sasaonareo ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho, ary safoy amin’ny tananareo lena ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely... [Al-Maidah: 6] Ny andininy
Ary ilay nitenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
(لَا تُقْبَلُ صَلَاةٌ بِغَيْرِ طُهُورٍ).
“Tsy azo ekena ny Swalat raha tsy misy fidiovana masina”2.
Ary niteny ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ilay nandiso ny fivavahany manao hoe :
(إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلَاةِ، فَأَسْبِغِ الْوُضُوءَ).
(Rehefa mitsangana manatanteraka ny fanompom-pivavahana "Soalat" ianao, dia ataovy feno tsara ny Ouzou)3.
2- Mitodika any amin'ny Kiblat ny olona rehefa mivavaka, dia ny Kaa'ba izany na aiza na aiza ny toerana misy azy, amin'ny vatany manontolo, sady mikasa ao am-pony ny hanatanteraka ny Soalat izay tiany hatao, na ny swalat tsy maintsy atao na ny antsitrapo izany, ary tsy tononiny amin'ny lelany ilay fikasana; satria ny fanononana amin'ny lela dia tsy voamarina, fa forona kosa, noho ny Mpaminany (S.A.W) tsy nanonona ny fikasana ary tsy nanao izany koa ireo namany, ankasitrahan'i Allah anie izy ireo. Ary manisy sutrah (sakana) ivavahany izy raha toa ka Imam na mivavaka irery. Ary ny fitodihana mankany amin'ny Kiblat dia fepetra ao anatin'ny Soalat, afa-tsy amin'ireo tranga maningana sy fantatra ary nohazavaina ao anatin’ny bokin’ireo manampahaizana.
3- Miteny hoe : Allahou Akbar, sady mijery ny toerana fiankohofany.
4- Mampiakatra ny tànany anakiroa hatreo amin'ny soroka na hatreo amin'ny sofiny roa rehefa manao ny Takbir.
5-Apetrany eo amin'ny tratrany ny tànany, ny havanana eo ambonin'ny felatànany havia sy ny hatotanana ary ny sandry; satria voamarina izany avy amin'ny Mpaminany ﷺ.
6- Sunnah ny mamaky ny Douan ho fanokafana ny Soalat, ka toy ity :
(اللَّهُمَّ بَاعِدْ بَيْنِي وبيْنَ خَطَايَايَ، كَمَا بَاعَدْتَ بيْنَ المَشْرِقِ والمَغْرِبِ، اللَّهُمَّ نَقِّنِي مِنَ الخَطَايَا كَمَا يُنَقَّى الثَّوْبُ الأَبْيَضُ مِنَ الدَّنَسِ، اللَّهُمَّ اغْسِلْ خَطَايَايَ بالمَاءِ والثَّلْجِ والبَرَدِ).
(Allah ô, alaviro ahy sy ny fahotako tahaka ny nanalaviranao ny antsinanana sy ny andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin'ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny lamba fotsy amin'ny loto, Allah ô, sasao ny fahotako amin'ny rano sy ny lanezy ary ny havandra)4.
Ary raha sitrany, dia niteny kosa izy :
(سُبْحَانَكَ اللَّهُمَّ وبِحَمْدِكَ، وَتَبَارَكَ اسْمُكَ، وَتَعَالَى جَدُّكَ، ولَا إلَهَ غَيْرُكَ).
"Soubhanak Alllahoumma Wabihamdika, Watabarak asmouka Wataanlaa Djaddouka, Wala 'iilaha Ghayraka " izay midika hoe : ( Doka ho an'i Tompo Allah ary tena ho Azy avokoa ny fiderana, ary deraina tokoa ny Anaranao ilay avo Tsitoha ny momba Anao, ary tsy misy Tompo afa-tsy Anao irery ihany)5, Ary raha mampiasa fangatahana fanokafana hafa izy, izay isan'ireo voatonona sy voaporofo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia tsy misy maharatsy izany. Ary ny tsara kokoa dia ny manao ity indraindray, ary manao ilay hafa kosa indraindray; satria izany no feno kokoa amin'ny fanarahana. Avy eo dia miteny izy hoe : Aouzoubillahi minachaytwanirradjimi, Bismillahirrahmanirrahim, ary mamaky ny Sorat Al-Fatihah, araka ny teninin'ny Mpaminany manao hoe :
(لَا صَلَاةَ لِمَنْ لَمْ يَقْرَأْ بفَاتِحَةِ الكِتَابِ).
(Tsy manan-kery ny soalat ataon'ny olona tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sourat Al-Fatiha)6. Ary miteny izy aorian'izany hoe : Âmîn - amin’ny feo avo raha amin’ny Swalat mivoaka feo, ary mangingina raha amin’ny Swalat tsy mivoaka feo. Avy eo dia mamaky izay vitany vakina ao amin'ny Coran. Ary tsara ny mamaky aorian'ny Al-Fatihah amin'ny Swalat Zouhri sy Asri ary Ishâ amin'ireo Sorat antonony ny halavany, ary amin'ny Swalat Fajri kosa dia ireo Sorat lava, ary amin'ny Swalat Maghrib dia indraindray amin'ireo Sorat lava, ary indraindray kosa amin'ireo Sorat fohy, ho fampiharana ireo hadith voalaza momba izany.
7-Miondrika izy ka miteny hoe “Allahou Akbar” sady mampiakatra ny tànany mifanandrify amin'ny sorony na ny sofiny, ka ny lohany dia ataony mifanandrify amin'ny lamosiny, ary mametraka ny tànany eo ambonin'ny lohaliny ka misaratsaraka ny rantsan-tanany. Ary milamina tsara izy eo am-pihondrehana, ka miteny hoe : Soubhana Rabyal-Azim. Ny tsara indrindra dia ny mamerina izany in-telo na mihoatra, ary tsara raha miteny miaraka amin'izany hoe :
(سُبْحَانَكَ اللهُمَّ وَبِحَمْدِكَ، اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي).
"Sobhaanaka Allahomma wa bihamdika, Allahomma ighfir ly" izay midika hoe : (Doka sy dera ary fiderana ho Anao ry Tompo o, mamela Ahy Ianao).7
8-Mampiakatra ny lohany avy ao amin'ny Roukon, no sady mampiakatra ny tànany roa mifanandrify amin'ny sorika na ny sofiny, ka miteny hoe : "Samiallaho Liman Hamidah" izay midika hoe : henon'Allah izay midera sy mankasitraka Azy. Raha "Imam" izy na koa mivavaka mitokana-, dia miteny izy rehefa mihainga hoe :
(رَبَّنَا ولَكَ الحَمْدُ حَمْدًا كَثِيرًا طَيِّبًا مُبَارَكًا فِيهِ مِلْءَ السَّمَواتِ ومِلْءَ الأرضِ، ومِلْءَ ما شِئتَ مِن شيءٍ بَعدُ).
"Rabbana walakal Hamdo, Hamdan Kathiran Toayyban Mobaarakan fihy, Mil'ousamawati Wal'ardhi, Wamil'ou MaChiita Min Chayin Baad" Tomponay ho Anao anie ny fiderana, fiderana maro feno hatsarana ary feno fahasambarana ao Aminao, hamenoana ireo lanitra sy hamenoana ny tany, ary hamenoana izay rehetra sitrakao aorian'izany8.
Fa raha mivavaka manaraka ao aoriany kosa izy dia miteny rehefa manandratra ny lohany hoe : Rabbana Walakal-Hamdo sy ny tohiny izay efa voalaza teo aloha, ary raha manampy ny tsirairay amin'izy ireo -izany hoe ny Imam, ny mpivavaka manaraka ao aoriany, ary izay mivavaka irery-
(أهْلَ الثَّنَاءِ والْمجْدِ، أحَقُّ مَا قَالَ العَبْدُ، وكُلُّنَا لَكَ عَبْدٌ: اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أعْطَيْتَ، ولَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ، ولَا يَنْفَعُ ذَا الجَدِّ مِنْكَ الجَدُّ).
(Ry mendrika ny fiderana sy ny voninahitra, ny teny marina indrindra nolazain'ny mpanompo, ary izahay rehetra dia mpanomponao: Allah ô! Tsy misy afaka manakana izay nomenao, ary tsy misy afaka manome izay nosakananao, ary ny haren'ny mpanan-karena dia tsy mahasoa azy eo anatrehanao)9. Koa tsara izany noho ny maha-voamarina azy avy aminy.
Ary tsara ho an'ny tsirairay amin'izy ireo – izany hoe ny Imâm, ny Ma'môm ary ny mivavaka irery – ny mametraka ny tànany eo ambonin'ny tratrany, tahaka ny nataony tamin'ny fitsanganany alohan'ny fiondrehana, satria voaporofo izany avy amin'ny Mpaminany ﷺ araka ny hadith-n'i Wâil bin Hujr sy Sahl bin Sa'd, enga anie Allah ho afa-po amin'izy ireo.
9-Miankohoka no sady miteny hoe : "Allahou Akbar", ka ny lohalika roa no apetrany aloha vao ny felan-tànana roa raha mora aminy izany, fa raha sarotra aminy kosa dia ny felan-tànana roa no alohan'ny lohalika roa, ka atao manatrika ny Qibla ny ratsan-tongotra sy ny ratsan-tànana, ary atambatra sy atsotra tsara ny ratsan-tànana, ary miankohoka amin'ireo ratsam-batana fito : Ny handrina miaraka amin'ny orona, ny felan-tànana roa, ny lohalika roa, ary ny lohan'ny ratsan-tongotra roa, ary miteny hoe : Soubhana Roabbi-yal Anlà, ary Sounnah ny miteny izany in-telo na mihoatra, ary tsara ny miteny miaraka amin'izany hoe:
(سُبْحانَكَ اللَّهُمَّ رَبَّنا وبِحَمْدِكَ، اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي).
Doka sy dera ary fiderana ho Anao, ry tompo Allah Tomponay ô ! mamela Ahy Ianao. Ary mamerina im-betsaka ny fitalahoana araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
(أَمَّا الرُّكُوعُ، فَعَظِّمُوا فِيهِ الرَّبَّ، وَأَمَّا السُّجُودُ، فَاجْتَهِدُوا فِي الدُّعَاءِ، فَقَمِنٌ أَنْ يُسْتَجَابَ لَكُمْ).
(Fa ny fiondrehana kosa dia hanomezo voninahitra an'Allah, fa ny amin'ny fiankohofana kosa dia miezaha mafy ny mba manao fangatahana ary minoa fa dia ho voaray ny hataka izay nataonareo )10.
Ary mangataka amin'ny tompony ny hatsarana eto an-tany sy ny any an-koatra, Na swalat tsy maintsy atao izany na an-tsitrapo, dia asarany amin'ny takibany ny sandriny roa, sy ny kibony amin'ny feny roa, ary ny feny roa amin'ny ranjony roa, ary atsangany hiala amin'ny tany ny sandriny roa, araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) :
(اعْتَدِلُوا في السُّجُودِ، ولَا يَبْسُطْ أحَدُكُمْ ذِرَاعَيْهِ انْبِسَاطَ الكَلْبِ).
(Aoka ho antonony ianareo amin'ny fiankohofana, ary aza misy aminareo mamelatra ny tànany toy ny famelatry ny alika)11.
10-Mampiakatra ny lohany sady miteny hoe : Allahou Akbar, dia mipetraka ka hipetrahana ny felan-tongony havia, ary atsotra kosa ny tongony havanana, ary mametraka ny tànany eo amin'ny feny sy ny lohaliny, ary miteny hoe :
(رَبِّ اغْفِرْ لِي وَارْحَمْنِي وَاهْدِنِي وَارْزُقْنِي وَعَافِنِي وَاجْبُرْنِي).
(Roabi-ghoufiri-ly, Oari-hamony, Oa-hadiny, Oro-zokony, Oa-anfiny, Oadji-borony)12. Ary atao anatin'ny fitoniana ity fipetrahana ity.
11- Miankohoka fanindroany ary miteny hoe : "Allahou Akbar", ka manao toy ny nataony tamin'ny fiankohofana voalohany.
12- Manandratra ny lohany izy sady miteny hoe : “Allahou Akbar”, ary mipetraka fipetrahana maivana tahaky ny fipetrahany teo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa, izay antsoina hoe fipetrahana fialan-tsasatra, ary ankasitrahana ny fanaovana azy, fa raha tsy ataony kosa dia tsy misy tsiny aminy, sady tsy misy tsiahy na Douan atao amin'izany. Avy eo miarina mitsangana hanohy ny rakkat faharoa izy ka miankina amin'ny lohaliny raha mora aminy izany, fa raha sarotra aminy kosa dia miankina amin'ny tany. Avy eo mamaky ny Fatiha sy izay vitany ao amin'ny Koroany aorian'ny Fatiha, dia manao tahaka ny nataony tamin'ny rakkat voalohany.
13- Raha toa ka raka’at roa ny swalat - izany hoe misy raka’at roa - tahaka ny swalat Fajr sy ny Jumu’ah ary ny Eid roa, dia mipetraka izy aorian’ny fiankohofana faharoa, ka atsangany ny tongony havanana ary ipetrahany mivelatra ny tongony havia. Apetrany eo ambonin'ny feny havanana ny tànany havanana ka akombony ny rantsan-tànany rehetra afa-tsy ny fanondro, izay anondroany ny Tawhid. Ary raha akombony kosa ny ankihikely sy ny manaraka ankihikely amin'ny tànany havanana, ary ataony toy ny faribolana ny ankihibeny sy ny fanondroadala, ka manondro amin'ny fanondro izy, dia tsara izany; satria samy voamarina avy amin'ny Mpaminany ﷺ ireo fomba fanao roa ireo. Ny tsara indrindra dia ny manao ity indraindray ary ilay iray koa indraindray. Ary apetrany ny tanany havia eo ambonin'ny feny havia sy ny lohaliny. Avy eo dia mamaky ny Tachahhoud izy amin'io fipetrahana io, dia ity izany :
(التَّحِيَّاتُ لله والصَّلَوَاتُ والطَّيِّبَاتُ، السَّلَامُ عَلَيْكَ أيُّها النبيُّ ورَحْمَةُ الله وبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وعلَى عِبَادِ الله الصَّالِحِينَ، أشْهَدُ أنْ لَا إلَهَ إلَّا الله وأَشْهَدُ أنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ ورَسولُهُ).
"Attahiato Lillahy was Soala-oato wat Toay-bato, As salamo An-laika Ayo-han Nabyy wa Rahmatolloahy wa Barakaatoh, As salam An-laina wa Anlaa Imbadillahy Swalihina, Ash hado Anlaa ilaaha illallaho, wa Ash hado Anna Mohammadan Ambdoho wa Rasoloho " izay midika hoe : Ny fiarahabana rehetra ho an'i Tompo Allah ary ireo tsodrano sy fahombiazana ary ireo hatsarana, fandriam-pahalemana anie ho Anao o ry Mpaminany (s.w.a) ! sy fahasoavany, fandriam-pahalemana koa ho aminay sy ho amin'ireo mpanompon'i Tompo Allah izay hendry, mijoro vavolombelona aho fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ary mijoro vavolombelona koa Aho milaza fa i Mpaminany Mohammad (s.w.a) dia mpanompon'i Tompo Allah sy Irany "" Avy eo dia miteny hoe :
(اللَّهُمَّ صَلِّ علَى مُحَمَّدٍ وعلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا صَلَّيْتَ عَلَى إبْرَاهِيمَ وَعَلَى آلِ إبْرَاهِيمَ؛ إنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ، وَبَارِكْ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا بَارَكْتَ عَلَى إبْرَاهِيمَ وَعَلَى آلِ إبْرَاهِيمَ؛ إنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ).
((Allah ô, tahio i Mohammad sy ny fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nitahianao an'i Ibrahim sy ny fianakavian'i Ibrahim; eny tokoa, mendri-piderana sy Be voninahitra Ianao. Ary omeo ny fahasoavanao i Mohammad sy ny fianakavian'i Mohammad, tahaka ny nanomezanao ny fahasoavanao tamin'i Ibrahim sy ny fianakavian'i Ibrahim; eny tokoa, mendri-piderana sy Be voninahitra Ianao))13.
Ary mangataka fiarovana amin'Allah amin'ny zavatra efatra, ka miteny hoe :
( اللَّهُمَّ إنِّي أَعُوذُ بِكَ مِن عَذَابِ جَهَنَّمَ، وَمِنْ عَذَابِ القَبْرِ، وَمِنْ فِتْنَةِ المَحْيَا وَالْمَمَاتِ، وَمِنْ شَرِّ فِتْنَةِ المَسِيحِ الدَّجَّالِ).
(Tompo o ! arovy Aho amin'ny sazy ao amin'ny Afobe, sy amin'ny sazy ao am-pasana, ary amin'ny fakam-panahin'ny fahavelomana sy ny fahafatesana, ary amin'ny haratsian'ny fakam-panahin'ny mesia sandoka " Dadjal ") 14.
Avy eo mangataka izay tiany amin'ny soa eto an-tany sy any an-koatra izy, ary raha manao Doan ho an'ny ray aman-dreniny izy na ho an'ny mpino silamo hafa dia tsy maninona - na Swalat obligatoara izany na Swalat an-tsitrapo - ; noho ny maha ankapobe ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ny hadith-n'i Ibnu Mas'oud (R.A) tamin'izy nampianatra azy ny Tashahhud:
(ثُمَّ لِيَتَخَيَّرْ مِنَ الدُّعَاءِ بَعْدُ أَعْجَبَهُ إِلَيْهِ فَيَدْعُو).
(Avy eo dia misafidy izay Doan tiany indrindra izy ka mangataka)15. Ary voalaza ihany koa avy amin'ny hevitra hafa fa hoe :
(ثُمَّ لِيَخْتَرْ مِنْ الْمَسْأَلَةِ مَا شَاءَ).
(16) Avy eo dia misafidy izay fangatahana tiany izy.16
Ary izany dia mahafaoka izay rehetra mahasoa ny mpanompo eto an-tany sy any ankoatra. Avy eo dia mitodika ankavanany miteny hoe : Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi, ary mitodika ankaviany miteny hoe : Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi.
14- Raha toa ka ny swalat telo raka'at tahaka ny Maghrib, na efatra raka'at tahaka ny Zouhri, Asri ary Ishaa, dia mamaky ny Tachahhoud voalaza teo aloha izy sy mandefa tsodrano ho an'ny Mpaminany (S.A.W), avy eo dia mitsangana izy ka ny lohaliny no ianteherany, manangana ny tànany roa hatramin'ny sorony na ny sofiny sady miteny hoe : Allah Akbar, ary apetrany eo amin'ny tratrany ny tànany roa tahaka ny teo aloha, ka ny sourat Al-Fatihah ihany no vakiany. Raha mamaky mihoatra ny Al-Fatihah izy amin'ny raka'at fahatelo sy fahefatra amin'ny Zouhr indraindray dia tsy maninona, satria voaporofo izany avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) araka ny hadith azo avy amin'i Abou Sa'id (R.A). Raha tsy mandefa tsodrano ho an'ny Mpaminany (S.A.W) izy aorian'ny Tachahhoud voalohany dia tsy maninona; satria izany dia ankasitrahana fa tsy adidy ao amin'ny Tachahhoud voalohany. Avy eo dia manao tachahhoud izy aorian'ny raka'at fahatelo amin'ny Maghrib ary aorian'ny rakkat fahefatra amin'ny Zouhr, Asri, ary Isha, tahaka ny efa voalaza teo amin'ny swalat misy raka'at roa. Avy eo dia manao salam amin’ny ankavanany, avy eo amin’ny ankaviany, ary mangataka famelana amin'i Allah in'telo, avy eo miteny hoe :
(اللَّهُمَّ أَنْتَ السَّلَامُ وَمِنْكَ السَّلَامُ، تَبَارَكْتَ يا ذَا الجَلَالِ وَالإِكْرَامِ).
(Allàhoumma Antas-salàm wa minkas-salàm, Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo)17. (Allah ô! Ianao no Fiadanana, ary avy Aminao ny fiadanana, be fitahiana Ianao ry Tompon'ny Fahalehibeazana sy ny Fiantrana) Alohan'ny itodihany amin'ny olona raha imam izy, dia miteny hoe :
(لَا إلَهَ إلَّا الله وحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَه، لَهُ المُلْكُ، ولَهُ الحَمْدُ، وَهُوَ عَلَى كُلِّ شيءٍ قَدِيرٌ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إلَّا بالله، اللَّهُمَّ لَا مَانِعَ لِمَا أعْطَيْتَ، ولَا مُعْطِيَ لِمَا مَنَعْتَ، وَلَا يَنْفَعُ ذَا الجَدِّ مِنْكَ الجَدُّ، لَا إلَهَ إلَّا الله، وَلَا نَعْبُدُ إلَّا إيَّاهُ، لَهُ النِّعْمَةُ وَلَهُ الفَضْلُ، وَلَهُ الثَّنَاءُ الحَسَنُ، لَا إلَهَ إلَّا الله مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَو كَرِهَ الكَافِرُونَ).
"(La ilaha illallahou wahdahou la sharika lahou, lahoul moulkou walahoul hamdou wahou ala koulli Shai'in Quadir, La-haoula Oala Kou-Oata Y-la Billahy, Allahoumma la Maa'nioun lima aa'twaita wala mou'twia lima manaa'ta wala yanfaa' Zal djaddi minkal djaddi, La-yllaha Y-lla-loaho,Oa-la Nan-boudo Y-la y-yahou,Laou-Neymato Oa-lahoule-fadhoulo,Oa-lahoule-phanaoule-Hassana, La-yllaha Y-lla-loaho Mokholosi-na lahou-Dina, Oa-lao-karihale- Kafirona)18."
Ary manome voninahitra an'i Allah in-telo amby telopolo izy, ary midera Azy in-telo amby telopolo, ary manao (Allaho Akbar) in-telo amby telopolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe: Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, ary mamaky ny Ayat al-Kursi, sy ny Qul Huwa Allahu Ahad, sy ny Qul a'udhu bi Rabbil-falaq, ary ny Qul a'udhu bi Rabbinnas aorian'ny swalat rehetra, ary tsara ny mamerina ireo surah telo ireo in-telo aorian'ny swalat Fajr sy ny swalat Maghrib; noho ireo hadith voalaza momba izany avy amin'ny Mpaminany (S.A.W), ary ireo tsiahy rehetra ireo dia Sunnah fa tsy voatery.
Azon'ny mpino silamo lahy sy vavy ny manao vavaka rakaat efatra alohan'ny vavaka Zohri ary roa aoriany, ary rakaat roa aorian'ny Soalat Maghrib, ary rakaat roa aorian'ny vavaka Ishà, ary rakaat roa alohan'ny Soalat Fajri. Ny fitambarany dia roa ambin'ny folo rakaat, ary ireo rakaat ireo no antsoina hoe ar-Raoàtib; satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nifikitra tamin'izany rehefa nitoetra an-tanàna. Raha ny amin'ny dia lavitra kosa, dia nambelany izy ireo afa-tsy ny Sonnah-n'ny vavaka maraina sy ny Witr, satria izy Mpaminany (S.A.W) dia nanao azy ireo tsy tapaka na mitoetra na mandeha lavitra. Ary tsara kokoa ny mivavaka ireo Sonnah Rawatib sy ny Witr ireo ao an-trano, fa raha manao azy ireo ao amin’ny moske dia tsy misy tsiny; araka ny tenin’ny Mpaminany (S.A.W):
(أفْضَلُ صَلَاةِ المَرْءِ في بَيْتِهِ، إلَّا الصَّلَاةَ المَكْتُوبَةَ) .
(Ny soalat tsara indrindra ataon'ny olona dia ao an-tranony, afa-tsy ny soalat dimy isanandro) 19.
Ary ny fifikirana amin'ireo rakàa 12 ireo dia isan’ny antony hidirana ao amin’ny Paradisa araka ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) :
(مَنْ صَلَّى اثْنَتَيْ عَشْرَةَ رَكْعَةً فِي يَومٍ وَلَيْلَةٍ، بُنِيَ لَه بِهِنَّ بَيْتٌ فِي الجَنَّةِ).
"(Izay manao rakaat roa ambin'ny folo ao anatin'ny andro sy alina, dia hanamboaran'i Allah lapa lehibe ho azy any amin'ny Paradisa)20."
Ary raha mivavaka rakaat efatra alohan'ny Swalat Asri izy, sy roa rakaat alohan'ny Swalat Maghrib, ary roa rakaat alohan'ny Swalat Isha dia tsara izany; satria voamarina avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) izay manondro izany. Ary raha mivavaka rakaat efatra aorian'ny Swalat Zohri sy efatra alohany izy dia tsara izany; noho ny teniny (S.A.W):
(مَنْ حَافَظَ عَلَى أَرْبَعِ رَكَعَاتٍ قَبْلَ الظُّهْرِ، وَأَرْبَعٍ بَعْدَهَا حَرَّمَهُ اللَّهُ عَلَى النَّارِ).
"Izay manao rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy efatra aorian'izany, dia nataon'i Allah fady azy ny Afobe"21. Ny heviny dia hoe : manampy raka't roa izy aorian'ny Zohri ho fanampin'ny Sonnah Raoàtib; satria ny Sonnah Raoàtib dia efatra alohan'izany ary roa aorian'izany. Ka raha manampy raka't roa izy aorian'izany, dia tanteraka ilay voalaza ao amin'ny hadith-n'i Oum Habiba (R.A).
Ary i Allah no mampalavorary ny zava-drehetra, ary ny tsodranon'Allah sy ny fiadanana anie ho amin'ny Mpaminanintsika Mouhammad zanak'i Abdoullah (S.A.W), sy ho amin'ireo fianakaviany, sy ireo mpanaradia azy, ary ho amin'ireo mpanaraka azy amin'ny hatsarana mandra-pahatongan'ny andro farany.
***
Notantarain'i Moslim, Laharana (224).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (5782).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (744), sy Moslim, Laharana (598).
Notantarain'i Moslim, laharana (399).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (756).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (817), sy Moslim, Laharana (484).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (711), sy Moslim, Laharana (598).
Notantarain'i Moslim, Laharana (477).
Notantarain'i Moslim, Laharana (479).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (788), sy Moslim, Laharana (493).
Notantarain'i Al-Tirmidhi, Laharana (284), sy Abo Dawod, Laharana (850), sy Ibn Majah, Laharana (898).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (797), sy Moslim, Laharana (402).
Notantarain'i Al-Bukhari, Laharana (1311), sy Muslim, Laharana (588).
Notantarain'i Al-Nasa'i, laharana. (1298).
Notantarain'i Moslim, laharana (402).
Notantarain'i Moslim, laharana (591).
Notantarain'i Moslim, Laharana (402).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (6860).
Notantarain'i Moslim, laharana. (728).
Notantarain'i Ahmad, Laharana (25547), sy Al-Tirmidhi, Laharana (393), sy Abo Dawod, Laharana (1077).
Notantarain'i Al-Bokhari, Laharana (605).